Hanina madio sy maloto; mbola mitoetra ve?

1. didi10 ( 22/01/2012 06:33)
Tsara ny Tompo

Rehefa nandinika ny fahamarinana ara-baiboly ny tenako dia nahita fa ireto zavatra ireto dia mbola mitoetra hatramin'izay ka hatramin'izao:
- Ny sabata andro fitsaharana sy fisaorana an'Andriamanitra
- Ny fanomezan'ny Fanahy Masina
- Ny didy 1O
ary ny fanavahana ny hanina ho madio sy ho maloto, Inona no nampianarin'ny fiangonana antsika?
novalian'i Nehemiah ny 18/12/2012 15:20
2. RBNIR ( 23/01/2012 11:52)
didi10:

Tsara ny Tompo
Rehefa nandinika ny fahamarinana ara-baiboly ny tenako dia nahita fa ireto zavatra ireto dia mbola mitoetra hatramin'izay ka hatramin'izao:
- Ny sabata andro fitsaharana sy fisaorana an'Andriamanitra
- Ny fanomezan'ny Fanahy Masina
- Ny didy 1O
ary ny fanavahana ny hanina ho madio sy ho maloto, Inona no nampianarin'ny fiangonana antsika?

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ity teny manaraka ity dia misy zava miafina tian'Andriamanitra haseho an-tsika taranaka aty aoriana.
Raha tsy mahatakatra ny tena hafatra miafina tian'Andriamanitra ampitaina amin-tsika isika dia ho tafalatsaka ao amin'ilay hoe "fahadisoan-kevitra" voalaza ao amin'ny Mat.22:29
Am-pitiavana sy ampanetretena lehibe tokoa no hizarako azy eto ho an-tsika:
Inty ilay teny :
« Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. » (Asan'ny Apostoly 10:9)
« Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy » (Asan'ny Apostoly 10:10)
« ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany; » (Asan'ny Apostoly 10:11)
« ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka ety an-tany ary ny voro-manidina. » (Asan'ny Apostoly 10:12)
« Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. » (Asan'ny Apostoly 10:13)
« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)
« Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. » (Asan'ny Apostoly 10:15)
« Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra. » (Asan'ny Apostoly 10:16)
« Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady, » (Asan'ny Apostoly 10:17)

Betsaka amin-tsika kristianina no mandray io teny io ho fanomezan-dalana avy amin'Andriamanitra hihinana amin'izay ireo karazam-biby rehetra izay nokilasian'Andriamanitra ho maloto raha araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny Lev.11.

Izao anefa no tena zava-miafina fonosin'io teny io :
Matoa Petera nandà mafy in-telo dia azo antoka 100% fa tsy mbola nihinana ireo mihitsy izy talohan'ny nisehoan'io fahitana io.
Izay indrindra no hanairana ny masom-panahitsika.
Taiza moa Petera talohan'io?
« Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. » (Matio 4:18)
« Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (Matio 4:19)
« Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. » (Matio 4:20)
Araka ireo teny ireo dia talohan'ny nisehoan'io fahitana io dia nanaraka an'i Jesosy Tompo foana i Petera ry namako isany.
Ny sakafo nohaniny dia izay sakafo niarahany nihinana tamin'i Jesosy Kristy Tompo.

Azo antoka 100% araka izany fa Jesosy Kristy Tompo dia tsy nihinana mihitsy izay biby voakilasy hoe maloto tao amin'ny bokin'ny Lev.11.
Mino aho fa hiaraka hanaiky izany isika rehetra.

Izay nataon'i Jesosy Kristy Tompo anefa no tsy maintsy ataon-tsika kristianina rehetra koa.
Ary tokony hofantarin-tsika mazava tsara no antony nandraran'Andriamanitra ny olona tsy hihinana ireo biby ireo fahiny.
Ny antony dia tokana ihany efa lazain'Andriamanitra an-tsika eo amin'ny famaranany ny levitikosy.11: « Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. » (Levitikosy 11:43)
« Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Levitikosy 11:44)
« Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho. » (Levitikosy 11:45)

Ny tanjon'Andriamanitra dia tokana ihany araka ireo teny ireo : Mba ho masina isika. Izay irery ihany no antony tsy hihinana ireny karazambiby ireny.

Ry namana zava-dehibe araka izany no antony hitandremana ny tsy hinanana an'ireny satria hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

Ny tanjona dia fanamasinan-tena mba hahafahantsika miditra ao rahatr'izay.

