Andriamanitra : aiza ny porofo ?

21. sitlo ( 21/03/2013 14:10)
Ankoatra izao, azonao hazavaina ve ry Sitlo ny tianao tenenina amin'ilay hoe:" philospohie de la religion"??


Ny "philosophie de la religion" dia ny diniky ny olombelona momba ny finoana. Tafiditra ao anatin'ny "philosophie sociale" izy io. Ny malagasy afaka BACC tamin'ny serie generale dia tokony hahay ny fahalalana fototra avy amin'io.

Fanontaniana mahazatra ao ny hoe "misy ve Andriamanitra?"

Efa nandefasako resadresaka teny fa raha tsy raharahiana moa izany, izaho indray no hivaky loha?
22. Nehemiah ( 21/03/2013 14:11)

sitlo:

Efa nilaza aho hoe mianara philosophie de la religion mba tsy hanoratsoratana toa izao fa atao ahiana moa.

Ianao indray tsara maka cours du "soara" @ taranja fanetren-tena.
23. sitlo ( 21/03/2013 14:13)
Efa fantatro fa ho tahaka izay ny fandehan'ny dinika ka mazotoa.
24. Nehemiah ( 21/03/2013 14:14)

Miharena:

Mihodinkodina hatrany izay mpifototra amin'ny Baiboly rehefa asaina mitady porofo ivelan'ny Baiboly handresena lahatra ny "sasany" fa misy Andriamanitra.

Tsy mahavaly ilay fanontanian'i Hery mihitsy na iray aza hatramin"izao.

Raha hanaporofo marina isika hoe misy IZY dia antsoy ilay sasany dia antsoy IZY dia miaraka miresaka AMINY ny roa tonta. Raha tsy izay dia reraka foana eo satria ilay sasany hiteny hatrany hoe : vokatry ny illusion io Baiboly lazainao amiko io. Raha tsy hainao aseho ny asan'ny fanahy izay porofoinao amin'ny sasany dia tsy misy sasany hanaiky izany velively.

Tsy haingo akory no nametrahako an'ireny rohy be dia be ireo.
25. Miharena ( 21/03/2013 14:33)
Efa hitako ilay haingo ka! tsy misy iray aza ireo tsy milaza ny fahamarinan'ny Baiboly araka ny fiheveranao ary ny ivelan'izay dia tsy izy avokoa.

Ireo rohy lazainao ireo dia midandraika tokoa amin'ny resaky ny namana Sitlo io hoe philosophie de la Réligion. Tsy réligion fa philosophie izany satria vokatry ny fanadihadian'ny olombelona (mandray ny toeran'ny Filozofa na mpianatra fahendrena).

Hafa ny hoe iasan'ny Fanahy Masina sy ny manao filosofa. Ny faharoa dia fandalinana no hanaposahany hevitra, ny voalohany dia izay miposaka avy ao aminy dia marina sy mahitsy ary azon'ny rehetra ny fahitsiany -tsy misy olakolaka na fanazavana fanampiny).
26. Nehemiah ( 21/03/2013 14:42)
Ka izaho anie tsy mba manao religion eto e.

Ny religion-nareo dia ny olombelona no manao izay ankasitrahan'Andriamanitra (na ny andriamaniny).

Fa tsy mba religion ny finoana kristiana. Ny finoana kristiana dia firaisana velona @ Jesoa Kristy @ fo, saina sy fanahy. Efa impiry noteneniko ianao hoe tsy hoe manana ny finoana dia tsy mampiasa saina !
27. RBNIR ( 21/03/2013 14:51)
hery:

Fa raha tsy izany dia aza manaporofo


Rehefa tsy mandray an'i Jeosy Kristy ho porofo ny olona rehetra namana dia tsy misy porofo hafa azo omena azy intsony.
I Jesosy no fitiavan'Andriamanitra lehibe indrindra : araka ny rohy nozaraiko ery ambony JESOSY = FAMANTARANA = SIGNE = POROFO.

Toy izao ilay isaia.7:11 @ dikateny frantsay :
11 Demande en ta faveur un signe à l'Éternel, ton Dieu; demande-le, soit dans les lieux bas, soit dans les lieux élevés.

Voatsindry mazava : SIGNE = FAMANTARANA = POROFO.

Ireto no FAMANTARANA LEHIBE NENTIN I JESOSY :
1- FAHAGAGANA MARO H@ fananganana NY maty
2- FITSANGANANY T@ fahafatesana

INONA INDRAY NO POROFO MBOLA ANDRASANA NAMANA ISANY????

Samia misaina sy miheritreritra.

Sao misy diso hevitra ary eto ka hihevitra izy fa raha hilaza indray andro any manoloana ny fitsarana hoe izaho tsinona tsy nahita porofo koa.

