Biby maloto

61. tiavanafi ( 08/11/2012 09:35)
tsy aleoko ve mandray an'i kristy
toy izay anao toy ny ani silamo tsy mihinan-kisoa satria biby maloto hoy ry zareo nefa manozona olo no ataka ataony isanandro ao
sady tsy mandray izay nolazainy jesosy izy ary tsy mazava @ ny antony nahatongavany jesosy
; aza manao hoe ianao tsy mihinana kisoa no madio ary izay mihinana no maloto , ( io namana milaza fa inona ny hanina voalavo koa ve hanina? tsy mitovy ny voalavo sy kisoa na ny alika jereo @ tantaran'y jesosy fa misy ilay rangay miandry kisoa nidiran'y demonia iny ka niroasin'i jesosy nakao @ kisoa ny devoly tao @ndrangay hanina matoa nandrasany fa za mbola tsy nahita tao olona miandry voalavo na alika toy ny nolazainao) ka noho izany anisany hanina nodiovin'i jesosy ny kisoa
62. RBNIR ( 08/11/2012 09:48)
Faly miarahaba namana tiavanafi,
Eo anatrehan'Andriamanitra namana dia mitovy avokoa na kisoa na voalavo ...
Rehefa voarara ao amin'ny levitikosy 11 dia mitovy avokoa namana.
Porofo : « Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah. » (Isa.66:17)

Izay hanina indraim-bava v namana isany no tsy hahazoana loka???

Efa nentina teto daholo ny porofo fa JESOSY TSY NIHINANA ARY TSY NAMPIANATRA NY APOSTOLY SY NY MPIANANY NIHINANA?????

Samia ho tahin'ny Tompo
63. tiavanafi ( 08/11/2012 10:33)
re: tohiny
azafady indridra fa ilaza anaram-piangonana aho sy ananaran'olona.

tao @ fiangonana vahao ny oloko tao a toamasina mangarano 2 ,tany mantsy zahay no nipetraka taloha.
( ry zareo tsy mihinana kisoa mivavaka sabotsy izay no malaza ao ),
nisy vehivavy iray atao oe tina no anarany izay manofa trano eo akaikinay piresaka amiko izany vehivavy izany , misy devoly marobe hono io veivavy io atrany an_kibon-dreniny misy otrany sarintany madagascar zay ao andamosiny na io pasterany vahao ny oloko io dia tokony atadidy tsara ity vehivavy ity , inoko marina fa tena be devoly izy satria ataony daholy zao rehatra izao mangalatra , mandrava ,mandainga , mivarotena,maloto, miteny ratsy, ary izy miteraka de maty fona ny zanany ( hoy ry zareo fa tsy hitako efa tokony ho valo ny zanany fa roa no sisa hitako) tsy aiko fa tonga saina angamba izy indray mandeha de nadeha nivavaka tao @ vahao ny oloko isaky ny asabotsy, dia nanaiky ny atao delivrance, efa matetika atao fa mbola tsy afaka iany ilay devoly ,ka raveivavy ny fivarontatena no ivelomany nefa izy no nilaza tamiko hoe za angé efa tsy mivoka alina intsony zao fa mivavaké efa natao delivrance mihintsy aza é ...tsara izany hoy aho ,
izy @zany tena sahirana na aratsakafo indray maita indray tsy mahita satria efa tsy mandeha mivoaka alina intsony , indray andro asa nanao kavina zany hono izy teny @ lalana itany piaramivavaka de nolazainy an'i pastera dia rehefa nandeha hivavaka ilay tina de noroasiny ndry zareo tao fa nanao kavina pijangajanga ary dé noroasiny mihintsy tsy navelany hiditra ny fiangonana.
niteny tamiko ilay tina hoe norohasiny aho fa lazainy pijangajanga za mantsy tsy dia piresaka loatra fa nieritrerita fotsiny aho hoe tsy olony hoatra ndry tina tony va no tadiaviny jesosy ho vonjena? ka nahoana de noroasina izy ? tsy fantrako @zao fa t@ zao mbola tany dia naita an'i tina niverina t@ zavadratsy rehetra indray. misy ny milaza fa mafy ny displine ao @ fiangonana iray, ekeko zany nefa jesosy ange tsy tonga itady marina fa ny panota mba hibebaka fantatsika tsara izany teny za ? tsy misy marina na dia iray aza anjaranao aza manomé fanampina ho azy mba tsy iverenany @ fivarotatena satria mbola nofo amandra izy tsy maintsy misakafo ary mampianatra azy mba ihaino tsara ny tenin'andriamanitra ahafahany mandresy @ fatotra rehetra mahazo azy . fa tsy ny fihinanan-kisoa no na ny fanaovana kavina no ampiemoranao ny olona anakiray te iova fo .
zay fa misaotra