Izay no zava-miafina fonosin'iry teny ao amin'ny asan'ny apostoly iry.
Ary ny tena antony nanehon'Andriamanitra ny fahitana dia izao no tena Marina : « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)

Ny anton'ilay fahitana dia ny mba "hampahafantarin'Andriamanitra an-tsika fa tsy misy olona azo-tsika atao hoe fady na tsy madio".

Izay fa dia samy ho tahin'ny Tompo ry namana isany.
Mahereza daholo






3. hery ( 23/01/2012 16:06)

didi10:

Tsara ny Tompo

Rehefa nandinika ny fahamarinana ara-baiboly ny tenako dia nahita fa ireto zavatra ireto dia mbola mitoetra hatramin'izay ka hatramin'izao:
- Ny sabata andro fitsaharana sy fisaorana an'Andriamanitra
- Ny fanomezan'ny Fanahy Masina
- Ny didy 1O

Mahafinaritra izany. Tsara fa tohizo.

didi10:

ary ny fanavahana ny hanina ho madio sy ho maloto, Inona no nampianarin'ny fiangonana antsika?

Ny fiangonan'iza?

Raha ohatra ka hoe madio sy maloto no antony tsy hihinana kisoa dia io efa nolazain'i rijadolly eo ambony io hoe tsy tokony hisy sakafo maloto izany.
Misy koa nolazain'i Jesoa hoe "Tsy ny sakafo miditra ny vava no maha-loto ny olona fa izay aloaky ny vava" (Mt. 15:11)

Fa raha zavatra hafa no tsy ihinanana kisoa dia zavatra hafa indray izay.

Mahasalama vatana ny tsy mihinana kisoa, mampadio ny ra, mampatanjaka. Ka raha ireo no resahina dia mahafinaritra ny tsy fihinanana kisoa.
raha ny fanavahana ny hanina madio sy maloto dia sendra hitako fotsiny ity
4. didi10 ( 23/01/2012 16:57)
Tsara ny Tompo

Miarahaba anao aho namana RBNIR

Mahafinaritra ny fandaharana asainao arahina amin'ny Tv fa manam-pahendrena ny mpitandrina arahinao saingy tsy mbola feno ny fahamarinana izay matimatisanareo ny fahavitana ny asany.

Tsy hitsara anao aho aloha voalohany indrindra raha tsy mihinana izay biby eritreretinao fa biby maloto ianao satria hoy ny Soratra Masina hoe
Rom 14 : 3
3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.

Tsy iankinan'ny famonjena intsony tokoa mantsy ny resaka sakafo satria i Jesosy no efa niteny fa :

Mat 15 17-18
17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana? 18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.

Mampahery anao ahy rahalahy mba hatanjaka amin'ny finoana satria tsy mba avy amin'Andriamanitra izany fampianarana sakafo madio sy maloto izany fa fampianaran'olombelona, fivavahana haitraitra araka ny voalazan'ny Soratra Masina:

Kol 2 : 20 - 23
20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

Nefa raha heverinao ho maloto ireny sakafo ireny dia aza mihinana satria efa maloto ny eritreritrao raha mihinana izany amin'ny fanafintohinana;

Rom 14-Rom 20
14 Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.

Titosy I 13-15
13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, 14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany

Mahereza Rahalahy aza miandry ampianarina foana hoy aho fa raiso ny Baibolinao dia vakio fa tsy misy teny noforoniko ireo na iray aza.

Masiatsika ity farany ity rahalahy fa mahereza
Tim I 4 : 1 - 16
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, 5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

Vakio tsara aloha ny Baibolinao vao mandeha mihazakazaka any amin'i Pastera Heritiana ianao.

