Efa mba voavalinareo ve ireto passage ireto?

41. toriteny ( 12/03/2013 14:43)
Mba novakianao ve aloha ny zavatra nosoratako é! Sa ny anao izay mitsy. Izay boky tsy mitory ny filazan-tsara dia tsisy ilaivana azy? Na TT na TV?

Mba tiako ho fantatra ny andininy ao amin'ny baiboly nangalanao fa izay tsy mitory ny Filazan-tsara ao amin'ny baiboly dia ario avokoa.

Sa ny fiheveranao ny fanontaniako dia hoe te hosoloiko an'i Kaina i Jesosy mahatonga ahy manadihady? :) Tsy mitondra any an-danitra ny tantaran'i Kaina fa izany akory tsy midika fa à la poubelle rehefa tsy mitondra any an-danitra. Fa misy lesona hananaran'Andriamanitra antsika foana ny évènement tany amin'ny TT na dia tsy mitory ny filazan-tsara aza

RBNIR a!! Tsara ilay miova hoe mandray an'i Jesosy Kristy ho famonjena tokana fa tsy mitory lalàna intsony fa lasa ratsy indray ilay changement raha extrémiste radical ohatran'izany ianao ka hoe tsy ilaina izay zavatra rehetra tsy mitory an'i Kristy.

42. RBNIR ( 12/03/2013 15:02)
toriteny:

RBNIR a!! Tsara ilay miova hoe mandray an'i Jesosy Kristy ho famonjena tokana fa tsy mitory lalàna intsony fa lasa ratsy indray ilay changement raha extrémiste radical ohatran'izany ianao ka hoe tsy ilaina izay zavatra rehetra tsy mitory an'i Kristy.

Ny tsara indrindra tokony ataon'ny mpino namana dia ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra.
Rehefa hoy IZY hoe HALAVIRO, dia HALAVIRO (tsy tokony hitsy ady hevitra fa fanekena no tokony atao).
ANDRIAMANITRA = TOMPON NY TOMPO = MPANJAKAN NY MPANJAKA.
Raha tsapanao ny lanjan'izany dia ekeo IZY amin'ny sitrapony REHETRA.

TENA TIA ANAO JESOSY TOMPO,

Samia ho tahin'ny Tompo namana

43. toriteny ( 12/03/2013 15:25)
Dia aleo ary haveriko aminao ilay fanontaniana é. Inona eto no asainy halavirina
44. RBNIR ( 12/03/2013 15:30)

toriteny:

Dia aleo ary haveriko aminao ilay fanontaniana é. Inona eto no asainy halavirina

Vakio tsara indray ilay Tit.3:9.
Mangataha amin'ny Tompo e,
Ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy IZY.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
45. Nehemiah ( 13/03/2013 06:30)
Toriteny >> Marina tokoa fa samy ho tsarain'Andriamanitra avokoa antsika, ary misy ny sasany izay mbola tsy matotra @ finoana :) .
Fa izany hoe tsy ny fahatanoran'ny sasany @ finoana no nahatezitra ahy fa ny tsy firaharahian'ny sasany ny momba ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra. Na izany na tsy izany moa dia io ny valiny, valiny mari-pototra izao ka aoka antsika tsy hanamavo ny tenin'Andriamanitra intsony hoe "angano angano, arira arira".

RBNIR >> Sady tsy voavalinao ny fanontanian'i Toriteny no tsy voavalinao ny fanontaniako ka izaho koa mba hamerina ny ahy : ahoana no ahafahanao miteny fa tsy misy dikany io resaka io nefa io no entin'ny mpandà an'Andriamanitra manaraby ny finoana kristiana ?
46. Nehemiah ( 13/03/2013 06:33)
RBNIR >> Andraso fa ovaiko ny fametraka ny fanontaniana : raha tsy tena nisy tokoa i Adama sy Eva nanota tany Edena, ny Safo-drano maneran-tany, ny fiparitahan'ny vahoaka tany Babela, dia mbola azo lazaina ho tenin'Andriamanitra ihany ve ny Baiboly ? Raha tsy marina ireo lahatsoratra ara-tantara ireo, inona no manakana ny olona hisafidifidy izay tiany ho marina @ Baiboly ary hanilika ny sasany izay tsy tiany ?
47. RBNIR ( 13/03/2013 06:44)
Nehemiah:

Tsy anjaran'ny olona iray no manilika izay tiany sy tsy tiany ao anaty Baiboly.
Ny Tenin'Andriamanitra no hajaina : Milaza ny teny hoe HALAVIRO..... ny tantaram-pirazanana....
Ny Tompo anie hanazava an-tsika e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
48. Nehemiah ( 13/03/2013 08:11)
toriteny:

Aleo hampiako ilay fanontaniako ary é. Gen6:1"Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro ,dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanaka vavin'ny olona ; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy "
Fa maninona no misy hoe zanak'Andriamanitra sy zanak'olona nefa mbola tsy nifidy vahoaka (Zanak'Israely) Izy tany amin'ny andron'i Adama sy Noah? Dia iza ilay zanak'Andriamanitra(mety hoe taranak'i Adama) dia iza izany ilay zanak'olona?

Misy fomba fijery maromaro ho an'ireo zanak'Andriamanitra ireo. Tanisaiko eto izy ireo, afa-tsy ilay fomba fijery manao hoe ET ireo zanak'Andriamanitra ireo ;).

1 - Taranak'i Seta "matahotra an'Andriamanitra" ireo
Gen. 4:25-26 no fototr'io fijery io :
"Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy. Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Tamin’ izany no vao niantsoana ny anaran’ i Jehovah."
Raha io fomba fijery io izany no arahina dia naka vady t@ vehivavy taranak'i Kaina ilay ratsy fanahy ny lehilahy taranak'i Seta matahotra an'Andriamanitra.

Nefa moa ny mahavoa an'io dia tsy hoe natahotra an'Andriamanitra i Seta dia natahotra an'Andriamanitra koa ny zanany. Betsaka ny zanak'olona matahotra an'Andriamanitra izay tsy matahotra an'Andriamanitra, ary fahita @ Baiboly koa izany, anisan'ireny izao ny zanak'i Ely na i Manase zanak'i Ezekia raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Raha tena nanaja an'Andriamanitra tokoa ny taranak'i Seta, dia maninona no i Noah sy ny fianakaviany ihany no nampidirina t@ Sambofiara ?

Sady tsy misy fototra azo anohanana an'izay fomba fijery izay rahateo @ Baiboly. Nahoana izao no tsy miantso azy ireo hoe bene Sheth (zanakalahin'i Seta) sy benoth Qayin (zanakavavin'i Kaina) ny lahatsoratra (sady "benoth Adam" no lazain'ny lahatsoratra fa tsy "benoth Qayin")? Tena tsy misy inona na inona izay azo anohanana ny hevitra hoe nanaja an'Andriamanitra kokoa nohon'ny taranak'i Kaina ny taranak'i Seta (izahao Gen. 6:11).

2 - Mpanjaka na mpanapaka izay nanonon-tena ho "andriamanitra" ireo
Marina fa nisy mpanjaka betsaka t@ tantaran'ny olombelona izay nilaza ny tenany ho andriamanitra na zanak'andriamanitra(ny Farao, ny Incas, ny amperora rômana sy zapôney,...), kanefa tsy tohanan'ny Soratra Masina koa ity fomba fijery ity. Tsy misy an'izao ny lahatsoratra fa avy any ivelany izany.
Sady lazaina ho lehilahy foana ny taranany (izany hoe ny Nefilima, tsy ahitàna an'izany "Nephiloth" izany ny Baiboly ;) ). Dia tsy mba hisy vehivavy ve ny taranak'olombelona ?

