Hanina madio sy maloto; mbola mitoetra ve?
21. RBNIR
(
24/01/2012 12:39)
didi10:
Namana RBNIR
Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara hoy ny Tenin'Andriamanitra, aza mihinana ambolony rahalahy fa mahaiza manavaka ny fampianarana marina sy tsy marina,
Averiko foana raiso ny Baibolinao dia manaova fandalinana dia afaka manao fampitahana ianao avy eo hoe iza no izy sy tsy izy; raha ny fampianaran'i Pasteur Herinirina (miala tsiny tamin'ilay diso teo) dia ataoko fa io resaka fandrarana tsy hihinana io ihany sisa no tsy mampitoetra azy amin'ny fahamarinana,
Ireo ambony ireo ny fahamarinana izay nomen'Andriamanitra ahy Rahalahy ka raha mbola misy mifanipaka amin'ny fampianaran'ny Fiangonanao ireo dia mba lazao ahy kely.
Misaotra
Ny nampalahelo ahy dia ny tsy nandraisanao ilay hoe Jesosy sy ny mpianatr'i ny Tompo anie ka tsy nihinana ireo biby voasokajy hoe maloto e! indrindra jereo anie e, raha tsy nihinana i Petera (satria tsy tena tsy nihinana hatramin'ny farany izy an) dia ny Tompo anie tsy mba nanameloka azy e!
Samy ho tahin'ny Tompo namana a,
22. didi10
(
24/01/2012 12:48)
Namana RBNIR
Izaho hoy aho tsy afaka mitsara anao satria aza manamavo ny tsy mihinana ny mihinana hoy ny Baiboly saingy tsy afaka ny hangina kosa aho raha mbola miziriziry mampianatra ny hafa ny tsy fihinanana ianao satria mbola averiko foana fa tsy avy amin'Andriamanitra izany fampianarana izany.
Misaotra Rahalahy
Tahian'i Jesosy

23. RBNIR
(
24/01/2012 12:54)

Eny ary e, dia mba inona ary no hanazavanao ny tsy ninanan'i JEsoy sy Petera an'ireny ary e! (satria raha ny famalin'i Petera dia tena nitandrina izy a!)
Ary ahoana koa ny fihevitrao ny amin'izay raha mikasika ilay hoe izay nandehanany no tokony andehanantsika koa??? Tsy tokony hanao toa azireo v isika??
24. didi10
(
24/01/2012 17:22)
RBNIR:

