Ilay jiolahy faharoa

41. RBNIR ( 01/05/2013 07:07)
leva2:

Tena miala tsiny namana RBNIR fa tsy resy lahatra mihitsy ny maha-cas exceptionnel an'ity tranga ity mihitsy aho. Averiko indray ny fanambarako hatrany am-boalohany fa tena tanterak'ity jiolahy faharoa ity daholo izay rehetra takian'Andriamanitra hahazoana famonjena :

Faly miarahaba namana leva2,
Iza amin-tsika taty aoriana no afaka hanambara fa indray andro any mbola hisy olona iray na maro hafa koa hiara hofaty eo amin'ny hazo fijaliana miaraka amin'i Jesosy Tompo indray???
Cas exceptionel io indray mandeha tsy miverina, ireo jiolahy 2 dia nahazo tombony lehibe tamin'io fotoana io saingy mampalahelo fa iray ihany no nahita.
Samia ho tahin'ny Tompo e
42. leva2 ( 01/05/2013 18:11)

RBNIR:

Velona Jesosy!

Tsy mifankahazo resaka isika namana eo amin'ny maha-exceptionnel ity cas ity, sy ny tsy maha-exceptionnel azy. Raha ny hoe miara-maty amin'ny Tompo no itenenanao azy hoe exceptionnel, vakio anie ilay famaritana ny atao hoe batisa nomeko tery ambony dia ho hitanao fa ny atao hoe batisa dia fiarahana maty amin'ny Tompo (Rom 06/03-08)
Fa tsy izay no tiako tenenina amin'ilay mahatonga ahy hoe tsy exceptionnel velively ity. Ny marary efa ho faty, na ny olona nino sy nibebaka ka nandray an'i Jesosy ho mpamonjy azy, na dia tsy natao batisa, tsy nandray fanasan'ny Tompo, tsy nianatra soratra masina, ka maty tampoka dia VOAVONJY.
Izany anie namana tsy midika hoe hiandry ho akaiky ho faty daholo izany vao hino sy hibebaka, fa marina ny teninao hoe raha efa nahalala ianao, efa nitoriana nefa ninia tsy nihaino na nisalasala sy nangataka andro : izay no mety ho CAS EXCEPTIONNEL ny tsy hamonjena azy sy tsy hiainoan'Andriamanitra ny finoany sy ny fibebahany.
43. RBNIR ( 02/05/2013 04:42)
leva2:

Tsy mifankahazo resaka isika namana eo amin'ny maha-exceptionnel ity cas ity, sy ny tsy maha-exceptionnel azy.

Faly miarahaba namana,

Izay no marina namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
44. Nehemiah ( 02/05/2013 06:16)
F'angaha ny fifankazahoan'ny tsirairay no zava-dehibe fa tsy ny mampitombina ny hevitra aroso e ?

Ary ny andininy aroson'i RBNIR, raha voa tsy ivelan'ny contexte dia ivelan'ny sujet. Izany no nampipoitra ny heresia maro samihafa t@ tantaran'ny fiangonana.
45. RBNIR ( 02/05/2013 19:43)

Nehemiah:

Ary ny andininy aroson'i RBNIR, raha voa tsy ivelan'ny contexte dia ivelan'ny sujet. Izany no nampipoitra ny heresia maro samihafa t@ tantaran'ny fiangonana.

Faly misera hatrany namana,
raha voa tsy ivelan'ny contexte dia ivelan'ny sujet = tsy azoko, izaho mbola tsy niala lavitra nanodidina ilay jiolahy faharoa.
Ho fitiniko:
Ny fomba namonjena ilay jiolahy faharoa dia tranga manokana mihitsy, iny irery ihany sisa fomba nahafahan'Andriamanitra hamonjena azy.
Tsy azo atao ny miady fitia amin'ilay jiolahy faharoa (maro mantsy ankehitriny no mialokaloka ao amin'io tantara io ka misaina fa hoe izaho indray dia tsy hibebaka raha tsy efa ho faty satria ilay jiolahy faharoa aza......).
Fahadisoan-kevitra izay satria:
1- tsy mitovy ny famindrampon'Andriamanitra amin'ny tsi11.
2- Raha tsy nahafantatra ny olona iray no minia tsy mijery Andriamanitra fa raha efa nampahafantariny kosa dia didiny hibebaka avy hatrany.

Iny tanatara iny araka izany tsy mahafoana ny làlam-pamojena efa napetrak'Andriamanitra toy ny hoe :
- "Tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamaitra fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra.
- "Raha te hiditra ao amin'ny fiainana ianao dia tandremo ny didy"
- sy ny hoe "Izay mino sy atao Batisa no hovonjena"

Ireo zavatra ireo dia tsy "fombafomba" akory fa tena zava-dehibe miantoka ny fidirana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra.

Izay raha fitinina ny fizarana natao teto.

Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ho ao ampon'ny mahalala......

Samia ho tahin'ny Tompo.
46. Nehemiah ( 03/05/2013 07:57)

RBNIR:

- "Raha te hiditra ao amin'ny fiainana ianao dia tandremo ny didy"
- sy ny hoe "Izay mino sy atao Batisa no hovonjena"

Iny fotsiny dia efa mifanipaka
47. RBNIR ( 03/05/2013 08:17)
Nehemiah:

RBNIR:

- "Raha te hiditra ao amin'ny fiainana ianao dia tandremo ny didy"
- sy ny hoe "Izay mino sy atao Batisa no hovonjena"

Iny fotsiny dia efa mifanipaka

Faly misera hatrany e,

Tsy mifanipaka fa mifameno, samy tsy maintsy tanterahina ireo.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
49. RBNIR ( 03/05/2013 09:31)

Nehemiah:

Mifnohitra @ fahasoavana ny fitandremana lalàna

Efa voalaza tery aloha fa tsy mifanohitra fa fahasoavana mampiorina tsara ny lalàna, sady ny fahasoavana nomena hahafahana manantanteraka ny lalàna.

Samia ho tahin'ny Tompo
50. Tefigasy ( 03/05/2013 10:28)
RBNIR:

Efa voalaza tery aloha fa tsy mifanohitra fa fahasoavana mampiorina tsara ny lalàna, sady ny fahasoavana nomena hahafahana manantanteraka ny lalàna.

Samia ho tahin'ny Tompo

Tena Loza ! "Ry malala , aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia , satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao ." ( 1.Jao.4 : 1) . Mitranga izany eto ambony satria tena mifanohitra tanteraka amin'izay voasoratra no ambaran'ilay rangahy !

Efe 2 : 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany , fa fanomezana avy amin'Andriamanitra

Rom.6:14 : fa ny ota tsy hanankery aminareo fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.

Natao inona ny lalana :

Gal.3:23-24 : fa fony tsy mbola tonga ny finoana dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy amin’ny finoana izay efa haseho aty aoriana, koa ny lalàna dia mitaiza antsika

Gal.3:25 : fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin’izay mpitaiza intony isika.

Heb.9:10 : fitsipika araka ny nofo ireny, voatery atao mandrapahatonga ny andro fanovana

Heb.10:1: Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona

Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino

--------------

Misy olona dia tsy mety miala amin'ny aloka, nefa tsy ny aloka no mahavonjy, Indrisy !
51. RBNIR ( 03/05/2013 10:45)
Misaotra anao aho namana Tefigasy,
Voamarina ny Teny ary tanteraka amiko izy ankehitriny, (efa voasoratra fa izay nandehanany tsy maintsy andehanako ihany koa
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany,
Samia ho tahin'ny Tompo namana
52. Tefigasy ( 03/05/2013 11:21)
RBNIR:

Misaotra anao aho namana Tefigasy,
Voamarina ny Teny ary tanteraka amiko izy ankehitriny, (efa voasoratra fa izay nandehanany tsy maintsy andehanako ihany koa
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany,
Samia ho tahin'ny Tompo namana

Raha ny lalana nizoran'i Jesoa no tianao lazaina dia voasoratra ao anaty baiboly daholo izany, saingy ny hizoranao ankehitriny dia tsy hita taratra ao fa ny mifanohitra amin'izany aza no habaribarinao eto. Tsy fanozonana akory na fankahalana ny fitenenana hoe mpaminany sandoka fa mba ho fanairana. Nefa moa rehefa tsy ho taitran'izany , tsy hiova lalana amin'izany, tsy haiko intsony fa tohizo ny lalanao ary !
53. Nehemiah ( 03/05/2013 12:24)

RBNIR:

Misaotra anao aho namana Tefigasy,
Voamarina ny Teny ary tanteraka amiko izy ankehitriny, (efa voasoratra fa izay nandehanany tsy maintsy andehanako ihany koa
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany,
Samia ho tahin'ny Tompo namana

Inona ihany ary ity fihatsarambelatsihy ity ? Tsy mba sitraky ny Tompo an izao.

Ny fahasoavana dia nomena antsika mba hiainantsika fiainana sitrak'Andriamanitra, fa tsy hoe anarahana ny Lalàna, nuance.
Sa heverin'i RBNIR fa mbola ota ihany ny mihinana foza orana :) ?
54. RBNIR ( 05/05/2013 02:57)
Tefigasy:

Efe 2 : 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany , fa fanomezana avy amin'Andriamanitra

Rom.6:14 : fa ny ota tsy hanankery aminareo fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.

Natao inona ny lalana :

Gal.3:23-24 : fa fony tsy mbola tonga ny finoana dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy amin’ny finoana izay efa haseho aty aoriana, koa ny lalàna dia mitaiza antsika

Gal.3:25 : fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin’izay mpitaiza intony isika.