Mehereza rahalahy.
Amena

5. RBNIR ( 24/01/2012 07:53)
Faly miarahaba namana Hery sy Didi10,
Misaotra amin'ny hafatra napetrakareo,
Ny tiako ampina fotsiny dia izao araka iry fanazavako ery ambony ery dia mino aho fa samy hiaraka hiaiky isika fa tena tsy nihinana ireny tokoa i Petera sy Jesosy Kristy Tompo,
Efa mba napetrak'isika v ry namana isany ny fanontaniana hoe naninona tokoa ary no nitandrina izany ry zareo?? nefa iretsy teny tanisain'i Didi10 iretsy tokoa "toa" mananambara fa tsy zava-dehibe ny resaka hanina???
Ny marina anefa dia izao tsy azon'ny akamaroan-tsika ny tena tian'i Jesosy Tompo ampitaina. Izay indrindra no nanamarihako hoe "Toa" satria raha ny marina zavatra hafa no tena tian'ny Tompo ampitaina amintsika amin'ireny teny ireny e!. Oh fotsiny ilay ao amin'ny Mat.15 raha vakiana tsara hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany dia tsy misy hidiran'ny resaka hanina maloto mihitsy fa fanasana tanana no nokianin'i Jesosy Tompo. Niainga avy tamin'ity fanontaniana ity ny valitenin'ny Tompo. « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Matio 15:2).
Taloha tokoa ny olona dia nanaja io didy fanasana tanana io satria ny olona nihevitra fa raha maloto ny tanana dia voaloto koa ny sakafo hohanina dia izay dia manjary mandoto ny tena rehefa miditra any anaty dia izay no nahatonga an'i Jesosy Kristy namaly hoe « tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona. » (Matio 15:11).
Jesosy tsy tonga handrava ny lalàn'Andriamanitra fa tonga hanantanteraka ireny lalàna ireny (Mat.5:17). Ny lalàna noravainy teto dia tsy ireo lalàna ao amin'ny levitikosy 11 akory fa ny lalàna momba ny fanasana tanana alohan'ny hisakafoanana izay nolazainy mazava fa tsy didin'Andriamanitra fa didy natolotry ny razana (Mat.15:3).

Dia toy izany daholo ireo toko sy andininy notanisain'i didi10 ireo. Tsy ilay ao amin'ny levitikosy 11 no tena tian'i Jesosy ambara amin'ireo fa tena mila mianatra isika (araho hatrany ilay fandaharana ry namana dia hofantatsika ny miafina rehetra). Tsy ho vitako eto fa miala tsiny e, mitaona ny olona no azoko atao fa any dia ny feno no atolotra ho antsika.

Farany dia hamafisiko fa matoa i Petera tsy nanaiky nihinana ireo biby maloto dia satria tsy nataony mihitsy izany talohan'ilay fahitana.
Izy anefa dia niaranisakafo isan'andro isan'andro tamin'i Jesosy Tompo ka izay no ahafahantsika manamarina fa i Jesosy Kristy Tompo dia tsy nihinana ireny mihitsy.
Voalaza fa ny làlana rehetra nalehan'i Jesosy Kristy Tompo no tsy maintsy làlana halehantsika koa.

Izay fa dia samy ho tahin'ny Tompo daholo indray ary izy anie hitarika an-tsika hatrany mba ho tonga amin'ny fahalalana ny marina rehetra hahatanteraka ny famonjana an-tsika (ITim.2:4)




6. RBNIR ( 24/01/2012 08:06)
Didi10, fanamarihana kely fotsiny, pasteur herinirina no marina fa tsy heritiana (pasteur vahao ny oloko angamba ny pasteur heritiana raha tsy diso aho)

Samy ho tahin'ny Tompo e
7. hery ( 24/01/2012 08:13)
Salama indray

RBNIR:

Faly miarahaba namana Hery sy Didi10,
Ny tiako ampina fotsiny dia izao araka iry fanazavako ery ambony ery dia mino aho fa samy hiaraka hiaiky isika fa tena tsy nihinana ireny tokoa i Petera sy Jesosy Kristy Tompo,


Tsy misy mahalala na nihinana ireny i Jesoa sy i Petera na tsy nihinana satria tsy voasoratra tao amin'ny baiboly izany. Ny fantatra fotsiny kosa anefa dia nisy fomba taloha hafa izay nodikainy, toy ny hoe miasa andro sabata, manasitrana andro sabata, mitango vary amin'ny andro sabata.

Sarotra ho an'i Jesoa koa ny hihinana kisoa satria ny olona rehetra manodidina azy tsy nihinana kisoa ary mety tsy nisy kisoa hohanina mihitsy tamin'izany. Imbetsaka nefa izy no nisakafo tany amin'ny poblikana ary mety efa nisakafo tany amin'ny romana ihany koa. Koa raha nisy kisoa tany dia tsy ho niavona izy raha ny fahitako ny fombany :-)

Izay no ilazako hoe tsy misy mahalala izany, ka tsy izay no azontsika entina hanohanana hevitra.


