IREO BOKA 10 LAHY

1. rahery08 ( 10/05/2010 05:46)
Miarahaba ny namana rehetra !

Parikopa tao @ FLM t@ sabotsy lasa teo ity texte ity ka hitako fa tokony ho zaraina amin’tsika mba hampahery antsika ihany koa !

Tanataran’ireo Boka 10 lahy, (Lioka 17:12-17):
Raha nifanena t@ Tompo teny an-dalana ireto Boka 10 lahy ireto dia niantso an Jesosy Tompo hoe : Jesosy Tompo ô mamindra fo aminay ! dia nijery azy ireo Jesosy dia niteny hoe : mandehana any @ Mpisorona, (mankany amin’ny Mpisorona maka taratasy milaza ny fanamarinana fa sitrana izy ireo) dia lasa nadeha izy ireo ary indro fa sitrana teny an-dalana !

Ny edriky ny Finoana eto dia izao ny fisehony :
NIANTEHITRA t@ Jesosy ireto boka 10 ireto dia niantso azy,
NAHATOKY ny Tenin’Jesosy ireto boka folo lahy ireto hoe mandehana dia NANATATERAKA ny Tenin’i Jesosy izy ireo dia sitrana teny an-dalana !

NIANTEHITRA, NAHATOKY, NANATANTERAKA

Izany ihany koa ny finoana mbola takian’ny Tompo amintsika MIANTEHITRA AMINY, MAHATOKY NY TENINY, MANATANTERAKA IZAY SITRAPONY !

Ankehitriny tsy hitantsika maso intsony Izy : kanefa Izy dia tsy miova, Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny hoy Izy, Izaho ihany koa miasa, nahavita nanasitrana ireo boka 10 lahy Izy, mbola mety mahavita manasitrana anao izay marary tsy sitra-panafody ihany koa ankehitriny !

Fa ny takiana @ tsika dia izao hoe :
Miantehitra aminy, mahatoky ny teniny fa Izy dia mbola miasa mandraka nakehitriny, ary manatanteraka ny sitrapony !

Dia anjarantsika ary ny mandini-tena hoe inona no sitrapon'Atra takiany amiko ! sao dia mbola misy ota tsy sitraky ny Tompo ataoko

2. bor2lais ( 10/05/2010 12:06)
HS
rahery08:

Parikopa tao @ FLM t@ sabotsy

-> Sao dia adventiste kosa (ohatra) no tianao lazaina fa tsy FLM ? :D
HS-Tapitra
3. niryna ( 10/05/2010 15:47)
rahery08:

Miarahaba ny namana rehetra !

Parikopa tao @ FLM t@ sabotsy lasa teo ity texte ity ka hitako fa tokony ho zaraina amin’tsika mba hampahery antsika ihany koa !

Tanataran’ireo Boka 10 lahy, (Lioka 17:12-17):
Raha nifanena t@ Tompo teny an-dalana ireto Boka 10 lahy ireto dia niantso an Jesosy Tompo hoe : Jesosy Tompo ô mamindra fo aminay ! dia nijery azy ireo Jesosy dia niteny hoe : mandehana any @ Mpisorona, (mankany amin’ny Mpisorona maka taratasy milaza ny fanamarinana fa sitrana izy ireo) dia lasa nadeha izy ireo ary indro fa sitrana teny an-dalana !

Ny edriky ny Finoana eto dia izao ny fisehony :
NIANTEHITRA t@ Jesosy ireto boka 10 ireto dia niantso azy,
NAHATOKY ny Tenin’Jesosy ireto boka folo lahy ireto hoe mandehana dia NANATATERAKA ny Tenin’i Jesosy izy ireo dia sitrana teny an-dalana !

NIANTEHITRA, NAHATOKY, NANATANTERAKA

Izany ihany koa ny finoana mbola takian’ny Tompo amintsika MIANTEHITRA AMINY, MAHATOKY NY TENINY, MANATANTERAKA IZAY SITRAPONY !

Ankehitriny tsy hitantsika maso intsony Izy : kanefa Izy dia tsy miova, Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny hoy Izy, Izaho ihany koa miasa, nahavita nanasitrana ireo boka 10 lahy Izy, mbola mety mahavita manasitrana anao izay marary tsy sitra-panafody ihany koa ankehitriny !

