Iza no namorona an'Andriamanitra?

1. RAR.DAGO ( 14/10/2010 19:58)
Ho an'ny kristianina dia mety ho hetraketraka na dia ny fametrahana an'io fanontaniana io fotsiny any aza, ka dia hialan-tsiny mialoha amin'izay mety ho sadaikatra fa mipetraka foana tsinona ny fanontaniana ka dia asetry anareo etona :

IZA NO NAMORONA AN'ANDRIAMANITRA?

Mitombona raha ny hevitro ny fanontaniana satria tsy misy zavatra hafaka mamorona ny tenany. Ny tsotso-pihaina moa hiteny hoe hafa tsy Atra !
Fa ataoko fa misy manana hevitra hafa, sa ve...?

Ka dia aroso tompoko ny fanontaniana toy ny tady an-tandroky ny omby
novalian'i vonynive ny 26/10/2010 11:46
2. andrywui ( 14/10/2010 20:08)
Andriamanitra dia HERY nambomba tambonin'ny rano ary tsy hay pesipesenina ny HERINY sy Halehibeny satria hoy IZY : ny Lanitra no Seza Fiandrianako ary ny Tany no Fitoera-tongotro !

- Tsy hay sainina izany ! ary ny namoronany izao tontolo izao aza dia tamin'ny TENY fotsiny ihany ,Fa Andriamanitra dia tahaka ny Endritsika IZY ary mahalala reraka koa ! satria hoy ny genesisy hoe dia nitsahatra IZY tamin'ny Andro Fahafito (rehefa avy namorona izao tontolo izao)
3. RAR.DAGO ( 14/10/2010 20:21)
Eny ary, fa tsy mamaly izany hoe iza no namorona na nteraka azy
4. gratos ( 14/10/2010 20:33)
TSY HOE TSY HAMALY ISIKA RY RAR.DAGO FA SROTRA VALIANA BE IZAY FANOTANIANA IZAY ,MAMPIODINKODINA BE SAO MITENITENY FOANA ETO VAO HO RAHARAHA
5. hery ( 14/10/2010 20:44)
Fa inona anefa no mampipetraka ny fanontaniana? Te hino an'Andriamanitra ve?

Toa fandaniana andro fotsiny mantsy raha tsy izay.

Raha olona tsy mino an'Andriamanitra dia tsy hitako intsony ny mbola hiezahana hitady izay momba an'Andriamanitra any.

Sa kosa sao dia mbola ao amin'ny subconscience ao ihany ilay maha-Kristianina? Raha izay dia vonona hanampy izahay :-)
6. cutie ( 15/10/2010 01:23)
Valiny: tsy nisy namorona atra
7. RAR.DAGO ( 15/10/2010 04:38)
hery:

....Raha olona tsy mino an'Andriamanitra dia tsy hitako intsony ny mbola hiezahana hitady izay momba an'Andriamanitra any. ...

Izaho anie ry Hery tsy hoe tsy mino an'Atra dans le sens hoe Athée, fa tsy mankatoa intsony ny fiangonana kristianina e!
Tsy mankatoa ny olona tery saina manao hoe "rehefa tsy azy dia tsy izy", tsy mankatoa ny olona nampianarina hizara nefa tsy mihevitra hafa tsy ny hanjanaka ny hafa, ary tsy mankatoa ny olona manao tari-bato vilam-bava izay mangataka ny sasany ho tolérant nefa tsy manaiky na manambany ny fisian'ny hevitra hafa.

Ho ahy Atra concept, izany hoe construction intellectuelle. Tsy midika izany hoe tsy misy. Ohatra : ny fitiavana dia concept satria efa niainan'ny rehetra noho izany TSY AZO LAVINA NY FISANY, fa tsy misy zavatra hoe mivaingana atao hoe fitiavana no anarany. Samy manana ny fomba fiainany an'izany fitiavana izany, ary misy maro karazany ihany koa : zanaka, vady, namana, havana, fialam-boly, sns.

Ary @ maha construction azy dia samy mamolavola ny azy izany. Ny sasany miankina @ fahagagana, ny sasany miankina @ habetsaky ny rakitra, sns... ny aho miankina @ izay tsara rehetra hitako obieny obieny.

