Efa mba voavalinareo ve ireto passage ireto?

1. toriteny ( 06/03/2013 08:10)
Ianareo ve tsy mbola nahita passage ao amin'ny baiboly hoe tena manahiran-tsaina anareo ny mikaroka ny valiny ary tsy mbola hita hatramin'izao?

Maninona raha andao atao eto sao dia efa nisy nomen'ny Tompo fahazavan-tsaina hahafantatra ny valiny ihany amintsika?

Ito misy zavatra tena manahirantsaina ahy hatramin'izao Gen4:17 :"Ary Kaina nahalala ny vadiny , dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka"
Dia avy aiza izany io vehivavy vadin'i KAina io? Nefa Andriamanitra tsy namorona afa tsy Adama sy Eva?
répondu par Nehemiah le 14/03/2013 08:50
2. hery ( 06/03/2013 08:24)
Izaho aloha tsy sahiran-tsaina satria tsy raisiko hoe arabakiteny ireo soratra ireo. Hoe iny tokoa Andriamanitra dia naka fotaka dia nasiany fofon'aina dia lasa olona dia naka taolan-tehezana dia nanamboatra vehivavy sns... dia Adama sy Eva.

Ho ahy tsy dia ilaiko ny hoe "comment" na hoe fomba ahoana, fa ampy ahy no mahalala hoe Andriamanitra ny olombelona sy izao rehetra izao.

Izaho koa izao tsy sahirantsaina mieritreritra hoe nisy foitra (nombril) ve Adama sy Eva :-)
3. toriteny ( 06/03/2013 08:28)
:-) izay ianao izay
4. Miharena ( 06/03/2013 09:10)
Efa nosokafana ihany moa ilay lohahevitra, fa iombonako io hevitr'i Hery io.

Fa satria efa eo ihany isika dia mba te-hamoitra kely trangan-javatra iray tsy misy idiran'ny teny voambara ao anaty Baiboly aho fa ny teny miafina navoitran'ilay mpikaroka iray nahita azy hoe misy code secret io Baiboly io. Ohatra, raha nanao andrana momba ny hoe raha alatsaka isaky ny elanelana ny teny ary atambatra ny teny tsimponina isaky ny elanelana (ataontsika hoe tsidimidimy ohatra), dia nahitana teny mivoaka avy amin'izy io manambara ny zavatra hitranga eto ambonin'ny tany.

Nanao izany ny namana nahita azy io ary nanome teny tamin'i Ytzak Rabin fa voasoratra tamin'izany hoe hisy hamono izy, hita tao ny daty sy ny anaran'ny olona hamono azy (Amir no anatan'ilay olona tamin'izay). Ary nony nandeha ny fotoana, dia novonoin'io olona mitondra anarana hoe Amir io tokoa Ytzak Rabin.

Dia nanohy ihany ilay fikarohana ilay namana dia isaky ny vanim-potoana efa nojereny ary ny fara andro voavaky tao dia 2010 (tsy hiteny aho hoe tsy marina io an! Mety marina io fa isika no tsy mahalala hoe efa miaina ny aorian'ny fara andro isika izao fa ilay fara andro no tsy ara-bakiteny araka ny resahani Hery teo aloha ihany).

Dia ahoana indray no fandraisanareo izany? Efa misy code ve io Baiboly io ?
5. bor2lais ( 06/03/2013 09:19)
toriteny:

Dia avy aiza izany io vehivavy vadin'i KAina io ? Nefa Andriamanitra tsy namorona afa tsy Adama sy Eva?


