Papa Fransoà manasa tongotry ny gadra

61. RBNIR ( 05/04/2013 11:11)
bor2lais:

Tahaka ny fanafody io RBNIR a : ny mety aminao tsy voatery mety amin'ny hafa fa aza terena hihinana izy fa mila fitandremana sao lasa mety manimba azy aza izany sa izay no tanjonao ? :-)

Nefa aoka hotsarovantsika namana fa iray ihany koa no marina (ilay fanafody manasitra no resahiko namana).
Raha nisy fanafody hafa mety mba niheritreritra ihany aho ka tsy niditra ilay varavarana ety.
Ny finoana no atao betsaka rehefa miaraka amin'i Jesosy namana bor2lais a, eto no tena ilaina ilay teny ho "AZA MATAHOTRA, MINOA FOTSINY IHANY"
Sahala amin'ny zanak'israely nentina nanoloana ny ranomasina mena ihany io (teo no nasain'Andriamanitra nandeha ry zareo nefa ny lalana tsy nisy???) dia toy izany koa varavarana ety sy lalana tery no asaina hidirana.....
Raha mino sy matoky an'i Jesosy Tompo isika dia hahita ny voninahiny, fadio ny hakanosana fa mandrosoa, raha tena mangetaheta fiainana mandrakizay dia ampiany foana isika.
Fanampahakevitra no ilainy dia ny hirosoantsika (AZY ny sisa manaraka).
MANDROSOA AMIN NY LALINA RY NAMAKO. TENA TIAN I JESOSY DAHOLO NY MPISERA ETO.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
62. bor2lais ( 05/04/2013 11:33)
andrywui > tsy voatery mahay versets daholo kosa ange ! :-)
Alefao ny hevitrao fa izay no tena ilaina dia ho hita eo ny tohiny ! :-)
63. bor2lais ( 05/04/2013 12:02)
RBNIR > terenao hitovy amin'ny aretinao daholo izany ny aretin'ny tsirairay ? :-)

RBNIR:

Ny finoana no atao betsaka rehefa miaraka amin'i Jesosy namana bor2lais a, eto no tena ilaina ilay teny ho "AZA MATAHOTRA, MINOA FOTSINY IHANY"
Sahala amin'ny zanak'israely nentina nanoloana ny ranomasina mena ihany io (teo no nasain'Andriamanitra nandeha ry zareo nefa ny lalana tsy nisy???) dia toy izany koa varavarana ety sy lalana tery no asaina hidirana.....
Raha mino sy matoky an'i Jesosy Tompo isika dia hahita ny voninahiny, fadio ny hakanosana fa mandrosoa, raha tena mangetaheta fiainana mandrakizay dia ampiany foana isika.
Fanampahakevitra no ilainy dia ny hirosoantsika (AZY ny sisa manaraka).
MANDROSOA AMIN NY LALINA RY NAMAKO. TENA TIAN I JESOSY DAHOLO NY MPISERA ETO.

Hitako HS be ny resakao eto (sa fitiavana te hanenjika isan'ny mpitsidika 10000 fotsiny ihany ! ;-)). Mba lazao hoe iza no mila atoro an'io lazainao io raha mbola milaza azy ho Kristiana.

Saingy aminao mantsy rehefa tsy manao ny fombafomba ataonareo dia mbola tsy izy e ! :-)

Izany hoe te-hiteny ianao fa any aminareo any ihany no misy Azy ? (Elaela indray mantsy ingahy mpitambola no tsy nanao pub ny télé jery teto e ! ;-) )

Antsoina hoe "fiheveran-tokana" (pensée unique) no asesikao eto, izay midika fa terenao hitovy ny fiasan'ny Fanahy Masina amin'ny tsirairay ! Izany hoe maka ny toeraNY ianao ! :-)
64. RBNIR ( 05/04/2013 12:12)
bor2lais:

Izany hoe te-hiteny ianao fa any aminareo any ihany no misy Azy ? (Elaela indray mantsy ingahy mpitambola no tsy nanao pub ny télé jery teto e ! ;-) )