Fa ny takiana @ tsika dia izao hoe :
Miantehitra aminy, mahatoky ny teniny fa Izy dia mbola miasa mandraka nakehitriny, ary manatanteraka ny sitrapony !

Dia anjarantsika ary ny mandini-tena hoe inona no sitrapon'Atra takiany amiko ! sao dia mbola misy ota tsy sitraky ny Tompo ataoko

=D> ^:^ misaotra nizara
4. soanja ( 10/05/2010 16:20)
rahery08:

Dia anjarantsika ary ny mandini-tena hoe inona no sitrapon'Atra takiany amiko ! sao dia mbola misy ota tsy sitraky ny Tompo ataoko

Misaotra nizara. Tsy nanampotoana aloha aho nijery baiboly saingy gaga kely fotsiny hoe inona no hidiran'ny ota eto. Raha nangataka fanampiana fahasitrananao ireo boka dia niresaka ota ve i Jesoa tamin'izy ireo?

Amiko ny fanankinana ny fiainana amin'i Andriamanitra dia tsy iza fa I JESOA eo amin'ny fiainako dia midika fa ezaka lalandava ny fiainako ary izay momba ahy dia izy no mahalala ny fahasitranana handehanako eo akaikiny. Izy dia manasitrana ahy na marary aho (mpanota) na tsia. Mahatoky azy aho satria tiany aho. Tsy misy indrokely io fa tena lalana midanadana tokoa ny fifandraisanay satria fantatro loatra ny FITIAVANY.

Ny finoana amiko dia ny fifandraisan'ny fiainana amin'Andriamanitra ka na izay heverina fa ota aza dia isany iasany eo amintsika. Tsy misy mahatsara izay OTA akory fa saingy raha io no mampijaly ny olombelona iray dia aminy i Jeso miasa aminy amin'izany amin'ny fomba isankarazany.

5. ikaretsaka ( 10/05/2010 17:05)
namaste!
ka io ry soanja bedebe ny miheritreritrea an'i Jesoa hoe Genie de la lampe a! hoe koseho ny lampe de miseho izy de angataho
6. rijadolly ( 11/05/2010 03:33)
Misaotra nizara Hery08a! \" Ny finoanao no efa nahasitrana anao \"
Soanja:
inona no hidiran\'ny ota eto
ISAIA 59 : 2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin\'Andriamanitrareo,
ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
, koa raha tsy midioa tena isika( Miaky ny hadisoantsika) min\' Ràn\' ZANAKONDRY dia tsy hisy ny famonjena fa famonjena saritsariny fotsiny ihany.
ika:
ka io ry soanja bedebe ny miheritreritrea an\'i Jesoa hoe Genie de la lampe a! hoe koseho ny lampe de miseho izy de angataho
:roll: Tsy azoko
7. soanja ( 11/05/2010 04:37)
rijadolly:

Hisy afaka hilaza ve amintsika eto na ny olona rehetra izay milaza azy fa miaiky amin'ny ota ka madio tanteraka eo imason'Andriamanitra ary mahita ny tavany?

Iza amintsika eto no afaka hilaza fa tena madio mangatsakatsaka tsy manam-pahotana mihitsy?

Hino ve ianao fa raha tsy madio amin'izany otanao izany dia tsy ahita an'Andriamanitra sy ny famonjeny?

Amiko dia tokony toy ny fisian'ny rivotra eo amin'ny fiainako ny fahafahako mahalala fa ny zavatra iray manimba ny tenako ary manimba ny hafa dia tsy mitondra amin'ilay fikatsahana ny Fitiavana izay heveriko fa endrik'Andriamanitra. Izay ataoko izany dia tokony hikatsaka fihavanana amin'ny tenako sy ny manodidina ahy ary manasoa ny rehetra.

Izany OTA resahinareo izany dia isan'ny fiainana avokoa raha ny fahalalako azy. Mandalo ary miaina azy avokoa isika rehetra raha samy olombelona ary fantatr'Andriamanitra ny manahirana antsika rehetra tsiraidray ka izay fihezahana eo dia efa naman'ny fidiovana eo anatrehan'Andriamanitra.