Raha izaho izany no mamaly io fanontaniana io dia hoy aho hoe ny fahendren'ny zanak'olombelona sy ny fomba tsara rehetra niainany no atao hoe Atra, satria manome "cercle vertueux" ny soa atao ka ahafahana manana hery anaty entina noho ny fahatokisan-tena, sy hery ivelana noho ny fahatokisan'ny sasany sy ny fifankatiavana ary ny fifanampiana. Ilay fitondran-tena "endry"(vertueux) izany manjary miteraka "synergie" arakaraky ny hitomboan'ilay fahendrena ao aminao sy any @ hafa sy ny olona mitondratena toy izany.
Izay no mahatonga ilay hoe raha misy olona roa na telo, manaraka ny fahendrena ka mikajy ny anao zavatra, dia manjary misy "cercle vertueux" sady "synergique" izay ahafahana manao zavatra mihoatra noho ny vitan'ny tsirairay mandeha irery. Ho an'ny gasy dia hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Ekeko fa mety hanahirana ny hanaiky an'izany ho an'ny olona izay notezaina tao anatin'ny concept hoe Atra dia HERY IRAY, izany hoe MATERIALISABLE.

Fa raha kosa misy mihevitra fa diso izany, dia mandeha ny adihevitra satria samy nomen'Atra saina hiodina fa tsy natao fitoeran-tsatroka fotsiny ny loha, ary izay no mahatonga ilay cercle vertueux fa tsy fifamaliana bontana amin'ny hevitra "intégriste"
8. rahery08 ( 15/10/2010 06:27)
Dia malahelo aho milaza aminao ry RAR DAGO!
Rehefa diso mamaky boky be loatra ny olona dia lasa mivona!

Indray andro izay, efa ela izany, fa toy ny rakitra mitoetra ho tadidy ao anatiko, Izy Andriamanitra, niteny tamiko, ny totalinkevitry ny teny nolazainy dia FAHAMARINANA, izaho iray manontolo, na ny saiko, na ny foko, na ny aty fanahiko lalina ao, dia niara niaiky, ny Teny izay nolazainy, ary tonga dia mahatsapa ao anatiko ao fa ANDRIAMANITRA ity miteny amiko ity!

TSY takatry ny saina Izy, Ary isika dia hita fa olona noforonina!
Mbola fofonaina no eo ambavorontsika,
Voafetra ny zanak'olombelona: na ny fahalalany, na ny androny,


Ary isika! tsy hoe nanana safidy isika raha tonga teto!
tsy nanana safidy isika ny amin'ny vani-potoana hiainan tsika,
tsy nanana safidy ny @ maha lehilahy anao na maha vehivavy anao,
na ny @ maha gasy anao! tsy anananao safidy izany!


Zavatra iray no mba anomezana safidy anao: dia ny hino sy haniky Azy na tsy hino sy tsy hanaiky Azy!

Anao ny safidy!

Fa izao: ny vokatry ny safidy
ho an izay manao tsia dia ho fahaverezana mandrakizay!
ho an'izay manao eny dia ho fiainana mandrakizay!

9. bor2lais ( 15/10/2010 08:03)
RAR.DAGO:

Ho ahy Atra concept, izany hoe construction intellectuelle. Tsy midika izany hoe tsy misy. Ohatra : ny fitiavana dia concept satria efa niainan'ny rehetra noho izany TSY AZO LAVINA NY FISANY, fa tsy misy zavatra hoe mivaingana atao hoe fitiavana no anarany. Samy manana ny fomba fiainany an'izany fitiavana izany, ary misy maro karazany ihany koa : zanaka, vady, namana, havana, fialam-boly, sns.

Ary @ maha construction azy dia samy mamolavola ny azy izany.


Ka eo indrindra no tsy itovina raha azoko tsara ny voalazan'ny mpamorona ny lohateny. Izy no "créateur" fa tsy ny mifamadika amin'izay akory !

Izany hoe amiko, tsy mety ilay hoe ny olombelona no samy mamorona ny andriamaniny ...

Eo mantsy no mety mahatonga ny fahadisoam-panantenana : ny ahy ny Andriamanitro tahaka izao, ... hany ka raha tsy mifanandrify amin'ny hiheverako azy ny zava-mitranga (eo amin'ny fiainako) dia lazaiko fa tsy misy Izy na hoe izany ve no mba Andriamanitra, toa mba efa nivavaka ihany aho fa tsy mamaly, sns.

