Efa mba voavalinareo ve ireto passage ireto?

61. RBNIR ( 14/03/2013 06:21)

Nehemiah:

Toa mody fanona indray i RBNIR ka averiko eto izany ny fanontaniana : "ahoana no ahafahanao miteny fa tsy misy dikany io resaka io nefa io no entin'ny mpandà an'Andriamanitra manaraby ny finoana kristiana ?" (ary rariny loatra raha manao an'izay izy ireo)

Raha mbola mitohy amin'izay làlana izay isika dia mety ho tanteraka ilay hoe "ady teny tsy halavirina koa namana" dia aleoko mangina.
Ny fahaizan'ny tsi11 mandanjalanja tsara no mametra ny dinika tsy ho lasa "ady teny " namana,
Aleoko lavitra mahita ny olona iray mihevitra ny tenako ho kely saina tsy mahita avaly toy izay tsy mankatoa ny tenin'Andriamanitra namana.

samia ho tahin'ny Tompo e



62. RBNIR ( 14/03/2013 06:23)
Raha mbola mitohy amin'izay làlana izay isika dia mety ho tanteraka ilay hoe "ady teny tokony halavirina koa namana" dia aleoko mangina.
Ny fahaizan'ny tsi11 mandanjalanja tsara no mametra ny dinika tsy ho lasa "ady teny " namana,
Aleoko lavitra mahita ny olona iray mihevitra ny tenako ho kely saina tsy mahita avaly toy izay tsy mankatoa ny tenin'Andriamanitra namana.

samia ho tahin'ny Tompo e
63. toriteny ( 14/03/2013 06:35)
ai fa raha ny olona izany no mitady ahafantatra tantaram-pirazanana iray AMIN'NY HEVITRAO dia meloka be. Efa hoe halaviro dia halaviro

FA rehefa ianao no miresaka miadihevitra isaky ny mihetsika mba tsy hitenenako hoe be dia beamin'ny lalàna eraky ny forum dia azo atao?

Mampalahelo raha ohatran'izany ny interprêter nao hatrany ny Tenin'Andriamanitra. Fa malahelo an'i Jesosy indrindra indrindra aho

1JAo1:9 no asaina homena anao handinihanao tena sy hiverenanao Aminy indray fa izaho asainay tsy miteny intsony
64. RBNIR ( 14/03/2013 06:48)

toriteny:

FA rehefa ianao no miresaka miadihevitra isaky ny mihetsika mba tsy hitenenako hoe be dia beamin'ny lalàna eraky ny forum dia azo atao?


Tena azonao antoka v fa eraky ny forum namana?
Ny tsaroakoa farany nizarako ny resaka lalàna izao dia ny lohahevitra hoe lalàna sy fahasoavana,
Tsy mivoaka ngamba ny lohahevitra ngamba izay.......

Samia ho tahin'ny Tompo e
65. RBNIR ( 14/03/2013 07:14)
toriteny:

1JAo1:9 no asaina homena anao handinihanao tena sy hiverenanao Aminy indray fa izaho asainay tsy miteny intsony

Ity fomba firesakao ity dia somary manaitra kely
hoy ianao hoe "no asaina homena anao" (misy miteny aminao v hoe ity homena azy,
dia farananao hoe " izaho asainy tsy miteny intsony : misy miteny aminao izany hoe aza miteny intsony????

Hitanao fa mamaky tsara aho namana,

Samia hotahin'ny Tompo e
66. toriteny ( 14/03/2013 07:41)

RBNIR:

toriteny:

1JAo1:9 no asaina homena anao handinihanao tena sy hiverenanao Aminy indray fa izaho asainay tsy miteny intsony

Ity fomba firesakao ity dia somary manaitra kely
hoy ianao hoe "no asaina homena anao" (misy miteny aminao v hoe ity homena azy,
dia farananao hoe " izaho asainy tsy miteny intsony : misy miteny aminao izany hoe aza miteny intsony????

