Biby maloto

41. Miharena ( 30/10/2012 04:02)
HOy i Kristy : Tsy izay miditra ny vava no mahaloto ny olona satria iny miditra ary mivoaka any amin'ny fivoahana fa ny mivoaka ny vava no mahaloto ny olona

Aiza ho aiza amin'io ilay resahan'i Moustaraf fa fampianaran-diso eto?

Ny olana manko dia ity, misy fampianarna mandeha ary ao anaty Baiboly ilay izy. Ampiadiana ny Taloha sy ny Vaovao na koa faharoa (Amiko ilay izy faharoa fa mbola misy ny fahatelo manazaav tsara ny tiana ambara ami'ny voalohany sy ny faharoa).

Ka ilay izy ve izany izay nataon'ny Apostoly no marina sa izay nambaran'i Kristy sa zay nambaran'i Jehovah?

Lasa sehatra telo miavaka tsara izy eto:

1 - Ny Apostoly izay efa nahazo fampianarana niaraka tami'n'ny Fariseo sy ny Sadoseo
2- Jehovah izay "nambara" fa nanao DIDI
3- Jesosy izay manambara fa hanatanteraka nefa nilaza zavatra hafa tsy nambaran'i Jehovah

Dia mihodinkodina eo ny resaka. Nefa efa nasiana adihevitra be izany io resaka io hatramin'ny andorn'ny Apostoly.

Ka manontany tena ihany aho hoe inona marina no finoan'ny Judaisma? Testamenta Taloha ve sa Testamenta vaovao?

Raha mitana ilay taloha manko izy dia tsy ekeny izany ny tenin'i Paoly hoe Rom 14,20
20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.

ary avy hatrany dia heveriny fa ROmana no niteny io teny io fa tsy i Paoly izay nilaza hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko.

Ka mipetraka ihany ny fanontaniana momba ny finoana: izy ity ve fombafomba sa fampiantranoina ao anaty an'Andriamanitra na ny marina kokoa fampiroborobona ny Fanahy efa antsika sahady satria IZY ay tsy misy afa-tsy IZY no mampisy izao rehetra izao?
42. moustaraf ( 31/10/2012 04:37)
Salama namana,
Izaho dia tsy sasatra ny manipika foana eto fa "Tsy mifanohitra velively ny TT sy ny T.V"
Vakio manontolo ny CONTEXTE nitragan'ilay teny, fa aza tsongaina mitokana foana re ny isan'andininy = izay ilay fomba Romana, lazaiko foana eto.

1-Raha nilaza an'io ve ny Mesia" Azo heritreretina ve fa BIBY maloto, araka izay heverinareo no tiany nolazaina tamin'io? Izy izay fahatanterahan'ny lalàna? SANATRIA
Resaka fihinana MANASA sy TSY MANASA TANANA no vontoatin-dresaka eto (ka miala tsiny aminareo te hitory fihinanana biby maloto sady mampihinana LOTO ny Mesia-nareo)

-Raha nilaza an'io koa ve i Paoly dia "Azo heritreretina ve fa BIBY Maloto no sujet tamin'io? sanatria!!! Andiana olona roa no nisy tao @ fiangonan'ny APostoly tao Roma:
i) and-2: Ny anakiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy; iza Ireo?
VALINY, and-21: fa tsara ny tsy mhinnna hena na misotro divay =Ireo mihinana HENA sy DIVAY
-Tsy miresaka BIBY MALOTO ETO fa aza maloto saina isika.
ii) and-2: Fa ny anakiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany= Ireo Mpino VEGETARIANA

-Izany Sujet fihinanana biby maloto izany dia "TSY NISY VELIVELY" na t@ andron'i Mesia na t@ andron'ny Apostoly, fa SAKAFO Madio foana no resahina sy tsy nitoviana ato anatin'ity boky ity. SAKAFO Madio aza nisiana fifandrirotana t@ izany, ka azo saintsainina ve ny FIRESAHANA BIBY MALOTO????

