Andriamanitra : aiza ny porofo ?

1. Nehemiah ( 21/03/2013 07:15)
Mety manontany ny sasany hoe : "Ahoana no ahafahanareo mino an'Andriamanitra kanefa tsy misy porofo ho an'ny fisiany na kely variraiventy aza ? Nahoana ianao no minomino foana toy izao ?".

Nefa mifanohitra @'izany ny ny zavatra lazain'ny Baiboly.
Hoy izy hoe : "Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany" (Sal. 19:1), ary "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo" (Rom. 1:20).
Hentitra mihitsy ny teniny @ Sal. 14:1 : "NY adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra".

Ny ambaran'ny Baiboly izany dia manodidina antsika rehetra sady tena betsaka dia betsaka ny porofo ho an'Andriamanitra, raha mba manokatra ny masontsika hahitantsika azy. Betsaka ny manam-pahaizana manana traikefa izay mino ny fitantaran'ny Baiboly ny famoronan'izao tontolo izao sady mino fa vavolombelona ho an'ny fahamarinan'ny Baiboly ny zava-misy ara-tsiansa.
novalian'i Nehemiah ny 10/04/2013 06:47
2. pisoonja ( 21/03/2013 07:44)

[quote=Nehemiah]
Mety manontany ny sasany hoe : "Ahoana no ahafahanareo mino an'Andriamanitra kanefa tsy misy porofo ho an'ny fisiany na kely variraiventy aza ? Nahoana ianao no minomino foana toy izao ?".

diso kosa ny zavatra teneninao hoe tsy misy porofo ny fisiany na kely variraiventy aza e, porofo mivaingana hoe , iza no nahatonga anao tety ambonin'ny tany , ny rivotra iainanao , ny masoandro , ny volana , ny maizina , ny mazava , koa tsy misy porof ahoana e ?
3. hery ( 21/03/2013 07:47)
Nehemiah:

Mety manontany ny sasany hoe


Maivana be ho an'ny "sasany" raha io ny valin-teninao, izany hoe avy ao anaty baiboly. Satria ny "sasany" lazainao eto dia tsy mino akory ny baiboly... dia tsy maintsy mbola hanazava sy handresy lahatra azy ny baiboly indray ianao.

Fa ianao ve tsy afaka manaporofo ny fisian'Andriamanitra fotsiny amin'izao ivelan'ny baiboly? Izany hoe handresena lahatra ny olona tsy mila baiboly?
4. didi10 ( 21/03/2013 07:50)
Ka izay anie namana no mahatonga ilay hoe: "Sabata famantarana e"! (Eks 31;13)

Famantarana fa misy Andriamanitra nahary izao rehetra izao.
Famantarana fa Izy no Andriamanitra ivavahanao.
5. hery ( 21/03/2013 07:57)
:-) mbola ao anaty baiboly ihany izany e.

Ka ilay olona aza efa tsy mino baiboly vao mainka ampidiranao sabata.
6. pisoonja ( 21/03/2013 08:04)
ho an'ny tsy mino ary e, fantatrao ve ny zvtr iseho aminao afaka 01 minitra na roa minitra , tsia , midika izany fa tsy tompon'ny fiainany ny olona fa misy ny mpamorona sy mpandamina
7. didi10 ( 21/03/2013 08:36)

hery:

:-) mbola ao anaty baiboly ihany izany e.

Ka ilay olona aza efa tsy mino baiboly vao mainka ampidiranao sabata.


Ohatry ny hoe mampianatra informatique tsy mahazo mampiasa ordinateur izany resak'i Hery izany.
8. RBNIR ( 21/03/2013 08:56)
Faly misera hatrany ry namana isany,
Ho an'ny tsy mino sy hafa finoana dia torio azireo i Jesosy Kristy toy ity manaraka ity:
http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13
Raha tsy mino izy dia tantarao azy koa ny tantaran'i saoly (niova ho paoly)
Lehilahy izay nofidin'Andriamanitra manokana mba ho an'ireny karazan'olona ireny mihitsy.
Lazao azy fa i saoly dia tsy nino toa azireo koa ary efa nanenjika sy nampiditra am-ponja ireo mpianatry ny Tompo mihitsy aza saingy voafidy manokana izy mba ho vavolombelona ho an'ireo tsy mpino sy ny hafa finoana rehetra.

