MIFANOHITRA @ FAHASOAVANA NY FITANDREMANA LALÀNA

1. Nehemiah ( 26/01/2013 07:54)
MIFANOHITRA @ FAHASOAVANA NY FITANDREMANA LALÀNA.

Betsaka ny mieritreritra fa ny finoana dia fankatoavana ny Lalàna, nefa tsy marina izany :
Gal. 3:12 : "Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy [Lev. 18.5]."
Rom. 4:4-5 : "Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.

Ny finoana dia tsy hoe manao ny tsara, fa mino tsara. Tadidio, ny finoana tsara no mahatonga fiainana tsara.

Jereo tsara fa omen'Andriamanitra fahamarinana ianao rehefa mino ny Filazantsaran'ny Fahasoavana ianao, dia avy eo, asaina mivelona @ finoana ianao.
Rom. 1:17 : "Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona [Na: Ny marina ho velon’ ny finoana][Hab. 2.4]."

Raha tsorina izany dia mitaky fahamarinana izay tsy vitan'ny olombelona ny Lalàna. Ny Fahasoavana kosa dia manome fahasoavana izay tsy ananantsika.

Zavatra hafa koa : rehefa inoanao sy arahinao ny fampianaran'ny Fahasoavana dia manafaka anao @ fanandevozan'ny ota ary mahatonga anao ho mpanompon'ny fahamarinana.
Rom. 6:17-18 : "Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ny ota aza hianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana (didache) izay nanolorana anareo; ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana."

Manome antsika hery ivelomana fiainana feno fahamarinana ny Fahasoavana.
Fi. 2:13 : "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony."

Misy "mpandala Lalàna" sasany mieritreritra fa mandika Lalàna fotsiny izao ny olona ambany Fahasoavana satria tsy ambany Lalàna intsony fa ambany Fahasoavana, fa ny tsy azon'izy ireo an-tsaina dia efa natao andevon'ny fahamarinana ny olon'ny Fahasoavana. Tsy adinoina koa fa nanome didy vaovao antsika i Kristy : ilay Didy Tokana sady Didy Lehibe.
Jn. 13:34 : "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa."
Ro. 13:10 : "Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna"

Rehefa eo ambany Fahasoavana koa ianao dia asaina "mijery an’ i Jesosy, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy." (Heb. 12:2)

Tadidio :
Ny "Fanekena Vaovao" dia Faneken'ny Fahasoavana ary asaina mivelona @ finoana @ voalohany ka hatr@ farany ianao : finoana no hany ahazoana ny Fahasoavana !
Ny "Fanekena Taloha" (izay fanekena tranainy) dia Faneken'ny Lalàna ary asaina mivelona @ asan'ny Lalàna @ voalohany ka hatr@ farany ianao : asa fanompoana no hany takian'ny Lalàna !

Efa nomena ny Fanekena Vaovaon'ny Fahasoavana antsika, ka hadisoana goavana be ny mandrefy ny fahalehibeazantsika eo anatrehan'Andriamanitra @ zava-bitantsika na ny asa fanompoana ataontsika.
Is. 64:5 : "Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra"
Rom. 3:10 : "Tsy misy marina na dia iray akory aza"
Rom. 3:23 : "samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra"

Tsy ho azonao mihitsy ny Fahasoavan'Andriamanitra raha miezaka ny ho mendrika an'izany ianao ; manjary tsy misy voka-tsoa ho anao ny Asa lavorarin'i Kristy tany Kalvary !
Ga. 5:4 : "Dia tafasaraka amin’ i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana hianareo."

Finoana no iveloman'ny olo-marina, @ voalohany ka hatr@ farany !
novalian'i Nehemiah ny 30/01/2013 13:06
2. bor2lais ( 26/01/2013 09:52)
Misaotra an'i Nehemiah amin'ny fizarana.
Nehemiah:

Zavatra hafa koa : rehefa inoanao sy arahinao ny fampianaran'ny Fahasoavana dia manafaka anao @ fanandevozan'ny ota ary mahatonga anao ho mpanompon'ny fahamarinana.

Izany hoe ny fahazoako azy dia izao : raha ao ambany Fahasoavana ianao dia (tokony) ho voatandrina ho azy ny didy ! Ny Fahasoavana no manesika anao ahatandrina ny didy ! :-)
3. Nehemiah ( 26/01/2013 13:28)
Izay mihitsy, ry bor2lais. Misaotra anao nanatsoaka tsara ny hevitra tiako ampitaina :) .
4. didi10 ( 27/01/2013 05:18)

bor2lais:

Misaotra an'i Nehemiah amin'ny fizarana.
Nehemiah:

Zavatra hafa koa : rehefa inoanao sy arahinao ny fampianaran'ny Fahasoavana dia manafaka anao @ fanandevozan'ny ota ary mahatonga anao ho mpanompon'ny fahamarinana.

