Inona ny zava-mahagaga nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainanao? (Ho fijoroana vavolombelona sy ho fisaorana Azy)

41. RBNIR ( 13/02/2013 08:41)

sitlo:

[quote=RBNIR]
Tahaka ny nolazain'i RBNIR tatsy hoe "Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana". (Aleo mba aseo hoe efa novakiko ilay izy fa malahelo mafy ingahy rainy).

Mahafinaritra namana :-) mandrosoa amin'ny lalina,
Izy nambarako tao dia marina avokoa,
Amin-tsika miteny izao mbola mitombona foana ilay hoe tsy niditra dokotera intsony izahay mianakavy kely,
Fa ny tena hijoroako, tsy dia izay loatra fa ny nanehon'Andriamanitra tamiko fa ilay fampianarana dia tena tafajoro tsara ao ampiangonana sady tsy niova mihitsy ny mpitarika voafidy
Samia ho tahin'ny Tompo namana.
42. toriteny ( 13/02/2013 11:05)
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Dia tonga amin'ilay fitenana marina hoe valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.


Ianao ve miheritreritra hoe hahatezitra sy hanafitohina ahy izany? vAo maika aza aho faly be fa enjehina noho ny anarany fa izao kosa aloha é!! Aleo aloha azavaiko tsara ny antony naha hors sujet an'ilay izy fa manjary tsy tena noho i Jesosy no hanenjehanao ahy fa zavatra hafa.

Ny antony naha hors sujet an'ilay izy araha tsara fa ny fitenenan'i sitlo hoe tsara hoy izy ny fahatsapanao hoe miasa aminao Andriamanitra fa na dia izany aza misy koa ny olona manao ny tsara tsy mbola tafiditra ao amin'Andriamanitra fa tsy tokony critiquer na ny fiainan'ireny olona ireny hoe mbola tsy manana an'Andriamanitra fa rehefa manao ny tsara izy dia ampy.

Izay no nahatonga ahy nitarika azy any amin'ny marina sy nanitsy azy sy ny noteneniko anao hoe avela tsy hiditra any an-danitra ve ireny olona ireny fa tsy hahitsy?

RBNIR:

1- Hitaomana ny olona mba hanome voninahitra AZy noho ny soa vitany,
2- Izay lehibe dia lehibe ihany koa FIJOROANA VAVOLOMBELONA = FANEHOANA AN ANDRIAMANITRA TSY HITA MASO eo imason'ireo tsy mpino. Maro no efa resy lahatra sy nibebaka noho ny fijoroana vavolombelona nataon'ny maro.


Sur ve ianao fa mihataka amin'ny sujet ireny ady hevitra ireny? Marina fa fijoroana vavolombelona ny titre ny sujet fa atao inona moa fijoroana vavolom-velona tsy hitaomana izay mbola tsy ao amin'ny Tompo ho ao amin'ny famonjena?

Ka ny fitenenana azy ireny hoe tsy ampy ny manao ny marina amin'ny herin'ny tena fa mila mandray an'i Jesosy ve tsy mitondra azy ao amin'ny famonjena ihany? Mba firifiry moa ny olona amin'izao mihonona fotsiny hoe efa nanao ny marina, efa nanao asa eo anivon'ny fiarahamonina, efa nahavita an'izao sy izao dia ampy azy izay? Dia raha misy olona toa ireny mamaky eto, ahoana no hahalalàny hoe tokony mankao amin'i Jesosy izy vao voavonjy fa tsy ampy ny fanaovana ny marina fotsiny raha tsy teneninao izy?

Za aloha tsy maintsy miteny foana é, tsy voa ianao no nanenjika ahy voalohany noho ny filazantsara ary tsy ho farany ianao ary na mbola hopanao ratsy noho ny valalan'amboa aza aho, izaho tsy maintsy mitory an'i Jesosy ary tsy maintsy manitsy olona sy mitondra olona eo aminy.
43. Nehemiah ( 13/02/2013 12:47)

sitlo:

Nehemiah:
Ka inona izany no fahamarinana aminao ?

Ny fahamarinana dia azo trandrahina amin'ny olona sy toerana maro: na forum serasera io, na ny Baiboly, na olona mandalo miresaka...