P.S : ento aloha ny baiboly satria izay ilay iraka sy baiko azontsika,
nefa azo atao koa ny mitondra fahamarinana toy itony http://fr.wikipedia.org/wiki/%C3%89vangiles_canoniques#.C3.89vangiles_canoniques (na izany aza aoka mba ho zavatra azo hamarinina hatrany ny zavatra entina eo amin'ilay olona).

Raha mbola tsy mino izy dia aza misisika fa apetrao eo amin'ny Tompo ny momba azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
9. Nehemiah ( 21/03/2013 08:57)

hery:

Fa ianao ve tsy afaka manaporofo ny fisian'Andriamanitra fotsiny amin'izao ivelan'ny baiboly? Izany hoe handresena lahatra ny olona tsy mila baiboly?

http://forum.serasera.org/forum/message/m51485f009fb1d
10. Nehemiah ( 21/03/2013 08:59)
N.B. : Porofo izany, porofo iray ao anatin'ny porofo maro be, fa izany akory tsy midika hoe ho resy lahatra @'izany "ny sasany" satria tsy hiala @ axiome-ny hoe "Tsy misy Andriamanitra" raha tsy taomin'ny Fanahy Masina ny fony.
11. Nehemiah ( 21/03/2013 09:00)

pisoonja:


[quote=Nehemiah]
Mety manontany ny sasany hoe : "Ahoana no ahafahanareo mino an'Andriamanitra kanefa tsy misy porofo ho an'ny fisiany na kely variraiventy aza ? Nahoana ianao no minomino foana toy izao ?".

diso kosa ny zavatra teneninao hoe tsy misy porofo ny fisiany na kely variraiventy aza e, porofo mivaingana hoe , iza no nahatonga anao tety ambonin'ny tany , ny rivotra iainanao , ny masoandro , ny volana , ny maizina , ny mazava , koa tsy misy porof ahoana e ?

Ka izay anie no tiako ahatongavana e, raha mamaky ny hafatra 1 manontolo ianao :)
12. hery ( 21/03/2013 09:08)
Ka i Nehemiah ihany no mitondra ny hafatra voalohany hoe mety manontany ny sasany. Sa iza ilay sasany lazainao eto?

Raha ny tsy mpino mantsy ilay "sasany" dia ho very maina foana raha toa izany no entinao hanaporofoina ny fisian'Andriamanitra aminy.

Ny tanjona dia ny hanaporofo ny fisian'Andriamanitra amin'ireo sasany ireo fa tsy ny hoe hahatonga azy ho mpino baiboly akory.

Sa tsy izay no tianao hahatongavana amin'ilay lohahevitra? Raha tsy izay dia ialako tsiny, dia mba hazavao tsara indray ary. Hoe hoporofoina amin'iza ilay fisian'Andriamanitra dia inona no fomba hataonao.
13. Fitia2 ( 21/03/2013 10:51)
"Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany"
>> Na tsy mino Baiboly aza ny olona iray dia miaiky foana izy hoe misy lanitra sy habakabaka ambony lohany. Eto izany aloha dia hitantsika hoe manana anjara asa mpitantara zava-misy ny baiboly ary tsy mila hoe inoana izany satria marina tokoa fa misy ny lanitra ary misy ny habakabaka. Ireo zava-boary ireo anefa dia tsy iadin-kevitra fa tsy nataon-tanan'olombelona. Tsy maintsy ho Mpamorona manana hery tsy hay eritreretina no namorona an'ireo.

