Ilay jiolahy faharoa

21. Tefigasy ( 26/04/2013 08:46)
smileyah:

Ny mahavoa antsika dia tia mitsara haingana fa tsy dia alalinina loatra ny zavatra lazain'ny sasany. Hitako hoe ny tanjonareo dia ny handresy lahatra ny olona tsy ho resy lahatra mandrakizay.

Tsy handresy lahatra no tanjoko. Andriamanitra aza nanaja ny safidin'ny tsirairay fa tsy nanery na nandresy lahatra akory. Milaza ny marina izay lazain'ny baiboly dia an'ny tsirairay no mieritreritra na mifanaraka amin'ny baiboly izay halehany na mifanaraka amin'ny fampianaran'i damopr na dapasy fotsiny ihany.
Tes1 5 : 21 "Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara."
smileyah:

Satria efa miorim-paka lalina ao @ i Jesoa Kristy. Ary efa mahita ny vokany eo @ fiainana ka mba te hizara izany @ izay te handray azy.

Milaza ny toa izao daholo ny olona, nefa rehefa sokafana ny baiboly, toa zavatra hafa mihitsy kay no ataony fa tsy misy hifandraisany !
Jao1 4 : 1 "Ry malala , aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia , satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao"
smileyah:

Raha tsy azonareo izay lazaiko dia aleo ho an'izay notsilovin'ny Fanahy Masina afaka handray azy. Moa ny Farisianina tsy nahay antsipiriany ny soratra? Nefa jamba ihany .
Satria hoy ny Tompo: misaotra anao aho Raiko fa nafeninao ireo be saina izany fa nambaranao ny madinika kosa.

De ny olona tsy mamaky ny baiboly izany no aoka handray izay lazainao raha izany. Ary koa, toa tsy misy Fanahy Masina milatsaka amin'ny olona miaina ivelan'ny fahamasinana izay voasoratra ao amin'ny baiboly a! Mbola tsy nahita aho aloha a !
Hoy ny Tompo hoe : Pet1 1 : 16 "satria voasoratra hoe : "Ho masina ianareo , satria masina Aho" (lev. 11. 44)." .
22. Nehemiah ( 27/04/2013 07:19)
Tsotra ny lesona omen'ity jiolahy ity antsika : tsy ny batisa na ny didy 10 na ny tsi-fihinanana kisoa na ny fankalazàna ny Paska @ 14 Abiba na ny miteny teny tsy fantatra na ny lalan'i Mosesy na ny fampiasàna ny hoe Yeshu'a toy izay Jesoa na ny famoràna na ny sakramenta 7-n'ny Katôlika na ny asa fivalozana na ny fivavahana @ Maria na ny olomasina na ny fanaovana sorona omby aman-tapitrisa na ny fanatrehana lamesa im-7 isan'andro na ny fianarana teôlôjia mandritry ny 7 taona na ny fitoriana ny Evanjely na ny fandalàna ny fahariana na ny fanaovana asa soa sy asa fiantrana be dia be na ny fanajàna ny didy 2 lehibe aza no mahavonjy, fa ny finoana avy @ fahasoavana avy @ Jesoa ihany.
23. leva2 ( 27/04/2013 12:29)
Velona Jesosy!

Tena marina izay ambaranao namana Nehemiah, fa kifombafomba avokoa mantsy ireo tanisainao rehetra ireo.
Ny tsindriako kely dia ity : hoy ianao eto amin'ny farany hoe "ny finoana avy amin'ny fahasoavana, avy amin'i Jesoa ihany", fa misy dingana "élémentaire" tsy maintsy lalovan'izay mino eto amin'ity jiolahy ity : ny fanekena ny maha-jiolahy, mpanota, ratsy toetra, ratsy fo, mpanao ratsy ary mendrika ny ho faty tokoa noho izany. Mila fibebahana izany. Avy eo dia manaiky ny hovonjeny, hodioviny.

Misaotra namana.
24. Nehemiah ( 27/04/2013 13:19)
Marina mihitsy izany
25. RBNIR ( 29/04/2013 09:25)
Faly miarahaba ny rehetra hatrany,

Tsy mahafoana ny làlam-pamonjena ny cas exceptionnel an'ilay jiolahy faharoa.