Mbola adihevitra hafa indray aza ny Andininy faha -5 sy 6, izay avadik'ireo Kely saina ka mamoaka fampianarana hafa mihitsy: Marihiko sahady ho anareo fa tsy resaka SABATA sy ALAHADY mihitsy koa io.
43. moustaraf ( 31/10/2012 04:58)
Salama namana,
Eto izao dia misy resaka tena MAHAGAGA MIHITSY,
samy mamaky an'ilay ROMANA 14 isika rehetra ary @ teny malagasy mazava no amakiana azy;
-Izaho sy RBNIR ihany ve no mahita an'ireo soratra milaza fa OLANA t@ Mpihinana hena sy ny tsy mihinana afa tsy zava-maniry no novahan'i Apostoly Paoly teto???

Fa maninona ianareo sasany ireo no TSY MAHITA an'izany soratra izany e?? Misy zavatra hafa ve manajamba ny masonareo TSY HAHITA, ka mampihinana anareo BIBY MALOTO mba hidiran'ny fahavetavetana ara-panahy ao aminareo???? sa Ianareo mihitsy no mihizingizina @ fampianaran-diso noho ny fankafizana loto e???
Hisy hamaly indray izao eto hoe: Ambanin'ny fahasoavana izahay !
44. didi10 ( 31/10/2012 06:08)

moustaraf:

resaka anasana tànana io fa tsy fihinanana e!
resaka fihinanana hena sy tsy fihinanana hena e!
Efa mazava ny voasoratra dia mbola mahita tenenina foana ireo andevon'ny làlana,

Ary ity indray ahoana indray?
Tim I 4 : 1 - 5
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ARY MAMPIFADY HANINA, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, 5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

Hihemotra amin'ny finoana = miverina ao ambany lalàna
Mihatsara velatsihy = "raha ipetahan'ny lalitra ny vavany dia tsy mampaninona fa raha ipitihan'ny menaka kisoa dia maloto ny fanahiny"
Madio avokoa ny zavatra rehetra = ho an'izay mino sady mahalala ny marina

45. RBNIR ( 31/10/2012 06:31)
didi10:

Tim I 4 : 1 - 5
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa . [b]manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2

Faly miarahaba namana isany,
Mba diniho ihany namana didi10 sao dia manaonao foana ianao dia sahinao v ny mampiasa io teny io eto namana ka hilaza ianao fa fanahin'ny demonia fa tsy FANAHY MASINA????
Na izany na tsy izany dia hazavaiko ilay I Tim.4:1-5
Fampianarana mikatsaka ny famindrapon'Andriamanitra amin'ny alalany fampijaliantena :
1- TSY MAHAZO MANAMBADY (ABSTINENCE TOTAL AMIN IZAY MASINA BE HONO)
2- MITAONA NY OLONA HANAO FIFADIAN-KANINA LAVARENY SADY MISESISESY TSY MISY ANTONY SY TANJONA MAZAVA MBA HAHITAN ANDRIAMANITRA FA HOE TENA MIBEBAKA B HONO.
Efa nolazaiko teto, ireo 2 ireo dia samy tsy misy ao amin'ny fiangonana misy ahy.
Izaho izao mandambady niteraka efatra ary tsy manantsaina velively ny hisaraka amin'ny vadiko mihitsy :).

Samia ho tahin'ny Tompo namana
46. didi10 ( 31/10/2012 07:59)
Lasa fampianaran'ny demonia indray koa izany ny fifadian-kanina.
Tsy hita intsony izy ity e!
47. RBNIR ( 31/10/2012 09:13)
didi10:

Lasa fampianaran'ny demonia indray koa izany ny fifadian-kanina.
Tsy hita intsony izy ity e!

Faly miarahaba namana didi10,
Mat.22:29
Tsy ny fifadian-kanina rehetra akory no ratsy saingy tokony ho fantatsika fa misy fifadian-kanina izay tsy ankasitrahan'Andriamanitra na dia mifady mafy aza ianao.
« Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo* ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo*.  » (Isa.58:3)
« Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin'ny avo. » (Isa.58:4)
« Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah? » (Isa. 58:5)

Mila mianatra isika namana a,
Ny fankasitrahan'i Jehovah no tanjona.
Tsy kitoatoa ny fanompoana AZY.
Nisy olona nampianarin'i JESOSY mivantana, tadiavo, hafa mihitsy fa tsy mitovy amin'ny fampianaran'izao tontolo izao.