RBNIR:

Oh fotsiny ilay ao amin'ny Mat.15 raha vakiana tsara hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany dia tsy misy hidiran'ny resaka hanina maloto mihitsy fa fanasana tanana no nokianin'i Jesosy Tompo. Niainga avy tamin'ity fanontaniana ity ny valitenin'ny Tompo. « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Matio 15:2).


Ny fandikàna ny lalàna taloha amin'ny ankapobeny satria tonga ny lalàna vaovao no tena votoatiny. Ny fandikàna nentin'i Jesoa anie tsy hoe fandikan-dalàna fahatany hoe ratsy ny lalàna taloha e. Fa tonga izy hanavao ny lalàna. Izany hoe tsy hifototra amin'ny zavatra ivelany fa amin'ny fo sy ny fanahy manontolo. Jereo ny Matio toko faha 5 manontolo. Henonareo hoe .... fa izaho "KOSA" milaza aminareo hoe... Izany hoe misy fanavaozana na fanatsarana ao.

Amiko, ny didy lehibe indrindra dia ny fitiavana. Raha manimba fitiavana ny fihinanana kisoa dia mitsipaka ny didin'Andriamanitra. Raha manimba fitiavana koa anefa ny tsy fihinanana kisoa dia mitsipaka ny didin'Andriamanitra. Ary na i Jesoa aza dia nanorina ny didy rehetra sy ny nataony tamin'io fitiavana io. Tsy nakato ny sabata izy rehefa tena nila nampihatra fitiavana (nitsabo, namonjy). Ka tokony ny fitiavana no mibaiko ny didy rehetra.

8. RBNIR ( 24/01/2012 08:30)
hery:

Sarotra ho an'i Jesoa koa ny hihinana kisoa satria ny olona rehetra manodidina azy tsy nihinana kisoa ary mety tsy nisy kisoa hohanina mihitsy tamin'izany. Imbetsaka nefa izy no nisakafo tany amin'ny poblikana ary mety efa nisakafo tany amin'ny romana ihany koa. Koa raha nisy kisoa tany dia tsy ho niavona izy raha ny fahitako ny fombany :-)

Ary izaho mbola tsy niteny kisoa an :-) fa marina aloha fa ny kisoa dia anisan'ny noraran'Andriamanitra tsy hoanina e!
Fa fantan-tsika v fa mitovy ihany ny fihinana totozy sy kisoa ary samy tsy tian'Andriamanitra avokoa izany??« Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah. » (Isaia 66:17).
Ho levona avokoa, hoy Jehovah araka ilay teny. Ary any amin'ny Baiboly katolika any amin'ny bokin'ny makabeo (raha tsy diso aho) misy lahiantitra iray noterena hihinana kisoa fa naleony maty????

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!

9. hery ( 24/01/2012 08:44)

Ary any amin'ny Baiboly katolika any amin'ny bokin'ny makabeo (raha tsy diso aho) misy lahiantitra iray noterena hihinana kisoa fa naleony maty????


Mbola tsy henoko io fa tsy dia mahagaga satria mbola tsy teo Jesoa sy ny fanekempihavanana vaovao.

Raha amin'izao fotoana izao ohatra fotsiny no misy raim-pianakaviana, izany hoe tompon'andraikitra amin'ny vady aman-janany, sendra tratran'ny loza, ohatra cyclone dia tafahitsoka amin'ny nosy iray tsy misy afatsy kisoa. Ka raha tsy mihinana ilay kisoa izy dia ho faty... Raha eo ianao no miteny hoe aleony maty, dia inoako fa fahotana izany satria tsy ao anatin'ilay fitiavana intsony.

Fa raha sendra manasa olona indray aho, ka advantista ohatra ny olona asaiko, dia tsy mampaninona ahy ny tsy mihinana kisoa. Satria raha mihinana kisoa aho dia efa tsy ao anatin'ilay fitiavana intsony indray.

Izay no ilazako hoe, ny fitiavana izao no didy vaovao.

