Papa Fransoà manasa tongotry ny gadra

1. hery ( 29/03/2013 08:46)
Nanaitra sy nanohina ahy ny nahita ny Papa nanasa ny tongotry ny gadra omaly. Namerina izay nataon'i Kristy nanasa ny tongotry ny mpianany. Hoy tokoa mantsy izy hoe "Ka raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, hianareo samy hianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; satria nomeko fianarana hianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. " Jaona 13. 14-15

novalian'i RBNIR ny 09/04/2013 18:44
2. bor2lais ( 29/03/2013 13:05)
Araka ny fahenoko azy (tsy fantatro ny fahamarinany) toa gadra "adolescent" izy ireto sady avy amin'ny finoana samihafa. Efa voafantina mialoha ve izy ireo (ka mety nampianarina ny dikan'ny zavatra ho atao aminy) ? Ny mba mahaliana ahy mantsy ny fandraisan'ireto voasasa tongotra ireto izao fihetsiky ny Papa izao ... :-)

Ry zareo anefa tsy afaka manketo amin'ity sehatra ity ka mazava ho azy fa mahaliana ahy koa ny hevitsika mikasika izao fihetsiny izao (indrindra ny hevitra ara-panahy mety fonosiny) ! ;-)
3. hery ( 29/03/2013 14:06)
Misy lanjany kokoa aza angamba ilay fihetsika rehefa tsy fantatr'ireo sasàna tongotra ny dikany ankoatra ny hoe maloto ny tongotra dia sasana :-)

Mova tsy toa ny manoroka boka
4. bor2lais ( 29/03/2013 15:42)
Io ve tsy toy ny ray manasa ny tongon-janany ihany indray raha izany ! :-) :-)
Sady mety tsy dia misy frôma angamba satria toa jôjôpila be ilay kitro ! :-)
5. hery ( 29/03/2013 16:07)
loll

Plutot tahaka an'i Jesoa nanasa ny tongotry ny mpianany. Na izy ireo koa aza tsy nahazo hoe maninona no sasaina ny tongotray :-)
6. bor2lais ( 29/03/2013 16:39)
Fa mba nolazaiNY ihany kosa avy eo ny fampianarana tiaNY ampitaina raha tsy diso aho. :-)
7. hery ( 30/03/2013 17:25)
Ie, ny Papa koa avy eo nitory teny nandritra ny fotoam-pivavahana :-)

8. andrywui ( 31/03/2013 00:06)
tsy miresaka fiangonana sy fivavahana aho fa tena ilaina kosa ny fanetretena toy izao aloha e ,
na de ho hitan'ny olona sy atao fianatra fotsiny ihany aza
9. leva2 ( 31/03/2013 10:13)
Velona Jesosy!

Maha-te hidera ny fanetren-tena tahaka izao, ary tokony ho ohatra ho an'ny hafa.
Mahafantatra fiangonana ihany aho manao azy ity ho fomba mialoha ny paska toy izao.

Ny Pape izao io no hita, rahoviana ny hafa mpitondra fivavahana eto amintsika ireto no mba hanao? Symbole fotsiny ihany izy ity saingy midika zavatra be dia be koa.
10. RBNIR ( 31/03/2013 15:26)
Faly miarahaba,
Tsy tokony ho ny mpitarika irery no manasa tongotra fa ny mpivavaka iray manontolo mihitsy mila ampianarina hifanasa tongotra matetika @ fo tsy misy fiatsarambelatsy.
Ary araka ny Jaona.13:
Alohan'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo no tena fanaovana ny toy izao.
Ny fanantanterahana azy io tamin'ny fo madio tsy misy fiatsarambelatsia @ sarangan'olona rehetra tsy havahana dia nandrava ny fiavonavonana rehetra tato anatiko......
Mitadiava dia hahita.......
« Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Mat.23:12)
Nohamafisin'i lioka.
« Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Lio. 14:11)

Samia ho tahin'ny Tompo
11. AndriambyII ( 31/03/2013 16:44)
Zaro @ làlana tokony halehany ny ankizy fa rehefa matoy izy tsy ho very dia intsony . Ny dian-tongotrao miantefa @ tany dia hisy fiantraikany eo @ fiainanao mandrakizay . Fianaranay katekomena taloha fony tanora .Mon interpretation du geste du Pape ! Miandry ny namana sasany @ ny commentaires !!
12. 5laody ( 31/03/2013 18:43)
Salama daholo e!

"Izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia izaho no anaovanareo azy"

Papa Fransoà ity aloha dia mitsinjo ny kely indrindra tokoa ary mba hahay hanao izany koa anie isika rehetra
13. karandoha ( 31/03/2013 20:18)
hifindran ny lagaly lery raha izao no mitohy hihihihihihi
14. RBNIR ( 01/04/2013 02:43)
« Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » (Jao.13:14).
Ny mpino rehetra no voateny ao @ ilay hoe "ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra".
Araka ny efa nambarako dia fampianarana no nataon'ny Tompo ary tokony alohan'ny handraisana ny fanasany no hanantanterahina azy.
Samia ho tahin'ny Tompo
15. leva2 ( 01/04/2013 06:25)

RBNIR:

« Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » (Jao.13:14).
Ny mpino rehetra no voateny ao @ ilay hoe "ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra".
Araka ny efa nambarako dia fampianarana no nataon'ny Tompo ary tokony alohan'ny handraisana ny fanasany no hanantanterahina azy.
Samia ho tahin'ny Tompo


Velona Jesosy!

Marina tokoa izany namana RBNIR, fa izay rehetra milaza azy ho kristiana mihitsy no tokony hanao izany. Fa tiako singanina manokana ireo mpitondra fivavahana sy loham-piangonana marobe eto amintsika. Mba tiako ho fantatra hoe hatraiza ny fanetren-tenan'izy ireo?

"Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra" Mar 10/44
16. bor2lais ( 02/04/2013 09:11)
RBNIR:

Ny mpino rehetra no voateny ao @ ilay hoe "ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra".

Miombon-kevitra aminao aho eto ! ;-)
RBNIR:

Araka ny efa nambarako dia fampianarana no nataon'ny Tompo ary tokony alohan'ny handraisana ny fanasany no hanantanterahina azy.

Fa tsy voatery ara-bakiteny kosa angamba ilay fisasana e ! :-)
Amiko mantsy dia "sary" ihany io nampiasain'ny Tompo eto ! Sa ahoana ? ;-)
17. RBNIR ( 02/04/2013 09:27)

bor2lais:

Fa tsy voatery ara-bakiteny kosa angamba ilay fisasana e ! :-)
Amiko mantsy dia "sary" ihany io nampiasain'ny Tompo eto ! Sa ahoana ? ;-)

Faly miarahaba namana bor2lais, ara-bakiteny io namana (vakio tsara ilay jaona 13) Petera tsy nanaiky ny hosasan'ny Tompo tongotra saingy......
Matoa Jesosy Tompo nanantateraka an'io ara-bakiteny dia misy antony goavana tokoa.
dia toy izany koa isika.... "ianareo koa tokony mba hifanasa".....hoy ny Tompo.
Midira amin'ny vavahady ety.......
Ho hitanao fa ho rava avokoa ny fiavonavonana rehetra ao anatinao ao rehefa manantanteraka an'io amin'ny fo madio tsy misy fiatsarambelatsy ianao namana.
AZA MENATRA......
Samia ho tahin'ny Tompo namana

18. bor2lais ( 02/04/2013 09:44)
RBNIR > rehefa izay ny andraisanao azy izany dia tanteraho fa tsy olana amiko mihitsy ka ! :-)
Fa ny ahy dia tahaka ny "sary" rehetra ihany : samy manana ny fijeriny sy fandraisana azy ! ;-)

P.S Aza bahananao oua ny làlana fa ny te-hiditra tsy avelanao nefa ianao tsy mety miditra ! :-)
19. RBNIR ( 02/04/2013 09:48)

bor2lais:

P.S Aza bahananao oua ny làlana fa ny te-hiditra tsy avelanao nefa ianao tsy mety miditra ! :-)

Izaho efa tafiditra dia mankahery ny sasany mba handroso koa....

Samia ho tahin'ny Tompo e,
20. RBNIR ( 02/04/2013 09:54)

bor2lais:

P.S Aza bahananao oua ny làlana fa ny te-hiditra tsy avelanao nefa ianao tsy mety miditra ! :-)

Misy zavatra mampihomehy ahy namana.... ny papan'ny katolika ery ambony tsy lazain'ny namana hoe mibahana fa rehefa izaho no mba miteny hoe tokony hanao toy io daholo isika dia lazain'ny namana fa mibahana...

Samia ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1731