Fehiny : amiko tsy ny olombelona akory no namorona Azy !
10. RAR.DAGO ( 15/10/2010 08:13)
rahery08:

Dia malahelo aho milaza aminao ry RAR DAGO!
Rehefa diso mamaky boky be loatra ny olona dia lasa mivona!

Fa na izany aza aleoko diso mamaky sy manadiady toy izay diso vendrana asain'ny olona minomino faha-tany.

rahery08:

Indray andro izay, efa ela izany, fa toy ny rakitra mitoetra ho tadidy ao anatiko, Izy Andriamanitra, niteny tamiko, ny totalinkevitry ny teny nolazainy dia FAHAMARINANA, izaho iray manontolo, na ny saiko, na ny foko, na ny aty fanahiko lalina ao, dia niara niaiky, ny Teny izay nolazainy, ary tonga dia mahatsapa ao anatiko ao fa ANDRIAMANITRA ity miteny amiko ity!

Sambatra ianao izany fa ianao sy ny mpaminany no hafaka miresaka en direct aminy. Fa inona marina moa ilay fahamarinana nolazainy?

rahery08:

TSY takatry ny saina Izy, Ary isika dia hita fa olona noforonina!
Mbola fofonaina no eo ambavorontsika,
Voafetra ny zanak'olombelona: na ny fahalalany, na ny androny,

Tsy azoko loatra ny fifandraisain'ireo fehezanteny ireo.

rahery08:

tsy nanana safidy isika ny amin'ny vani-potoana hiainan tsika,

Hafaka ka! mikarakara tena dia tsy maty aloha loatra na mitifi-tena dia vita aingana koa.

rahery08:

...na ny @ maha gasy anao! tsy anananao safidy izany!

Ny manana double nationalité hafak miala @ izay tiany ialàna

rahery08:

Zavatra iray no mba anomezana safidy anao: dia ny hino sy haniky Azy na tsy hino sy tsy hanaiky Azy!

Mba misy hafa no izany kosa e! Izay anie ilay hoe hafaka misafidy ny zanak'olombelona fa tsy vato na ranon-dolana akory e!Isan'andro dia manao safidy foana isika, inona no andeha atao, ho aiza, sns.

rahery08:

Fa izao: ny vokatry ny safidy
ho an izay manao tsia dia ho fahaverezana mandrakizay!
ho an'izay manao eny dia ho fiainana mandrakizay!


6 lavitrisa no isan'ny olona eto an-tany. 2,5 @ izay no kristianina. Ny sisa zany dia sady dondrona no kentrina ary ho very daholo? Izany Hery no atao hoe proselytisme a! Izay tsy anay dia tsy izy. Dia aza gaga rehefa miady aman'olona raha izany no fisainanao. Dia averiko indray : AVERENO VAKIANA NY BAIBOLINAO fa tsy nampianatranao hanavakavaka tahak'izany mihitsy na ny Atra abrahama na i Jesosy ilay mesianareo. Mahamenatra misy ny TSY FAHAIZANAREO KRISTIANINA ny fampianarana ao anatin'io baiboly io ka!


[/quote]
11. RAR.DAGO ( 15/10/2010 08:42)
bor2lais:

Ka eo indrindra no tsy itovina raha azoko tsara ny voalazan'ny mpamorona ny lohateny. Izy no "créateur" fa tsy ny mifamadika amin'izay akory !


Fa izy avy aiza? Izay anie no fanontaniana e! Ary ekena fa tsy mora ny valiny fa raha tsy mipetraka koa ny fanontaniana dia .... magie magie zany?

bor2lais:

Izany hoe amiko, tsy mety ilay hoe ny olombelona no samy mamorona ny andriamaniny ...

Toute compréhension est une construction à partir de ce qu'on sait et ce qu'on vit.

bor2lais:

Eo mantsy no mety mahatonga ny fahadisoam-panantenana : ny ahy ny Andriamanitro tahaka izao, ... hany ka raha tsy mifanandrify amin'ny hiheverako azy ny zava-mitranga (eo amin'ny fiainako) dia lazaiko fa tsy misy Izy na hoe izany ve no mba Andriamanitra, toa mba efa nivavaka ihany aho fa tsy mamaly, sns.

Io resaka hoe Atra angatahina dia manome io aloha tsy ao antin'ny finoako mihitsy e! Fa fomban'olona moa ka dia ekena fotsiny ny fisiany fa raha ny isan'ny gasy mivavaka raha mandeha io fomba iray io dia efa tokony ho ela no noharantsika ny USA tamin'ny fandrosoana.

bor2lais:

Fehiny : amiko tsy ny olombelona akory no namorona Azy !