(oh!! kay tsy izaho no niteny an'io fa i Jesoa)
10. RBNIR ( 24/01/2012 09:02)
Fanamarihina kely manokana fotsiny ity, miverimberina foana tokoa ny resaka kisoa eto nefa raha ny marina ny kisoa, lalitra ny alika ny totozy ny saka sns dia mitovy fa tsy misy hafa raha mamaky ny levitikosy 11 isika.
Nanao recherche kely aho ho an'izay tsy mahafantatraity ilay lien : http://baiboly.katolika.org/boky/Makabeo+II/6
Inty koa kay mbola nisy : http://baiboly.katolika.org/boky/Makabeo+II/7.
Mbola hoentiko eto raha sitrapon'ny Tompo ry namana isany ilay tena fitiavana andidian'Andriamanitra an-tsika fa hitako fa betsaka tokoa no mihevitra fa ny fitiavana dia mamela an-tsika handika ny didin'Andriamanitra nefa dia tena ny mifanohitra amin'izay no tena Marina.

Samy ho tahin'ny Tompo e
11. didi10 ( 24/01/2012 09:04)
Namana RBNIR

Fantatro ianao fa tia an'Andriamanitra ary tena miezaka hanaradia an'i Kristy fa mampalahelo satria efa voapetaky ny vy mahamay avy amin'ny fampianarana haitraitra sy lainga tokoa ny fieritreretanao (Tim I 4,2) ka sarotra ho anao ny hiala amin'izany.

Inona moa no tokony hanasana tanana?

Tsy hanalana ny mikroba?
Nampianatra siansa antsika Jesosy fa na miditra ao an-kibo aza ny mikroba izay sokajiana ho biby maloto dia tsy hahaloto ny fanahinao izany fa mivoaka amin'ny lalany ihany;

Aiza moa no ahafantaranao fa tsy efa nandadizan'ny kadradraka sy niakaran'ny vitsika sy nipetahan'ny lalitra avokoa ny sakafo vidianao eny an-tsena na manta na masaka?
Fantatrao ve hoe zezika inona no namokarana azy ireny?
Mihatsara-velatsihy eo anatrehan'ny finoanao ianao raha mihinana ireny sakafo nokasihin'ny biby heverinao fa maloto ireny.
Mijaly ny olona toa anao rahalahy fa mialà amin'izany fampianarana avy amin'ny demonia (Tim I 4, 3-4)izany.
12. RBNIR ( 24/01/2012 09:28)
Misaotra namana didi10 mampahery, nefa tsoriko aminao fa tsy mijaly aho fa dia tena faly tokoa,
Tsy izaho no nihezaka nanantanteraka ny lalàna rehetra amin'ny alalan'ny herin'ny tenako fa ity teny fikasana ity no tanteraka ato amiko ankehitriny (efa naverimberiko teto izy ity namana):
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)

Afaka mino ianao (tena faly aho) nefa afaka tsy mino ihany koa (malahelo aho). Na dia izany aza dia mba mananatra ihany aho hoe aza dia miteniteny foana namana sao sanatria hiteny ratsy ny Fanahy Masina isika.
Izaho ange tsy sarotiny e, efa natao ho fiainako ny hizaka ny fitenanan-dratsy rehetra namana. Fa diniho ihany aloha na dia izany aza e! Tadidio fa mitaona ny olona hibebaka sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra no tena antodiako eto an. Tsy aiko izay mety ho fandraisanao izay na avy amin'ny demonia tokoa na avy amin'Andriamanitra fa mba diniho ihany e. Namako ianao.

Samy ho tahin'ny Tompo e.
13. RBNIR ( 24/01/2012 10:02)
hery:

Raha ohatra ka hoe madio sy maloto no antony tsy hihinana kisoa dia io efa nolazain'i rijadolly eo ambony io hoe tsy tokony hisy sakafo maloto izany.

Tsy azoko tsara ity tenenin'ny namana hery ity, otran'ny tsy mahita an'i rijadolly ato anaty dinika aho sa??? sa kosa te hiteny ny namana hery hoe rijadolly = didi10 ihany (possible efa elaela rijadolly no tsy hitako.

Samy ho tahin'ny Tompo namana isany a!
14. hery ( 24/01/2012 10:03)
RBNIR no tiako notenenina fa tsy rijadolly

:-)
15. didi10 ( 24/01/2012 11:01)
Fantatro fa malahelo ianao rahalahy amin'ny teny mahery izay tsy avy amiko fa tenin'Andriamanitra raha mitovy ny Baibointsika, mahareza rahalahy.


Tim I 4 : 1 - 3

[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
16. RBNIR ( 24/01/2012 11:10)
didi10:

Fantatro fa malahelo ianao rahalahy amin'ny teny mahery izay tsy avy amiko fa tenin'Andriamanitra raha mitovy ny Baibointsika, mahareza rahalahy.