"na ny Baiboly" ? Lol. Moa manaja ny Baiboly ianao ? Ny Baiboly dia milaza ny tenany ho Tenin'Andriamanitra, ka roa loha ny safidy : na marina izany ka hajainao nohon'ny boky rehetra ilay izy sady heverinao fa tsy milaza afa-tsy ny marina ny Baiboly, na heverinao ho diso izany ka ifiranao ny pejiny satria antontan-dainga bevava ilay izy, fa saingy tsy misy elanelana. Tahak'izay koa ny fampianaran'i Kristy. Hadalana goavam-be ny mihevitra Azy ho mpampianatra fitondran-tena faran'izay lehibe nefa tsy manaiky azy ho Zanak'Andriamanitra satria namerimberina Izy fa Andriamanitra tonga nofo ! Ka misafidiana ianao : na adala tsy misy toy izany Izy, na mpamitaka olona tsy vanona Izy, na tena Andriamanitra Izy.
sitlo:
Tahaka ny nolazain'i RBNIR tatsy hoe "Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana". (Aleo mba aseo hoe efa novakiko ilay izy fa malahelo mafy ingahy rainy).

Isaky ny misy tranga eo amin'ny fiainanao dia mamaly ny sainao amin'izay tokony atao. Arakaraka ny fahendrena anananao (izay tsy azo ho azy fa nokatsahina) no ahafahanao manao ny mety.

Ohatra: tsara ve ny mamono olona?
valiny: tsia, raha ny Baiboly fotsiny no jerenao.
Fa saingy maro ny tranga eto an-tany izay ilana ny famonoan'olona. Ohatra nomeko tatsy izay odian'ny mpino eto amin'ny serasera fanina dia ny los zetas.
Ary raha izaho no omena basy ka atao eo alohako eo ny los zetas ambony grady, dia tsy hiambaamba mihitsy aho ny handraraka azy.

Voalohany, tokony fantatrao fa ny teny izay nadika hoe "mamono olona" @'ity didy ity dia mitovitovy @ teny frantsay "assassiner", tsy mandà olona hiaro tena na hiaro olon-kafa na miady ho an'ny fandriam-pahaleman'ny tanindrazany ilay izy.
Manaraka, izay izao dia efa manaporofo ny olana lehiben'ny tsy mpino : tsy manana fiorenana objectif ho an'ny fitondrantenany. Ianao izao manao hoe raha voa manao ny tsara dia efa izay nefa iray segondra avy eo mananihany sy mampiasa teny mandratra.
Rehefa maninona izany no mamono olona dia rehefa maninona no tsy mamono olona ? Inona no critère ampiasaina ? Hijoro ho mpitsara, jury sy mpampijaly ve ianao ? Moa hahavaha olana ny famonoana ny zetas rehetra ? Vao mainka hisy gangs mahatsiravina maro hafa koa hipoitra avy eo. Rano no iadiana @ afo fa tsy afo.

Raha izaho indray no mitafa @ Rajoelina ohatra ka mitam-basy, ariako ny basy, avoakako ny Baiboliko ary toriako azy ny Evanjely. Iza, hoy ianao, no tena nahomby, i Martin Luther King sa i Malcolm X ?

Ka mety mamaly ianao hoe "Dia tsy mba handalo fitsarana noho ny ratsy nataony ve izy ireo ?" Tsy omeko tsiny ianao raha tsy eken'ny sainao izay, nefa fantaro fa ny helo no valin'Andriamanitra ho an'izay.
44. sitlo ( 13/02/2013 13:38)
Tsy dia olana amiko raha tsy takatrao izay teneniko.
45. Nehemiah ( 13/02/2013 13:45)
Nefa ekenao kosa ve ny hevitro sa tsia ?
46. sitlo ( 13/02/2013 13:53)
Tsia

Fa kamo aho hifamaly fa maivana be ny adihevitrao.
47. Nehemiah ( 13/02/2013 14:56)

sitlo:

Fa kamo aho hifamaly fa maivana be ny adihevitrao.