Lasa HS B marina fa aleo faranana namana, miala tsiny ny namana andrywui, fa misy fotoana tokony hitenenana ary misy koa ny fotoana hanginana.
Misaotra anao namana bor2lais,
Samia ho tahin'ny Tompo namana
65. bor2lais ( 05/04/2013 15:07)
RBNIR:

Misaotra anao namana bor2lais,
Samia ho tahin'ny Tompo namana

Tsy misy fisaorana namana RBNIR a ! :-)
Mirary soa ho anao hatrany ! :-)
66. andrywui ( 05/04/2013 15:46)
misaotra anareo mirahalahy ko fa tena betsaka azo tsakotsakoina mintsy le zavatra resahanareo , mahafinaritra n'a de misy tsindropaingotra matetitetika aza no alefanareo roalahy ...aleo faranana ary e .
67. bor2lais ( 06/04/2013 08:28)
andrywui:

...aleo faranana ary e

:-)
1. Ianao mantsy dia tsy mba mety nandray anjara mihitsy a ! :-)

2. Tsy hoe "faranana" angamba no mety fa hoe "averina amin'i hery ny fitenenana ..." :-)
68. andrywui ( 08/04/2013 12:22)
hery efa takina kouuuu !!!
bor2lais a __)) le mandinika ny zavatra lazainareo no tena mety amiko alo nohon'nle mamaly e surtout tsy tokony hamalivaly fahatany eo raha tsy ampy baggages'(versets) fa lasa hiomehezan'ny olona fotsiny eo ko!!
mety anie io ataon'ny HERY tsy mamaly mihitsy io e tsary mahay versets anay , na sao diso versets eo ka mahamay eo ko , sa aona hery
69. RBNIR ( 08/04/2013 12:41)

Faly miarahaba namana,
Tena Marina ny anao namana tazomy ny fahendrenao fa tsara,
Ny an'ny sasany efa tsy verset intsony fa "verser + eau " tondraka rano amin'ny siny. :-)
Dia milaza ry zalahy fa tena nandray an'i Jesosy Tompo?????
Mandiniha tena daholo e,
Samia ho tian'ny Tompo

70. bor2lais ( 08/04/2013 13:27)
RBNIR:

Ny an'ny sasany efa tsy verset intsony fa "verser + eau " tondraka rano amin'ny siny.

:-)
Mba tsy mety koa izany ataon'ny sasany izany a : sasa tongotra ihany ange no resaka nifanarahana e ? :-)
RBNIR:

Dia milaza ry zalahy fa tena nandray an'i Jesosy Tompo?????

Toa manao excès de zèle tokoa ry zalahy izany ka, raha tsy hoe angaha dia hitan-dry zalahy fa nisy loto natevina be loatra kosa ! Ary mba tsy nalefany hatramin'ny siny aza raha izany ! :-)
RBNIR:

Mandiniha tena daholo e,

Amen :-)
71. RBNIR ( 09/04/2013 05:00)
Faly miarahaba namana,
Tsy niteny anarana aho namana bor2lais an (na izaho koa aza mba asiko @io teny io ny tena marina namana)! :-)
Nefa mahafinaritra raha toa ka nisy fahatsapan-tena tao aminao namana.
Samia ho tahin'ny Tompo e,

72. bor2lais ( 09/04/2013 08:18)
RBNIR:

Tsy niteny anarana aho namana bor2lais an (na izaho koa aza mba asiko @io teny io ny tena marina namana)!

:-)
Izaho angaha moa nanonona anarana tahaka anao fa ry "sasany" sy "zalahy" no resahiko ka ! :-)
RBNIR:

Nefa mahafinaritra raha toa ka nisy fahatsapan-tena tao aminao namana.

Ka izay ilay sombin-kazo kely hitanao eo amin'ny masoko tsinona kou ... fa tsara koa raha mba hitanao ilay andry be eo aminao ka ! :-)
73. 5laody ( 09/04/2013 13:16)
Akory ry zalahy a!