3 - Anjely lavo ireo
Io angamba no fomba fijery mitombina indrindra, satria mifandraika @ lahatsoratra tsara : ny teny izay nadika hoe "zanak'Andriamanitra" dia "bene elohim", ary ampiasaina in-5 @ Testamenta Taloha izany (in-2 @ Gen. 6, ary indray @ Job. 1:6, 2:1 sy 38:7, ary milaza ny momba ny anjely foana izay. Zanak'Andriamanitra ny anjely satria noforonin'Andriamanitra direct, tahakan'i Adama (sy ny olona izay nandalo ny fahaterahana vaovao lazaina @ Testamenta Vaovao).
@ Dan. 3:25 koa misy ny hoe "zanak’ ireo andriamanitra" (bar elohim) ilazan'i Nebokadnezara ny anjely na teofania izay niseho t@ lafaoro miaraka @'ireo naman'i Daniela.
Hita @ Sal. 29:1 sy 89:6 koa ny hoe bene elim (zanaky ny mahery).

Ka mety miteny ianao hoe : "Tsy manana sexe ny anjely, sady êtres spirituels rahateo izy ireo ka tsy manana substance ara-batana !" Marina fa milaza ny Mk. 12:25 hoe : "amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy", nefa jereo tsara fa ny anjely any an-danitra no resahan'ny Tompo eto ! Azony atao ny mitafy vatana (oh. Gen. 18:1–15).

4 - Olombelona nanaovan'ny anjely lavo possession ireo
Mitovitovy @ etsy ambony ihany, fa saingy mipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no tsy mamaritra an'izay ny Soratra Masina fa milaza fotsiny hoe "zanak'Andriamanitra" ?

toriteny:
Amiko aloha ilaina mihitsy ny arbre généalogique ary révélateur ireny (afaka hi-relier na ny récit biblique sy ny sciences). Ohatra ilay taranak'i Kaina izao Gen4:18 "Ary Lameka nampirafy roa : ny anaran'ny anankiray Ada , ary ny anaran'ny anankiray Zila .Ary Ada niteraka an'i Jabala ; izy no rain'ny mpitoetra an-day , mpiandry omby aman'ondry . Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala ; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra .Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina , mpanefy fiasana maranitra , na varahina na vy ; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama ."

Hoe génération 6 après Kaina ny age de fer "mpanefy fiasana maranitra , na varahina na vy "

Marina izany, ary manazava ny mahatonga an'ireny sivilizasiona lehibe t@ Antiquité tahaky ny sivilizasôna Babyloniana sy Ejiptiana ho nipoitra tampotampoka t@ 4 000 taona lasa eo ho eo : efa nahay be ny olona t@ andro taloha, fa tsy nandalo an'izao évolution technologique izao, ka notazomin'ny fianakaviana sasany niparitaka taorian'ny tranga tany Babela ny fahaizan'ny olona talohan'ny Safo-drano.
49. Nehemiah ( 13/03/2013 08:15)

RBNIR:

Tsy anjaran'ny olona iray no manilika izay tiany sy tsy tiany ao anaty Baiboly.
Ny Tenin'Andriamanitra no hajaina : Milaza ny teny hoe HALAVIRO..... ny tantaram-pirazanana....

Hmmm... voavakinao ihany ve ny fanazavan'i Toriteny momba ny contexte-n'io andininy io ?
Sady mbola tsy voavalinao ihany ny fanontaniako.
50. RBNIR ( 13/03/2013 09:10)

Indry namana fa dia tena tafalatsaka lalina ary resaka tantaram-pirazanana izato ianao
51. RBNIR ( 13/03/2013 09:12)
Indrisy namana fa dia tena tafalatsaka lalina ary resaka tantaram-pirazanana izato ianao
52. bor2lais ( 13/03/2013 09:52)
Dia ahoana moa izany ireny tantaram-pirazanana be dia be (i ... niteraka an'i ...) ao @ TV ireny ry RBNIR ? Dinganinao fotsiny e ! :-)
53. Nehemiah ( 13/03/2013 12:38)
RBNIR >> Rehefa tsy takatry ny sainao ho'aho dia teneno mivantana ! Vonona hanazava misimisy kokoa aho raha misy mila an'izany. Fa raha tsy izay dia ny mangina volamena !