Tim I 4 : 1 - 3

[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.

Dia tena malahelo tokoa aho namana, fa saingy ny mampalahelo ahy dia ny fanarahanao ilay fandaharana nefa tsy noraisinao ilay izy. Na koa dia sanatria v natao takona ho anao ilay izy (mampalahelo)???
17. hery ( 24/01/2012 11:12)
Fa aiza kay zany fandaharana izany sao dia mba mahaliana?
18. RBNIR ( 24/01/2012 11:30)
hery:

Fa aiza kay zany fandaharana izany sao dia mba mahaliana?

Tena faniriko tokoa namana ny hizara izany ho an'ireo namana kristianina rehetra any an-dafy any fa dia tena mbola entina am-bavaka mafy e (mbola ao amin'ny télé Jery sy radio madinidinika aloha ilay izy izao),
Na izany aza dia efa mba nisy sombintsominy kely dia kely ihany nentina teto amin'ny serasera teto ka raiso fa famonjena ho an'ny mandray azy izany.
Raha sitrapon'ny Tompo tsy ho ela dia ho hizaraina amin'ny net ny fahamarinana.
Mba ento am-bavaka amin'ny fanantenana
Samy ho tahin'ny Tompo e
19. didi10 ( 24/01/2012 11:34)

hery:

Ny fiangonan'iza?


Namana Hery
Raha manana Baiboly Numerique Concordence ianao dia afaka manamarina fa iray ihany no anarana niantsoana ny Fiangonana dia ny Fiangonan'Andriamanitra izany, nampiana anaran-tanàna fotsiny hoe Fiangonan'Andriamanitra tany Korinto na any Jodia dia izay.

Tokony ho izany ihany no mitoetra ankehitriny satria tokana ny fahamarinana, ny fiangonan'Andriamanitra dia natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;, ka raha mivoaka amin'ireto teboka manaraka ireto izy dia tsy Fiangonan'Andriamanitra.

# Mitandrina ny Didy10
- Tsy miankohoka na mivavaka amin'ny sary masina na sary voasikotra (didy faharoa)
- Manaja ny Sabata andro fahafito (Zoma hariva milentika masoandro ka hatramin'ny ampitso Sabotsy milentika masoandro): mitsahatra amin'ny asa ary manao fivoriana masina (didy faha 4)
# Manatanterana ny Batisan'ny rano
- Amin'ny olona vory saina afaka mianatra sy mibebaka
- Amin'ny ranobe
- Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy
# Mino ny fanomezan'ny Fanahy Masina
- Fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra
- Ny faminaniana avy amin'ny Fanahy Masina ...
# Mino ny fisian'ny helo sy Paradisa
- Ny fijaliana mandrakizay any amin'ny afobe ho an'ny mpanota
- Ny Fiadanana mandrakizay izay efa nampanantenanin'i Jesosy Kristy ho an'izay maharitra amin'ny finoana.
# Tsy manaraka fampianaran'olona
- Aza manambady
- Aza mihinana, na manendry, na mikasika
- Noely sy dadabenoely, halloween, ...
- Homosexualité
- Euthanasie
- réincarnation

Mahereza ianao Rahalahy Hery; manana tombon-dahiny ianao fa notoriana taminao ny fampianarana tsy misy kilema, fa betsaka ireo te hanantona an'Andriamanitra kanefa tsy mahalala izany fahamarinana izany fa mitsoraka any amin'ny fampianaran-diso.

Ny Voninahitra ho an'i Jesosy irery ihany.
AMENA
20. didi10 ( 24/01/2012 11:42)
Namana RBNIR

Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara hoy ny Tenin'Andriamanitra, aza mihinana ambolony rahalahy fa mahaiza manavaka ny fampianarana marina sy tsy marina,
Averiko foana raiso ny Baibolinao dia manaova fandalinana dia afaka manao fampitahana ianao avy eo hoe iza no izy sy tsy izy; raha ny fampianaran'i Pasteur Herinirina (miala tsiny tamin'ilay diso teo) dia ataoko fa io resaka fandrarana tsy hihinana io ihany sisa no tsy mampitoetra azy amin'ny fahamarinana,
Ireo ambony ireo ny fahamarinana izay nomen'Andriamanitra ahy Rahalahy ka raha mbola misy mifanipaka amin'ny fampianaran'ny Fiangonanao ireo dia mba lazao ahy kely.
Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1121