Inona ny zava-mahagaga nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainanao? (Ho fijoroana vavolombelona sy ho fisaorana Azy)
22. toriteny
(
05/02/2013 02:00)
sitlo:
Averiko indray fa ny antony anaovana azy dia tsy olana loatra. Azo atao tsara ny tsy manao ratsy.
Raha amin'ny fijery maha olombelona tokoa sy raha ny fiainana eto an-tany ihany no kendrena dia tsara be izany manao ny tsara izany sy manohitra ny ratsy amin'ny herin'ny tena.
FA raha amin'ny fijery maha kristianina sy raha ny fiainana mandrakizay no tanjona fa tsy ny eto an-tany ihany dia tsy ampy ny manao ny tsara fotsiny fa na miezaka ny manao ny tsara aza ianao mandritry ny androm-piainanao REHEFA TSY MANANA AN'I JESOSY dia tsy tafiditra any an-danitra ka izay no hitenenako aminao hoe jereo hatramin'ny farany ilay rohy nomeko anao tatsy aloha fa ho hitanao ao fa hisy ary hisy tokoa olona tena nanao ny tsara tety an-tany nefa mbola any amin'ny fiaina tsi-hita satria tsy manana an'iJesosy.
sitlo:
Ary raha milaza ianao fa tsy mitsahatra manao ratsy isika isan'andro dia disoako tanteraka. Safidy io.
Tena tsy mitsahatra manao ratsy isan'andro isiaka ka! Ny atao hoe ratsy na ota anie dia izay tsy mifanaraka ny sitrapon'Andriamanitra é fa tsy izay tsy mifanaraka amin'ny lalàn'olombelona ihany.
IAnao izao amin'io ianao tsy miditra ao amin'ny famonjen'Andriamanitra io dia efa manao ny ratsy ianao na dia miezaka ny hanao ny tsara aza amin'ny fiainana andavan'andro satria tena sitrapon'Andriamanitra ny hamonjena ny olon-drehetra nefa ianao tsy mety miditra ao amin'izany famonjeny izany. Manota foana isiaka isan'andro ary na limiter-ntsika aza ny "acte" ntsika mba ho tsara ka hatory eo ambony fandriana foana isiaka mandra-piafaran'ny fiainana eto an-tany, efa ao anaty gène-ntsika olombelona ny fahotana ka manota isiaka na amin'ny fiteny, na amin'ny heritreritra, na amin'ny fijery,... fa tsy voatery amin'ny asa atao ihany
23. Nehemiah
(
05/02/2013 06:50)
Raha izaho kosa dia tsy resaka "gènes" no itondrako azy satria sady tsy voaporofo ara-tsiansa izany no hotran'ny hoe efa izay no nahariana antsika ka tsy manan-tsiny antsika. Marimarina kokoa raha resaka "nature" no itondràna azy : ny vorona dia mahay mitsidina hatr@ nahaterahany fa rehefa lehibe izy vao tena hita taratra, ny saka dia mahay mihaza hatr@ nahaterahana fa rehefa lehibe izy vao tena hita taratra, antsika koa mahay manota hatr@ nahaterahana, izay no maha-antsika antsika.
24. toriteny
(
05/02/2013 15:16)
Izaho anefa tena mahita hoe génétique io. Hitanao ohatran'ny taranak'Israely? Ny gènen'i JAkoba ihany no nitondra ny olona ka maha anisan'ny vahoakan'Andriamanitra azy na tsia. Ary ny zazakely ao am-bohoka aza dia efa mpanota fa tsy hoe teraka izy vao mpanota. Dikan'izany mbola cellule ianao dia efa mpanota. Koa inona ny mibahana ao amin'ny cellule ny embryon tsy ny ADN? Izay no noteneniko hoe miampita amin'ny gène ilay izy na dia hoe tsy physiquement parlant aza io fa spirituellement parlant. Enfin conviction ako manokana izay
25. Nehemiah
(
06/02/2013 05:50)
Manaranaka aloha ny maha-mpanota, fa ny maha-ara-panahy an'izay mihitsy no mandrara antsika hiresaka gènes, satria tsy mibata afa-tsy informations physiques ilay izy. Ny azo intondrana azy dia izao : efa tao anatin'i Adama antsika rehefa nanota izy (ary izay koa no fandraisan'i Paoly azy), ka niara-nanota taminy izany antsika ary samy tratran'ny nature maha-mpanota avy. Raha tsy izay mantsy dia manjary hôtran'ny hoe ny zanaka no manefa ny trosa ananan'ny ray, ka tsy mifanohitra @ toetran'Andriamanitra ve ny mampanao an'izany ?