Samia ho tahin'ny Tompo e
48. moustaraf ( 01/11/2012 04:25)
Salama namana,
Mila mbola mianatra zavatra maro ianao ry didi10 vao mapianatra satria "jamba mitarika jamba, ka...."
-Ny fihemorana araka ny Epistily dia ny fidiran'ny fivavahana Romana, nandrava ny fiangonan'ny Apostoly, ka tarazon'izany io misy anao ankehitriny io= finoana sy fivavahana miompana @ filozofia sy lojikan'ny sain'olom-belona tsotra izao= miverina mampiseho ny fankatoavana ny filan'ny nofo = fankafizana sakafo maloto, tsy manaiky hanaraka lalàna intsony,...= fampianarana Demonia

-Ny fanaovana fiafadian-kaniana dia efa nambara sy nampianarina hatrany @ fiandohana; ny fanaovanaovam-poana dia OTA ihany koa; Tsy baranahina akory ny famonjena ka izay tiako ihany no ataoko.
ohatra: Betsaka ireo mampifady hanina olona @ andro SABATA! LOZA BE izany satria , ny SABATA dia fifaliana sy fahafinaretana, fanandratana fiderana, fihinanana ny matavy sy ny matsiro,...fa tsy andro mahaory, fisentoana, fampijalian-tena akory...= lasa fampianarana Demonia, satria mampifamadika @ izay voasoritra hatramin'ny voalohany.

-Ianareo indray ry didi10 sy ny tahaka azy, na hiodina in-100 eto @ toko sy andininy tsongatsongaina etsy sy eroa dia tsy hahita mihitsy "TENY" milaza fa :
AZO HANINA NY BIBY MALOTO, na TSY IZY INTSONY NY LALANA, na zavatra hafa mitovitovy @ izany, raha tsy hoe HANOVA ANDIAN-TSORATRA MIHITSY angamba!!!
49. didi10 ( 01/11/2012 09:21)
Hafatra ho an'ireo taranaka fariseo izay mbola andevozin'ny lalàna:

Matio 15;10-14

MIHAINOA KA MAHAFANTARA: TSY IZAY MIDITRA NY VAVA NO MAMPALOTO NY OLONA; FA IZAY MIVOAKA NY VAVA IZAY NO MAMPALOTO NY OLONA

Mazava ny hafatry ny Tompo, tsy mba nampianatra ny olona ho voretra tsy hisasa tànana Jesosy na hiaro be fahatany ireo mpianatra izay tratra tsy nisasa tànana fa mazava ny hafatra.

Mahereza fa tafasaraka amin'i Mesia ianareo izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna.
50. moustaraf ( 01/11/2012 14:49)

Izahay namana dia nandray ny didy sy lalàna ao am-po, noho ny fitiavana: "soratako ao an-tsinareo ny didiko ary ao am-ponareo ny lalàko, mba handehananareo araka ny sitra-poko"
-Izany no hoe: Ambanin'ny fahasoavana= Arovan'ny Fanahiny @ ireo fahalotoana rehetra, fitarihan'ny nofo sy ny filàna ratsy rehetra :"IZAY MANDRAY NY ZANAKA DIA TSY MAHAY MANOTA".
-"Tsy mavesatra ny didiko ary maivana ny lalako".
Izany ve no lazainao fa fisarahana @ Mesia? sa ny fihizingizinana @ zava-maloto isan-karazany?? Sakafo maloto ve no andravanao ny fahamasinana??
-tSY SASATRA izahay ry didi10 mamerina aminareo hoe:" TSY IZAY MIDITRA NY VAVA NO MAMPALOTO NY OLONA; FA IZAY MIVOAKA NY VAVA IZAY NO MAMPALOTO NY OLONA" -
VAKIO TSARA NY CONTEXTE ry namana a! fa raha mpitarika sy mpitoriteny ka tsy mahalala akory mametraka ny teny izay vakiana @ fotoana nisehoan'izany teny izany dia tahaka ny "JAMBA MITARIKA JAMBA" ihany; fantatsika ny ihafarany....

Tranga tena nisy ity, vokatr'io fitsongatsongana toko sy andininy tsy amim-piheverana io:
"Ny adala manao hoe :Tsy misy Atra.......Mandehana ka dia manaova toa izany koa"
51. RBNIR ( 06/11/2012 09:59)

moustaraf:

[quote=didi10]
Hafatra ho an'ireo taranaka fariseo izay mbola andevozin'ny lalàna:

Matio 15;10-14

MIHAINOA KA MAHAFANTARA: TSY IZAY MIDITRA NY VAVA NO MAMPALOTO NY OLONA; FA IZAY MIVOAKA NY VAVA IZAY NO MAMPALOTO NY OLONA

Mazava ny hafatry ny Tompo, tsy mba nampianatra ny olona ho voretra tsy hisasa tànana Jesosy na hiaro be fahatany ireo mpianatra izay tratra tsy nisasa tànana fa mazava ny hafatra.
Mahereza fa tafasaraka amin'i Mesia ianareo izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna.