Sa manohitra ny fampianarana tsy misy fotony ara-Baiboly any aminareo any ve izany ?

Raha tsy mety aminao ny fanazavàna teo dia afaka mandefa mailaka any @'i Gary Bates, ilay mpanoratra ny boky "Alien Intrusion: UFOs and the Evolution Connection", satria t@'iny no nangalako an'ilay fanazavàna.
54. RBNIR ( 13/03/2013 12:50)
Nehemiah:

RBNIR >> Rehefa tsy takatry ny sainao ho'aho dia teneno mivantana ! Vonona hanazava misimisy kokoa aho raha misy mila an'izany. Fa raha tsy izay dia ny mangina volamena !

Misaotra namana, dia hangina tokoa moa aho koa :)
Sady kely saina tokoa mihoatra anareo koa,
Samia ho tahin'ny Tompo e
55. toriteny ( 13/03/2013 15:54)
RBNIR:
Ianao anie sarotra atoro é. Rehefa mba mandroso hevitra ianao izao, za tena mamaky hatramin'ny farany ny zavatra soratanao, mamaky ny verset rehetra apetrakao izay vao manome ny hevitro sy mi-argumenter an'iny hevitra iny amin'ny alalan'ny verset biblique.

Fa ianao sady tsy mamaky ny hevitra aroson'ny olona no tsy manome ny hevitrao sy ny verset mandiso ilay hevitra haroson'ny olona. Au moins ianao tokony miteny ny hevitrao mikasika ny zavatra narosoko (ilay fanazavana ny titosy3:9)fa tsy hoe rehefa raràna dia raràna nefa ny contexte nanoratana an'ilay izy ary tsy fantatrao akory.

Izany ve no mitondra ambony ny anaran'i Jesosy? Aza manao an'izany fa tsy mendrika anao izany toetra izany, tadidio fa tsy mandeha amin'ny maha ianao anao enao eto fa misy maniraka (raha sahala amiko aloha) ka sao dia mampalahelo ilay maniraka anao izao toetranao izao

Hiverenako ilay Tit3:9. Andao atao hoe tsy nisy contexte ny nanoratana an'iny. Dia ataonao aiza ilay hoe "halaviro ny ady teny ny amin'ny lalàna" Sa izao ataonao izao ilay hoe aza ny ataoko atao fa izay teneniko? Fa rehefa ekenao ho marina iny dia aza miady hevitra amin'ny sujet miresaka lalàna koa.

Miady hevitra isiaka nefa tsara foana raha arahina verset biblique ny hevitra mba tsy hivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny heritreritsika. Ao anatin'io aho satria omaly aho niteny taminao fa "Fa misy lesona hananaran'Andriamanitra antsika foana ny évènement tany amin'ny TT na dia tsy mitory ny filazan-tsara aza " tsy hitako ny verset manamarina an'io omaly fa androany vao hitako ilay Rom15:4:"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina "

Dia au moins ianao mba manome ny verset biblique nahitanao hoe tsy mahasoa sy tsisy ilaivana azy ny boky ao amin'ny TT tsy mirakitra filazantsara.
56. toriteny ( 13/03/2013 19:15)
toriteny:

Mikasika ny Tit 3:9 "Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna ; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany

Raha miresaka tantaram-pirazanana PAoly teto dia satria Tito nasainy nijanona tany Crète (Tit1:5) izay majoritairement Juifs. Jiosy izay mbola nitandrina ny maha peuple élu de Dieu azy ireo sy manao tsinotsinona ny "tsy Jiosy". Fa indrindra Jiosy mbola nitandrina ny lalàna ary mandà an'i Kristy ho famonjena

Mety za kosa angamba ry RBNIR no tsy nanazava tsara ka tsy hahazoanao tsara an'ilay contexte

Hitanao ny olona tany Krète dia Jiosy. Ary ireo Jiosy ireo dia tsy nety nino an'i Jesosy ho famonjena ary tsy ni-accepter ny hafa firenena ihany koa hiditra ao amin'ny isan'ny hovonjena fa mbola nifikitra tamin'ny fanekena voalohany ihany.