Tsy fantatro raha mety manampy an'i toriteny ity na tsia ! :-)

"4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " Gen 5
6. toriteny ( 06/03/2013 09:25)
Fa ianareo ve tsy mba curieux mihitsy? Za zao ato tena misy liste na fanontaniana tena tsy ahitako valiny mihitsy ato dia ireny no hanontaniako an'Andriamanitra voalohany rehefa maty ka mihaona aminy :-) :-)
7. hery ( 06/03/2013 09:30)
toriteny lolll, mety hiteny izy hoe "tsy izaho no nanoratra an'izany" :-)
8. bor2lais ( 06/03/2013 09:36)
toriteny:

ireny no hanontaniako an'Andriamanitra voalohany rehefa maty ka mihaona aminy

Rehefa maty toriteny izany dia azo ampitondraina hafatra ho Azy koa e ? ;-)
9. didi10 ( 06/03/2013 09:38)

toriteny:

Ianareo ve tsy mbola nahita passage ao amin'ny baiboly hoe tena manahiran-tsaina anareo ny mikaroka ny valiny ary tsy mbola hita hatramin'izao?

Maninona raha andao atao eto sao dia efa nisy nomen'ny Tompo fahazavan-tsaina hahafantatra ny valiny ihany amintsika?

Ito misy zavatra tena manahirantsaina ahy hatramin'izao Gen4:17 :"Ary Kaina nahalala ny vadiny , dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka"
Dia avy aiza izany io vehivavy vadin'i KAina io? Nefa Andriamanitra tsy namorona afa tsy Adama sy Eva?


Jereo tsara ny filazana ny razan'i Jesosy fa avy amin'i Seta zanak'i Adama izy fa tsy avy amin'i Kaina, tsy misy fitantarana ny momba izany Seta izany anefa ao amin'ny Genesisy noho izany tsy tokony atao mahagaga raha misy vehivavy hafa nipoitra ihany koa tao.
10. RBNIR ( 06/03/2013 09:40)

toriteny:

Fa ianareo ve tsy mba curieux mihitsy? Za zao ato tena misy liste na fanontaniana tena tsy ahitako valiny mihitsy ato dia ireny no hanontaniako an'Andriamanitra voalohany rehefa maty ka mihaona aminy :-) :-)


Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Tsy voatery ho voasoratra avokoa ny zavatra rehetra « Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity; » (Jao.20:30)

Itony koa mbola saro-takarina nefa zava-nisy :

« dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. » (Gen.6:2)

Ireo dia niteraka ny :

« Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza. » (Gen.6:4)

Ireo nefilima ireo no natahoran'ireo olona niaraka tamin'i Josoa (espion israélien).

Aza dia mamaky loha loatra amin'izany fa tafiditra amin'ilay hoe "tantaram-pirazanana izany", fa ny fomba hahazoana ilay fiainana mandrak'izay no katsaho.

Rehefa tonga any dia hambara amin-tsika amin'izay ny zavatra rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo indray



11. hery ( 06/03/2013 09:46)
Rehefa metimety amin'i RBNIR dia maika izy miteny hoe "Tsy voatery ho voasoratra avokoa" dia hitany tsara ilay (Jao. 20: 30).

Fa rehefa ny Katolika no miteny an'io andininy io dia tsy hitany tampoka ao anaty baiboliny :-)
12. RBNIR ( 06/03/2013 09:54)

hery:

Rehefa metimety amin'i RBNIR dia maika izy miteny hoe "Tsy voatery ho voasoratra avokoa" dia hitany tsara ilay (Jao. 20: 30).

Fa rehefa ny Katolika no miteny an'io andininy io dia tsy hitany tampoka ao anaty baiboliny :-)

:-) Faly miarahaba e,
Tsotra B : Andriamanitra tsy miova omaly anio ary mandrak'izay : Tsy miova ny zavatra tiany sy tsy tiany, noho izany raha misy milaza hoe tsy voasoratra ity fa izy ihany koa dia tokony tsy hifanohitra amin'izay notakiany tany aloha.