Faly miarahaba namana isany,
Marina ny an'i namana moustaraf, tsy mety ny mitsipona tenin'Andriamanitra hanohanana hevitra heverin-tsika fa marina.
Raha niteny io teny io Jesosy Tompo dia nentiny namaliana ity fanontaniana ity. « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Mat.15:2).

Ampiasao kely fisainantsika ry manantsaina isany, raha raisina ny tenin'i Jesosy Tompo ka handeha hofantarina ny tiany lazaina amin'ilay hoe "tsy izay rehetra miditra amin'ny vava".
Andeha asesy,
Lame à rasoir (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io)
Antsy (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io).
Biriky (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io)
Alika (efa hamidy eny an-tsena hono io ary betsaka hono no mpankafy azy)
Voalavo, bibilava, kankana sns (misy mihinana ireo ry zareo aziatika hono mpankafy ireny)
zazakely (efa hanin'ny olona koa hono io)
Dia ho sanatria (enga anie ka tsy hisy) any aoriana any hisy hihinana sy hisotro c... sy p...???
Tena izay v ilay hafatry ny TOMPO ry namana hoe tsy mandoto ny olona izany na inona na inona ampidirina ao am-bava?????? satria ampidirina am-bava daholo anie ireny e?

Manaraka izany dia fantaro ny dikan'ny hoe HANINA : ny hanina dia midika ho zavatra azo hohanina na koa hoe zavatra fihinana.

Araka ny levitikosy 11 Ny an-tsika olombelona dia Andriamanitra no efa nametra mialoha ny zavatra azon-tsika hohanina na izay rehetra ho fihinan-tsika .

Ary tsy mahazo mandika izany isika ka hilaza indray fa diso IZY fa ny zazakely, alika voalavo, sns.... dia tokony ho fihinan-tsika koa.

Averiko hatrany tsy didy nomena ny tarak'ISRAELY io fa efa nomena hatrany amboalohany ary ny olona tao anaty sambo fiara efa nahafantatra tsara an'io (na dia mbola tsy voarakitra an-tsoratra aza).

Ny TOMPO anie hanazava ny masompanahin'ny Tsirairay avy,

Samia ho tahin'i Jesosy daholo
52. didi10 ( 06/11/2012 11:19)

RBNIR:

Lame à rasoir (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io)
Antsy (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io).
Biriky (miditra amin'ny vava io satria misy mihinana io)

Edree!!! ay ve hanina ny lame sy ny antsy sy ny biriky aminareo e!

RBNIR:

Alika (efa hamidy eny an-tsena hono io ary betsaka hono no mpankafy azy)
Voalavo, bibilava, kankana sns (misy mihinana ireo ry zareo aziatika hono mpankafy ireny)

Ie, ireto izao no hanina ireto, fa ianao nga mihevitra fa ireny hanina importé (chips, croquette, cheez ball...) fantatrao ve ny mampatsiro be ireny, nefa ataonao gouter n'ny zanakao, miteny anao aho fa misy ve-tsin (olitra azo avy amin'ny alika) ireny, misy potika crevette, fa izao rehefa tsy hitanao ilay vaingana crevette sy ilay kisoa dia madio ihany ny fieritreretanao.

RBNIR:

zazakely (efa hanin'ny olona koa hono io)

Ny olona tsy hanina ka, na mifanao bizou aza, ny lelan'ny iray miditra anatin'ny vavan'ny iray. :-)

RBNIR:

Dia ho sanatria (enga anie ka tsy hisy) any aoriana any hisy hihinana sy hisotro c... sy p...???

Ary tsy fantatrao mihitsy ny dikan'ny hoe hanina!!!
ny toaka sy ny sigara koa izany hanina aminareo???
Ny hanina dia ireo sakafo natao hahasoa ny nofo ary natao ho an'ny nofo.

