Henomby tamin'i Joro
1. soanja
(
15/04/2010 14:38)
Nisy fety natao izany tany ambanivohitra lavitra be ny lalana misy ny fivarotan-tsakafo, ka dia tsy nanaiky ny olona tao an-tanana raha tsy hatao Joro/ fomba ny famonoana ilay omby-novidianay mpivahiny- mba hisy hotolorana ny razana. Avy hatrany ny namako roa izay Xtinina samy manana ny anaram-piangonany tonga dia tezitra hoe fa nahoana no atao Joro izany fa aleo vonoina amin'zao. Dia hoy aho hoe izay no fomban-dry zareo dia aleo hajaina izany fa isika aty amin'ny taniny, za sy izy roa rahateo tsy hahafaty ilay omby. Izy roa moa zany samy nanapakevitra ny tsy hihinana ilay hena. Ny tenako moa tonga dia tsy nihafahafa fa tonga dia namango niaraka tamin'ny mpiray tanana teo. Tsy misy eritreritra hafa mihitsy hoe Joro sa tsy joro fa hena dia hihinana aho satria noana ary io ilay nofon-kena mitam-pihavanana dia vao maika ekeko izany. Ny olana anefa dia naharitra andro elaela ihany ilay hena vao lany ary lavitra ny tanana misy sakafo hafa. Samy tsy tia ramirebaka koa izy roa ireo nefa izay no sakafo misy ao an-tanana ankoatrany vary moa izany. Tsy dia nampoizina koa anefa ilay joro natao tamin'ilay omby dia tsy nitondra sakafo firy izahay. Dia nony noana ireto namako dia nihinana ilay hena ihany afaka dimy andro teo.
Dia hoy aho aneritreritra hoe inona moa no zava-dehibe ny finoana izay heverinao fa hisy fiantraikany amin'ilay henomby ve sa ianao ilay noana ka dia mamelona ny tena satria izay no mahaolombelona antsika.
Nony nody anefa izahay dia natahotra foana ny iray tamin'izy roa fa nihinana ilay henomby. Moa ilay iray niteny tsotra hoe io zany no avy amin'ilay hoe tsy misy hodivirana. Ny tena mbola tsy vonona ny hofaty noana tsinona. Ka asa re fa dia ity tahotra ity koa dia isan'ny tsapako mandavo ny saintsika olombelona an!

novalian'i niryna ny 25/04/2010 04:55
2. rakapy
(
15/04/2010 14:48)
Ka araka ny maha xana azy dia efa voasesika tao an-tsainy fa fomban'ny devoly sy fanompoana sampy ny fomba hafa akoatra ny fomba xana.
Izy ho naona tsy dia olana loatra fa ny tena hitako tsy mety dia ilay tsy fanajana sy tsy fahatokisana ilay fomban'ny hafa. Indrindra moa fa ireo mpivahiny ihany no nividy ilay omby.
Dia hoy aho aneritreritra hoe inona moa no zava-dehibe ny finoana izay heverinao fa hisy fiantraikany amin'ilay henomby ve sa ianao ilay noana ka dia mamelona ny tena satria izay no mahaolombelona antsika
Izy ho naona tsy dia olana loatra fa ny tena hitako tsy mety dia ilay tsy fanajana sy tsy fahatokisana ilay fomban'ny hafa. Indrindra moa fa ireo mpivahiny ihany no nividy ilay omby.
3. soanja
(
15/04/2010 15:10)
rakapy:
ny tena hitako tsy mety dia ilay tsy fanajana sy tsy fahatokisana ilay fomban'ny hafa. Indrindra moa fa ireo mpivahiny ihany no nividy ilay omby.
Ny tsapako tamin'izay aloha dia tsy zava-dehibe tamin'ireo namako izay fomban'ny hafa any. Ny finoany no nahaolana azy satria miatrika ny fifandonan'ny hanohanana sy ny finoany izy ireo.