Fa inona daholo ireo olona B dia B nampiasain'Andriamanitra hanompo azy ireo????

ADALA DAHOLO IZANY IREO?????

IREO NO HO VAVOLOMBELONA HO ANTSIKA @ IZAY ANDRO IRAY IZAY.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany
28. Miharena ( 21/03/2013 15:12)
Nehemiah:

Ny finoana kristiana dia firaisana velona @ Jesoa Kristy @ fo, saina sy fanahy. Efa impiry noteneniko ianao hoe tsy hoe manana ny finoana dia tsy mampiasa saina !


Mitovy famaritana aminao tanteraka aho amin'ilay voalohany, fa ilay faharoa no mampiahiahy satria lasa fampiasantsaina fa tsy asan'ny fanahy mivoaka amin'ny saina maneho ny fahamarinan'ny fo sy fanahy manamarina ilay voalohany hoe firaisana amin'i Jesoa Krsity.

Ny olana namana dia ilay famakiana Baiboly lasa tsy ny Fanahy Masina intsony no miresaka fa ny sain'ilay mpamaky. Dia hita taratra eo hoe pilia vava ilay izy, dia rehefa tenenina momba izany ilay olona dia miteny amin'ilay miteny hoe : mitsipaka ny tenin"Andriamanitra ianao!!!

Fahatsapana ara-panahy no izy fa tsy faneken'ny saina. Satria ny saina dai mamitaka ary ao daholo no maha-devoly ny tsirairay. Diniho tsara anie e!
29. Nehemiah ( 21/03/2013 15:28)
Raha ny ara-Baiboly, tsy ny saina no mamitaka fa ny fo. Marina fa tsy mila mahalala zavatra beuh ianao vao raisin'i Kristy, fa kosa nanome saina handinika ary hampiasàna fahendrana ny Tompo.
30. Miharena ( 21/03/2013 16:02)
Ny saina no tsapako hoe mamitaka satria ny fo dia mandray izay azon'ny saina ka mahefa izay tsy tokony hataony. Ny fanahy kosa no iraisana amin'ny RAY hahatsapana fa zanak'Andriamanitra isika ary mandova avy AMINY ary izy no manoro ny saina hampita amin'ny fo ny fanatanterahana ny fahendrena sy ny fahadiovana. Izay aloha no fahatsapako fa asa ny anao raha milaza momba ny fo ny Baiboly fa tsy milaza ny fifandrohizan'izy telo.
31. Nehemiah ( 22/03/2013 05:57)
Rehefa miteny i Andriamanitra hoe : "Ny fihevitro tsy fihevitrareo" dia tsy midika akory fa manaraka lôjika hafan'ny lôjikantsika (raha tsy izay, @ fomba ahoana no afaka mifanefasefa i Andriamanitra sy ny olombelona ?) fa lalina lavitra noho ny saintsika ny sainy. Mba efa nanandrana nanazava biologie moléculaire @ tantsaha any @ brousse ve ianao ?

Raha ny momba ny fo indray dia Jer. 17:9.
32. Miharena ( 22/03/2013 10:25)
Efa misy fampianarana kosa na any ambanivohitra aza miresaka ny tarazo satria ny tambanivohitra anie miompy e!

Tsy mila fanazavana lalina izany.

Fa eo amin'ny resaka hoe ny fihevitro tsy fihevitrareo dia tsy maao fisainan'olombelona mihitsy ny Tompo fa fihevitr"Andriamanitra. Dia rehefa te-hahatakatra izany dia manontany AZY tsara fa hovaliany ianao.
33. Fitia2 ( 22/03/2013 11:27)
Lé philosophie anie ry Sitlo efa tamin'ny terminal e, efa folo taona lasa ka tena tsy tadidiko tsony! sady io no anisan'ny matière tsy haiko indrindra fa tsy atao imason'olona!
34. AndriambyII ( 22/03/2013 16:43)
Mifangaro ny vary amin' anana sy ny composé marikivy ato ! Maninona raha tonga dia tsorina hoe mino sa ts mino an' A/tra ny tsi11 dia avy eo ho hita eto izay tena mpomba ny secta na tena kristianina , na silamo , na athé , na vongany fotsiny ? ... Mbola misy te hanasa atidoha ihany ve @ izao vanimpotoana izao ?
35. leva2 ( 22/03/2013 22:36)
Velona Jesosy!

Koa satria mety hitondra soa ho an'ny hafa izay ambara, ary koa tsy mirefarefa amin'ny tany be loatra ny resaka, dia mahafaly ahy ny mba mandray anjara kely.