Io ataon' i RBNIR sy Bor2lais io anie ilay hoe mifanasa tongotra fa izany hoe mbola tsy tena sahy ry zalahy mifanantona fa mifampilaza fotsiny hoe inona izany nitsahinao izany ry akama a!

Ilaina mihitsy ilay mifanasa tongotra satria mety ho sarotra ho an' ny tompon'ilay tongotra ny manasa an'ilay izy satria mila miondrika. Tadidio fa mety efa nisy namatotra tadin-kiraron'olon-kafa ianao (ankizy, vehivavy bevohoka, lehilahy be kibo.....) dia mitovy amin'izay ilay izy.

Tsy manana verset koa aho Ra-Andry a!

74. Nehemiah ( 09/04/2013 13:40)
Tandremo ary soa lasa fifanasàna vangy eo ny fifanasàna tongotra loool !
75. andrywui ( 09/04/2013 14:27)

Nehemiah:

Tandremo ary soa lasa fifanasàna vangy eo ny fifanasàna tongotra loool !

Tsy mifanasa vangy ry zalah fa samy mamoaka evitra ka ,,betsaka zavatra tsy mbola fantatro mihitsy resahandry zalahy teto n'a de be tsatopaingotra madinidinika aza eny atsefatsefany eny otranle resaka oe "verser+eau" zao itako nitsatoka mafy loatra
76. Nehemiah ( 09/04/2013 14:45)
Andrywui >> Raha azonao hamela ahy hanome soso-kevitra anao, maninona no tsy dinihinao manokana ny Baiboly ? Natao ho azon'ny sarambabembahoaka ilay izy fa tsy voatery miandry an'i Mompera sy Rapasy antsika voa mahazo ny zavatra raketiny
77. andrywui ( 09/04/2013 14:53)

Nehemiah:

Andrywui >> Raha azonao hamela ahy hanome soso-kevitra anao, maninona no tsy dinihinao manokana ny Baiboly ? Natao ho azon'ny sarambabembahoaka ilay izy fa tsy voatery miandry an'i Mompera sy Rapasy antsika voa mahazo ny zavatra raketiny

Ka le ressaka baiboly dinihina marina n'y teninao fa misy étude hafa mihitsy kou ankoatra n'y ao amin n'y baiboly azo.resahana ..ireny konkordansa reny hono ozy ry zalah tato tena misy resaka hafa mintsy ko resahana ao.nefa tsy ao.anaty.baiboly fa diksionera baiboly de otrzay no fahazahoako.le resaka mande eto ..
78. andrywui ( 09/04/2013 14:54)

79. Nehemiah ( 09/04/2013 15:03)
Raha hanao an'izay ianao dia aza adino mandrakariva fa "ny Soratra Masina ihany no anazavàna ny Soratra Masina", izany hoe tsy azo raisina am-potsiny ny andininy 1 fa @ alalan'ny fandinihana ny hevitra manodidina azy sy ny fampitahana azy @ tapany hafa @ Baiboly no ahafahana manatsoaka ny tena heviny. Raha tsy izay dia manjary ataon'ny sekta sakafo ianao.
80. RBNIR ( 09/04/2013 18:44)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,

Misy fomba 2 famakiana ny baiboly sy fandraisana ny teny avy ao aminy,

1- Misy teny izay azo eritreretina fa réel (na concret) ny zavatra ambara avy aminy (ohatra eto ny sasa-tongotra izay natao ohatra velona t@ alalan'ny fanantanterahan'ny Tompo azy).
Tsy mila manakatra hevitra miafina fa avy dia raisina ara-bakiteny.

2- Misy kosa tsy azo eritreretina mihitsy fa ho réel (tsy concret). Ireny no manana heviny miafina ka tokony hotakarina ny hevitra miafina fonosony (ny teny ao amin'ny bokin'i daniela sy ny apokalipsy no tena betsaka an'io karazany faharoa io).

Samia ho tahin'ny Tompo namana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3315