64. RBNIR ( 09/11/2012 05:24)

tiavanafi:

Faly miarahaba namana,
Fizarana ny marina no atao eto namana ary mihezaka manazava hatramin'ny antsipiriany ny marina sy ny zava-miafina rehetra.
Anjaran'ny tsi11 indray kosa no mandray na tsia .
Samia ho tahin'ny Tompo namana
65. leva2 ( 09/11/2012 16:46)
Velona Jesosy!

Ity tenin'Andriamanitra ao amin'ny Romana 14/01-04 ity tokoa angamba ry namako isany no mahafehy ity resaka ity :
ARY raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.

Koa miangavy antsika indrindra mba handinika tsara sy milamina ny hevitr'ireo voasoratra ireo, ary ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika amin'izany.

Misaotra namana!
66. moustaraf ( 10/11/2012 17:44)
Salama namana,
AVERIKO INDRAY, ary AVERIKO FOANA,
>i PETERA TSY NIHINANA NA DIA KELY AKORY AZA TAMIN'IREO BIBY MALOTO NASEHO AZY = TSY NAMPIANATRA AZY IREO NIHINANA BIBY MALOTO NY MESIA.
(Ohatra tena concret sy mivantana io )
>SA I PETERA KOA TSY NAHAZO TSARA ILAY FAMPIANARANA NOMENA NY APOSTOLY, FA IANAREO NO TENA NAHAZO AZY?????

>"AZA MAMETAVETA NY FANAHINAREO @ FIHINANANAREO BIBY MALOTO"
>IZAY REHETRA NANDRAY AZY DIA NOMENA HERY HO TONGA ZANAK'I AVOINDRINDRA,
>NY ZANANY DIA IZAY MITANDRINA NY DIDINY= TORAH = LALANA= TSY MIHINAN-KINAM-POANA
67. bor2lais ( 12/11/2012 14:39)
ery_pejy_1:

Marina izany namana, sanatrian'izany hiady aman-kanina amin'ny Tompo ny hiafarany.
Tsy hoe dia efa tsisy hohanina ny tena fa mba omeny izay sahaza ihany.

:-) :-)
68. moustaraf ( 13/11/2012 03:37)

leva2:

Velona Jesosy!

Ity tenin'Andriamanitra ao amin'ny Romana 14/01-04 ity tokoa angamba ry namako isany no mahafehy ity resaka ity :
ARY raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.

Koa miangavy antsika indrindra mba handinika tsara sy milamina ny hevitr'ireo voasoratra ireo, ary ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika amin'izany.

Misaotra namana!

Salama namana,
Efa naverimberina teto io toko sy andininy lazainao io, fa "Mafy rehefa natao tsy hahazo ny dikan-teny mazava" fa maizina foana ary maniry ny hitoetra anatin'ny maizina
Rappel:
CONTEXTE (vakio manontolo)
Famahana olana nisy t@ ireo mpino izay nisy antokony 2 mazava tsara:
1.Vezetariana= malemy fanahy =Tsy mihinana afa tsy anana
2.Mihinana hena = HENA AZO HANINA = ZAVATRA REHETRA

>Mikasika ilay tantarana vehivavy janga resahin'ny namana etsy abony; "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy" = Izany anie no hazavaina eto foana hoe BIBY MALOTO efa nodiovina = OLOM-BELONA AFAKA MIOVA FO, fa tsy BIBY ARA-BAKITENY raka ny tian'ny sasany hamiliana ny filazantsara.
N.B/ TSY NIHINANA I PETERA FA NANDA IN-3= TSY NAMPIANARINA HIHINANA BIBY MALOTO NY APOSTOLY.