Izany hoe ny fahazoako azy dia izao : raha ao ambany Fahasoavana ianao dia (tokony) ho voatandrina ho azy ny didy ! Ny Fahasoavana no manesika anao ahatandrina ny didy ! :-)

Izay mihitsy ilay izy, raha ao ambany fahasoavana dia ho voatandrina ho azy ny didy, tahaka ny hoe aza mangalatra, aza mandainga, hajao ny Sabata :-)
5. moustaraf ( 27/01/2013 08:41)
Salama,
izay tokoa anie no tena izy e!

1.Tandremo anefa sao dia voasarik'ilay lehilahin'ota:
II TES 2:
-3) aza mety hofitahin’olona akory ianareo, fa tsy ho avy izany (andron’ny Adone), rahatsy efa TONGA ALOHA NY FIHEMORANA, ka hiseho ilay LEHILAHIN’OTA, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
-8) Ary hiseho ilay tena MPANDIKA LALANA

2. Mila mitandrina ihany koa sao dia milaza fa i Paoly dia nitory teny Nandrava ny lalàna, fa hoy izy hoe:
"FITOKOANA no anompoako an’I Elohym –n’ny razako, sady INOAKO izay rehetra voasoratra eo amin’ny LALANA (Torah) sy ny MPAMINANY".

ASA 26: 22b Ary tsy milaza na inona na inona (Paoly) afa tsy izay NOLAZAIN’NY ’ny Mpaminany sy Mosesy fa HO AVY

-Ny epistilin'i Paoly araka izany dia "tsy azo raisina @ ampahany" araka izay efa nampitandreman'i Petera hoe"avilin'ny kely saina mora foana..."

3. ny olana t@ andron'ny Mpaminany dia ilay nofo tsy mahay mitandrina ny lalàna
EZEK 36: 27 Ary ny fanahiko ataoko anatinareo hahatonga anareo handeha araka ny lalàko..

Mazava be araka izany, fa ilay hoe Ambanin'ny fahasoavana dia ilay fandraisana ny fanahy mba" hampianatra antsika ny zavatra rehetra" sy "hitarika @ fahamasinana".
A. Tsy izaho intsony no velona = maty araka ny lalàna = mandresy ny filàn'ny nofo rehetra
B. Fa Hamasyrha no velona ato anatiko= Tsy voasarika hanota = tsy mahay manota = tsy ambanin'ny lalàna intsony!
6. moustaraf ( 27/01/2013 08:41)

7. Nehemiah ( 28/01/2013 13:22)

didi10:

Izay mihitsy ilay izy, raha ao ambany fahasoavana dia ho voatandrina ho azy ny didy, tahaka ny hoe aza mangalatra, aza mandainga, hajao ny Sabata :-)

Fehiny : voatandrina ho azy ny didy 2 lehibe : "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ."
8. didi10 ( 30/01/2013 10:38)

Nehemiah:

Fehiny : voatandrina ho azy ny didy 2 lehibe : "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ."

1+1+1+1 = 4 raha esorinao ilay 1 fahaefatra (Sabata) dia tsy manome 4 io ka tsy tanteraka ilay hoe Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ny sasany ilay 1 faharoa (sary voasikotra) no noesorina dia forcena hanome 4 ihany ny opération :-)

Aiza ho aiza amin'ireto didy 2 lehibe ireto no mandrara fa tsy azo atao ny fiarahan'ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy na ny fanambadian'ny mpihavana akaiky? hatraiza ny fetran'ilay hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao satria tena mifankatia ireo PD sy Lesb ireo indrindra ireo mpanao incest. Sa azo atao izany any aminareo satria izay no didy vaovao dia ny ifankatiavana?
9. Nehemiah ( 30/01/2013 12:40)
Oviana no hiezaka hamantatra ny tena tiako ampitaina ka tsy hampiteny ahy ny zavatra tsy noteneniko i didi10 ? Moa niteny an'izay aho ? Eny tompoko, rehefa tia Azy dia manaraka ny didiny. Jereo tsara : rehefa tia azy ! Miverena mamaky ny hevitro etsy ambony, ary tadidio ity : "Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." (Fi. 2:12-13)

Satria raha azonao an-tsaina tsara ny tiako tenenina dia tokony tsy hila vanona amiko ianao
10. Nehemiah ( 30/01/2013 13:06)
Ity marina ho anao manendrikendrika ahy ho "mpandrava lalàna", sao dia mieritreritra ianao fa mpanohana fiarahana homosexuel aho :

http://forum.serasera.org/forum/message/m50acf15e24b6d
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0856