53. RBNIR ( 06/11/2012 11:49)
Faly miarahaba namana didi10,

Dia izay v no mba fahazoanao ilay fanazana nozaraina namana????
Mampalahelo namana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
54. tiavanafi ( 06/11/2012 21:03)

ary hoy izy t@ : hay ! hianareo koa aza mba tsy mahafantatra ! tsy fantrareo va fa izay rehetra eo ivelany olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy , satria tsy miditra ao ampony izany , fa ao ankibony ihany, ka mivoaka ao @ fivoahana ; IZAY NO NOLAZAINY MBA ANADIO NY HANINA REHETRA . marka 7 :18 / 20
55. tiavanafi ( 06/11/2012 22:04)
voninaitra ho an ' andriamanitra irery ihany

re: inona no evitrio teny ao @ marka tokony 7 : 18 io ?

vakio atra@ farany raha azo atao azafady .

MISAOTRA TPKO
56. RBNIR ( 07/11/2012 04:43)
tiavanafi:

ary hoy izy t@ : hay ! hianareo koa aza mba tsy mahafantatra ! tsy fantrareo va fa izay rehetra eo ivelany olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy , satria tsy miditra ao ampony izany , fa ao ankibony ihany, ka mivoaka ao @ fivoahana ; IZAY NO NOLAZAINY MBA ANADIO NY HANINA REHETRA . marka 7 :18 / 20

Faly miarahaba hatrany ry namana isany,
Tsy maninona fa averiko eto ihany na dia efa voasoratro ery ambony aza (satria voasoratra fa mahasoa ny teny miverimberina).
Manaraka izany dia fantaro ny dikan'ny hoe HANINA : ny hanina dia midika ho zavatra azo hohanina na koa hoe zavatra fihinana.

Araka ny levitikosy 11 Ny an-tsika olombelona dia Andriamanitra no efa nametra mialoha ny zavatra azon-tsika hohanina na izay rehetra ho fihinan-tsika .

Ary tsy mahazo mandika izany isika ka hilaza indray fa diso IZY fa ny zazakely, alika voalavo, sns.... dia tokony ho fihinan-tsika koa.

Averiko hatrany tsy didy nomena ny tarak'ISRAELY io fa efa nomena hatrany amboalohany ary ny olona tao anaty sambo fiara efa nahafantatra tsara an'io (na dia mbola tsy voarakitra an-tsoratra aza).

Ny TOMPO anie hanazava ny masompanahin'ny Tsirairay avy,

Samia ho tahin'i Jesosy daholo
57. didi10 ( 07/11/2012 08:16)
Marina fa ny voalazan'ny namana tao aloha tao fa ny jentilisa no tandindon'ny biby maloto.

Efa mazava ny lalàna napetrak'i Jehovah hatrany amboalohany fa tsy tokony hifanerasera na hiresaka akory amin'ny jentilisa (hafa firenena) ny Jiosy satria maloto ireny.

Isaia 52,1
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô;
tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina;
fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.

Tamin'ny voalohany I Jesosy tsy tonga hamonjy ny olona rehetra (jiosy + hafa firenena) fa ny taranak'Israely ihany, rehefa avy nifidy ny 12 lahy Izy ka naniraka azy ireo dia mbola nandrara azy ireo tsy hifanerasera amin'ny jentilisa :

Matio 10;5
5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny làlan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana, 6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely.

Jereo anie ny "ni-traitén'i" Jesosy ho alika an'ity ramatoa iray jentilisa nitady fanasitranana e!
Matio 15;26
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona. 22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. 23 Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. 24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. 26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely

Saingy indrisy fa tsy nety nandray ny famonjena ireo taranak'Israely, tamin'ny fanoharana no nilazan'i Jesosy momba ireo mpiasa tsy mendrika namono ny zanaky ny tompon'ny tanimboaloboka fa hoesorina amin'ny taranak'Israely ny satro-boninahitra ka omena ny hafa firenena mahavokatra ny voany (Matio 21,43).

Maty Jesosy, nitriatra ny lamba tao amin'ny Tempoly izay nampisaraka an'Andriamanitra sy ireo hafa firenena, nodiovin'Andriamanitra ireo noheverina fa maloto hatrizay, mbola profon'izany ireo fahitana hitan'i Petera in-3 izay misy biby maloto sy madio nasaina nohaniny satria nirahina hampianatra sy hanao batisa an'i Kornelio (Romana = hafa firenena) izy.

