Biby maloto
1. leva2
(
20/10/2012 20:08)
Levitikosy 11/02-08 :
Izao no ho fihinanareo amin’ny biby rehetra ambonin’ny tany: Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. Kanefa amin’izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo:
Ny rameva, ... ny hyraka, ... ary ny rabitro, ... ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
Ny henan’ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
Kolosiana 02/16-17 :
Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy.
Iza no ho raisina? Mba zarao izay hevitrao!
novalian'i tiavanafi ny 28/11/2012 16:02
2. Lars
(
21/10/2012 04:50)
Tsik zw efa mafy ady d ts d asiana sentiment tsony zany fa zé hita d arapak'é! Itanw fa ny kankana ar zw efa mis minana kouh!
3. leva2
(
21/10/2012 07:34)
Lars:
Tsik zw efa mafy ady d ts d asiana sentiment tsony zany fa zé hita d arapak'é! Itanw fa ny kankana ar zw efa mis minana kouh!
Velona Jesosy!
Ka eo indrindra isika namana!
Ity louk's ty zao de nihinanako soamantsara miits. Saingy hatreto aloh dia tena mbola feno fisalasalana ny tenako hoe ahoana marina izy 'ty!
Raha resaka fiainana sarotra, vakio ange ity : Mat 12/01-06
TAMIN’izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ny Sabata.
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny Sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Mba omeo ny hevitry ny hafa e!
4. Miharena
(
21/10/2012 15:31)
Ny teny voatanisa ao amin''ny Matio dia efa manazava ny resaka lalàna novahana.
Ny fahazoako ny Teny rehetra nambaran'i Jesoa dia mamaha ny olona amin'ny fandraràna isan-karazany izay ataon'ny mpitarika famehezana indray fa tsy fizaràna fiainana.
Ny tena marina aloha dia tsy tokony hihinana biby akory ny olona satria rafitra iray ihany no nanorenana ny vatan'ny biby sy ny olona.

5. milamm
(
21/10/2012 19:37)
looks na saritapaka otran'io @ sary io de laninay tsara tsisy fameriny atao ahoana ny tsy hihinana jambon na cochon de lait tsony, manaja izay fomba amam-panaony hafa sy ny fiheviny nefa zahay, zany eo ihany fa ny izy tadidio fa tsy ny miditra @ vavan'olona akory no maloto fa izay mivoaka @ vavany ...
7. andrywui
(
21/10/2012 21:17)
iza ndray ny adala milaza fa biby maloto io look's io ???tsssshh
ny ny alika tsara ozy fa ny tana mangidy !! oabolana io a
ny ny alika tsara ozy fa ny tana mangidy !! oabolana io a
8. mahafantara
(
22/10/2012 10:06)
Raha tsy nodiovin'Andriamanitra ny biby maloto dia tsy nisy voavonjy ny hafa firenena (tsy jiosy) satria ny jentilisa no tandindon'ireny biby maloto ireny.
Moa ianao maloto nodiavina indray ve no handa ny fanadiovana ka hamerina indray ny fanavahana ny maloto sy ny madio?
Moa ianao maloto nodiavina indray ve no handa ny fanadiovana ka hamerina indray ny fanavahana ny maloto sy ny madio?
9. badboy
(
22/10/2012 15:07)
Dia ho lasa "végétalien" daholo ndray zany tsika mianakavy raha raisina arabakiteny io kozy io. Dia hiroborobo ny bizindraleva araky ny voalzan'ity tononkira iray hoe :
O,o,o, ombitsaretindraleva iny o,
Mandalo mamangy tanana,
Ombitsaretindraleva mananika ny renivohitra,
Mivarotra ireo kely vokatra (anana, mangahazo, katsaka ...)
Hamelomana vady aman-janaka!
TSISY HENA AO ANATY VOKATRA!! Ka aza manaiky ambakaindraleva!! lol
Peace and love!