I Hery angamba inoako fa mino ny Baiboly ary mino fa "avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly" [2 TIM 3: 16] fa ny tena mety koa izao dia mba mandray anjara ireo "sasany" tsy mino ny Baiboly, mba milaza hoa maninona izy no tsy mino ny Baiboly sy Andriamanitra?


14. RBNIR ( 21/03/2013 10:56)
Sambatra ianao namana Fita2, sambatra koa ianao namana nehemiah (satria marina daholo iry zarainao voalohany iry),
Avy amin'izao voahary izao dia tokony efa tsapan'ny olona iray fa MISY IZY.
Saingy matoa i Tomasy tsy nino, dia satria betsaka no toa azy, saingy JESOSY ANGE KA TIAN'i TOMASY KOA E (raha tsy izany ve nataony ho apostoly) sa ts'izany????

Samia ho tahin'ny Tompo e
15. hery ( 21/03/2013 10:59)
Fitia2> Ka tsy izaho no resaka eto fa ireo "sasany" ireo.

Ny "sasany" dia manana théories mazava sy maharesy lahatra hoe nisy niandohany tokoa ireo zava-boahary ireo, tsy nataon-tanan'olombelona... saingy tsy nisy mpamorona nanana hery sns.

Ny tiako hahatongavana dia tokony manana théories mafimafy orina kokoa noho ny theorien-n'ny sasany raha te hanaporofo fa tsy baiboly no entina (izay théorie relative).

Fa raha tsy izany dia aza manaporofo
16. Fitia2 ( 21/03/2013 11:15)
Inona avy ary ohatra ireo "théories maharesy lahatra ireo" dia hiara-midinika raha tena "maharesy lahatra" tokoa... sao izaho mba ho resy lahatra [tsiky]
17. Nehemiah ( 21/03/2013 12:46)
Marina ihany ny fanontanian'i Fitia2 eo, satria ny tokony azon'i Hery anie : tsy mba "mazava sy maharesy lahatra" anie ireo théories ireo (io théorie io moa ny tena marina satria voafehin'ny darwinisme daholo ireo théories ireo) :

Efa nomeko tetsy ambony ny hafatra manazava momba ny lalan'ny termôdinamika izay azo anatsoahana fa nisy tokoa ny fahariana

Mifandraika @ zava-misy ara-tsiansa ve ilay tantara hoe nisy meteorita namono ny dinôzôra 65 tapitrisa taona lasa ? Jereo eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m5142cda639cc5

Mba marim-pototra ihany ve ny fitompoana teny fantatran'ny manam-pahaizana mandala ny evôlisiona momba ny zavatra nitranga sy tsy nitranga t@ andro fahagola ? Jereo eto :http://forum.serasera.org/forum/message/m5141da708cdab

Mba azo atokisana ve ny fitompoana teny fantatran'ny manam-pahaizana mandala ny evôlisiona hoe 4 500 000 000 taona ny Tany ? Jereo eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m5131fd73dddb4

Hay anazavàna ny niovan'ny mikrôba ho microbiologue ve ny sampona sy ny fifantenana natoraly antitranterin'ny mpandala ny evôlisiona ? Jereo eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m512da79d29462 sy eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m512cc01ab5b16 ary eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m50f3ae8a3151e

Hay anazavàna ny nipoiran'ny zara asa biôlôjika mahatalanjona hita @ biby sasany ve ny evôlisiôna kisendrasendra ? Jereo eto :http://forum.serasera.org/forum/message/m50f3ad158bcea

Marim-pototra ve ny "porofo" manohana ny néo-darwinisme ? Jereo eto : http://forum.serasera.org/forum/message/m50ed2ffa44fdf

Kanefa tiako marihina fa tsy dia ny "mandresy lahatra" ny "sasany" no tanjoko, fa ny maneho etoana fa tsy lôjika ny fiheviny, fa ny an'ny kristiana no lôjika sy marim-pototra. Satria, araky ny efa nazavaiko tetsy ambony, efa mikiry @ axiome-ny izy ireo. Jereo anie ity raha tsy mino ianao : http://forum.serasera.org/forum/message/m50f572e7b8132
Averiko indray mandeha : tsy mba izaho no maharesy lahatra azy ireo fa ny Fanahy Masina.