>"Noroahina ny devoly ka nalefany tany @ kisoa"
1.Nahoana no tsy nalefa tany @ ampondra, na ondry, na osy? nefa samy biby ireo?
-Ny hafa firenena izay teo @ Israely no niompy sy nihinana ireny biby maloto ireny, ary eto dia NOPOROFOINA FA TSY TOKONY HISY HIOMPY NA HIHINANA AN'IRENY AKORY AZA FA BIBY MALOTO NATOKANA HO AN'NY FAHAVETAVETANA IRENY
-Matoa norarana ny fihinanana azy dia biby nisy sy niriaria teo @ fiaraha-monina tokoa io, ka aoka tsy hanitatra sy hilaza isika fa ny fisian'ny kisoa teo @ israely = nihinana kisoa izy.

>Ny dikan'ny hoe ao @ J.K = Azo hanina ny zavatra rehetra satria nodioviny t@ rany!!!
MAHAGAGA izany fampianarana izany!
>Ny ràn'i Mesianareo ve sady nanadiovana BIBY no nandiovana fahotanareo??? Raha izany dia mitovy lenta @ biby izany ianareo?

Ilay RA SARO-BIDY dia tsy nalatsaka ho an'ny biby ry namana a! na ho an'ny Kisoa, alika, voalavo mba hanadiovana azy , tahaka izay torianareo eto! sanatria anie izany!

Eto dia Mahafaly anareo ny MAMPIFANDRAFY NY RAY MPAMORONA, izay milaza fa maloto ireo biby ireo, @ ZANAKA (Izay teniny tonga nofo) sy ny FANAHINY (Izay nirahiny hanazava sy hitarika), ka sahy dia sahy mihitsy ianareo MITENY RATSY IREO FAHAFENOANA IREO.

>TSY MISY FIFANOHERANA AMIN(IREO NA DIA KELY AZA, FA NY FANAHY RATSY IZAY VETAVETA NO MAMPIANATRA SY MITARIKA NY OLONA @ FAHALOTOANA .
69. RBNIR ( 14/11/2012 13:48)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,

Hamitinako ny fizarana nataoko teto momba ity lohahevitra ity dia :
1- Levitikosy toko faha 11 : Didin’Andriamanitra no mandrara tsy hihinanana ny biby maloto na tsy madio.
Gen.7:2 tany amboalohany dia efa nampahafatarin’Andriamanitra fa misy ny biby madio sy ny tsy madio natao 7 ny biby madio nampidirina tao an-tsambo fiara (mba hisy hihinanan’izireo koa noho ny fahelan’ny fotoana).
Asa.10:14 Petera nitandrina io didy io noho izany Jesosy Tompo dia nitandrina an’io koa ary nampianatra ireo mpianatra hanao toy izany koa.

2- Mat.22:29 « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hœ: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. »
Misy teny sasany ao amin’ny baiboly izay tsy fantatry ny olona sasany ny tena heviny entiny hampianarana ny olona fa efa foana ny fitandremana io didin’Andriamanitra io. Ny fampianarana entin’izireo dia «TOA MARINA tokoa», saingy mila mahafantatra tsara isika.
Ireto anisan’ireo teny ireo:
• Asa.10:15 tsy ara-bakiteny io teny io fa manana heviny hafa dia Asa.10:28 (…….. izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hœ fady na tsy madio.
• Mat.15:17,18 sy Mar.7:15,19 ireo teny ireo dia entin’ny olona mampianatra fa ny hanina rehetra hampidirina ao am-bava dia tsy mandoto ny olona (eny fan a dia ireo hanina efa nandran’Andriamanitra tsy hohanintsika aza). Ny tena marina anefa (vakio hatramin’ny farany ny Matio toko faha 15 sy ny Mark toko faha 7) ireo teny rehetra ireo dia nentin’I Jesosy TOMPO nandravana ilay didin’olombelona (fa tsy didin’Andriamanitra) momba ny fanasan-tanana . Hoy tokoa mantsy Jesosy Tompo raha nanome ny dikan’ireo tamin’ireo tamin’ny mpianany « izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona. » (Mat.15:20). Mazava B io fa dia notsindriny mazava fa resaka misasa tanana no tiany ambara ery aloha rehetra.
• Romana toko faha 14 misy teny alain’ny olona koa ao nefa rehefa vakiana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia hita fa teny nentina nandaminana ny olana teo amin’ny kristianina tsy mihinana afatsy zavamaniry (vegetarian) sy ny kristianina mihinakena
• Ireto manaraka ireto koa no mbola tsy voalaza nefa mety ho entin’ny sasany eo amin-tsika ihany koa hamianarany an-tsika fa efa azo ho hanina ny biby tsy madio rehetra . « Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; » (1 Kor.10:25)
« fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1). » (1 Kor. 10:26)
« Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. » (1 Kor.10:27)
Ny tena tian’Andriamanitra hampitaina amin’ireo dia « Fa raha misy manao aminareo hÅ“: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana. » (1 Kor.10:28) Ny tiany ampitaina dia ny momba ny hena atolotra amin’ny sampy fa tsy fanomezan-dalana velively hihinana biby tsy madio (vakio ny 1 Koritianina toko faha 8 fa tsy azo atao ny mihinana hena atolotra amin’ny sampy)