58. moustaraf ( 07/11/2012 11:46)

>vakio kely ny ROMANA 11 "Ny mbola handraisana ny jIOSY indray rahatrizay", vakio manontolo. Mazava tsara ny fanavahana ataon'ny Paoly ny Jiosy sy (Ianareo) Jentilisa.

>and.7 :Izay notadiavin'Isaraely dia tsy hitany, FA NY VOAFIDY IHANY no nahazo izany, fa NOHAMAFISINA kosa ny fon'ny sisa"

>and.11"...ny fahatafintohinany (Israely) no nahatonga famonjena ho an'ny Jentilisa MBA HAMPIALONA AZY.....maika fa ny fahafenoana (dikan-teny original= ny fiverenanay).

>Tsy misy an'izany satro-boninahitra nafindra izany ry didi10 a!
mazava tsara io voasoratra io: Ny jiosy sasany no tsy nino
Ilay Kornelio natao Batisa ve no ilazana fa nafindra ny fifidianana?? Diso be
Vakio tsara fa i Kornelio dia voasoratra fa Mpivavaka tsara: nivavaka t@ inona? Torah= tsy nihinana biby maloto na dia hafa firenena aza.

>I PETERA TSY NIHINANA BIBY MALOTO FA NANDA HATRAMIN'NY FARANY= Tsy nampianarin'i Mesia nihinana biby maloto ny Apostoly
59. didi10 ( 08/11/2012 06:36)

Ekeko ary mbola confirmeko fa tapitra ny famonjena ny jentilisa vao horaisina indray ny jiosy satria nohidin'Andriamanitra mihitsy ny fony.
Ohatry ny mpanambady tara any amin'ny Commune io e!! izay tara dia lasa farany.
Ka inona no tiantsiaka hirentirenty ho taranaka Jiosy kanefa hiandry farany sa hanetry tena ho jentilisa kanefa efa manana anjara sahady amin'ny famonjena?

Sady mazava ny hafatry ny Mesia namana a! rehefa tsy hibebaka ianao dia tsy ho voavonjy na taranak'iAbrahama aza
lioka 3,8
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

moustaraf:

>Tsy misy an'izany satro-boninahitra nafindra izany ry didi10 a!
mazava tsara io voasoratra io: Ny jiosy sasany no tsy nino
Ilay Kornelio natao Batisa ve no ilazana fa nafindra ny fifidianana?? Diso be
Vakio tsara fa i Kornelio dia voasoratra fa Mpivavaka tsara: nivavaka t@ inona? Torah= tsy nihinana biby maloto na dia hafa firenena aza.
>I PETERA TSY NIHINANA BIBY MALOTO FA NANDA HATRAMIN'NY FARANY= Tsy nampianarin'i Mesia nihinana biby maloto ny Apostoly

Izaho nga no niteny hoe afindra ny satro-boninahitra fa tsy ny Mesia!!!
Averiko ihany fa ny hanina dia ho an'ny nofo, ny tantaram-pirazanana dia ho an'ny nofo fa rehefa nandray an'i Mesia dia tsy misy intsony ny fanavahana na genre na origine na niveau social.

Miala tsiny aho fa hilaza fa feno fihatsaram-belatsihy ny fanavahana ny hanina madio sy maloto, rehefa hena-kisoa sy crevette dia tsy mihinana fa rehefa nandandizanan'ny vitsika sy kadradraka sy ipetahan'ny lalitra ny vary sy ny siramamy dia tsy maninona, tena marina ny voalazan'ny Teny fa ny fisainana no voaloto.

Titosy 1,15
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany
60. tiavanafi ( 08/11/2012 09:16)
re:bjr daholy
ray o mamindra fo aminay tsirairay avy fa tsy fantatray tokoa izay ataonay.

za tompoko tsy miteny hoe jesosy tonga mba anova ny lalana sanatria fa...............izany tokony vao teraka jesosy de novonoina nandatsahana ny rany mba ho famelankeloka sns....... fa tsy nampianatra intsony satria lay didin'a/tra rehetra dia efa tao @ TT é .
raha hataonao fa maloto io bibi io de aza ho anina tsisy anao forcé anao hoe madio io fa kosa aza manakiana ny mihinana satria efa nohaniny @ anarany jesosy kristy izay lalana sy fahamarinana ary fiainana izany izay tsy misy mankany @ray afa-tsy @ alalany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097