Ilay jiolahy faharoa

61. Nehemiah ( 06/05/2013 07:44)
Ny olana aminao dia izay mety aminao ihany no tena ifikiranao kanefa ao ny and. 8 : "Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’ Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony."

Kanefa mbola lazainao fa ota ny mihinana foza orana.
62. RBNIR ( 06/05/2013 08:09)
Tsy izay mety amiko namana nehemiah fa izay mety amin'Andriamanitra. Misy olona nampianarin'i Jesosy mivantana (tsy izaho fa izaho koa aza mbola nampianarina).
Hafatra : vakio tsara hatramin'ny farany ny tenin'Andriamanitra fa aza mitsimpona toko sy andininy, dia tsy ho diso hevitra mihitsy isika.
Samia ho tahin'ny Tompo
63. Nehemiah ( 06/05/2013 08:33)
Averiko amina fanindroany ny teninao
64. bor2lais ( 06/05/2013 08:47)
Mifanasa (tongotra) indray ianareo ato izany a ! ;-)
65. RBNIR ( 06/05/2013 08:56)
Nehemiah:

Kanefa mbola lazainao fa ota ny mihinana foza orana.

Hoy ny Baiboly fa tsy izaho: Jesosy dia tsy mba nanota.
Tsy nihinana foza orana Izy (Ilay tsy nanota) ary nampianariny an'izany ireo mpianany.
Izay manamaso aoka hahita, izay manantsaina aoka isaina.

P.S : hoy ny Baiboly fa tsy hoy izaho an!

Voninahitra ho Azy irery.

Samia ho tahin'ny Tompo

66. Tefigasy ( 06/05/2013 09:01)
RBNIR:

Tefigasy:

Efe 2 : 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany , fa fanomezana avy amin'Andriamanitra

Rom.6:14 : fa ny ota tsy hanankery aminareo fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.

Natao inona ny lalana :

Gal.3:23-24 : fa fony tsy mbola tonga ny finoana dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy amin’ny finoana izay efa haseho aty aoriana, koa ny lalàna dia mitaiza antsika

Gal.3:25 : fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin’izay mpitaiza intony isika.

Heb.9:10 : fitsipika araka ny nofo ireny, voatery atao mandrapahatonga ny andro fanovana

Heb.10:1: Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona

Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino

Misy olona dia tsy mety miala amin'ny aloka, nefa tsy ny aloka no mahavonjy, Indrisy !

Faly miarahaba namana,
Ireo toko sy andininy notanisain'ny namana ireo dia nalaina avy ao amin'ireo epistily nosoratan'i paoly apostoly.
Mbola i paoly apostoly ihany koa no nanoratra an'ireto teny ireto anefa anefa :
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
« Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! » (Rom.6:15)
Eto amin'ity farany ity dia nohamafisiny hoe SANATRIA IZANY!
Araka ilay ao amin'ny I Jao.3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » dia ny atao hoe OTA = FANDIKANA NY LALANA
MANOTA = MANDIKA LALANA.
Farany : efa nampitandriana ny apostoly petera mikasika ny epistily nosoratan'ny apostoly paoly: « tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Pet.3:16)

Izay manamaso aoka hahita ary izay manan-tsaina aoka isaina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Averina foana ity na dia minia mikipy aza ny hafa, ary ireo andininy omenao ireo dia tsy maintsy tohizana sy fenoina amin'ny andalan-tsoratra masina hafa, fa raha mijanona eo fotsiny ianao dia mivilana ny fandraisanao ny tenin'Andriamanitra, ka tsy mahagaga raha tsy mahita ny tena fahamarinana ianao:

Rom.3:20 : fa ny lalàna no hahazoana ny fahalalàna marina ny amin’ny ota. Aty amin’ny fanekena vaovao, ny lalàna dia entina mitarika ny olona hahafantatra marina ny atao hoe fahotana.
Ao amin’i kristy no fahatanterahan’ny lalàna. Noho izany ny zavatra rehetra tokony atao dia ny miditra ao amin’i kristy. Ny lalana mankany amin’i kristy dia ny fibebahana, ny fandraisana Azy ho Tompo sy mpamonjy, ary rehefa tonga ao anatinao Izy dia tsy ianao intsony no velona fa kristy no velona ao anatinao. Io kristy ao anatinao io efa nahatanteraka ny lalàna, Izy no faran’ny lalàna.
Koa raha mankao amin’i kristy aho, na izy makato anatiko dia tanteraka eo amiko ihany koa ny lalàna. Krsity ato anatiko efa nahatanteraka ny lalàna, tanteraka koa ny lalàna ato amiko. Efa nifarana teo amin’i kristy ny lalàna ary efa mifarana eto amiko ihany koa ny lalàna. Tsy fehezin’izay mpitaiza intsony aho satria efa ao amin’i kristy aho. Efa tonga ny finoana, efa nino an’i kristy aho, efa nandray Azy, niaraka maty taminy, niaraka nitsangana taminy ary tsy fehezin’izay mpitaiza intsony satria kristy no efa nahatanteraka ny lalàna ato anatiko.
Rom.8:3-4: fa izay tsy hain'ny lalàna, satria nofo ny nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin’izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. Tsy ny lalàna akory no diso na ratsy, tsara ny lalàna satria sitrapon’Andriamanitra izy fa ny nofo no malemy
Ny tokony atao dia ny mankao amin’i kristy satria rehefa tonga ao amin’i kristy dia omena ny fanahy masina. Ary ny fanahy masina no mitarika hanantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Isika dia asaina mandeha araka ny fanahy mba hahatanteraka ny fahamarinana takian’ny lalàna. Raha mandeha ara-nofo ihany isika dia tsy tanteraka eo amintsika akory ny fahamarinan’ny lalàna.
Ny mampieritreritra dia izao: efa tena nandray an’i kristy tokoa ve ianao, efa tena nateraka indray ve ianao. Fa rehefa mandray an’i kristy ianao dia mandeha araka ny fanahy ary tanteraka eo aminao ny fahamarinana takian’ny lalàna.
Tsy miova mihitsy ny fahamarinana takian’ny lalàna na tany amin’ny fanekena taloha na aty amin’ny fanekena vaovao dia ny sitrapon’Andriamanitra tsy azo ovaina ary marina mandrakizay. Tsy ny soratra akory fa ny fanahin’ilay lalàna dia ao amin’ny fanahy mahavelona fa tsy ao amin’ny soratra mahafaty akory. Tsy miova ny zavatra andrasan’Andriamanitra amintsika fa ny fitakiana azy no miova: tsy izaho nofo intsony no takiana ilay fahamarinana satria efa hita fa tsy vitako izany fa i kristy ato anatiko amin’ny alalan’ny fanahy masina no hitakiana izany. Koa efa voambara fa efa tanterak’i kristy ny fahamarinan’ny lalàna rehetra, Izy no faran’ny lalàna, koa rehefa mandeha araka ny lalàna, araka ilay kristy ato amiko dia vita eo amiko ny lalàna.
Izay no andrasana amin’ny kristianina. Tsy ny handeha hiverina indray any ambanin’ny lalàna ka hametraka zioga tsy zaka fahiny. Tsy izany no takiana aminao, tsy andeha hiverina amin’ny andro hivavahana, ny biby tsy azo hohanina, .... efa nilaozan’Andriamanitra izany, manao tsinotsinona ny asan’Andriamanitra ao amin’i kristy izany. Fa tongava ao amin’i kristy dia hitanareo izany hoe fahatanterahan’ny fahamarinan’ny lalàna noho ny asan’ny fanahy masina. Mandehana ary araka ny fanahy.
Gal.4:4-5 : fa rehefa tonga ny fotoan’andro dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka teo ambanin’ny lalàna hanavotany izay ambanin’ny lalàna izay handraisantsika ny fananganan’anaka. Raha mbola mijanona ao ambanin’ny lalàna dia tsy zanak’Andriamanitra ianao fa mbola andevo fehezin’ny lalàna, mbola zaza tsy ampy taona.
67. RBNIR ( 06/05/2013 09:13)

bor2lais:

Mifanasa (tongotra) indray ianareo ato izany a ! ;-)

Tena mitady ho lasa any indray marina fa aleo faranana,
Samia ho tahin'ny Tompo namana,
68. Nehemiah ( 06/05/2013 12:42)

RBNIR:

P.S : hoy ny Baiboly fa tsy hoy izaho an!

Aiza ?
69. Nehemiah ( 06/05/2013 12:44)
Bor2lais >> Tahaky ny nanasan'i Petera ny tongotr'i Simona ilay mpanao fankatovana e :-)
70. RBNIR ( 06/05/2013 12:58)

Nehemiah:


RBNIR:

P.S : hoy ny Baiboly fa tsy hoy izaho an!

Aiza ?

Mbola ilaina averina v???? Petera nanda tsy nihinana noho izany azo antoka fa Jesosy koa (satria izy sy Jesosy niaranisakafo) Tsy nihinana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
71. Nehemiah ( 06/05/2013 13:07)
Non sequitur
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086