26. RBNIR
(
06/02/2013 06:30)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Fampahatsiahivana kely fotsiny, fijorona vavolombelona no angatahan'ny namantsika eto nefa mampalahelo fa dia lasa mivoana any amin'ny resaka mpanota sy fandovana ota no iafarany,
Izay tsy fahaizan-tsika mifehy lohahevitra izay no miteraka ady hevitra tsy hita lany ary tsapako fa tsy mitondra vokatsoa,
Hoy ahy manokana ity ny temoignage azoko omena,
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6
Ny SOA LEHIBE INDRINDRA AZOKO TAMINY DIA NY FAMONJENA AHY, JAMBA AHO TALOHA, NAHIRATRA AHO ANKEHITRINY ary MANANA FANANTENANA FA HO ANY AMIN ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY,
Samia ho tahin'ny Tompo namana

27. RBNIR
(
06/02/2013 06:33)
Ialana tsiny fa rehefa manaraka ilay rohy isika dia lasa misy diso ny tsipelina,
Ny namana mpandrindra angamba no afaka mamaha an'io satria misy tsipelina niova ao,
Na dia izany aza dia manantena ny tenako fa ho azonao tsara ihany ny hafatra tiana ambara,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo

28. toriteny
(
08/02/2013 03:50)
RBNIR:
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Fampahatsiahivana kely fotsiny, fijorona vavolombelona no angatahan'ny namantsika eto nefa mampalahelo fa dia lasa mivoana any amin'ny resaka mpanota sy fandovana ota no iafarany,
Izay tsy fahaizan-tsika mifehy lohahevitra izay no miteraka ady hevitra tsy hita lany ary tsapako fa tsy mitondra vokatsoa,
IAnao ve dia handalo fotsiny raha mahita olona ao anaty tsy fahalalàna fa tsy hahampahafantatra azy? Sa avela tsy hiditra any an-danitra izy fa avela hanao izay heveriny fa ho "marina" sy "tsara"? TSy mety amiko loatra izay fa za tsy maintsy manitsy sy mitory foana raha mbola omeny andro hanaovana izany ihany
29. toriteny
(
08/02/2013 06:13)
Nehemiah:
Manaranaka aloha ny maha-mpanota, fa ny maha-ara-panahy an'izay mihitsy no mandrara antsika hiresaka gènes, satria tsy mibata afa-tsy informations physiques ilay izy. Ny azo intondrana azy dia izao : efa tao anatin'i Adama antsika rehefa nanota izy (ary izay koa no fandraisan'i Paoly azy), ka niara-nanota taminy izany antsika ary samy tratran'ny nature maha-mpanota avy. Raha tsy izay mantsy dia manjary hôtran'ny hoe ny zanaka no manefa ny trosa ananan'ny ray, ka tsy mifanohitra @ toetran'Andriamanitra ve ny mampanao an'izany ?
Eks 20: 5-6 sy Aks34:7 : ".... KA mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika"
Deo5:9-10
Jer32:18
Jao9:2 :"Ary ny mpianany nanontany Azy: RAby ô iza mia ny nanota, io lehilahy io va sy ny RAD?"
Tena mivaly any amin'ny taranaka ny bénédiction na ny ozona azon'ny RAD saingy izao rehefa manana an'i Jesosy ianao dia rava izany ozona izany ka na dia mpanao fanafody be na mpamosavy na tsy aiko aza ny bébé sy ny dadabéanao izay nahazoanao automatique ilay ozona dia tsy tratran'ilay ozona ianao satria efa afaky ny ràny.
