Efa mba voavalinareo ve ireto passage ireto?
21. hery
(
08/03/2013 07:47)
Fa tsy mety possible ve ilay hoe tsy TENA nisy araka izay voasoratra fa angano toy ny "légende des origines" nisy rehetra ny nanamboarana ny olombelona sns?
Io no mahatonga anay tsy hijery ny hoe "ahoana marina no fomba nanamboarana ny olombelona"... fa mino hoe Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra, anisan'izany ny olombelona.
22. toriteny
(
08/03/2013 07:53)
Miharena:
Ny olana koa anie dia tsy mamaky Baiboly mihitsy ianareo dia tsy mahita ny valiny e!
Jereo tsara ny tantara ao fa efa nisy olona marobe teto ambonin'ny tany vao nanambady Kaina.
Apetraho eto hoe ny toko sy andinin'izany ry MIharena?
23. bor2lais
(
08/03/2013 09:10)
toriteny:
Raha izany ve maninona ny baiboly tsy niteny hoe nanambady ny anabaviny fa hoe ravehivavy fotsiny?
Izay "important" amin'ny finoana ihany ange no voasoratra ao e ! :-)
Ny fahalalana ny momba an'i Kaina sy ny taranany dia tsy mitondra mankany amin'i Abrahama ohatra ! ;-)
Raha tsy izany dia mety ho tahaka ny ala mikitroka angamba ny Baiboly tsy ahitana ny làlan-kaleha.
Fa ny rantsana avy amin'i Seta no notazomina satria iny no mitondra hatrany amin'ny bokin'ny Apokalypsa ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! ;-)
24. Miharena
(
09/03/2013 03:23)
Namana Toriteny, tsy lavitra fa eo ambonin'ny ilay andininy notanisainao ihany no mamaly ilay fanontanianao.
Gen 4: 14Indro roahinao hiala amin'ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. 15Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. 16Rahefa izany dia niala teo anatrehan'ny Tompo Kaina, ka nonina tany amin'ny Noda, atsinanan'i Edena.
Ilay voatsipika no milaza fa efa nisy olona tety ambonin'ny tany ary ny vadiny dia avy tao Noda atsinanan'i Edena
Ny fanontaniana dia hoe avy aiza ireo?
Dia ao ami'ny Gen 1 indray no mijery: Ny Saha Edena dia namoronana an'i Adama fa ny tany ankoatra dia namoronana ny olombelona.
Fa resaka avokoa izany fa tsy manome izay marina raha mbola ao anaty Baiboly no itadiavana azy.