Heb.9:10 : fitsipika araka ny nofo ireny, voatery atao mandrapahatonga ny andro fanovana

Heb.10:1: Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona

Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino

Misy olona dia tsy mety miala amin'ny aloka, nefa tsy ny aloka no mahavonjy, Indrisy !

Faly miarahaba namana,
Ireo toko sy andininy notanisain'ny namana ireo dia nalaina avy ao amin'ireo epistily nosoratan'i paoly apostoly.
Mbola i paoly apostoly ihany koa no nanoratra an'ireto teny ireto anefa anefa :
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
« Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! » (Rom.6:15)
Eto amin'ity farany ity dia nohamafisiny hoe SANATRIA IZANY!
Araka ilay ao amin'ny I Jao.3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » dia ny atao hoe OTA = FANDIKANA NY LALANA
MANOTA = MANDIKA LALANA.
Farany : efa nampitandriana ny apostoly petera mikasika ny epistily nosoratan'ny apostoly paoly: « tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Pet.3:16)

Izay manamaso aoka hahita ary izay manan-tsaina aoka isaina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

55. RBNIR ( 05/05/2013 03:07)
Nehemiah:

Sa heverin'i RBNIR fa mbola ota ihany ny mihinana foza orana :) ?

Ny zavatra TENA AZOKO ANTOKA FA MARINA namana dia tsy nihinana foza orana i Jesosy sy ireo mpianany.
Porofo : i Petera raha nanehon'Andriamanitra ilay fahitana momba ny biby tsy madio dia nilaza fa tsy mbola nihinana izany mihitsy izy.
Izay rehetra nandehanany no tsy maintsy andehanako koa namana.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
56. RBNIR ( 05/05/2013 03:14)
Tefigasy:

Raha ny lalana nizoran'i Jesoa no tianao lazaina dia voasoratra ao anaty baiboly daholo izany, saingy ny hizoranao ankehitriny dia tsy hita taratra ao fa ny mifanohitra amin'izany aza no habaribarinao eto. Tsy fanozonana akory na fankahalana ny fitenenana hoe mpaminany sandoka fa mba ho fanairana. Nefa moa rehefa tsy ho taitran'izany , tsy hiova lalana amin'izany, tsy haiko intsony fa tohizo ny lalanao ary !

Misaotra anao aho namana, izao no porofo amiko fa tsy diso lalana aho satria ampangaina ho mpaminany sandoka (Tsy mahagaga fa Jesosy aza nolazain'ny sasany fa misy devoly)
Misaotra betsaka,
Ny Tompo anie hanazava ny sainao.
Samia ho tahin'ny Tompo
57. Nehemiah ( 06/05/2013 06:42)

RBNIR:

Ny zavatra TENA AZOKO ANTOKA FA MARINA namana dia tsy nihinana foza orana i Jesosy sy ireo mpianany.
Porofo : i Petera raha nanehon'Andriamanitra ilay fahitana momba ny biby tsy madio dia nilaza fa tsy mbola nihinana izany mihitsy izy.
Izay rehetra nandehanany no tsy maintsy andehanako koa namana.

Lol beuh.

Adinonao ny tohiny :
"Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady." (Asa. 10:15)
58. RBNIR ( 06/05/2013 06:59)

Petera nahafantatra tsara fa tsy ara-bakiteny no hevitr'ilay fahitana ary tsy nety nihinana mihitsy izy nefa tsy nandiso azy Andriamanitra.

Ny tena hevitr'ilay fahitana dia « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asa.10:28)

Tsy biby fihinana no tian'ilay fahitana ambara fa olona : (Petera mantsy an'isan'ireo jiosy mbola nitana fa misy olona madio sy ny olona fady na tsy madio).

Ny hafatra tian'Andriamanitra hampitaina dia tsy hoe hano amin'izay ny biby tsy madio fa hoe, Raiso ny olona rehetra fa aza asiana madio sy tsy madio intsony satria efa nodiovin'Andriamanitra avokoa.

Izay manana maso aoka hahita, ary izay manana saina aoka hisaina.

Samia ho tahin'ny Tompo

59. Nehemiah ( 06/05/2013 07:16)
Ahoana indray ny 1 Kor. 8 ?

Tokony mi-prendre de la graine @'iny ianao
60. RBNIR ( 06/05/2013 07:38)

Nehemiah:

Ahoana indray ny 1 Kor. 8 ?

Tokony mi-prendre de la graine @'iny ianao

Ny titre fotsiny dia efa mahavaly ny fanontaniana namana : "Ny amin’ ny hena izay efa natao fanatitra tamin’ ny sampy".
Ny zavatra tena resahina eto dia momba ny hanina izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy (mety ho hanina madio io : ny olana dia hoe sao dia efa natolotra tamin'ny sampy)

Samia ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0658