Izany no noteneniko anao hoe ny zanak'Israely ny gènen'i JAkoba no naha zanak'Andriamanitra azy sat
30. sitlo
(
08/02/2013 22:12)
Aleo aloha ianareo iady hevitra tsara amin'izay hitanareo ny lavaka. Raha izaho mantsy no manoro dia ny handà no tonga ao aminareo voaloha.
31. RBNIR
(
11/02/2013 05:19)
toriteny:
RBNIR:
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Fampahatsiahivana kely fotsiny, fijorona vavolombelona no angatahan'ny namantsika eto nefa mampalahelo fa dia lasa mivoana any amin'ny resaka mpanota sy fandovana ota no iafarany,
Izay tsy fahaizan-tsika mifehy lohahevitra izay no miteraka ady hevitra tsy hita lany ary tsapako fa tsy mitondra vokatsoa,
IAnao ve dia handalo fotsiny raha mahita olona ao anaty tsy fahalalàna fa tsy hahampahafantatra azy? Sa avela tsy hiditra any an-danitra izy fa avela hanao izay heveriny fa ho "marina" sy "tsara"? TSy mety amiko loatra izay fa za tsy maintsy manitsy sy mitory foana raha mbola omeny andro hanaovana izany ihany
Faly miarahaba namana,
Tsy misy ifandraisany amin'ny ambarako ny valiteninao izany,
Fanentantana no ataoko, ary ohatra mibaribary eto , tokony hoe temoignage no hita eto nefa lasa mivoana ny lohahevitra.
Afaka miteny isika rehefa mifanaraka amin'ny lohahevitra ny hafatra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
32. Nehemiah
(
11/02/2013 08:49)
sitlo >> Firy taona ihany kay ianao no heverinao fa mahavita tena ny olombelona ?
RBNIR >> I RBNIR ve mbola tsy nanao dinidinika ambany tafontrano hatr'izay niainany e ? Moa tsy natao ifanakalozan-kevitra ny serasera ? Tsy maintsy mivoana kely foana ny hevitra, fa anjaran'ilay nanome ny lohahevitra ny mampiverina ny resaka @ lohahevitra voalohany raha izay no iriny.

33. RBNIR
(
11/02/2013 08:57)

Efa nanao aho saingy tsy hifankahazo mihitsy ny resaka raha ny iray miresaka momba ny akoho, ny ary miresaka soavaly ary ny sasany miresaka omby,
Lasa korana B ary tsy misy azo raisina intsony ny farany.
Sady amiko dia fanajana namana ny fanajana ny lohahevitra satria misy zavatra tiany hampitaina na anontaniana ao.
Samia ho tahin'ny Tompo e,
34. Nehemiah
(
11/02/2013 13:32)
Ka i Toriteny ihany no nametraka an'ilay lohahevitra, ary tsy nitaraina mihitsy izy hoe mivaona aho mivaona, koa inona indray ?
35. sitlo
(
13/02/2013 07:05)
Rehefa avy nokorotanin'i RBNIR moa izany n dinika dia aleo averina amin'ny laoniny.
Tsy nisy nahay tany ankibondreniny hoy ny fiteny gasy. Fa na izany kosa aza dia miampita ny fahalalana. Ka mety hoe tsy tapitrisa taona toy ny tany aho, fa kosa adidiko ny mikatsaka, ny mianatra ary mampihatra ny fahamarinana.
Jesosy ohatra dia nitondra fampianarana tsara ary ianarako izany. Tsy midika akort izany hoe efa teraka aho 2013 lasa tany.
sitlo >> Firy taona ihany kay ianao no heverinao fa mahavita tena ny olombelona ?
Tsy nisy nahay tany ankibondreniny hoy ny fiteny gasy. Fa na izany kosa aza dia miampita ny fahalalana. Ka mety hoe tsy tapitrisa taona toy ny tany aho, fa kosa adidiko ny mikatsaka, ny mianatra ary mampihatra ny fahamarinana.