25. Nehemiah
(
11/03/2013 06:01)
[color=purple]Miala tsiny @ namana rehetra fa dia onena dia onena aho mahita fa tsy misy afa-tsy i Bor2lais ihany no mahita ny valiny ary i Sitlo @'izany dia mihomehy fotsiny (ary rariny izany).
Kanefa tsotra kely ny valiny. Efa nanome torolàlana i Bor2lais @ Gen. 5:4. Rehefa jerena izany ny Baiboly dia anabavin'(na zanak'anabavin')i Kaina ihany ny vadiny. Tadidio fa 130 taona i Adama no niteraka an'i Seta, izay nolazain'i Eva ho "solon'i Abela". Ka angamba taona vitsivitsy talohan'izay no namonoan'i Kaina ny rahalahiny, ary efa niteraka zanakavavy maromaro i Adama sy Eva mba hakan'i Kaina vadiny ao aminy.
Ka efa hitako ny fimenomenoan'ny sasany hoe : "Ahoana indray ny Lev. 18 mandrara ny manambady havana akaiky r'ity a !!!". Nefa raha nahatsikaritra ianareo dia t@ andron'i Mosesy ihany vao nanan-kery ireto didy ireto. Sady iaraha-mahafantatra fa demi-sœur-n'i Abrahama ihany i Sarah, ary zafin-drahalahin-drain'i Isaka ihany i Rebeka, ary nenitoan'i Amrama rain'i Mosesy i Jokebeda renin'i Mosesy !
Tsy hiditra lalina be @ resaka entropie génétique aho, fa fantaro fotsiny fa miha-mitombo tsikelikely ny isan'ny sampona ao anatin'ny ADN arakaraky ny générations, nohon'ny fahalovàna izay nahazo an'izao tontolo izao nohon'ny otan'i Adama (ary izay koa no mahatonga ny hoe mifandraika @ zava-misy kokoa ny fitantaran'ny Baiboly hoe aman'arivo taona izao tontolo izao toy izay aman-tapitrisa taona tsy hita lany, sa tsy izay moa ry Sitlo ?). Fa kosa, tontolo tsara indrindra no noforonin'i Andriamanitra, ary tao anatin'izany koa i Adama sy Eva, ka tsy nisy sampona izany ny fototarazon'izy ireo.
Inona moa no mahatonga ny lalàna mandrara ny manambady havana akaiky ? Satria mitovitovy ny gènes-n'izy ireo ary manjary mipoitra aty ivelany ny sampon'ny razany izay niafina tao anatin'ny ADN'ny. Ary arakaraky ny mahamaro ny sampona anaty ADN no mahabe ny chances ipoiran'ireo sampona ireo.
Fa ny olombelona t@ andro fahagola dia tsy nanana an'izay olana izay satria mbola vitsy kely ny sampona tao anatin'ny gènes. Ka angamba mbola azo atao t@'izany andro izany ny manambady havana akaiky. Ny antony voalohany nanomezan'Andriamanitra ny didy @ Pentatioka dia mba ho vahoaka masina ho Azy ny Israelita, ary tsy maintsy tandrovina ny fahasalaman'izy ireo enti-manao an'izay. Kanefa lasa nihabe ny sampona anaty ADN. Ka tsy maintsy nampiditra an'ireto lalàna vaovao ireto i Andriamanitra, mba tsy hirongatra ny aretina manaranaka @ Israelita.
Manantena aho fa manampy an'i Toriteny sy ny namana rehetra izay fanazavàna izay.
[color]