Hitanao fa mamaky tsara aho namana,

Samia hotahin'ny Tompo e


Mamaky ihany ianao izany fa tsy mahita. So dia tokony homena an'i Jesosy ho solomaso hampahiratra anao?
Ho an'ny fanontanianao (tsy haiko hoe tena fanontaniana koa ilay izy ve sa hoentina hivoana fotsiny amin'ilay sujet)fa raha tena marina fa tsy fantatrao hoe miteny io Tompo ao aminao io dia ito ny lien mety hanampy anao:

http://forum.serasera.org/forum/message/m513304c359a89

Fa ny Jesosy noraisinao ao am-po sy eo amin'ny fiainanao ve izany tsy miteny aminao mihitsy hatrizay? So dia mila an'i Jesosy ho appareil pour mal entendant koa?
67. RBNIR ( 14/03/2013 08:00)
« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Mat.5:11)
Tsy mahatsapa v ny namana toriteny sy Nehemiah hoe "manitsy teny ratsy namana"????
Na izany aza tiako foana ianareo namana,
Ny Tompo anie hanazava ny saintsika,

Samia ho tahin'ny Tompo e

68. toriteny ( 14/03/2013 08:14)
FA inona ny maha ratsy ny mandray ny Tompo ho fifohazam-panahy? Mahatsiaro ho voahopa ve ianao amin'izany? Tena azafady ary raha nanafitohina ny nilazako azy é, aleo andininy ao amin'ny soratra masina no omeko: MArk8:18: "Mana-maso , fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina , fa tsy mandre va ianareo ?"

Mety aminao?
69. RBNIR ( 14/03/2013 08:25)
Tsy ny tenin'Andriamanitra no olana, fa ilay sira kely laroinareo azy namana, (toy ny hoe mal entedant , kely saina...
Raha ny marina tsy ho ahy no hilazako izany fa ho anareo (izaho ngeh vao maika faly maheno ireny e : tanteraka amiko ny tenin'Andriamanitra ary Jesosy Tompo nilaza hoe Sambatra aho noho izany)
Ho anareo hoy aho satria tsy tokony kristianina no hivoahan'ireny teny ireny fa ireo olona tsy mpino an'Andriamanitra,
Indrindra indrindra ianao mampianatra ny olona handray an'i Jesosy dia tokony ho hitany ao aminao JESOSY NORAISINAO namana

Samia ho tahin'ny Tompo namana
70. toriteny ( 14/03/2013 08:25)
za tsy miady tsony an. Poussy a hoy ny ankizy milalao izay :-)
Aleo atao hoe resy aho fa aza mamaly intsony raha io zavatra farany io no tianao hovaliana.

Fa efa mazava aminao ve ny zavatra tiany tenenina amin'ilay Tit3:9?
Sy ilay resaka Tompo miteny?


71. Nehemiah ( 14/03/2013 08:36)
RBNIR >> Tsy "kely saina" ianao, fa kamo ara-tsaina (na minia tsy mampiasa saina, nefa moa mitovy ihany ny vokany).

Tsy toherinao na dia kely aza ny hevitray, fa manopy andinin'ny Baiboly hors-contexte etsy sy eroa.

Izay fahakamoana ara-tsaina izay no mahagisitra ny gasy : aiza ve koa rehefa Rajao no mandeha eo dia mitangorona anoloan'ny TV ny olona nefa rehefa Questions pour 1 Champion dia tsy misy olona intsony !
Izay no mahatonga ny gasy mora tratran'ny sekta. Kanefa antsoina isika hanompo an'Andriamanitra @ fontsika, fanahintsika sy saintsika.

Fa raha tsy miafina ambadiky ny Tit. 3:9 ka mandiso anay @ fomba marim-pototra ianao dia angamba hihevitra anao ho lalin-tsaina aho.
72. RBNIR ( 14/03/2013 08:43)
:-)
Mbola tsy miova ny hevitro namana ho an'ilay Tit.3:9
Raha resaka fitadiavana ny vadin'i Kaina dia amiko tafiditra ao amin'ilay tokony halavirina izay.
Ny mahasamihafa azy amin'ireo tantaram-pirazanana hafa ao @ baiboly, dia diniho tsara fa izay taranaka misy hifandraisana @ ireo olomboafidin'Andriamanitra na koa mitondra h@ Jesosy Kristy Tompo no voambara ao, ny sisan'izay tsy notsindrin'Andriamanitra (izay ihany koa no hamaliako ny fanontanian'ny namana bor2lais sy ny hafa).
P.S : Aleo tsy hotohizana ilay Tompo miteny
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
73. Nehemiah ( 14/03/2013 08:50)
Mba ekenao ve aloha ilay fanazavàna tetsy ambony sa tsia ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116