Aza variana mijery ny arina eny an-tavan'ny hafa satria izy sy Andriamanitra ihany no mahalala ny momba izany. Ny anao kosa dia ataovy izay hahamasaka azy ho modely tsara ho an'ny hafa.

PS: Izay aho vao afaka nandalo nijery baiboly io Lioka 17 io ary tsy hitako tao i Jesoa niteny hoe diovy aloha ny otanareo vao ho sitrana ianareo. Avy hatrany dia nihantra namindra fo izy ary sitrana ireo boka.

8. bor2lais ( 11/05/2010 07:24)
soanja:

Izany OTA resahinareo izany dia isan'ny fiainana avokoa raha ny fahalalako azy. Mandalo ary miaina azy avokoa isika rehetra raha samy olombelona

-> Toa mitady hisy fifandraisany amin'ilay sarinteny momba ny "fanaratoana" sy "ranomasina" indray izy izany an ! :D :-D
9. bor2lais ( 11/05/2010 09:44)
soanja:

PS: Izay aho vao afaka nandalo nijery baiboly io Lioka 17 io ary tsy hitako tao i Jesoa niteny hoe diovy aloha ny otanareo vao ho sitrana ianareo. Avy hatrany dia nihantra namindra fo izy ary sitrana ireo boka.

-> Raha ny fahalalako azy tamin'izany andro izany ny habokana, ho an'ny mpiara-monina, toa mariky ny ota raha tsy diso aho. Ara-bakiteny mihitsy ilay hoe "mitoka-monina sahala amin'ny boka" : ihatakatahan'ny mpiara-monina.

Ka amiko ilay tenin'i Jesoa hoe : "Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona" dia toa fanirahana haka "fanamarinam-pahasitranana" mba ahazoan'izy ireo mifanerasera amin'ny mpiara-monina indray.

Fomba fijeriko ihany anefa io an ! :D
10. soanja ( 11/05/2010 14:21)
bor2lais:

Fa ny boka any amintsika - Madagasikara- miara-miaina amin'ny rehetra rehetra ve? Atokamonina foana ny boka hatramin'izay ka hatramin'izao satria areti-mifindra ny habokana.

Ny fahasitranana dia tena ara-bakiteny mihitsy raha ny fahazoako an'io. Manasitrana i Jesoa ary tsy resaka ota fa ara-batana.

11. Mpanazava ( 12/05/2010 06:26)
Izany ihany koa ny finoana mbola takian’ny Tompo amintsika MIANTEHITRA AMINY, MAHATOKY NY TENINY, MANATANTERAKA IZAY SITRAPONY !

Misaotra nizara.

Hoy i Soanja:
Ny fahasitranana dia tena ara-bakiteny mihitsy raha ny fahazoako an'io. Manasitrana i Jesoa ary tsy resaka ota fa ara-batana.

Raha io lohahevitra resahana io no jerena dia marina ny fanamarihana nataon'i Soanja. Betsaka ny resaka mahakasika ny ota mifandray amin'i Jesosy ao anaty baiboly, ireny angamba no tsara aseho amin'izay dia milamina.
12. bor2lais ( 12/05/2010 07:55)
soanja:

Ny fahasitranana dia tena ara-bakiteny mihitsy raha ny fahazoako an'io. Manasitrana i Jesoa ary tsy resaka ota fa ara-batana.

Tsy mandà ilay fahasitranana "ara-bakiteny" aho ka !

Fa ny hevitra ara-panahy asehon'io fanasitranana io no mety misy idiran'ny resaka ota hoy aho !

izaho:

Raha ny fahalalako azy tamin'izany andro izany ny habokana, ho an'ny mpiara-monina, toa mariky ny ota raha tsy diso aho.

