Biby maloto

21. leva2 ( 23/10/2012 05:45)
Velona Jesosy!

Efa volana vitsivitsy izay aho no tsy nihinana ireny hena tondroin'ny baiboly hoe maloto ireny intsony. Vokatry ny fisalasalana dia aleoko tsy mihinana mba tsy hahaloto ny eritreritra.

Marina fa tsy hoe ny tsy fihinanana ity na iry akory no anton'ny famonjena na tsia, fa anisan'ny detail ahalalana na vonona hankato an'Andriamanitra hatramin'ny farany isika na tsia itony zavatra itony.

Mahereza namana isany
22. andrywui ( 23/10/2012 06:38)
leva2 à
Tsy eo ambany lalana tsony isika zao ry akama ,ra iverina ambany lalana de miverena tanteraka mitsy donc ra misy mamely n'y takolak'i leva havia à de tonga de zezevo n'y goss droaty kou izy ...
Ambany fahasoavana isika zao rahalah malala à
23. vony501 ( 23/10/2012 07:43)
hery:

leva2> Raha vao misalasala ianao dia aza mihinana fa zary fahotana ho anao izany.

Izahay tsy misalasala satria resy lahatra hoe tsy izany no zava-dehibe amin'i Jesoa Kristy... Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia hanampy anao ny zavatra rehetra hoy izy :-)


Ahitsiko kely Hery azafady a, tsy hoe "hanampy anao ny zavatra rehetra", fa hoe "hanampy HO ANAO ny zavatra rehetra". Izany hoe omena anao (cadeaux) ho fanampin'ny fanjakan'Andriamanitra izay rehetra irin'ny fonao
24. andrywui ( 23/10/2012 07:49)
Kay ..mitady hamadika n'y Teny i hery aaaaaa



Sa tsary hay ????
25. hery ( 23/10/2012 07:52)
Misaotra Vony, disodiso kely tsy maha môro :-p

Ny votoatiny tsy miova... raha ny didy dia ny fitiavana no lehibe indrindra, ka amiko raha mitarika anao tsy hifankatia ny fihinana kisoa dia aza mihinana, raha mitarika anao tsy hifankatia ny tsy fihinana kisoa dia mihinàna.

Izahay nampiantrano advantista nandritra ny volana vitsivitsy dia tsy nihinana kisoa tao an-trano mihitsy... satria fitiavana koa ny fanajana ny hafa.
26. leva2 ( 23/10/2012 10:49)

andrywui:

leva2 à
Tsy eo ambany lalana tsony isika zao ry akama ,ra iverina ambany lalana de miverena tanteraka mitsy donc ra misy mamely n'y takolak'i leva havia à de tonga de zezevo n'y goss droaty kou izy ...
Ambany fahasoavana isika zao rahalah malala à


Velona Jesosy!

Fa aminao, inona no tena hevitry ny hoe "tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana"?
Toy ny miteny ianao hoe tsy ilaina intsony ny fankatoavana ny lalàna?

Miala tsiny namana fa somary sady mampiditra aho no mamoaka, mba hivoahan'ny hevitra isankarazany.

Toy izay nolazaiko fahiny tamin'i jojo3t : Raha hitanao fa tsy mitombina intsony io Levitikosy 11io, dia raiso ny marqueur mainty dia koseho ny baibolinao.
Tadidio nefa fa amin'izay dia marina aminao ity :
"ary raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ity boky ity". Apo 22/19

Mandiniha namana isany!
27. didi10 ( 23/10/2012 11:07)
Efa nandeha teto ity lohahevitra ity namana ka omeko anao ilay rohy hanarahanao ny ady hevitra ary ataoko fa hanmpy anao izany.

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f1bada6ef045

Tahian'i Jesosy.
28. leva2 ( 23/10/2012 14:34)

didi10:

Efa nandeha teto ity lohahevitra ity namana ka omeko anao ilay rohy hanarahanao ny ady hevitra ary ataoko fa hanmpy anao izany.

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f1bada6ef045

Tahian'i Jesosy.


Velona Jesosy!

Misaotra namana tamin'ny rohy nomenao.
Misy hoeritreretina tokoa ny amin'izay.
29. leva2 ( 23/10/2012 14:57)
Velona Jesosy!