Misy ny sasany @'ireo "sasany" ireo izay resy lahatra momba ny fisian'Andriamanitra ihany rehefa mandinika, tahakan'i Anthony Flew izao. Misy koa ny sasany @ sasany tena resy lahatra momba ny finoana an'i Kristy mihitsy, tahakan'i C.S. Lewis. Raha tafalatsaka @ tany tsara ny voa dia arahaba soa arahaba tsara. Raha tsy izay dia "mandrosoa @ lalina kokoa".


Fanamarihana : Tsy dia fanazavàna loatra no tao an-tsaiko rehefa nanoratra an'ireny lohahevitra nasiako rohy ireto fa fisarihana saina fotsiny. Ka raha misy liana @ rohy iray ka mamaky azy dia mila fanazavàna misimisy kokoa dia aza matahotra ny mangataka :).
18. sitlo ( 21/03/2013 13:34)
Saika tsy hamaly ihany aho vokatry ny fizotry ny dinika izay novaliako taloha.

Ka hotsoriko tsotsotra, porofo tokoa ve no hita eto sa fanontaniana?

Efa nilaza aho hoe mianara philosophie de la religion mba tsy hanoratsoratana toa izao fa atao ahiana moa.
19. Miharena ( 21/03/2013 13:39)
Mihodinkodina hatrany izay mpifototra amin'ny Baiboly rehefa asaina mitady porofo ivelan'ny Baiboly handresena lahatra ny "sasany" fa misy Andriamanitra.

Tsy mahavaly ilay fanontanian'i Hery mihitsy na iray aza hatramin"izao.

Raha hanaporofo marina isika hoe misy IZY dia antsoy ilay sasany dia antsoy IZY dia miaraka miresaka AMINY ny roa tonta. Raha tsy izay dia reraka foana eo satria ilay sasany hiteny hatrany hoe : vokatry ny illusion io Baiboly lazainao amiko io. Raha tsy hainao aseho ny asan'ny fanahy izay porofoinao amin'ny sasany dia tsy misy sasany hanaiky izany velively.
20. Fitia2 ( 21/03/2013 13:54)
Angamba ilay izy ry Sitlo, araka ny tenen'i Nehemia hoe fanintonana saina fa ihany koa famelana an'izay manana valiny "mifototra" hanome izany. Nampisavorovoro fotsiny ilay fizarana roa hoe :mino ny baiboly sy tsy mino ny baiboly. Izay tsy mino ny baiboly dia mazava ho azy tsy mino, na tsy tena mino an'Andriamanitra. Izay mino ny fitantaran'ny baiboly kosa dia mazava ho ary, mino an'Andriamanitra.

Ireo izay mino baiboly dia mamaky izany ary mamakafaka ka manamafy orina ny finoana.

Fa ireo tsy mino ny Baiboly dia TOKONY hamaky baiboly koa satria ny tena marina, izy ireo tsy tena mahalala akory izay voarakitra ao. Rehefa voavakiny ny baiboly dia afaka miteny amin'izay izy hoe mino tokoa sa tsia? resy lahatra amin'izay voatantara ao tokoa sa tsia.

Izaho mantsy ohatra raha hitantara zavatra amin'ny namako mikasika zavatra iray nahazo ahy anefa raha hoy ilay namako hoe : "an an za tsy mino an'izany tantara izany" anefa izaho mbola tsy nanomboka nitantara akory dia tsy mitombina ny fanohanana ataon'ilay namako satria tsy fantany akory ilay tantara anefa izy efa milaza sahady fa tsy marina izay lazaiko.

Ankoatra izao, azonao hazavaina ve ry Sitlo ny tianao tenenina amin'ilay hoe:" philospohie de la religion"??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0781