26. Nehemiah
(
11/03/2013 06:34)
Hery:
Izaho aloha tsy sahiran-tsaina satria tsy raisiko hoe arabakiteny ireo soratra ireo.
RBNIR:
Tsy voatery ho voasoratra avokoa ny zavatra rehetra
Hery:
Fa tsy mety possible ve ilay hoe tsy TENA nisy araka izay voasoratra fa angano toy ny "légende des origines" nisy rehetra ny nanamboarana ny olombelona sns?
Miala tsiny indrindra raha enti-katezerana fa tena onena loatra aho.
Averiko indray mandeha, rariny loatra raha "mijerijery sy mihomehy fotsiny" i Sitlo mamaky an'ireo, ary tsy omeko tsiny akory izy, satria manala baraka antsika samy kristiana isika manao an'ity, ka raha hitan'ny tsy mpino fa tsy manana valiny rationnel akory antsika kristiana ho an'ny fanontaniana tahak'izao dia aiza no tsy hamazivazy antsika hoe "minomino foana" izy ireo ?
Neverinareo fa natao ho an'iza ny 2 Kor. 10:5 : "mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy" sy ny 1 Pet. 3:15 : manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo [Isa. 8.12, 13] ; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana" ? Angaha tsy ho antsika mpianatr'i Kristy rehetra ? Ka raha tsy mahavita an'izay antsika dia tsy mahagaga raha aman'alina ny tanora izay mandao ny finoany kristiana rehefa ampy taona !!! Sady vao mainka manaraby ny finoana kristiana ny mpandà an'Andriamanitra rahateo.
Tsy hoe mora valiana kely daholo ny fanontaniana rehetra @ Baiboly na voasoratra @ daholo ny tsiambaratelo rehetra @'izao tontolo izao, fa kosa finoana rationnelle ny antsika, miraikitra @ tantaran'ny olombelona, ary mifandraika tsara @ tontolo sy ny réalité manodidina antsika. Misy valiny avokoa ny momba an'ireny fanontaniana ireny.
Fa ny an'ny sasany dia "angano fotsiny ny Gen 1-11" e, "tsy natao ho raisina ara-bakiteny ny toerana sasany @ Baiboly" e, "tsy voasoratra ny zavatra rehetra" dia miafina ao ambadik'izay e, "misy hevi-miafina izy io" e nefa hita fa lahatsoratra ara-tantara natao ho raisina ara-bakiteny ny Genesisy 1-11, sns.
Ka aoka re mba tsy atao tsinontsinona ny tenin'Andriamanitra fa omena ny fahefàna sahaza Azy ! Raha tenin'Andriamanitra ny Baiboly dia tsy maintsy raisina tahak'izany. Ka rehefa mitantara i Andriamanitra dia tantara marina, tsy ilaina itadiavana hevi-miafina na ampandalovina @ filtre-n' ny hevitr'olombelona mpanota mety diso !
Tsy ahoako ny esoeso sy fanarabiana azoko rehefa miaro ny hasin'ny tenin'Andriamanitra aho, satria tsy maintsy tahak'izay foana, ary tombon-tsoa ho ahy izany. Fa ianareo kosa, azafady fa mba mihevera tena ary aza ataonareo ho zava-poana ny mandalina ny tenin'Andriamanitra @ saina malalaka sy fo tsotra, fa tsy tonga dia ahilika hoe "tsy milaza ny zava-drehetra ny Baiboly" na "angano anie ny sasany".
Satria raha angano i Adama sy Eva dia inona fotsiny no nahatongavan'i Kristy ety ambony tany ? Raha nisy olombelona talohan'i Adama dia mba tenin'Andriamanitra ihany ny Baiboly izay milaza fa razan'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka izy 2 ? Raha tapitrisa taona ny tany dia mba tontolo "tsara indrindra" mifanaraka @ toetran'Andriamanitra ve izany tontolo nisy dinôzôra nifandratra, nifamono, nifampihinana, mararin'ny aretina (misy fôsily izay manambara fa voan'ny homamiadana ilay dinôzôra t@ fahavelony), maty mandritry ny tapitrisa taona tsy hita lany ?
27. RBNIR
(
11/03/2013 07:46)
Faly miarahaba indray ary faly miarahaba ny namantsika nehemia,
Tafiditra @ ity teny ity ny lohahevitra namana ka aleo tsy hitarina satria isika mpankato ny tsitoha.« Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. » (Tit.3:9)
Nehemia, Jesosy Tompo tsy mba tezitra mihitsy na notevatevaina sy nohesohesoina aza an :),
Samia ho tahin'ny Tompo e

28. Nehemiah
(
11/03/2013 08:15)
RBNIR >> Miala tsiny indrindra. Marina fa somary nisintaka t@ 1 Pet. 3:15 aho, nefa kosa tsy nilaza afa-tsy ny marina ihany aho. Fa izany hoe tsy ny fanevatevàna na esoeso no mahasosotra ahy fa ny fomba anilihan'ny sasany an'izao resaka izao ho "tsy dia misy dikany loatra".
Ary ianao, @ fahefàna ahoana no ahafahanao misokajy an'izay fanontaniana izay ao anatin'ny "fanontaniana adala" izany fanontaniana izany nefa iny mihitsy no entin'ny mpandà an'Andriamanitra tahakan'Itompokolahy Carl Sagan hanarabiana ny finoana kristiana ho finoanoam-poana ?

