Inona ny zava-mahagaga nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainanao? (Ho fijoroana vavolombelona sy ho fisaorana Azy)

1. toriteny ( 28/01/2013 20:11)
Ny ahy ny tonga ato an-tsaiko amin'izao dia ny zanako vavy. 4 taona izy tamin'ny herintaona fa tena tsy nahay mihitsy, tsy mandray anjara mihitsy izy ao am-pianarana ary efa hanontaniana dia tsy mamaly ka tsy hay izay ao am-pony. Tsy te hianatra fa dia mitomany foana isaky ny maraina haterina. Ny ankizy miaraka aminy anefa sady dynamiqye be daholo no mahay be daholo. Ary ilay directrice aza tena niteny mihitsy hoe aleo hi-double izy amin'ity taona ity fa Jesosy no tsy mety ary nasainy nitondra am-bavaka azy izahay tao an-trano

Tamin'ny vacance dia nisy mpampianatra izay sendra nandalo tao am-pianarana no nampianatra azy. 1 mois ihany ilay mpampianatra no tao dia tsy nampianatra tao intsony fa niova ilay zanako. LAsa miresaka be, tia fianarane be, mahay be, vo-rattraper ny daholo ny programme rehetra. Ary izao izy hisaorana ny Tompo fa anisan'ny voalohany any am-pianarana.

Dera sy ny laza, ny voninahitra ary ny fisaorana dia ho Anao irery ihany Mpamonjiko fa tsy miala aminay mianakavy ianao ary mitantana ny fiainam-pianakavianay lalan-dava. Amen

novalian'i toriteny ny 14/02/2013 16:18
2. toriteny ( 29/01/2013 06:16)
Ny zavatra tena natahorako taloha dia ny hoe ho faty sy hisaraka amiko ireo zanako ireo ary tena nataoko vavaka tamin'i Jesosy mihitsy isan'andro isan'andro taloha ny hoe marina Tompo fa tsy mampitondra ny zanakao izay tsy zakany ianao, marina Tompo fa ny zavatra rehetra (na ratsy na ny tsara) dia miara miasa hahasoa ny zanakao, marina Tompo fa tsy ho tiako mihoatra Anao mihitsy ny vady aman-janako fa raha mety ianao dia aleo izaho alaina aloha fa tena tsy ho tantiko Jesosy ny hisaraka amin'ireo zanako ireo.

Tsy maintsy misy an'izany foana ny fivavako. Dia nampanofisiny aho indray andro fa tena ohatran'ny tsy manofy aho fa tena hiainako ilay nofy, tena mahatsiaro marary, tena reraka aho ary tena ohatran'ny hoe izaho mihitsy no mikarakara ny vata mangatsiakan'ilay faralahinay sady lahy tokanay, mikarakara ny fiaretan-tory hiderana an-Andriamanitra ary tena mahery aho, tsy nanome tsiny an'Andriamanitra fa tena nidera sy nankalaza ny anarany aza. Ary tena nisy fotoana tamin'izany nofy izany tena tsy tantiko ny fahoriako dia lasa aho miazakazaka mankany amin'ny hefitrano dia mitomany sy mitalaho amin'Andriamanitra mba hanesorany ny kapoakako. FA poa toy izay dia lasa ilay alahelo ary henoko Jesosy ao am-poko miteny hoe efa ato amiko izy ary mbola hihaona ianareo tsy ho ela. Dia ohatran'ny asiana anesthésie ireny ilay fahoriako. Mbola ao ilay izy, henoko ao am-poko fa tena lasa maivana.

Ohatranao alaina nify ireny rehefa asiana anesthésie ny nifinao dia henonao ny dokotera misintona ka misintona fa tsy henonao ilay izy, tsy marary ary ohatran'izany ihany koa aho tao amin'ny Tompo tao amin'ny fahoriako