Ireto angamba no hitako hoe marimaritra iraisana e :

"Ce n'est pourtant pas un aliment qui nous rapprochera de Dieu : nous ne perdrons rien si nous n'en mangeons pas, et nous ne gagnerons rien non plus si nous en mangeons" 1 Kor 08/08

"Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra" 1 Kor 10/31-32.

Koa noho izany, raha misafidy ny tsy hihinana aho dia tsy hanameloka izay mihinana kosa ka hanafintohina ny hafa, fa aoka samy hatao ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
30. didi10 ( 23/10/2012 15:55)

leva2:

Velona Jesosy!

Ireto angamba no hitako hoe marimaritra iraisana e :

"Ce n'est pourtant pas un aliment qui nous rapprochera de Dieu : nous ne perdrons rien si nous n'en mangeons pas, et nous ne gagnerons rien non plus si nous en mangeons" 1 Kor 08/08

"Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra" 1 Kor 10/31-32.

Koa noho izany, raha misafidy ny tsy hihinana aho dia tsy hanameloka izay mihinana kosa ka hanafintohina ny hafa, fa aoka samy hatao ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.


Manam-pitiavana tokoa ianao namana ka mbola mankahery anao aho amin'ny fitadiavanao ny fahamarinana.

Io fampianarana momba ny hanina madio sy maloto io dia efa natsidik'i Jesosy ihany Izy fony mbola niaraka tamin'ny mpianatra izy (Matio 15), ary na ny mpianatra aza dia tsy nahazo ny tiaNY tenenina, ireo mpino manindraindra ny hanina fady dia milaza fa azo atao hono ny tsy manasa tànana satria Jesosy no nampianatra izany!!! Tsia..
Jesosy anie Mpampianatra e! inona no antony hanasana tànana? tsy ho fiarovana ny microbe (biby maloto) tsy hiditra any ambava? sady ry zareo tsy nampiasa sotro!!! Mazava tsara eto ny lesona fa tsy izay miditra ny vava no mampaloto ny olona satria mivoaka any amin'ny lavaka tokony hivoahany ihany (Mat 15,17) fa tsy hoe azo atao ny tsy manasa tanana.
Ny hanina ho an'ny kibo ary ny kibo ho an'ny hanina, samy holevonin'Andriamanitra izy roa hoy i Paoly ( I Kor 6,13)
Mbola hitohy...

Tahian'i Jesosy
31. andrywui ( 23/10/2012 21:25)
rehefa izay zany no hamintinanao azy ry frere de aleo ihinana zany ny oul satria aleo mihinana toy izay tsy mihinankanina tsara dia tsara toy ny hena kisoa sy ravitoto miammm miamm !!mba manandrama anie rankizy ee
32. moustaraf ( 24/10/2012 05:15)
Salama namana isany,
Izaho dia manamarika foana isaka izay mba mandray anjara eto hoe:"Nahoana ny mpaminany no ampiadiana @ Mesia foana e?", tsy misy zavatra mifanohitra izany velively amin'io baiboly io, fa ny tsy fahalalana no mamadika zavatra maro!
1.Efa notanisaina teto ny hoe" Aza mametaveta ny fanahinareo @ fihinanana biby maloto"= fahavetavetana ARA-PANAHY fa tsy ara-nofo fotsiny akory ny fihinanana an'ireo.
-Ny vetaveta ve hiditra ny fajakan'ny lanitra? TSIA

2.Ho lalàna mandrakizay izany = azo ovana ve izay voasoratra hoe Mandrakizay?

3.Raha naseho an'i Petros ilay lamba tsihy lehibe nisy biby maloto nampididinina, NIHINANA VE I PETROS? TSIA no valiny= tsy nampianarina hihinana biby maloto ny APOSTOLY.
Fahitana io ary misy heviny = ny hafa firenena izay nodiovina mba hiditra ho isan'ny olom-bonjena....