Izay koa no excuse ampiasain'ny olona tsy manan-kovaliana.
48. sitlo ( 13/02/2013 15:11)
Raha ny hamaly ny hoe ifirako ve ny Baiboly no andrasanao dia mazotoa. Efa nolazaiko anao taloha hoe asio fifanajana.
49. toriteny ( 13/02/2013 15:19)
Aza manao an'izany ianao sitlo a!! MArina fa mety efa tsara ny fiainanao fa raha izao ianao no alainy dia ho aiza? Ho very any amin'ny fiaina-tsihita? Dia aleonao ve ny eto an-tany moins de 100 ans no hatsaraina toy izay ny hoavinao manontolo? Ny mandrakizay anie ka tsy manam-pahataperana é

Fa inona anefa ny olana tsy handraisanao Azy é? Sa inona no tsy azoazonao amin'ilay mivavaka?

Fa mampalahelo be raha efa nampandrenesina ihany ianao nefa nanao sourde oreille. Tena aleo aza tsy nahafantatra ohatran'ireny silamo sy hindo ireny

50. Nehemiah ( 13/02/2013 15:21)
Tsy izay no antonaniako anao. Ny anontaniako anao dia inona no maha-maivana ny zavatra nolazaiko tetsy ambony. Mba mahay miady hevitra @ fomba hafa ankoatry ny fanarabiana sy ny hanihany ihany ve ianao ?
Sady raha tsy marina ny Baiboly araky ny fiheveranao, dia inona no tokony hanery ahy "asiana fifanajàna" nefa tsy misy ny Mpanao Lalàna Faratampony araky ny hevitrao ?
51. sitlo ( 13/02/2013 15:32)
Izaho tsy manery anao hanisy fanajana. Anjaranao ary fiainanao izany. Ny tsy mifamaly aminao fotsiny no ataoko. Tsy olana
52. RBNIR ( 13/02/2013 20:53)
Faly misera amin'ny namana rehetra hatrany,

toriteny,
1- tsy natao hahatezitra fa ho fampieritreretana
2- tena HS (hors sujet) be mihitsy satria ianao ihany no nanolotra hoe "jnona ny zava-mahagaga nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainanao? (Ho fijoroana vavolombelona sy ho fisaorana Azy)"

samia hotahian'ny Tompo namana

53. toriteny ( 13/02/2013 21:15)
RBNIR:

Faly misera amin'ny namana rehetra hatrany,
2- tena HS (hors sujet) be mihitsy satria ianao ihany no nanolotra hoe "jnona ny zava-mahagaga nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainanao? (Ho fijoroana vavolombelona sy ho fisaorana Azy)"
samia hotahian'ny Tompo namana


-Lio15:4 "Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an'efitra ka mandeha hitady ilay very mandrapahitany azy?"
Lio15:7: "Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany ."

Lio15:8:"ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandrapahitany azy?"
Lio15:10 "Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka "
54. sitlo ( 14/02/2013 07:06)
toriteny:
Aza manao an'izany ianao sitlo a!! MArina fa mety efa tsara ny fiainanao fa raha izao ianao no alainy dia ho aiza? Ho very any amin'ny fiaina-tsihita? Dia aleonao ve ny eto an-tany moins de 100 ans no hatsaraina toy izay ny hoavinao manontolo? Ny mandrakizay anie ka tsy manam-pahataperana é

Fa inona anefa ny olana tsy handraisanao Azy é? Sa inona no tsy azoazonao amin'ilay mivavaka?

Fa mampalahelo be raha efa nampandrenesina ihany ianao nefa nanao sourde oreille. Tena aleo aza tsy nahafantatra ohatran'ireny silamo sy hindo ireny


Tsaroanao ve ny talohan'ny nahaterahanao? Dia tahaka izay koa amiko no hitranga rehefa maty. Ka tsy olana amiko mihitsy ny "fiainana aorian'ny fahafatesana". Na ny manoratra azy aza mandreraka fa oxymoron.

Efa maro ny dinika nanazavako sy nalefako teto, ary tsy dia tiako loatra ny mamerimberina. Fa aleo averiko ihany ity. Rehefa hamono akoho ianao, dia raiso ny antsy, dia ataovy eo amin'ny tendany. Dia tampotampoka eo anefa omeo katsaka ilay akoho, dia ho hitanao izany hoe fahatsoram-po izany. Tsy misy iraharahiany an'izay "fiainana aorin'ny fahafatesana" anefa.