Ary hatramin'izay aho tsy nangataka io fivavako io intsony satria fantatro fa sitrapon'Andriamanitra raha halaina amiko ireo zanako ireo any aoriana any ary ho eo amiko Andriamanitra hi-soutenir ahy sy hanamaivana ny fahoriako rehefa ho avy izany andro izany.
3. nannie ( 29/01/2013 06:36)
Ny ahy ny fijoroana vavolombelona isan'andro dia ny dikan'ny zava-mahasosotra sy mampalahelo miseho avelan'Andriamanitra hiseho isan'andro, rehefa azonao, dia misy lesona be azo tsoahina, dia avy eo tonga dia miara-mirindra amin'ny tohin'iny zava-miseho iny ny fiadanam-po sns sns. Misaotra b sy midera Azy mihitsy e ! Ohatran'ny vao maika sambatra b izany ianao miaina azy.
4. toriteny ( 29/01/2013 11:42)
Ny zavatra tsapako miaraka amin'i Jesosy koa dia izao. Asa ianareo raha mba ataony an'izany fa rehefa kamokamo za (tsy amin'ny fanompoana Azy akory fa ny ao an-trano) na malahelo na reraka dia manao izay mahafaly anao foana Izy. FA vao haingana izaho ohatra nisy zavatra nahatezitra ahy izay nataon'ny ankizy tao an-trano dia nasain'i Jesosy nijery fitaratra aho izaho ilay tezitra iny fa tonga ianao dia tapa-tsinay be mihitsy aho nahita ilay paoziko tezitra ary na ny tao an-trano aza gaga be hoe inona no mahafaly ahy tampoka teo nefa vao teo no tezitra be dia misinda ilay fahatezerana

Torak'izany ihany koa tamin'ny mbola nanaraka kelikely an'ny Tompo dia nisy fotoana aho nisitaka kely taminy fa tena manambitamby be mihitsy Izy, omeny anao daholo ny zavatra tadiavinao, mirindra tsara avokoa ny fiainanao dia farany ianao babo ihany dia miverina aminy ary farany iny no nisarahako taminy
5. sitlo ( 30/01/2013 05:17)
Tsara ilay izy raha anaovana sy ahazoana zavatra tsara tahaka izao.

Ratsy kosa ilay izy raha anaovana zavatra ratsy, toy any fanakorana sy fanambaniana sns.
6. toriteny ( 30/01/2013 05:53)
sitlo:

Tsara ilay izy raha anaovana sy ahazoana zavatra tsara tahaka izao.

Ratsy kosa ilay izy raha anaovana zavatra ratsy, toy any fanakorana sy fanambaniana sns.


Inona ny zavatra ratsy nataoko ry sitlo? Ary iza no nambaniako sy nankoraiko? ILay izy anie dia izao sitlo é. Raha tsy miteny ianao rehefa mahita ny namanao mankany amin'ny fahaverezana dia adinina aminao ny ràny any aoriana any sy ny ràan'izay voatariny ho any amin'ny fahaverezana ihany koa. Fitiavana no hanitsiana izay diso lalana mba tsy ho very izy fa tsy hoe mitady ady eto amin'ny forum eto fotsiny.

Ary ianao tsy haiko na manan-janaka na tsia fa ny zanakao rehefa tenenina moramora indray, indroa, in3 mbola sarotra tenenina sy tsy miala amin'ny ditrany ihany dia tsy maintsy mibetroka sy mibedy ianao fa tsy hoe avelanao eo amin'ny hadisoany sy ny ditrany eo iny na dia hahafaty azy aza izany ditrany izany.

MArina fa tsy zanako ny mpiforum ato fa izaho efa miteny fa Jesosy irery ihany ny lalana, Izy irery ihany ny fiainana sy fahamarinana mbola misy olona mahita lalan-kafa, fahamarinana hafa sy fiainana hafa ihany. FA tena tsy maintsy ho tonga amin'izany ihany anie any aoriana any é!! TSy hotenenina intsony ireny olona ireny rehefa niteny ianao nefa tsy niainoany ka tsy ho hadinina aminao intsony ny ràny.
7. sitlo ( 30/01/2013 06:32)
Aza malaky sendotra ohatra an'io moa fa tranga amin'ny ankapobeny no teneniko.

Raha Jesosy no hitan'i toriteny fa mandamina ny fiainan'i toriteny dia arahaba soa arahaba tsara.

Fa maro tokoa ny olona no tsy mila an'i Jesosy fa milamina ny fiainany.

Samy milamina dia samy tsara.