Mety efa renao ihany angamba ny lazan'ny fiangonana iray izay hoe "Jiosy Gasy" hono, tao ambany tetezana Bypass Ambohimanambola tao ry zareo no nitoby; manana fomba fisainana toa anao izy satria mihevitra fa rehefa zavatra tsy nataon'i Jesosy dia tsy tokony ho atao, ohatra mandeha fiara, mampiasa ny teknolojia, mijery télé sns
Ary raha miresaka ny momba an'i Jesosy tsy nihinana izay heverinao ho maloto dia efa Izy en personne no niteny fa madio ho antsika ny zavatra rehetra;
Lioka 11 40-41
40 Ry adala! Tsy Izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa? 41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana,dia indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
Na ny hanina aterina amin'ny sampy aza anie azontsika hanina raha mahery ny finoantsika satria inona moa izay sampy? nga moa ny Andriamanitra tsy iray ihany?
Saingy manoloana ny olona malemy finoana toa ny namana dia vao maika hampihemotra ny finoany ny fahitany izany ka hahatonga fanamelohana ho ahy.
Mahereza Namana
Kor I 8 : 4 - 13
4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka; ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy hianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy hianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
25. RBNIR
(
25/01/2012 06:51)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Misaotra anao hatrany namana didi10 fa izaho sy ny ankohonako aloha dia otran'ny mba te hianatra an'i Jesosy Tompo sy Petera satria hitako fa izay no mahasoa kokoa sady mitondra ahy ho amin'ny fahamasinana.
Fa ny amin'ilay 1Tim.4 izay averimberinao no tiako mba asiana resaka kely :
« [Ny amin'ny hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, » (1 Timoty 4:1)
« amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, » (1 Timoty 4:2)
« izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. » (1 Timoty 4:3)
« Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, » (1 Timoty 4:4)
« satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. » (1 Timoty 4:5)
Io dia teny entina manambara fampianarana iray izay mitaona ny olona hikatsaka ny famindrapo sy ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampijaliana tena sy vatana:
1- fampijaliantena amin'ny alalan'ny tsy fanambadiana (raha tsorina dia hoe mifady ny firaisana ara-nofo).
2- fampijaliantena amin'ny alalan'ny fifadian-kanina (io dia tena fifandiankanina lavareny maharitra sady miverimberina (tsy fihinanana sakafo na hena izany na zavamaniry mandritra ny fotoana maharitra sady miverimberina izay marihiko fa tsy misy hidiran'ny lev.11 mihitsy namana).
Ireo karazana fampijalian-tena anakiroa ambony ireo dia samy tsy misy ao amin'ny fiangonana izay arahako ry namana ary tsy misy hifandraisany amin'ny levitikosy 11 mihitsy.
Toy izany koa ity teny iray ity Rom.14-Rom20 izay entinao hanohanana ny hevitrao dia tsy misy hifandraisany mihitsy amin'izay voalaza ao amin'ny levitikosy 11 fa dia resaka sokajin'olona tsy mihinankena (na henan'omby , na henan'ondry, na henan'osy, na henan'tsovaly , na henan'alika , na kisoa sns e) raha tsorina dia hoe resaka végétarien (tsy tia mihinan-kena satria tsy tia mamono biby noho ny halemen'ny finoany) .« Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. » (Romana 14:2)
Inona no ifandraisan'ny végétarien tsy mihinan-kena (ny hena rehatra tsy misy havahana) amin'ny levitikosy 11 ry namana sao dia sanatria mandray antendrony ihany isika ka ho diso hevitra???
Dia mbola toy izany koa inty teny manaraka inty (I Kor.8:4-13) dia entinao koa hanohanana ny hevitrao nefa ny olana nisy teo amin'ny kristianina tamin'izany dia tsy olana momba ny biby maloto fa hoe sao dia hena natolotra tamin'ny sampy (mazava be ny lohahevitra eo amin'ny Ikor.8:1) « [Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] (mety ho henan'omby io fa ny olana tsy izay fa hoe sao dia natolotra tamin'ny sampy)
Voarara tsy ho azon'ny jentilisa niova fo ho kristianina atao mantsy izany araka ity teny manaraka ity « Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. » (Asan'ny Apostoly 21:25).
Mangataka amin'ny Tompo aho namana mba hamindrafo amin-tsika rehetra Izy ka hanazava ny fon-tsika. Ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina avokoa isika rehetra.
Samy ho tahin'i Jesosy indray namana

26. RBNIR
(
25/01/2012 07:08)
RBNIR:
Eny ary e, dia mba inona ary no hanazavanao ny tsy ninanan'i JEsoy sy Petera an'ireny ary e! (satria raha ny famalin'i Petera dia tena nitandrina izy a!)
Ary ahoana koa ny fihevitrao ny amin'izay raha mikasika ilay hoe izay nandehanany no tokony andehanantsika koa??? Tsy tokony hanao toa azireo v isika??
Izaho namana mitaingina fiara, tsy mirebareba ankajo fa manao cravate (fitafiana maontina ara-baiboly) :-) tsy mitokamonina fa mifandray tsara amin'ny olona rehetra :-)
27. RBNIR
(
25/01/2012 07:24)
Lioka 11 40-41[/b]
40 Ry adala! Tsy Izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa? 41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana,dia indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
[/quote]
Vakio tsara namana an, mbola resaka sasan-tanana ihany koa no olana eto fa tsy misy hifandraisany amin'ny levitikosy 11 mihitsy.« Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana. » (Lioka 11:38)
Samy ho tahin'ny Tompo e