Samia ho tahin'ny Tompo e
13. toriteny ( 06/03/2013 09:54)

bor2lais:

toriteny:

ireny no hanontaniako an'Andriamanitra voalohany rehefa maty ka mihaona aminy

Rehefa maty toriteny izany dia azo ampitondraina hafatra ho Azy koa e ? ;-)


Izao anie ianao dia afaka mampita teny é :-)
14. Maranatha ( 06/03/2013 11:00)

toriteny:

Ianareo ve tsy mbola nahita passage ao amin'ny baiboly hoe tena manahiran-tsaina anareo ny mikaroka ny valiny ary tsy mbola hita hatramin'izao?

Maninona raha andao atao eto sao dia efa nisy nomen'ny Tompo fahazavan-tsaina hahafantatra ny valiny ihany amintsika?

Ito misy zavatra tena manahirantsaina ahy hatramin'izao Gen4:17 :"Ary Kaina nahalala ny vadiny , dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka"
Dia avy aiza izany io vehivavy vadin'i KAina io? Nefa Andriamanitra tsy namorona afa tsy Adama sy Eva?


Niteraka zanaka vavy ihany koa i Adama sy Eva Tsy voatery ho nolazaina ny anaran'ny zanaka vavy . Izay novadian'i kaina . nanana ny vadiny koa i Abela toy izany koa i Seta. Misy zavatra maro tsy voasoratra. Fa ny tena hilaina ka tsy maintsy nosoratana dia izay manodidina ny drafitry ny famonjena. izay no mahatonga hoe misy apokrifa (na notefitefana )ny baiboly katolika toy ny makabeo, Jodita sns....
15. hery ( 07/03/2013 09:29)
Ary gravy koa fa hatrany amboalohany izany dia nifanambady ny mpianadahy :-)

Aiza moa no tsy lazaina hoe taranaka voahozona fa taranaky ny mpifady
16. Miharena ( 07/03/2013 16:31)
Tsy misy mahavaly ilay fanontaniana mihitsy ireo lazainareo ireo satria rehefa jerena dia tsy voasoratra daholo izany ny tena zava-nitranga.

Raha te-hahalala kokoa dia tsara ny mamaky soratra hafa : Coran ohatra.

Ary rehefa voavaly izay, dia tokony haroson'ny mpanokatra llohahevitra indray ny hevitra hafa tiany hanontaniana. fa lasa ilay iray io ihany no mandeha. Ary koa azo atao ny maneho hevitra tsy azo hafa hifanazavàna eto.
17. sitlo ( 08/03/2013 00:47)
Izaho aloha mijery sy mihomehimehy fotsiny. Nehemiah no tena tiako ho hita amin'izao.
18. toriteny ( 08/03/2013 07:19)

hery:

Ary gravy koa fa hatrany amboalohany izany dia nifanambady ny mpianadahy :-)

Aiza moa no tsy lazaina hoe taranaka voahozona fa taranaky ny mpifady


ka zay mitsy anie ry Hery no tsy de hinoako loatra hoe anabaviny é! Raha izany ve maninona ny baiboly tsy niteny hoe nanambady ny anabaviny fa hoe ravehivavy fotsiny? FA mety possible ihany aloha ilay hoe anabaviny é! KAina koa efa adaladala toetra izay
19. Miharena ( 08/03/2013 07:44)
Ny olana koa anie dia tsy mamaky Baiboly mihitsy ianareo dia tsy mahita ny valiny e!
Jereo tsara ny tantara ao fa efa nisy olona marobe teto ambonin'ny tany vao nanambady Kaina.
20. hery ( 08/03/2013 07:45)

toriteny:

FA mety possible ihany aloha ilay hoe ...


Fa tsy mety possible ve ilay hoe tsy TENA nisy araka izay voasoratra fa angano toy ny "légende des origines" nisy rehetra ny nanamboarana ny olombelona sns?

Inoako fa ilay nanoratra ilay boky dia tsy nieritreritra ny hitantara zava-nisy ara-tantara mihitsy fa isika aty aoriana no mandray am-bolony. Tahaka ireny dadabe sy nenibe eo ambody fatana rehefa diavolana mitantara ny niatombohan'ny olombelona ireny ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0502