10. leva2
(
22/10/2012 19:01)
Miharena:
Ny teny voatanisa ao amin''ny Matio dia efa manazava ny resaka lalàna novahana.
Ny fahazoako ny Teny rehetra nambaran'i Jesoa dia mamaha ny olona amin'ny fandraràna isan-karazany izay ataon'ny mpitarika famehezana indray fa tsy fizaràna fiainana.
Ny tena marina aloha dia tsy tokony hihinana biby akory ny olona satria rafitra iray ihany no nanorenana ny vatan'ny biby sy ny olona.
Velona Jesosy!
Mba asio "précison" kosa ry Miharena a, na farafaharatsiny hoe ny toko sy andininy miresaka azy io.
Mazotoa e
11. leva2
(
22/10/2012 19:04)
andrywui:
iza ndray ny adala milaza fa biby maloto io look's io ???tsssshh
ny ny alika tsara ozy fa ny tana mangidy !! oabolana io a
Velona Jesosy!
Azafady namana fa Tenin'Andriamanitra anie io nomeko anao ao amin'ny Levitikosy io fa tsy teniko, ka sanatria ve izany Izy Andriamanitra no adala?
Diniho tsara e.
12. leva2
(
22/10/2012 19:09)
badboy:
Dia ho lasa "végétalien" daholo ndray zany tsika mianakavy raha raisina arabakiteny io kozy io.
Velona Jesosy!
Ny hen'omby sy ny henan'ondry, ny henan'akoho sy ny trondro anie namana ka tsy ao anatin'io e, ary tsy mba noraran'ny baiboly mihitsy.
Raha manaraka tsara ny tantaran'ny zanak'olombelona ao amin'ny baiboly isika dia tsy mba nihinam-biby hatrany am-piandohana ny olombelona. Nanomboka tamin'ny andron'i Noa ny fihinanankkena.
Mazotoa namana
13. leva2
(
22/10/2012 19:11)
mahafantara:
Raha tsy nodiovin'Andriamanitra ny biby maloto dia tsy nisy voavonjy ny hafa firenena (tsy jiosy) satria ny jentilisa no tandindon'ireny biby maloto ireny.
Moa ianao maloto nodiavina indray ve no handa ny fanadiovana ka hamerina indray ny fanavahana ny maloto sy ny madio?
Velona Jesosy!
Mahaliana ny hevitrao fa somary mba velabelaro kokoa raha azo atao, na omeo reference biblique raha azo atao e.
14. hery
(
22/10/2012 19:27)
leva2> Raha vao misalasala ianao dia aza mihinana fa zary fahotana ho anao izany.
Izahay tsy misalasala satria resy lahatra hoe tsy izany no zava-dehibe amin'i Jesoa Kristy... Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia hanampy anao ny zavatra rehetra hoy izy :-)
Izahay tsy misalasala satria resy lahatra hoe tsy izany no zava-dehibe amin'i Jesoa Kristy... Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia hanampy anao ny zavatra rehetra hoy izy :-)
15. leva2
(
22/10/2012 19:40)
Velona Jesosy!
Asan'ny Apostoly 15/28-29 :
Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo.
Tsy resahintsika eto ny sigara, toaka, rongony izay zava-pihinana tokoa.
Tadidio fa tempolin'Andriamanitra isika namana isany ô! Ka izay manimba ny tempoliny dia hosimbainy koa.

16. hery
(
22/10/2012 19:44)
Marina mihitsy io... aza manimba tena mieritreritra an'izany fa fanimbana tempolin'Andriamanitra daholo izany. Mamorona adintsaina sy pression sy depression amin'ny zavatry ny tany.
Aza simbaina amin'ny resaka toa izany ny tempolin'Andriamanitra...
Aza simbaina amin'ny resaka toa izany ny tempolin'Andriamanitra...
17. sitlo
(
22/10/2012 19:44)
Izaho aloha dia mbola tsy nihinana loha-kisoa hatramin'izay niainako. Ary raha tsy fitaka dia tsy hihinana mihitsy.
Tahaka ny lohan'akoho ihany io. Tsy misy resaka finoana na tsia fa maharikoriko fotsiny izao. Tahaka ny vavan'omby, tongotr'akoho, kankana sns.
Tahaka ny lohan'akoho ihany io. Tsy misy resaka finoana na tsia fa maharikoriko fotsiny izao. Tahaka ny vavan'omby, tongotr'akoho, kankana sns.
18. andrywui
(
22/10/2012 21:33)
Olty rasitlo à faranze milay daolo reo zavatra tanisainlah reo sauf le kankana iany iny avelako oanlah iany ,,fa n'y bibilava kou tena matsiro à surtt n'y do ....n'y kisoa n'a n'y lohakisoa tena mafilotra eeee
19. andrywui
(
22/10/2012 21:36)
Rasitlo à elah less bandy milay fa za tokoa mba te hi invité anlah rah manannn à
20. leva2
(
23/10/2012 05:35)
hery:
Marina mihitsy io... aza manimba tena mieritreritra an'izany fa fanimbana tempolin'Andriamanitra daholo izany. Mamorona adintsaina sy pression sy depression amin'ny zavatry ny tany.
Aza simbaina amin'ny resaka toa izany ny tempolin'Andriamanitra...
Velona Jesosy!
Marina izany namana, sanatrian'izany hiady aman-kanina amin'ny Tompo ny hiafarany.
Tsy hoe dia efa tsisy hohanina ny tena fa mba omeny izay sahaza ihany.
Misaotra namana