29. RBNIR
(
11/03/2013 08:46)
Nehemiah:

Namana, ny tenin'Andriamanitra no manampahefana amiko, sy tiako ny tsy hanaja ilay Tit.3:9.
Raha manontany v ilay namana hoe iza no vadin'ny kaina tsy midika mazava v izay fa mikaroka ny firazanana momba an'i kaina sy ny ankohonany izy???
Samia ho tahin'ny Tompo e,
30. RBNIR
(
11/03/2013 08:49)
Fanitsiana:
Tsy tiako ny tsy hanaja ilay Tit.3:9.
Raha manontany v ilay namana hoe iza no vadin'ny kaina tsy midika mazava v izay fa mikaroka ny firazanana momba an'i kaina sy ny ankohonany izy???
Tsy tiako ny tsy hanaja ilay Tit.3:9.
Raha manontany v ilay namana hoe iza no vadin'ny kaina tsy midika mazava v izay fa mikaroka ny firazanana momba an'i kaina sy ny ankohonany izy???
31. RBNIR
(
11/03/2013 09:48)
Nehemiah:
Ary ianao, @ fahefàna ahoana no ahafahanao ....
Somary nitsiky ihany aho naharay ity hafatrao ity namana satria nampahatsiahy ahy ...
« Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? » (Mat.21:23)
Faly aho satria tanteraka amiko ankehitriny ny tenin'ny Tompo: izay rehetra nandehanany, no tsy maintsy handehanantsika koa.
Samia ho tahin'ny Tompo e
32. Nehemiah
(
11/03/2013 12:16)
Ny aiza @ fanazavako momba an'ilay fanontaniana @ lohahevitra kay no tsy takatrao ?
Rehefa kamo ara-tsaina anie dia azonao lazaina mazava, fa ny olona rehetra tsy voatery tahaka anao.

33. RBNIR
(
11/03/2013 12:24)
Nehemiah:
Rehefa kamo ara-tsaina anie dia azonao lazaina mazava, fa ny olona rehetra tsy voatery tahaka anao.
Misaotra namako,
Voaporofo ny fahatanterahan'ny teny rehetra,
Samia ho tahin'ny Tompo e
34. bor2lais
(
11/03/2013 15:23)
RBNIR:
Faly aho satria tanteraka amiko ankehitriny ny tenin'ny Tompo: izay rehetra nandehanany, no tsy maintsy handehanantsika koa.
:-)
37. Nehemiah
(
12/03/2013 08:17)
Toriteny >> Mea culpa, enti-katezerana aho t@'ity. Fa ny naharikoriko aho dia ny mahita olona milaza ny tenany ho kristiana nefa mandà ny tapany sasany @ teniny ho marina ka miantso an'Andriamanitra ho mpandainga.
Tsara ny mitady valiny ho an'ny fanontaniana sasany, ary tsy zava-poana ity resaka vadin'i Kaina ity satria, araky ny efa noteneniko dia iny no entin'ny mpandà an'Andriamanitra hanaraby ny Baiboly sy ny finoana kristiana. Ary efa napetrako @ soratra volomparasy ny valiny mba ho mora hita.
Fa tsy mety ny ataon'ny sasany manilika an'ilay resaka ho "angano" na "tandindona" satria efa miharihary tsara ny maha-lahatsoratra ara-tantaran'ny Gen 1-11, ka raha iny no tsy marina dia tsy misy fotony ny finoantsika.