28. RBNIR
(
25/01/2012 07:57)
Izaho koa tia milalao ordinateur, mampiasa logiciel maro amin'ny asako, tia fahalalana sns e,
:-)
Samy ho tahin'ny Tompo namana a
:-)
Samy ho tahin'ny Tompo namana a
29. RBNIR
(
25/01/2012 08:01)
RBNIR:
Izaho koa tia milalao ordinateur, mampiasa logiciel maro amin'ny asako, tia fahalalana sns e,
:-)
Samy ho tahin'ny Tompo namana a
Fa izaho kosa tsy sahy manova ny didin'Andriamantra amin'ny didin'olombelona raha tsy hoe i Jesosy Tompo mihitsy ngah no nanova azy toy ilay fitoraham-bato raha sanatria tratra nanota. Tsy tandremako intsony iny satria Izy mihitsy no efa nanafoana azy.
Samy ho tahin'ny Tompo e
30. didi10
(
25/01/2012 10:56)
Tsara ny Tompo
Faly miarahaba ny namana rehetra
Miarahaba anao manokana namana RBNIR
Raha tena mpandalina ny Baiboly ianao namana dia maro ireo karazana fampianarana tsy afaka nampiharina raha tsy efa nandray ny Fanahy Masina ny Apostoly sy ny mpianatry ny Tompo rehetra, nampandeferina ny zavatra tsy iankinan'ny famonjena noho ny mbola fahelemen'ny finoan'ny olona indrindra fa ny mpianatra toy ny tsy voatery hamorana(Rom 4 11), ny tsy voatery hitandremana sakafo, satria tsy mbola nampianatra Jentilisa (tsy jiosy izay tsy mifora sa tsy mitandrina ny lalan'i Mosesy) na Jesosy na ny mpianatra (Matio 10 5) raha tsy efa tonga ny Fanahy Masina. Ny Apostoly aza mbola gaga rehefa nahita fa nilatsaka tamin'ny Jentilisa ihany koa ny Fanahy Masina satria mbola tsy tonga taminy ny fampianaran'ny Fanahy Masina momba ny fitovian'ny olona rehetra ao amin'Andriamanitra. (Gal 3 28),
Aza mihemotra amin'ny finoana namana fa raha izay zavatra mitoetra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia tokony tsy hisy hampatahotra antsika raha tena manana an'i Jesosy isika satria mitovy amin'ny finoanoam-poana ihany izany.
Ianao izany izao rehefa matory dia mbola mifady ny miakandrafan-doha?
Tsy sahy manondro fasana sao Boka?
sns...
Fa mbola tsy novalianao anie ny fanontaniako e?
Ilay hoe inona no antony tokony hanasana tànana?
F'angaha hoy aho ny mikroba amin'ny tananao voasotra ao amin'ny biby voarara no manamafy ery ianao fa tsy maninona ny tsy manasa tanana fa tsy mety ny mihinana kisoa na crevette...

31. RBNIR
(
25/01/2012 11:44)
didi10:
Tsara ny Tompo
Faly miarahaba ny namana rehetra
Miarahaba anao manokana namana RBNIR
Raha tena mpandalina ny Baiboly ianao namana dia maro ireo karazana fampianarana tsy afaka nampiharina raha tsy efa nandray ny Fanahy Masina ny Apostoly sy ny mpianatry ny Tompo rehetra,
Raha tianao dia faly aho miteny aminao hoe iombonako hevitra aminao io teny io satria hoy tokoa ny teny hoe « Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. » (Jaona 16:12)
« Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. » (Jaona 16:13).
Ny lohahevitrao moa dia hoe "Hanina madio sy maloto; mbola mitoetra ve?". Izaho manamafy hoe Eny ianao manao hoe TSIA.
Saingy ireo teny rehetra nentinao nanohanana ny hevitrao teto dia ialako tsiny fa tsy teny netina nandrava ny didy voasoratra ao levitikosy 11 tsy akory fa zavatra hafa avokoa araka ny tenin'Andriamanitra nentiko teto.
Mikasika ilay fanasan-tanana indray : Ny antony nitondrako ny resaka fanasan-tanana dia ny mba hilazako aminao hoe tsy fandravana ny didy ao amin'ny lev.11 akory no antony nitenenan'i Jesosy ny teny tao amin'ny Lio.16:40- fa teny nentiny nandravana ny didy milaza hoe "tokony hanasa tanana vao hihinana".
Ny antony nandravana ny hoe tokony hanasa tanana vao hihinana dia satria hoy Jesosy Tompo « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Matio 15:2)
« Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? » (Matio 15:3)
Arak'io teny io ny didy momba ny fanasana tanana dia "fampianarana voatolotr'i ny razana fa tsy didin'Andriamanitra.
Samy ho tahin'ny Tompo nanama a
32. RBNIR
(
25/01/2012 11:48)
Didi10 Na izany aza, izao dia manasa tanana rehefa maloto B ny tanako. :-) fa matetika aho manasa satria mampiasa sotro sady tsy mandray sakafo :-)
34. didi10
(
25/01/2012 12:30)
Misaotra namana a! :-)
Ny efa torohevitro anao efa hatramin'ny voalohany hoy aho dia aza mihinana izay eritreretinao fa maloto intsony ianao satria vao maika ianao hohelohina raha mihinana amin'ny tsy finoana fa izao, aza "rigide" be intsony ianao amin'ny fandrarana ny fihinanana satria averiko foana fa tsy miankina amin'izany intsony ny famonjena.
Efa fantatrao ianao fa efa ao anantin'ny Sabata, mampianatra mibebaka, efa ao anatin'ny Batisa asitrika amin'ny ranobe anaran'i Jesosy, ao anatin'ny fikatsahana ny fanomezan'ny Fanahy Masina, izany rahalahy no tokony ifandrimbonantsika toriana eto satria izany no tena iankinan'ny famonjena.
PS/ Aza avelanao hiady irery eto intsony aho rahalahy amin'ny fampianarana ny fahamarinana fa tamin'izaho nampianatra ny Batisa izao dia tsy nanampy ahy ianao fa izao fandaharana amin'ny fahitalavitra izao foana no asesiky ny namana, sa ny namana tsy afaka mitory fa tsy maintsy miandry an'i Pasteur foana? ;-)
Mahereza namana amin'ny fitoriana fa mbola maro ireo kristianina maty fanahy ato.