Safidy tsy azo lavina izay (amin'ny maha safidy azy) ary tsy maintsy hajaina.
12. mirananirina ( 15/10/2010 09:01)
RAR.DAGO,araka ny finoanay dia Andriamanitra no namorona izao tontolo izao,ny ranomasina ny olombelona,ny biby,zavamaniry sns......
Iza hoy ianao no namorona an'Andriamanitra????Izy ihany izany no namorona ny tenany,satria tsy misy hafa akoatra azy.Fa ilay finoana dia izay,izy no namorona ahy dia hinoako.
13. ndenn ( 15/10/2010 09:35)
Sasa-poana izay miresaka ny momba an' Andriananahary ,l' omnipresence , l'omnipotence , l'infinité , l' eternité ,de l'existence de l'univers est dû a un pouvoir saint et divin , au dela de l' entendement spirituel commun réuni .
14. gratos ( 15/10/2010 09:39)
hoy mirananirina

...araka ny finoanay


iza lay hinoanareo ZANY ?
15. bor2lais ( 15/10/2010 12:33)
RAR.DAGO:

Toute compréhension est une construction à partir de ce qu'on sait et ce qu'on vit.

Dia lasa tsy finoana intsony izy @ izay !
16. RAR.DAGO ( 15/10/2010 19:23)
mirananirina:

...Izy ihany izany no namorona ny tenany,satria tsy misy hafa akoatra azy....

Tsy ohatran'ny sarotra be aminao ve na dia ny mamaky an'io fotsiny aza?

mirananirina:

Fa ilay finoana dia izay,izy no namorona ahy dia hinoako.

Iny anie efa ekena fa tsy asiana sira sy fangarony intsony e! Efa nolaizako fa ny finoana dia zon'ny tsirairay ary tsy maintsy hajaina na tsy mitovy aza
17. rijadolly ( 15/10/2010 19:23)

IZA NO NAMORONA AN'ANDRIAMANITRA?

Tsy misy intsony ny namorina Azy, fa raha mbola misy dia lasa izaho ty tsy mahay na inona na inona ty indray no lasa namorina an' Andriamanitra.

Valio anie ny namorina ny Andriamanitry RAR.DAGO e? Jereo tsara raha tsy i se no lasa ho andriamanitry se amin' farany, ary dia arin' se ilay tompoin' se nefa se aza manaiky fa misy io Andriamanitra io.
Etsy andanin' izay...

Ho ahy Atra concept, izany hoe construction intellectuelle. Tsy midika izany hoe tsy misy. Ohatra : ny fitiavana dia concept satria efa niainan'ny rehetra noho izany TSY AZO LAVINA NY FISANY, fa tsy misy zavatra hoe mivaingana atao hoe fitiavana no anarany. Samy manana ny fomba fiainany an'izany fitiavana izany, ary misy maro karazany ihany koa : zanaka, vady, namana, havana, fialam-boly, sns.

Ary @ maha construction azy dia samy mamolavola ny azy izany. Ny sasany miankina @ fahagagana, ny sasany miankina @ habetsaky ny rakitra, sns... ny aho miankina @ izay tsara rehetra hitako obieny obieny.

Tena mbola maivana be izany vitan' Andriamanitr' se zany RAR.DAGO a!
18. fijo ( 15/10/2010 19:28)
tahotra sy tsy fahalalana wa no namorona ny fisiany tao an tsaina.
19. RAR.DAGO ( 15/10/2010 19:44)

bor2lais:

RAR.DAGO:

Toute compréhension est une construction à partir de ce qu'on sait et ce qu'on vit.

Dia lasa tsy finoana intsony izy @ izay !

Ny fanomezana dika (sens ou interpretation) zavatra iray dia tsy maintsy construction satria ny saina no mampanantona ny zavatra tsapa (capté par les sens) sy ny zavatra fantatra na ny samy zavatra fantatra.
20. AndriambyII ( 15/10/2010 19:44)

fijo:

tahotra sy tsy fahalalana wa no namorona ny fisiany tao an tsaina.

Ho an' ny marivo salosana tsy tomombana angamba izany Fijo ! Inona no mampatahotra ny olona ny @ eritreriny manokana ? Ho mandrakizay ve izany tsy fahalalàna izany ? he he he he !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1177