4. ikaretsaka
(
15/04/2010 15:24)
Za xtianina fa ny ahy haniko e. Tany Ilakaka sy ny manodidina koa nisy cas ohatran izany..le manasina ny mpihady vatosoa. Dia manatitra akoho eo @ le toerana nanasinana. Matetika ireo akoho ireo no votsotra ny tady namatorany azy dia mirenireny dia tonga eny aminay sy mifangaro @ akoho ompiana: dia tsy hay intsony fa dia handrahoina ao koa rehefa hoe akoho ny laoka... efa nanao foana anay mandra pahafantatra taty aoriana elabe hoe. Mihoatra ny isan'akoho dia kay akoho tary no nilefa nankaty... fa naninona zao zahay? Narary sa narinkoditra?
5. Mpanazava
(
16/04/2010 08:12)
Dia hoy aho aneritreritra hoe inona moa no zava-dehibe ny finoana izay heverinao fa hisy fiantraikany amin'ilay henomby ve sa ianao ilay noana ka dia mamelona ny tena satria izay no mahaolombelona antsika.
Raha izaho manokana no tany dia tonga dia nody. An! fa nahoana?
satria ampihariko ity tenin'Andriamanitra ity hoe:" Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy maizina? Ary inona no ifanarahan'ny Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino @ tsy mino? ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny Sampy? (...) Koa Mivoaha ianareo ary misaraha aminy hoy i YAVEH ary aza manendry izay zavatra tsy madio..." (2 Kor 6: 14-18)
Fa alohan'ny andehanako, hazavaiko amin'izy ireo ny antony, ny marina mahakasika ny razana, ary miala nenina aho aloha mitady sakafo hafa (Akoho ...)
6. xxx
(
16/04/2010 08:25)
Ka misy olona mieritreritra fa satria izy "ouvert" @ lafiny fivavahana dia tout est permis .
7. rakapy
(
16/04/2010 08:42)
Hoy i xxx 5
Raha ity tantara ity izao no jerena ( Io moa no hiadina hevitra eto). Inona izao no zavatra mamoha-fady ka tsy ahazahoana permission @ fihinanana ilay hena?
Ka misy olona mieritreritra fa satria izy "ouvert" @ lafiny fivavahana dia tout est permis .
Raha ity tantara ity izao no jerena ( Io moa no hiadina hevitra eto). Inona izao no zavatra mamoha-fady ka tsy ahazahoana permission @ fihinanana ilay hena?
8. xxx
(
16/04/2010 08:47)
Joro ry rakapy dia fomban'ny devoly sy fanompoana sampy ka tsy mendrika ho an'ny Kristianina.
9. rakapy
(
16/04/2010 08:52)
Hoy i xxx 7
Fa nahoana no lazainao fa fomban-devoly ny Joro? Inona moa no maha samihafa ny fanaovana batisa na ny fanaonana sorona tao @ testameta taloha ny joro?
oro ry rakapy dia fomban'ny devoly sy fanompoana sampy ka tsy mendrika ho an'ny Kristianina.
Fa nahoana no lazainao fa fomban-devoly ny Joro? Inona moa no maha samihafa ny fanaovana batisa na ny fanaonana sorona tao @ testameta taloha ny joro?
10. Mpanazava
(
16/04/2010 08:57)
tsy nanaiky ny olona tao an-tanana raha tsy hatao Joro/ fomba ny famonoana ilay omby-novidianay mpivahiny- mba hisy hotolorana ny razana.
Hoy i rakapy:
ity no sombin'ilay tantara :
Fa nahoana no RAZANA?
Hoy i rakapy:
Raha ity tantara ity izao no jerena ( Io moa no hiadina hevitra eto). Inona izao no zavatra mamoha-fady ka tsy ahazahoana permission @ fihinanana ilay hena?
ity no sombin'ilay tantara :
tsy nanaiky ny olona tao an-tanana raha tsy hatao Joro/ fomba ny famonoana ilay omby-novidianay mpivahiny- mba hisy hotolorana ny razana.