Tsy mahafoana mihitsy ny hoe :
1- « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina » (Mar.16:16)
2- « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Tsy mahafoana ihany koa ny hoe :
« ..........; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. » (Mat.19:17)

Tsy fombafomba velively fa antoka lehibe hidirana any amin'ny FIAINANA.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
26. Nehemiah ( 29/04/2013 12:28)
F'angaha mahatandrina ny didy rehetra mandrakariva i RBNIR e ?
27. RBNIR ( 30/04/2013 02:41)
Faly miarahaba namana nehemia,
Raha ami'n'ny herin'ny tenako sy ny tanjako fotsiny tokoa namana, dia marina fa tsy hahatandrina aho fa izao no fampanantenana efa nomen'Andriamanitra « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek. 36:27)
Ny Fanahin'Andriamanitra no fanomezana nomeny ahy ary io Fanahin'Andriamanitra io no mahatonga ahy handeha araka ny lalàny sy hitandrina ny fitsipikany ary hanaraka izany fitsipikany sy làlany izany.

Minoa ireto tenin'i Jesosy ireto namana:

« Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Mat.11:28)
« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat.11:30)

Hoy koa ny Tompo eo ambony eo hoe : "Mianara amiko". Zava-dehibe io mila fantarina tokoa hoe iza avy no lalàna mbola mitoetra ary iza avy kosa ireo efa noravan'i Jesosy Tompo.
Aza mora kivian'ny devoly amin'ny resaka lalàna 600 mahery sy ny sisa fa fantaro ny marina. Rehefa niteny Jesosy hoe "mora ny ziogako ary maivana ny entako" dia misy dikany izay.

Izao anefa aza mandray an-kafaliana :
Hoy koa ny teny hoe « .......... ........Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. » (Apok.7:14)

Mandritra ny fanadiovana sy fanafotsiana izay tanterahina avy amin'ny ran'ny Zanak'ondry, dia misy ny fahoriana.

« Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; » (Mar.4:16)
« nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. » (Mar.4:17)

Aza mandray ankafaliana hoy aho satria ny olona toy izany dia tsy haharitra ny fahoriana velively.

Minoa, Mahereza.......

Samia ho tahin'ny Tompo namana



28. Nehemiah ( 30/04/2013 05:49)
Ka mifanipaka anie ny filazanao e : ny olona mino an'Andriamanitra no andefasana ny Fanahy Masina fa tsy ny olona mitandrina ny lalàna.

Ny Zanak'Isiraely nahatandrina Sabata sns nefa tsy tafiditra tany Kanana satria tsy nino (Heb. 4).

Gal. 3:1-2 : "Ry Galatiana adala, iza no nanimba [Gr. namosavy] anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana? Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana [Na: fandrenesana amin’ ny finoana] ?"
29. RBNIR ( 30/04/2013 05:57)

Faly misera aminao hatrany namana,

« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Ny finoana tsy mahafoana ny lalàna, ary ny tanjon'Andriamanitra amin'ny finoana dia mba hanatanteraka ny lalàna.

P.S : Jesosy nitandriana Sabata, ary tsy nihinana biby maloto.
Novahany ny Sabata (fa tsy noravany) nisy naneritery tao dia novahany.

Mianara amiko hoy Izy. Izay rehetra nianatra dia nahafantatra daholo.

Samia ho tahin'ny Tompo e
30. Nehemiah ( 30/04/2013 07:12)
Miverina ihany ny fanontaniana : mahatandrina tanteraka ny lalàna ve ianao ? Raha mamaly hoe eny dia mandainga.

Ny lalàna dia tsy nomena mba hitarika antsika @ famonjena, fa nomena mba haseho fa tsy mahatandrina Azy isika, ary tandindona fotsiny ny fanompoam-pivavahana @ Pentatioka, fa efa nofenoin'i Kristy ny fepetry ny Lalàna.
31. RBNIR ( 30/04/2013 07:40)
Nehemiah:

Miverina ihany ny fanontaniana : mahatandrina tanteraka ny lalàna ve ianao ? Raha mamaly hoe eny dia mandainga.


« Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.» (1 Kor.15:34)

« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)

Ny atao hoe manota dia mandika ny lalàn'Andriamanitra.

Ny manao fanahy hiniana no tsy azo atao namana , fa raha misy kosa ny olona tafalatsaka tao amin'ny ota tsy nahy dia manana mpisolo vava izy.
raha minia manota kosa........
« Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Heb.10:26)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

32. Nehemiah ( 30/04/2013 08:47)
Dia mbola raisonnement circulaire hatrany satria toa hadinonao ny etsy ambony : ny ahafahantsika anaovana an'izay dia ny Fanahy Masina izay azo avy t@ finoana. Ary io finoana io dia tsy maintsy ambaran'ny vava miloaka.

Sady tadidio fa tsy manavaka olona Andriamanitra ka tsy azo atao ny miantsoantso "cas exceptionnel"
33. RBNIR ( 30/04/2013 08:56)

Nehemiah:

Sady tadidio fa tsy manavaka olona Andriamanitra ka tsy azo atao ny miantsoantso "cas exceptionnel"

Tena cas exceptionnel io,
Hamafisiko hatrany,
Fahadisoan-kevitra ankehitriny: izaho koa tsy maintsy mitovy zo amin'ilay jiolahy faharoa, rehefa ho faty aho vao hibebaka.
Nahoana izy no nampiakarina nefa jiolahy B, nahavita heloka B sns....
Miady fitia amin'i Jesosy e,
Averiko hatrany , cas exceptionnel io...

Samia ho tahin'ny Tompo e,

34. Nehemiah ( 30/04/2013 13:01)
Nefa tsy misy porofo ara-Baiboly...
35. Tefigasy ( 30/04/2013 13:30)
Nehemiah:

Nefa tsy misy porofo ara-Baiboly...

Adinon'ny mpanoratra ny baiboly ny nilaza hoe "exceptionnel" ity tranga iray ity: natokana ho an'ny jiolahy iray ihany, fa tsy natao ho an'ny olombelona mpanota rehetra !
Hihihihi! Mampihomehy nefa ....
Mat.20:10 "Fa rehefa tonga ireo voalohany , dia nanantena hahazo mihoatra izy ; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony ."
36. RBNIR ( 30/04/2013 13:56)
Mbola faly misera hatrany e,

Fahamarinana iray mitady tsy ho zakan'ny olona ankehitriny,
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)

Raha tsy mahafantatra ny olona iray dia minia tsy mijery Andriamanitra.
Raha olona efa nampahafantariny kosa dia didiny hibebaka hanao ny sitrapony.

Raha mahafantatra tsara ny dikan'io teny io dia mahafantatra tsara hoe naninona no
exception tokoa ny an'ilay jiolahy faharoa.

Samia ho tahin'ny Tompo indray e,
37. RBNIR ( 30/04/2013 14:03)
Tefigasy:

Mat.20:10 "Fa rehefa tonga ireo voalohany , dia nanantena hahazo mihoatra izy ; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony ."

Marina io teny io,
Mitovy ihany ny karama azon'ny tonga aloha sy ny tafara.
KARAMA tokana = Fiainana mandrakizay,
Tsy izaho mihitsy akory no hosarotiny raha misy tafarako fa vao maika aza aho faly satria mitombo ny isan'ny afaka tao amin'ny fahaverezana,

Ny hafatra tiako ampitaina eto tsy izay loatra fa hoe: aza miantehitra amin'ny fahasoavana azon'ilay jiolahy faharoa fa exception iny. Sady tsy voatery hitovy ny famindrapon'Andriamanitra amin'ny tsirairay:

« Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). » (Rom.9:15)

Aza asiana latsaka ny baiboly e, raiso daholo na ny teny mamy na teny mangidy fa izay no fampianarana tsy misy kilema,

Samia ho tahin'ny Tompo e,


38. Nehemiah ( 30/04/2013 14:21)
Averiko aminao ny teninao
39. RBNIR ( 01/05/2013 04:04)

Nehemiah:

Averiko aminao ny teninao

Faly miarahaba namana,
Raha ny tena marina tsy nitondra ny hevitro loatra aho (diniho tsara fa hialohavana tenin'Andriamanitra foana ny hafatra nomeko teto).
Ary marina ny anao, ny tenako no nasiko ho mangana aloha, ndrao izaho indray mitory indray no tsy ho tavela,
Koa dia samia mahery e,
Samia ho tahin'ny Tompo namana
40. leva2 ( 01/05/2013 04:44)

RBNIR:

Fahamarinana iray mitady tsy ho zakan'ny olona ankehitriny,
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)

Raha tsy mahafantatra ny olona iray dia minia tsy mijery Andriamanitra.
Raha olona efa nampahafantariny kosa dia didiny hibebaka hanao ny sitrapony.

Raha mahafantatra tsara ny dikan'io teny io dia mahafantatra tsara hoe naninona no
exception tokoa ny an'ilay jiolahy faharoa

Velona Jesosy!

Tena miala tsiny namana RBNIR fa tsy resy lahatra mihitsy ny maha-cas exceptionnel an'ity tranga ity mihitsy aho. Averiko indray ny fanambarako hatrany am-boalohany fa tena tanterak'ity jiolahy faharoa ity daholo izay rehetra takian'Andriamanitra hahazoana famonjena :
- Fiaiken-keloka sy fibebahana.
- Finoana an'Andriamanitra sy fanekena fa Jesosy Kristy no Mpamonjy.
- Fiandrandrana ny fiainana mandrakizay sy Fanoloran-tena ho amin'ny famonjena.

Ny tena olana, raha ny fahitako azy, dia sarotra ho an'ireo fatra-pandala ny kifombafombam-pivavahana (batisa, sakramenta, sns ...) ny hanaiky fa na tsy afaka mandalo amin'izany fombafomba izany aza izay mino dia voavonjy. Averiko foana fa tena zava-dehibe ny mahafantatra ny dikan'ny batisa, ny fandraisana, sns ... Tsy laviko mihitsy nefa, raha toa ka omen'ny Tompo fotoana ianao, ny hanatanterahana izany satria porofon'ny fanekena amin'ny fomba hita maso izany; Tsy maintsy mitombo amin'ny fahalalana Soratra Masina, ary mandeha mitory sy manao ny asan'Andriamanitra fa izany no anisan'ny antoka ahatrarana ny farany "izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena".

Misy zava-nitranga tahaka izao :
Nisy raiamandreny narary mafy efa ho faty teny amin'ny hopital. Efa tsy mahateny intsony izy saingy mbola afaka mihaino tsara araka ny filazan'ny mpitsabo. Efa vory teo daholo ny zanany rehetra ary nisy nampiantso mpanompon'Andriamanitra iray hanao izay tokony hatao.
Nitodika tamin'ireo zanaka aloha ilay mpanompon'Andriamanitra ary nanazava fa tsy voatery ho fanasitranana no anton-diany, na dia marina aza ny teny hoe "hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny", fa efa voky andro ity raiamandreny ity. Fa matoa mbola omen'ny Tompo fotoana kely izy dia misy antony.
Avy eo dia nitodika teo amin'ilay marary izy, namaky ny Soratra Masina ary nitory ny amin'ny Fibebahana sy ny famonjena ny fanahy amin'ny alalan'i Jesosy. Namafisiny fa mbola fitiavan'Andriamanitra ity raiamandreny ity ny ahafahany mandre izany teny "antso" izany ary hoy izy : "mibebaha ny amin'ny fahotanao ary raiso Jesosy antoky ny famonjena fa sao dia izany no andrasany aminao". Dia niara-niondrika ny rehetra nivavaka ary nony tapitra ny vavaka dia nodimandry koa ilay raiamandreny.

Asa aloha izay hevitrao namana, fa izaho dia tena resy lahatra fa anisan'ny tokony ho vaindohan-draharaha rehefa mamangy marary ny "hamonjena ny fanahy", fa tsy resaka fanasitranana ihany. Ary mino aho fa tsy hisy andeha hiteny isika hoe tsy tokony hatao izany fa cas exceptionnel ny an'ilay jiolahy faharoa!

Hotahian'ny Tompo namana isany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081