Hany ka à chaque fois ny mpianatra, na Jesosy nitory teny tamin'izy ireo dia inona foana no navaliny?
TAranak'i Abrahama izahay fa tsy mila Anao
JAo8:31-33:"Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy : raha maharitra amin'ny teniko ianareo , dia ho mpianatro tokoa ;ka ho fantatrareo ny marina , ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo .Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe : Taranak'i Abrahama izahay , fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay ; koa nahoana no ataonao hoe : Ho afaka ianareo ?

taranak'i Abrahama izahay, efa manana ny lalàna fa tsy mila fahasoavana sy fomba famonjena hafa intsony",
JAo5:18:"Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy , tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany , fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy , ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy ."

"taranak'i Abrahama izahay fa izahay ihany no tian'Andriamanitra fa ny hafa firenena tsy voavonjy, tsy zarainay amin'ny firenena hafa ny famonjena"
Asa13:45: "Nefa ny Jiosy kosa , raha nahita vahoaka betsaka , dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly sady niteny ratsy ."

Dia ahoana hoy PAoly tamin'i Tito? RAha hitoriteny amin'ny Jiosy ianao ka mbola miteny ireo izy ireo (zanak''i, lalàna, sy izay fanontaniana kidaladala apetrany) dia teneo ho:

-Tsy lalàna intsony no namonjena fa
Tit3:5: "fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika , tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina , Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy , Mpamonjy antsika "

-Tsy ny maha zanak'i Abrahama na ny didy 10 no manamarina antsika
fa Tit3:7:"hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay"

-fa ireto no asaivo ataony sy hinoany
Tit3:8:"Mahatoky izany teny izany , ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy , mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. sady tsara ho mahasoa ny olona izany zavatra izany

-FA NY TSY TSARA ATAON'IREO JIOSY dia

Tit3:9:"Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana (Aza manao intsony hoe izahay zanak'i Abrahama satria tsy izany intsony no critère hamonjena) sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna(aza manao intsony hoe ny lalàna sy ny didy 10 ihany no mahavonjy fa tsisy ankoatrany) ; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany"

Azonao amin'izay?
57. RBNIR ( 14/03/2013 06:02)
toriteny:

Fa ianao sady tsy mamaky ny hevitra aroson'ny olona no tsy manome ny hevitrao sy ny verset mandiso ilay hevitra haroson'ny olona. Au moins ianao tokony miteny ny hevitrao mikasika ny zavatra narosoko (ilay fanazavana ny titosy3:9)fa tsy hoe rehefa raràna dia raràna nefa ny contexte nanoratana an'ilay izy ary tsy fantatrao akory.

Faly miarahaba namana,
Tena mahita v namana fa tsy mamaky aho,
Efa namaly aho ary ny valiteny dia amiko ny fikarohana ny momba ny vadin'ny lota dia tafiditra ao amin'ny ilay tantaram-pirazanana tokony halavirina,

Misaotra namana namaky ireo hafatra natolotra.

Samia ho tahin'ny Tompo e
58. RBNIR ( 14/03/2013 06:04)
zfdy, vadin'ny kaina mantsy e
59. Nehemiah ( 14/03/2013 06:13)
Toa mody fanona indray i RBNIR ka averiko eto izany ny fanontaniana : "ahoana no ahafahanao miteny fa tsy misy dikany io resaka io nefa io no entin'ny mpandà an'Andriamanitra manaraby ny finoana kristiana ?" (ary rariny loatra raha manao an'izay izy ireo)
60. toriteny ( 14/03/2013 06:15)
Tena ho tanteraka aminao ihany ilay Tit3:10 raha izao no fandehany.
Dia ahoana indray ilay adihevitrao atsy ambadika atsy amin'ny lalàna? Sa gommer na fotsiny ohatran'ny fanazavana narosoko teo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083