4.Vakio tsara ny tantara manontolo ao @ io Korintiana io fa:
ilay "fihinanana sy fisotroana " lazaina eto dia tsy misy idiran'ny sakafo , na biby maloto akory. Io fampianarana io dia teraka avy t@ olana nisy tao am-piangonana tany Korinto noho ny fanilikilihana ireo hafa firenenena:" tsy navela hitandrina ny Sabata, na hifaly @ andro firavoravoana, na Handray ny Fanasan'i Adone (Mofo sy divay ; fa tsy miresaka biby maloto akory, na fisotroan-toaka velively)

5.Maro no milaza mivantana ankehitriny fa DISO ihany koa ny filazana nataon'ny Mpamonjy hoe "MIDIRA @ VAVAHADY ETY IANAREO", satria ny mifanohitra @ izany no toriana ombieny ombieny:
MALALAKA NY LALANA = Rava ny lalàna = azo atao ny zavatra rehetra = Ambanin'ny fahasoavana,....
-Mitandrema isika ry namana isany fa efa voasoratra hoe: "VITSY no hovonjena" ary "TERY" ny lalana = raha ny masonao no manafintohina anao dia.....fa tsara aminao raha ....nefa hiditra ny fanjakan'ny lanitra,
-Fankafizana BIBY MALOTO ve no anarianao ny fanahinao?



33. moustaraf ( 24/10/2012 05:25)
(tohiny)
Hors sujet kely ity ahy ity , nefa toko sy andininy voatanisa etsy ampanombohana ihany:
Kolosiana 02/16-17 :
Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy .
1.Aloky ny zavatra ho avy = any @ Fiainana mandrakizay
-Misy fihinanana sy fisotroana = fandraisana ny Mofo sy ny divay
-Misy Andro firavoravoana = foana ve ny andro firavoravoana? NITANDRINA IZANY NY MESIA SY NY APOSTOLY : "3 ihany ny andro firavoravoana antin'ny taona izay voatendrin'i Tsitoha"
-Misy voaloham-bolana = 1er mois de l'année/ fa tsy Alahady voalohany isam-bolana
-Ary misy SABATA ; fa tsy Alahady

Samy hotahian'i Adone isika rehetra.
34. didi10 ( 25/10/2012 10:06)

moustaraf:

-Fankafizana BIBY MALOTO ve no anarianao ny fanahinao?


Rom 14,20
20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.

AMENA!!
35. moustaraf ( 25/10/2012 10:52)
Salama namana,
Ry didi10, Ianareo izany ilay lazaiko foana eto matetika hoe "Mampiady an'i Mosesy @ Mesia sy ny Apostoly"; TSY MISY TOKO SY ANDININY MIFANOHITRA IZANY VELIVELY AO ANATIN'NY BAIBOLY, fa ny tsy fahampian'ny fahalalana sy ny fitarihan'ny fanahy no mampibirioka ny Maro.

ROM 14,20 no entinao manohana ilay fihinanana BIBY MALOTO? Mampalahelo ahy ianao sy ireo olona tarihinao raha izany ry DIDI10.
VAKIO tsara io toko faha -14 io fa miresaka ny Malemy fanahy= tsy mihinana afa tsy zava-maniry = végétarien / ary ireo izay mihinana HENA.
-ilay soratra eto hoe "ZAVATRA REHETRA" dia aza adika velively hoe + biby maloto! tadidio fa fiangonan'i Apostoly io, ry Namana isany, ka TSY HIADY HEVITRA AMINA FIHINANANA BIBY MALOTO MIHITSY!
"NY Romana sy ny fiangonany (300 taona taty aoriana) no nampiditra izany fihinanana BIby maloto izany Tanatin'ny FIVAVAHANY fa tsy ny Apostoly mihitsy, noho ny fankafizany KISOA, BITRO,....sy ireo fijangajangana isan-karazany".

Mbola Porofoi'i Paoly @ io ROM 13: 9-10
Fa ny hoe" Aza mijangajanga,aza mamono olona (Eks 20: 13 -17), mbamin'izay didi REHETRA HAFA, DIA SAMY EFA ao amin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao...koa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna"
>>>TSY milaza mihitsy i Paoly fa noravana ny lalàna, fa hoy izy TANTERAKA ao @ fitiavana= Ny fitiavana ny RAY dia ny Fitandremana ny DIDINY ( Torah).