Efa hitan'i RBNIR tetsy aloha ihany ny tokony ho valiny, fa saingy mbola tao anaty baiboly ihany moa ilay POROFO nomeny.
Raha baiboly aloha no resahina : manamarina ny tenany ny baiboly, ary tsy misy tsy ho tanteraka ireo faminaniana marobe ao anatiny, tahaka izay marobe efa tanteraka rahateo taloha sy mandraka ankehitriny.
Ivelan'ny baiboly indray : IANAO IZAY MINO SY NANDRAY AN'I JESOSY IO NO TOKONY HO POROFO VELONA FA MISY ANDRIAMANITRA. Tadidio ireto teny ireto :
- Asa 01/08 "Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany"
- Mar 16/17-18 "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny".


Mijoro araka izany ary namana isany raha tena kristiana marina ianao.
36. Nehemiah ( 23/03/2013 06:03)

AndriambyII:

Mbola misy te hanasa atidoha ihany ve @ izao vanimpotoana izao ?

Inona no tena tianao ambara @ hoe "manasa ati-doha" azafady ?
37. AndriambyII ( 23/03/2013 09:14)

Nehemiah:


AndriambyII:

Mbola misy te hanasa atidoha ihany ve @ izao vanimpotoana izao ?

Inona no tena tianao ambara @ hoe "manasa ati-doha" azafady ?

Endoctrinement a outrance continu ,quotidien , indeterminé , incessant , du contenu d' un livre a trois milles pages .Misy akony betsaka @ fahasalamana ny fanaovana tery vay manta ohatry ny ataon' ny mpisorona rehetra @ ireo mpanaradia azy . Toy izany no fiasan' ny secte rehetra hitako aloha hatr@ izao fotoana izao , ohatry ny sientolojia , temoin de jehovah , ....Ka izany indraindray no tsapako fa misy mpitarika mitady hisarika olona any amin' ny fomba fijeriny sy ny fivavahany ato , ary manafangaro ny politika sy ny finoana koa aza . Sa mpikambana ao @ secte Machiaveliste , na Manicheeiste koa ary ny sasantsasany ?Aleo manontanitany foana toa izay mamalivaly tsy ampiheverana .
38. Nehemiah ( 23/03/2013 12:48)
Raha izaho aloha dia sarambabenolona mpikambana @ FJKM izay maniry mafy ny hahita an'i Madagasikara hiverina @'i Jehovah @ fony rehetra. Dia voiziko eto ny fahalalàna izay ahafahan'ny olona matoky ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra @ voalohany ka hatr@ farany, sady fiarovana ny finoana kristiana @ fanaratsian'ny "sasany".

Tsara fitotona ianao raha miresaka momba ny fanasàna ati-doha satria izay mihitsy no iharan'ny ankizy gasy @'izao fotoana : tsy mahazo miresaka momba an'Andriamanitra ny mpampianatra fa atao tery vay manta izy ireo @ fotopisainana izay milaza fa tsy ilaina i Andriananahary mpamorona an'izao tontolo izao ary samy manao izay saim-patany @ resaka fitondran-tena, izany hoe ny fandalàna ny maha-olombelona mandà an'Andriamanitra izay totofana @ sain'ny ankizy @ alalan'ny fampianarana ny néo-darwinisme.

Ka tsy tokony ahagaga ny fitotongan'ny fitondran-tena @ fiaraha-monina Malagasy @'izao fotoana izao.
39. Ratsirano ( 29/03/2013 14:25)
hery:

[quote=Nehemiah]
Mety manontany ny sasany hoe



Maivana be ho an'ny "sasany" raha io ny valin-teninao, izany hoe avy ao anaty baiboly. Satria ny "sasany" lazainao eto dia tsy mino akory ny baiboly... dia tsy maintsy mbola hanazava sy handresy lahatra azy ny baiboly indray ianao.

Fa ianao ve tsy afaka manaporofo ny fisian'Andriamanitra fotsiny amin'izao ivelan'ny baiboly? Izany hoe handresena lahatra ny olona tsy mila baiboly?
[/quote=Ratsirano]
Ny zavatra azo antoka dia tsy tongatonga foana izao zavatra hitan'ny masontsika izao fa nisy mpamorona. Ny ordinateur ampiasainao io dia fantatrao tsara fa nisy namorona. Tsy hino ianao raha hisy hilaza aminao hoe tsy nisy namorona izany io fa vita ho azy teny fotsiny. Ary ny ati-doha nikotrika namorona io ordinateur io ve, mba fantatrao hoe : IZA no namorona azy ? Izy ilay Andriamanitra Mpamorona antsika sy izao rehetra izao.
Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba izay ianao dia jereo ity site ity : www.jw.org/fr
safidio ny teny gasy fa misy ao. Mirary soa e.
40. karandoha ( 31/03/2013 20:20)
rehefa tsy mino dia ndana any fa tsy voatery ny sasany aza mino kiraro hihihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0992