Dia tahaka izany koa ny ahy. Raha maty aho androany, tsy olana amiko mihitsy izany. Ny fiainan'ny olona akaiky ahy no hanahirana. Na azy anefa izany fa tsy ahy intsony, dia fahadisoako raha niniako ny nampody mandry ahy.
55. Nehemiah ( 14/02/2013 07:49)
Finoana kristiana anie no resahana eto. Tsy manana fiainana aorian'ny fahafatesana izao ny akoho na ny biby hafa araky ny finoana kristiana, satria maty hamonjy ny olombelona irery izy.

Mahagaga ahy ireto tsy mpino ireto ka ! Mionana @ hivadika ho zezika fotsiny rehefa tapitra ny 70-80 taona iainany.
56. toriteny ( 14/02/2013 08:17)

sitlo:

toriteny:
Aza manao an'izany ianao sitlo a!! MArina fa mety efa tsara ny fiainanao fa raha izao ianao no alainy dia ho aiza? Ho very any amin'ny fiaina-tsihita? Dia aleonao ve ny eto an-tany moins de 100 ans no hatsaraina toy izay ny hoavinao manontolo? Ny mandrakizay anie ka tsy manam-pahataperana é

Fa inona anefa ny olana tsy handraisanao Azy é? Sa inona no tsy azoazonao amin'ilay mivavaka?

Fa mampalahelo be raha efa nampandrenesina ihany ianao nefa nanao sourde oreille. Tena aleo aza tsy nahafantatra ohatran'ireny silamo sy hindo ireny


Tsaroanao ve ny talohan'ny nahaterahanao? Dia tahaka izay koa amiko no hitranga rehefa maty. Ka tsy olana amiko mihitsy ny "fiainana aorian'ny fahafatesana". Na ny manoratra azy aza mandreraka fa oxymoron.

Efa maro ny dinika nanazavako sy nalefako teto, ary tsy dia tiako loatra ny mamerimberina. Fa aleo averiko ihany ity. Rehefa hamono akoho ianao, dia raiso ny antsy, dia ataovy eo amin'ny tendany. Dia tampotampoka eo anefa omeo katsaka ilay akoho, dia ho hitanao izany hoe fahatsoram-po izany. Tsy misy iraharahiany an'izay "fiainana aorin'ny fahafatesana" anefa.

Dia tahaka izany koa ny ahy. Raha maty aho androany, tsy olana amiko mihitsy izany. Ny fiainan'ny olona akaiky ahy no hanahirana. Na azy anefa izany fa tsy ahy intsony, dia fahadisoako raha niniako ny nampody mandry ahy.


Tena afaka adidy amin'ny fatana araky ny teneninao izany kou. Inona moa no azoko atao raha tsy hiditra ho isan'ny vonjena ianao? Fa dia araraoty tsara aloha ny fiainana eto an-tany dieny izao au moins mba misy tsara ny iray amin'ny fiainanao fa ny mandrakizay nao aloha izany dia efa very ianao
57. sitlo ( 14/02/2013 08:22)
Valala manidina ka asiana sira hoy ny fiteny malagasy izay.

Fa tsara ianareo mijanona amin'ny finona kristianina ihany fa manjary manao ratsy raha vao miala.
58. Nehemiah ( 14/02/2013 08:34)
Raha mahafehy ny olona tsy hanao ratsy ny finoana kristiana dia maninona no tsy idirana ?
59. sitlo ( 14/02/2013 08:46)
Maro ny finoana mandrara ny olona tsy hanao ratsy. Izay ilay teneniko hoe azo anitaram-pahendrena daholo ireny, na Baiboly io na Coran...
60. Nehemiah ( 14/02/2013 15:11)
Ka inona (na iza) no mametra ny tsara sy ny ratsy ?
Satria raha ny Baiboly dia tsy mety ny mamono olona tsy naninona anao fa raha ny Koranina kosa dia tsara ny manao Jihad.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8651