Jesosy ohatra dia nitondra fampianarana tsara ary ianarako izany. Tsy midika akort izany hoe efa teraka aho 2013 lasa tany.
37. RBNIR
(
13/02/2013 07:47)
Nehemiah:
Ka i Toriteny ihany no nametraka an'ilay lohahevitra, ary tsy nitaraina mihitsy izy hoe mivaona aho mivaona, koa inona indray ?
Faly miarahaba namana,
Dia tonga amin'ilay fitenana marina hoe valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.
Nefa ny lohahevitra TSARA B : fijoroana vavolombelona : misy tanjon'Andriamanitra anankiroa avo dia avo tiana ampitaina :
1- Hitaomana ny olona mba hanome voninahitra AZy noho ny soa vitany,
2- Izay lehibe dia lehibe ihany koa FIJOROANA VAVOLOMBELONA = FANEHOANA AN ANDRIAMANITRA TSY HITA MASO eo imason'ireo tsy mpino. Maro no efa resy lahatra sy nibebaka noho ny fijoroana vavolombelona nataon'ny maro.
Asakasak'ilay tompona lohahevitra fa raha izaho dia malahelo aho satria LEHIBE LOATRA ny HAFATRA TIAN'NY TOMPO AMPITAINA ETO;
Samia ho tahin'ny Tompo
39. RBNIR
(
13/02/2013 08:06)
Nehemiah:
Mandraisa anjara ary.
Efa natolotro ery ambony ny temoignageko fa raha tsy nahavaky ianao namana indro mbola averiko ihany
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
40. sitlo
(
13/02/2013 08:36)
RBNIR:
Faly miarahaba namana,
Dia tonga amin'ilay fitenana marina hoe valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.
Nefa ny lohahevitra TSARA B : fijoroana vavolombelona : misy tanjon'Andriamanitra anankiroa avo dia avo tiana ampitaina :
1- Hitaomana ny olona mba hanome voninahitra AZy noho ny soa vitany,
2- Izay lehibe dia lehibe ihany koa FIJOROANA VAVOLOMBELONA = FANEHOANA AN ANDRIAMANITRA TSY HITA MASO eo imason'ireo tsy mpino. Maro no efa resy lahatra sy nibebaka noho ny fijoroana vavolombelona nataon'ny maro.
Asakasak'ilay tompona lohahevitra fa raha izaho dia malahelo aho satria LEHIBE LOATRA ny HAFATRA TIAN'NY TOMPO AMPITAINA ETO;
Samia ho tahin'ny Tompo
Eo amin'izay koa ny kianako iray faharoa. Ny finoana dia tsy tokony hitarika alahelo. Rehefa vita ny adidinao dia afaka adidy amin'ny fatana ianao.
Nehemiah:
Ka inona izany no fahamarinana aminao ?
Tsara na dia diso fipetraka aza ilay fanontaniana. Ny fahamarinana dia tsy amiko velively. Mitady, nandray ary mampihatra fotsiny ihany no azoko atao.
Ny fahamarinana dia azo trandrahina amin'ny olona sy toerana maro: na forum serasera io, na ny Baiboly, na olona mandalo miresaka...
Tahaka ny nolazain'i RBNIR tatsy hoe "Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana". (Aleo mba aseo hoe efa novakiko ilay izy fa malahelo mafy ingahy rainy).
Isaky ny misy tranga eo amin'ny fiainanao dia mamaly ny sainao amin'izay tokony atao. Arakaraka ny fahendrena anananao (izay tsy azo ho azy fa nokatsahina) no ahafahanao manao ny mety.
Ohatra: tsara ve ny mamono olona?
valiny: tsia, raha ny Baiboly fotsiny no jerenao.
Fa saingy maro ny tranga eto an-tany izay ilana ny famonoan'olona. Ohatra nomeko tatsy izay odian'ny mpino eto amin'ny serasera fanina dia ny los zetas.
Ary raha izaho no omena basy ka atao eo alohako eo ny los zetas ambony grady, dia tsy hiambaamba mihitsy aho ny handraraka azy.