Miala tsiny fa mariky ny "fahalotoana" no metimety kokoa angamba ! Io "loto" io no nodiovin'i Jesoa ! :D
13. ikaretsaka ( 12/05/2010 12:42)
Aza interpretena sy ovaovaina araka ze revirevin sainareo hoa le vosoratra...
14. ikaretsaka ( 12/05/2010 12:46)
Raha te hanao izany dia fara faharatsiny mba asiana lojika..jerena ny circumstances misy.ny ara tantana, jeografia, ny rafitra t@ zany...fa aza terena be fotsiny le izy
Lasa farihin tibetiady lasa ranomasina sns...farany ho lasa loharano koa I jordany fa tsy ony intsony....
15. bor2lais ( 12/05/2010 13:07)
Fizarana ny eto amin'ny forum Ra-Ika fa mba alefa izay fahazoanao azy (raha misy) iaraha-mijery a ! :D
16. soanja ( 12/05/2010 14:52)
bor2lais:

[

Miala tsiny fa mariky ny "fahalotoana" no metimety kokoa angamba ! Io "loto" io no nodiovin'i Jesoa ! :D
[/quote]

Mahavariana ahy mihitsy ny fisainana miseho eto. Raha boka ve ilay olona dia lazaina fa "loto" ara-panahy?

Aza mba mandika vilana hoy aho na hoe izay sarin-teny tianareo ao an-tsaina tsy mandeha amin'ny laonina no heverinareo fa ho asan'Andriamanitra.

Araho tsara ny tohiny manaraka , firy tamin'ireo boka no niverina nisaotra sy nitsaoka ary nankasitraka an'i Jesoa? Iray dia iray madina!

Inona izany ilay fahotana nodiovin'i Jesoa raha nolazaina fa madio izy ireo tamin'ny ota? Sa ve tsy fahotana ny tsy fahalalana fankalazana an'Andriamanitra sy fahafahana mahalala fa nositraniny nefa nodiana tsy fantatra ilay fahasoavana?

Aoka re marina. Araka ny voalazan'i Ika. Aza dia katsanana loatra ilay soratra ao rehefa hanoratra eto ihany fa jereo ny tontolony rehetra indrindra raha te hanao pasitera eto.

17. soanja ( 12/05/2010 14:54)
ikaretsaka:

Raha te hanao izany dia fara faharatsiny mba asiana lojika..jerena ny circumstances misy.ny ara tantana, jeografia, ny rafitra t@ zany...fa aza terena be fotsiny le izy
Lasa farihin tibetiady lasa ranomasina sns...farany ho lasa loharano koa I jordany fa tsy ony intsony....

Io fahavoazana be mihitsy indrindra raha tenin'Andriamanitra no avadibadika hanaovana fanilikilihana.

18. ikaretsaka ( 12/05/2010 15:01)
Takaitran'ny kitsimpona aby io e.
Tsimponina fe tsimponina fotsiny ary vo nampihomehy sy mahonena ahy vao teo ny nahalala hoe ankizy zanaky ny tsimpona hatao confirmation rahampitso dia. Mihevitra fa "mpaminany" ingahy "korintianina"... looza
19. soanja ( 12/05/2010 15:07)
ikaretsaka:

Takaitran'ny kitsimpona aby io e.
Tsimponina fe tsimponina fotsiny ary vo nampihomehy sy mahonena ahy vao teo ny nahalala hoe ankizy zanaky ny tsimpona hatao confirmation rahampitso dia. Mihevitra fa "mpaminany" ingahy "korintianina"... looza

Resaka hafa indray kosa ny an'Ika izany. Aoka atao confirmation izay te ho confirmer-na re. Izy aza mba vonona hiatrika an'Andriamanitra. Amiko izay mahaizy antsika dia izay no tsara anantonanana an'Andriamanitra. Na boka na malemy na jamba na marenina ary ny matanjaka be dia samy tian'Andriamanitra avokoa. Aoka hanantona Azy.

20. ikaretsaka ( 12/05/2010 15:25)
Ekeko izay...fa tokony mba fantany kosa ny zavatra tanisainy sy teniteneniny @ olona . Fa tsy hoe "who is Chorinthians"... "a prophet" kosa le...
De handeha hizara izy avy eo izany ka raha tsy nanontany ahako anikeheo dia ho voapoizin'ny fampianarandiso aby ireo izany nizarany any aoriana any....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083