3- Nozaraiko teto ihany koa ny dikan’ny hoe hanina raha ara-baiboly. Ny hanina = zavatra azon’ny olona hanina (izany hoe araka izay efa nameran’Andriamanitra azy hita ao amin’ny levitikosy) . Noho izany ny teny rehetra ilazana ny hoe «ny hanina» dia tsy tafiditra ao amin’izany akory ireo efa nolazain’Andriamanitra fa tsy azon’ny olona hanina satria tsy «hanina» iny eo anatrehany.

4- Farany mbola tsy nozaraiko fa dia teneniko farany ihany koa. Any amin’ny toerana misy an’Andriamanitra tsy misy alina sy maraina (isika eto amin’ny système solaire miala tsiny tsy voadika no misy andro sy alina fa any amin’izay toerana misy an’Andriamanitra araka ny apok.22:5 dia IZY no manome ny fahazavana fa tsy ny masoandro) . Toy ny andro foana araka izany fa tsy misy alina any amin’ny fitoerany (tsy misy fifandimbiasan’Andro sy alina) noho izany raha miteny zavatra iray IZY 10000 taona tany aloha dia toy ny vao omaly iny Aminy, ary rehefa tsy tiany omaly dia tsy ho tiany mandrak’izay. Ary voaporofo ara-baiboly (ery ambony ery) fa ny fifadiana ny biby maloto dia efa nisy tany amboalohany , nosoratana ho lalàna tamin’ny andron’I Mosesy ary notandreman’I Jesosy Tompo sy ny namany, Ny ankamaroan-tsika taty aoriana izay tsy nahafantatra ireo zava-miafina rehetra ireo no tsy mba nanohy fa nanaiky ireo fampianarana «TOA MARINA» rehetra.

Ny TOMPO anie homba an-tsika namana ka hanazava ny sain-tsika rehetra.

Samia ho tahin’I JESOSY daholo.
70. moustaraf ( 14/11/2012 17:29)
Salama namana,
Indraindray aho toa te hiteny hoe, ry didi10 sy ny tariny ve mahay mamaky teny sa tsia e? sa rehefa izay no nampianarina dia tsy maintsy izay no izy?

VAKIO TSARA NY TOKO MANONTOLO RY NAMANA ISANY VAO MAKA FANAZAVANA !

Maro ireo antokom-pinoana no mampianatra soratra masina @ alalan'ny fitadidiana toko sy andininy atambatambatra mba ho etina handrsen-dahatra ny mpihaino, ka io no vokany!
"Ny adala manao hoe Tsy misy A/tra...........+Mandehana ka dia manaova toy iznay koa"
71. tiavanafi ( 28/11/2012 16:02)
bjr ny namana rehetra
tia antsika andriamanitra ary koa te amonjy antsika izy, izay fantrao fa sitrapony no atao fa tsy ny adihevitra sy ny fitsikerana ny antokopinoanana rehetra izao , ny mitory @ tsy mahafantra no tokony atao mba inoany sy ankatoavany fa jesosy kristy maty ho antsika ,izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana izay mino azy no hanana ny fiainana mandrakizay;
amena ! deraina jesosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.206