38. RBNIR
(
12/03/2013 08:55)
Nehemiah:
Fa tsy mety ny ataon'ny sasany manilika an'ilay resaka ho "angano" na "tandindona" satria efa miharihary tsara ny maha-lahatsoratra ara-tantaran'ny Gen 1-11, ka raha iny no tsy marina dia tsy misy fotony ny finoantsika.
Faly miarahaba namana,
Aza mora tezitra hoy aho,
Tsy dia io loatra fa ity no fototry ny finoantsika namana
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14)
Noporofoin'Andriamanitra t@ Jesosy Tompo fa tena misy fitsanganan'ny maty.
Ary izay no fototry ny fanantenana rehetra.
HAFATRA LEHIBE : MANOMPO AN ANDRIAMANITRA ARY ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA FA TSY HO FOANA AKORY NY FIKELEZAN TSIKA AINA.
TSY TOKONY HO ADINOINA IHANY KOA ANEFA FA REHEFA TSY TONGA ANY AMIN NY ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY NY OLONA DIA HO VERY ANY AMIN NY AFOBE KOA (MISY ADALADALA MANTSY KA MANAO ANAKAMPO HOE TSY MANINONA FA TSY HO ANY IZAHAY)
39. toriteny
(
12/03/2013 13:16)
Izay za vo nanana fotoana namakiana ny post rehetra. Azoko amin'izay ny mampifanditra anareo sy RBNIR
Ho an'i RBNIR, marina mihitsy fa tokony Jesosy no centre ny fahalalantsika. Izany akory tsy midika hoe tsy azo vakiana sy tsisy fotony ny baiboly ambiny, indrindra ny TT fa misy ilaina azy foana ireny teny ireny matoa napetraka.
Mikasika ny Tit 3:9 "Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna ; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany
Raha miresaka tantaram-pirazanana PAoly teto dia satria Tito nasainy nijanona tany Crète (Tit1:5) izay majoritairement Juifs. Jiosy izay mbola nitandrina ny maha peuple élu de Dieu azy ireo sy manao tsinotsinona ny "tsy Jiosy". Fa indrindra Jiosy mbola nitandrina ny lalàna ary mandà an'i Kristy ho famonjena
Ary mbola naveriny ihany ny hafany raha nanoratra ho an'i Timoty izy ao amin'ny 1Tim1:4-7: "mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa , na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra , fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana , dia toy izany koa no ataoko ankehitriny. Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy , izay nivilian'ny sasany , ka nania ho amin'ny taria foana izy , dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna , kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany."
Raha mandinika ireo taratasy 2 ireo isiaka tena mitovy ny hafatra fonosiny. Samy milaza lalàna, tantaram-pirazanana. Ny maha samihafa azy fotsiny ny iray miteny fanontaniana adaladala ny iray fitandremanana anganoangano.
FAndinihako manokana ito: : Ny fanontaniana adaladala dia izay efa fantatra fa tsy ao anaty baiboly (anganoangano) nefa mbola hapetraka ho marina ihany.
Ahoana hoy izy ao amin'ny Tit1:14:"tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy (Izay mbola milaza fa tsy misy ny famonjena avy amin'i Jesosy fa ry zareo ihany no peuple élu de Dieu) sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana."
Ho an'i Nehemiah: hanampy anao eto amin'ny forum ny Rom14 fa vao haingana mihitsy aho no bediny tamin'io Rom14 io
Aleo hampiako ilay fanontaniako ary é. Gen6:1"Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro ,dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanaka vavin'ny olona ; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy "
Fa maninona no misy hoe zanak'Andriamanitra sy zanak'olona nefa mbola tsy nifidy vahoaka (Zanak'Israely) Izy tany amin'ny andron'i Adama sy Noah? Dia iza ilay zanak'Andriamanitra(mety hoe taranak'i Adama) dia iza izany ilay zanak'olona?
Amiko aloha ilaina mihitsy ny arbre généalogique ary révélateur ireny (afaka hi-relier na ny récit biblique sy ny sciences). Ohatra ilay taranak'i Kaina izao Gen4:18 "Ary Lameka nampirafy roa : ny anaran'ny anankiray Ada , ary ny anaran'ny anankiray Zila .Ary Ada niteraka an'i Jabala ; izy no rain'ny mpitoetra an-day , mpiandry omby aman'ondry . Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala ; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra .Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina , mpanefy fiasana maranitra , na varahina na vy ; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama ."
Hoe génération 6 après Kaina ny age de fer "mpanefy fiasana maranitra , na varahina na vy "

40. RBNIR
(
12/03/2013 14:21)

Faly miarahaba anao namana,
1- Tsy niteny mihitsy aho fa tsy ilaina ny TT satria ny mifanohitra @ izany no izy (efa hatramin'ny fotoanan'ny mpaminany no efa nitoriana ny filazantsara)
2- Momba ny tantaram-pirazanana (aminao v antoka iray hidirana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra ny fahafantarana ny vadin'ny kaina sa tsia)?
Ny valin'izay no ahafahana tsi11 mamantatra na manandanja ilay fanontaniana na adaladala.
Samia ho tahin'ny Tompo namako , tena tianao JESOSY KRISTY TOMPO.