35. RBNIR
(
25/01/2012 12:36)

Mahagaga ahy kely ihany ireto teninao farany ireto an: dia inona izany no tena antony nanokafan'i didi10 an'ity lohahevitra ity??? :-) sa mba te .....????
Hi5 samy ho tahin'ny Tompo e
36. RBNIR
(
25/01/2012 12:49)
didi10:
fa izao fandaharana amin'ny fahitalavitra izao foana no asesiky ny namana, sa ny namana tsy afaka mitory fa tsy maintsy miandry an'i Pasteur foana? ;-)
Efa nambarako teto kosa ny anton'io an, mba tiako ho feno ny fahalalana azon'ny tsirairay fa eto anie ka sombintsombiny no azo ampitaina e!
Mba ento ambavaka mba ho tafavoaka ny "projet sur internet" e!
Samy ho tahin'ny Tompo namana a
37. Tefigasy
(
25/01/2012 13:08)
radidi sy rbnir >> mapme nareo mitsamy ireto, hihihihi, bisou bisou amin'izay zany e!
38. RBNIR
(
25/01/2012 13:42)
Tefigasy:
radidi sy rbnir >> mapme nareo mitsamy ireto, hihihihi, bisou bisou amin'izay zany e!
Marina izany namana Tefigasy, bisou bisou amin'izay namana didi10.
Aoka izay tapitra, ary maméla ahy raha mety nandratra ny teniko sasany, Mifona marina e!
Mediteo tsara ihany anefa ilay hoe "matoa Petera nandà in-telo dia satria tsy nihinana mihitsy izy talohan'ny nahitany io fahitana io. izy anefa talohan'io dia niaranihinana tamin'i Jesosy Tompo foana ary fantany tsara ny nataon'i Jesosy Tompo (ny azo atao sy tsy azo atao e!).
Samy ho tahin'ny Tompo ry namana rehetra isany
39. didi10
(
25/01/2012 15:39)
Hihihi
Marina izany namana a! rehefa zavatra tsy miankina amin'ny famonjena dia tsy maninona ny samy miala tsy misy maratra fa raha resaka hafa dia tsy maintsy mi-insiste "tsika"
oh: Contre Miharena : tsy mino ny fisian'ny Afobe sy ny Demony
Contre Bor2lais & Tefigasy...: Tsy tia Batisan'ny ranobe atao amin'ny anaran'i Jesosy
Contre Augerfa : Mandrava didy10
Contre Hery, Miharena, Tefigasy, Bord2lais sy ny ankamaroan'ny mpisera: Tsy tia Sabata
Mahereza namana!
amin'ny antsoinao hoe tapitra, tohizo foana ny fitoriana namana, mazotoa mametraka lohahevitra, manao azafady aminao koa aho raha somary nasiaka.
Tahian'i Jesosy.

40. RBNIR
(
26/01/2012 04:51)

Faly miarahaba namana ,
Mahafinaritra e!
Saingy ilay terme "contre" tsy tiako namana satria tsy misy adversaire eto;
Marina fa betsaka ny fahamarinana fantatro izay tsapako (raha ny fanarahako ny dinika teto hatramin'izay) fa tsy fantatr'i ny hafa nefa izany tsy afaka mihitsy hilazako ny hafa hoe adversaire na sanatria koa hoe tsinotsinona,
Adidiko izay nampahafantarina ny marina no mizara izay fantatro am-pitiavana,
Enga anie ka mba ho latsaka any amin'ny tany lonaka mahavokatra.
Fitiavana no hizarako eto satria ny zava-doza ho an-tsika indrindra dia ny helo sy ny AfoB.
Samy ho tahin'ny Tompo namana