Fa ny olana indraindray, ilay mitsingoloka ny fiainan'ny olona, dia miantso azy ireo an'izao sy izao, dia avy eo milaza fa mitondra famonjena sns
8. smileyah ( 30/01/2013 08:31)
Nanoratra ity fijoroana vavolombelona ity aho mba ho fiderana sy ho fisaorana an'Andriamanitra, ary koa mba hinoan'ireo izay mbola misalasala fa mamaly vavaka tokoa Izy.
Rehefa mandeha mivavaka isa-maraina aho dia mifanena amin'izay mpiara-mivavaka aminay izay foana avy manao jogging.Lasa ny saiko nandinika hoe ny olona variana amin'ny fikarakarana ny vatana mora lo ity, nefa Ianao ihany Tompo no tompon'ny fandaharana.Raha mba fantatr'io olona io mantsy hoe very maina foana ny fikirizany. Nefa raha nandeha nanompo anao izy dia sady nahavita fanatanjahan-tena @ dian-tongotra no nahazo fahasoavana. Dia nangataka tamin'i Jesoa aho hoe, raha sitrakao Tompo, mba tariho handeha hivavaka isa-maraina koa iny olona iny. Fantatro fa tsy misy izay tsy hainao hatao, ary mino aho fa indray andro any dia ho tanteraka izany. Inona tokoa nony afaka fotoana vitsy, io ilay olona fa hitako tonga nivavaka ary tsy tapaka izy no mamonjy lamesa isa-maraina mandraka ankehitrio.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany, ary fiadanana ho an'ny olona tsara sitra-po. Amen.
9. toriteny ( 30/01/2013 13:20)

sitlo:

Aza malaky sendotra ohatra an'io moa fa tranga amin'ny ankapobeny no teneniko.

Raha Jesosy no hitan'i toriteny fa mandamina ny fiainan'i toriteny dia arahaba soa arahaba tsara.

Fa maro tokoa ny olona no tsy mila an'i Jesosy fa milamina ny fiainany.

Samy milamina dia samy tsara.

Fa ny olana indraindray, ilay mitsingoloka ny fiainan'ny olona, dia miantso azy ireo an'izao sy izao, dia avy eo milaza fa mitondra famonjena sns



Za anie tsy tezitra é. Za ary ato faly be mihitsy
10. RBNIR ( 30/01/2013 14:25)
sitlo:

Aza malaky sendotra ohatra an'io moa fa tranga amin'ny ankapobeny no teneniko.

Raha Jesosy no hitan'i toriteny fa mandamina ny fiainan'i toriteny dia arahaba soa arahaba tsara.

Fa maro tokoa ny olona no tsy mila an'i Jesosy fa milamina ny fiainany.

Samy milamina dia samy tsara.

Fa ny olana indraindray, ilay mitsingoloka ny fiainan'ny olona, dia miantso azy ireo an'izao sy izao, dia avy eo milaza fa mitondra famonjena sns

Faly miarahaba namana,
Fitiavana kosa namana no hitoriana teny fa tsy dia izay loatra a!
Ilay izy koa ange tsy hifanerena e, diniho ihany fa aza atao tsinontsinona,


Samia ho tahin'ny Tompo e,
11. sitlo ( 30/01/2013 18:41)
Marina tokoa fa misy ny etanim-pitiavana.

Fa maro ny tsy toa izany. Somary kamo aho hitanisa ka ho feheziko amin'ny hoe ny olombelona olombelona ihany.
12. toriteny ( 31/01/2013 22:16)

sitlo:

Marina tokoa fa misy ny etanim-pitiavana.

Fa maro ny tsy toa izany. Somary kamo aho hitanisa ka ho feheziko amin'ny hoe ny olombelona olombelona ihany.

Ianao ve izany mbola anisany? RAha mety ianao dia vakio hatramin'ny farany ity lien ity
http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a

13. sitlo ( 01/02/2013 03:12)
Anisan'ny inona?
14. toriteny ( 01/02/2013 03:42)

sitlo:

Anisan'ny inona?

Anisan'ilay mbola miteny hoe olombelona olombelona ihany
15. sitlo ( 01/02/2013 04:45)
Tsy azoko ny tianao ahatongavana. Ianao izany milaza fa tsy olombelona ny olombelona?
16. Nehemiah ( 01/02/2013 05:56)
Mba te-hanampy fanazavàna aho : tsy hoe mianatra kata nalaina t@ Aterineto ny olona dia mpanao karate, nefa tsy hainy akory ny fomba fitifirana totohondry (hatr@ famokonana totohondry dia misy fomba fanaovana azy @ karate), ka tahak'izay koa ireny olona ireny : miseho azy mitory ny tenin'Andriamanitra, nefa tsy manana ny fitiavan'Andriamanitra. Marina fa arovana ny finoantsika, fa izany tsy midika hoe ny mpilalao baolina no lalaovina fa tsy ny baolina.

Ny zava-dehibe @ fiainana kristiana dia ny manana firaisana velona @'Andriamanitra (fa tsy ny fitandremana Sabata ny mifady kisoa na ny miantso an'i Jesoa hoe "Yahoshua" sns), ary izany no mahatonga ny olombelona hivadika ho olom-baovao. Fa raha tsy manana an'izay antsika, dia tena marina fa "ny olombelona olombelona ihany".
17. sitlo ( 01/02/2013 06:11)
Azo zaraina roa ny olona dia ny olona manao ny tsara, sy ny olona manao ratsy.