Raha mitory sy mitarika olona hihinana BIBY MALOTO ianao; izay tsy teny tsotra fa DIDY mihitsy ; ianao anefa no te hihinana (tsy misy fitiavana) , dia Ny Apostoly no Lazaina fa mampihinana Biby maloto anao= mandika lalàna???
36. RBNIR ( 26/10/2012 11:08)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,
Efa betsaka no nozaraiko mikasika ity lohahevitra ity, fa ity no tiako hosaintsinintsika.
« Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady, » (Asa.10:17)
Ny ankamaroan-tsika aty aoriana no mandray ara-bakiteny ilay fahitana fa saingy I Petera kosa dia nahafantatra avy hatrany fa tsy ara-bakiteny akory ny hevitr'ilay fahitana fa manana heviny ara-panahy hafa ka nihezaka nisaintsaina ny tena mety ho antony.
Nampahafantarin'Andriamanitra azy ihany moa ny tena anton'ilay fahitana dia « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asa.10:28)
Ankoatran'izay dia izao : tsy dia hoe lalàna ho an'ny Israelianina irery akory ny fandrarana ny olona tsy hihinana ny biby maloto sy tsy madio fa lalàna efa napetr'Andriamanitra hatrany ambohalohany mihitsy ary noraiketina an-tsoratra taty aoriana kosa.
« Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; » (Gen.7:2)
Ho an'ny manantsaina rehetra alefaso ny fisainana :
1- Hay v efa tany amboalohany dia efa nampahafantarina tamin'ny olona fa misy ny biby madio ary misy koa ny tsy madio e?
2- Naninona no fito no isan'ny biby madio nasaina nampidirina fa tsy 2 otran'ny biby tsy madio?
Satria fantatr'Andriamanitra fa mbola ho lava ny fotoana hiainan'izireo teny ambony sambo fiara ka tsy ampy raha zava-maniry ihany no hanin'izireo.
Ny biby madio araka izany dia natao mihotra mba hisy hohanin'izireo
Fa ny sisa kosa dia natao fangalana taranaka fotsiny ihany.
Raha te hahafantatra misy misy kokoa ny mikasika ireo lalàna fototra efa napetrak'Andriamanitra tany amboalohany ianao dia araho ity rohy ity namana isany :
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2
3- Tena mahavery ve ny tsy fitandremana ireo didy mikasika ny biby madio sy tsy madio ireo?
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok.21:27)

Voalaza eto hoe "izay tsy masina, na izay manao vetaveta"

Vakio tsara fa ny antony nandraran'Andriamanitra ny olona tsy hihinana ireo biby voasokajy hoe tsy madio ireo dia
« Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. » (Lev.11:43)
« Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Lev.11:44)
Antony 2 no tsy azo hihinana ireny Mba tsy hametavetana ny tenan-tsika ary koa mba hanamasinana ny tenan-tsika.

Ny Tompo anie hanazava ny sain-tsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany.







37. moustaraf ( 28/10/2012 18:05)
Salama namana,
Eto dia manomboka mivoaka ny fampianarana diso be dia be izay mahamamo ny olona maro, izay efa hitan'i Jaona ao @ Apokalipsy hoe:
" Ary ny dragona namoaka RIAKA (=fampianarana maloto) tamin'ny vavany hitelina an'ilay vehivavy (fiangonana marina) niteraka an'ilay zazalahy (Mesia)......Nivava ny tany (=ny olom-belona rehetra) ka nitelina ny riaka (fampianaran-diso).

Raha fiangonana mampihinana BIBY MALOTO no misy anao dia fantaro avy hatrany fa io ilay RIAKA (fampianarana maloto) avy @ vavan'ilay dragona. Ka anao ny safidy.
38. didi10 ( 28/10/2012 18:26)
Aza izay hanina no handravanareo ny asan'Andriamanitra.

Sao dia tokony hadikan'ny namana amin'ny teny hebrio io sao tsy azonao tsara?
39. moustaraf ( 29/10/2012 11:08)
Salama namana,
Mahagaga izany !
Ny aza mangalatra sy ny aza mijangajanga ihany sisa no tokony tandremana ry reto a! azo atao daholo ny zavatra rehetra fa dia TSY MAINTSY TONGA ANY @ PARADISA E. Na ho vy na ho vato!!!
Araraoty fa VARO BOBA ny fidirana mankany e!
40. RBNIR ( 29/10/2012 11:20)
didi10:

Aza izay hanina no handravanareo ny asan'Andriamanitra.


Faly miarahaba namana,

Vakio tsara hatramin'ny voalohany ny Romana toko faha 14 namana fa resaka momba ny tsy mihinana biby (na bibilava, na saka na kisoa na alika na omby na ondry rehefa hoe biby) no noresahina ka nahatonga ny apostoly paoly niteny an'io fa tsy fandravana ny lalàna voatolotra tao amin'ny levitikosy 11 mihitsy.
Raha tsorina dia resaka kristianina mihinan-kena sy kristianina tsy mihinana afatsy ny zavamaniry (végétarien).

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1332