Fa nahoana no RAZANA?
11. Mandefitra
(
16/04/2010 08:57)
IKor 10 :19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20 Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo 32:17) ; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo.
21 Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.
22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa, ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 fa "an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy" (Sal 24:1) .
27 Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanao, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
30 Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?
31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan' Andriamanitra,
33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

12. Mandefitra
(
16/04/2010 08:58)
Fa tsara hazavain i Soanja ihany hoe : inona moa ilay Joro azafady. Misaotra
14. rakapy
(
16/04/2010 09:10)
Hoy Mandefitra
Ny joro dia fanatitra natao hanajana ny razana. Ary omby matetika no vonoina amin'io fotoana io.
Fa tsara hazavain i Soanja ihany hoe : inona moa ilay Joro azafady.
Ny joro dia fanatitra natao hanajana ny razana. Ary omby matetika no vonoina amin'io fotoana io.
15. Mpanazava
(
16/04/2010 09:16)
Fantatrareo ve hoe iza avy no antsoina rehefa manao joro?
Soanja izao efa nahita tokony mba mitantara kely.
F'angaha maheno ny velona ny RAZANA?

16. rakapy
(
16/04/2010 09:40)
Hoy i Mpanazava
Io anie ilay mampihomehy @ nareo indraindray e! :-D
Resaka "fanahy" no resahina eto, tsy misy maha samihafa ilay fanahy resahin'ny xana ihany io e!
F'angaha maheno ny velona ny RAZANA?
Io anie ilay mampihomehy @ nareo indraindray e! :-D
Resaka "fanahy" no resahina eto, tsy misy maha samihafa ilay fanahy resahin'ny xana ihany io e!
17. Mandefitra
(
16/04/2010 10:05)
ka inn no hidran ny fanahin ny razana @ le omby novonoina raha izany?
Eo ange no manahirana ty fomba gasy ty.
T@ andron ny Testament taloha de nazava :novonoina ny biby, nalatsaka ny rany , nodorana ny fanatitra, mba ho hanitra ankasitrahan ny Ray AO AMbony.
Nony tonga Kristy, Izy Tenany no nanao fanatim-pihavanana, vita ny famonjena.
Ka ho an iza ty ran omby nalatsaka?

18. rakapy
(
16/04/2010 10:15)
Hoy i Mandefitra
Valiny
Izany hoe misy itovizany be dia be ilay fomba.
Ny rany dia natao fanatitra ho an'ny any ambony fa ny henany kosa natao ho hanin'ny Gasy satria mosareha sy noana ny vahoaka.
ka inn no hidran ny fanahin ny razana @ le omby novonoina raha izany?
Eo ange no manahirana ty fomba gasy ty.
Valiny
:novonoina ny biby, nalatsaka ny rany , nodorana ny fanatitra, mba ho hanitra ankasitrahan ny Ray AO AMbony( Zanahary sy ny razana).
Izany hoe misy itovizany be dia be ilay fomba.
Ka ho an iza ty ran omby nalatsaka?
Ny rany dia natao fanatitra ho an'ny any ambony fa ny henany kosa natao ho hanin'ny Gasy satria mosareha sy noana ny vahoaka.
19. ikaretsaka
(
16/04/2010 12:09)
xxx:
Joro ry rakapy dia fomban'ny devoly sy fanompoana sampy ka tsy mendrika ho an'ny Kristianina.
Mba porofoy azafady fa aza manao affirmation gratuite fotsiny
20. xxx
(
16/04/2010 12:17)
xxx:
Joro ry rakapy dia fomban'ny devoly sy fanompoana sampy ka tsy mendrika ho an'ny Kristianina.
ikaretsaka:
Mba porofoy azafady fa aza manao affirmation gratuite fotsiny
Azon'i Ikaretsaka porofoina ve ny inverse ? Izany hoe tsy fanompoana sampy araka ny définition Soratra Masina ny joro