Azo antsoina amin'ny fomba fiteny maro ireo. Ny sasany miantso ny iray hoe olom-baovao, ny hafa miantso hoe olom-boavonjy... Fa ny iafarany dia io fizarana roa io ihany: ny manao ny tsara sy ny manao ratsy.

Amiko tsara raha manao ny tsara ny olona. Ny antony anaovany an'izay indray dia tsy olana loatra.
18. Nehemiah ( 01/02/2013 07:17)
Toa tsara be ny hevitrao rehefa tsy jerena lalina loatra, nefa misy ny lesoka goavana be.

Jereo tsara : antsika olombelona dia manana karazana "lalàna" izay efa voasoratra ao anatin'ny saintsika hatr@ nahaterahana. Tsy ny Lalàn'i Mosesy antritranterin'ny sectaires no tiako resahana fa ilay Lalàn'ny Fitondrantena izay mahatonga ny zaza manao hoe : "Tsy rariny izao", "Izaho no voalohany nipetraka teto", "Ampio moa aho fa efa nampiako ialahy", "Ao moa fa efa nampanantena ialahy". Io koa no mamelona ilay feo kely izay mibitsibitsika antsika hoe : "Tsa mety izao raha nataon'ialahy izao" rehefa manao zavatra ratsy antsika. Avy taiza io ?

Io mantsy no manavaka antsika olombelona @ biby : tsy mampaninona ny alika mirenireny ny mangery eo ampovoan-dalambe, fa raha olombelona no manao an'izany dia antsointsika hoe mivika. Rehefa manao zavatra heverintsika ho tsara mantsy ny biby dia ny instinct no mitarika azy ireo (tsy afa-manoatra izy ireo), fa antsika kosa dia manao an'izay satria fantantsika fa izay no mety. Ka tsy tongatonga ho azy izany io. Raha mahatsikaritra ianao, izay Lalàn'ny fitondrantena izay dia mitarika antsika hanao ny tsara na dia mifanohitra @ tombontsoantsika aza ilay izy
Oh. rehefa misy olona maty an-drano, misy instincts 2 mifanohitra ao anatintsika : ny instinct grégaire dia hitarika antsika hamonjy an'ilay olona, ary ny instinct de survie hitarika antsika hikajy ny fandriam-pahalemantsika aloha ka tsy hamonjy azy. Raha ny tokony ho izy, ny instinct de survie no tokony handresy satria ny fiainana no zava-dehiba. Nefa misy feo fahatelo ao anatintsika izay hanao hoe : "Omeo vahana ny instinct grégaire-n'ialahy ary ampangino ny instinct de survie !"
Ny tiako iaviana dia zavatra avy ivelany ity Lalàn'ny Fitondrantena ity fa tsy mba instinct voajanahary.

Raha misy ny Lalàna ara-pitondrantena, dia tsy maintsy misy ny Mpanao Lalàna (tandremo fa mbola tsy niresaka na kely aza momba ny Andriamanitry ny Baiboly aho), izay mahery indrindra raha nahavita nanoratra an'izay,sady tsara indrindra, sady marina indrindra (satria iaraha-mahafantatra fa tsy milefitra na kely aza ny feon'ny conscience-ntsika, ka midika izany fa olona tsy milefitra @ Lalàna nataony ilay Mpanao ny Lalàn'ny Fitondrantena). Ary eto no mipoitra ilay olana : tsy mitsahatra mandika an'izay Lalàna izay antsika isan'andro isan'andro ! Na dia i Gandhi anie tafiditra ao anatin'izay ! Na dia i Martin Luther King aza nanana maîtresse !

Rehefa mandalo fitsaràna ny mpamono olona, tsy hahavotra azy ny asa soa sy zavatra tsara nataony, fa tsy maintsy saziana izy. Ka @ fomba ahoana no ho afa-bela antsika ? Tsy vao mainka meloka antsika mpandika ny Lalàn'ny Fitondrantena eo anatrehan'ny Mpanao azy, izay marina indrindra ?

That's the question.
19. sitlo ( 01/02/2013 08:02)
Averiko indray fa ny antony anaovana azy dia tsy olana loatra. Azo atao tsara ny tsy manao ratsy.
Ary raha milaza ianao fa tsy mitsahatra manao ratsy isika isan'andro dia disoako tanteraka. Safidy io.
20. Nehemiah ( 01/02/2013 08:06)
Ka izay no maha-tompon'andraikitra antsika : "video meliora, proboque, deteriora sequor.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.293