Henomby tamin'i Joro

41. ikaretsaka ( 19/04/2010 21:37)
izay manko
42. Mandefitra ( 20/04/2010 06:22)
vonona hiara-monina

Io aloha toetrantsika gasy io mihatsara velatsihy io.
Heveriko fa tonga ny fotoana hijoroana hanambarana ny zava misy marina.
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...

Aiza ve ka h@ zao ny aretina toy ny sovoka, androbe de mbola vitsy @ malagasy ny tena mahafantatra azy. Nefa dokotera sy siantifika be dia be mieli patrana eran ny nosy io.

Matahotra fiaraha monina ve? sao manimba fihavanana ve?

De avela hiaina @ tsy fahalalana ny mpiara belona.

43. rakapy ( 20/04/2010 10:21)
Hoy i Mandefitra
Heveriko fa tonga ny fotoana hijoroana hanambarana ny zava misy marina.
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...

Mbola misy ny mahota tombotsoa amin'ireo matoa tsy mbola foana izy ireo. Ny fisotroana taingena izao efa hita porofo fa tsy hita ny mahatsara azy dia foana ho azy.

Inona izany ny MARINA hitanao fa tokony hambara sy hijorona @ zao fotoana izao?
Hoy i Mandefitra
Aiza ve ka h@ zao ny aretina toy ny sovoka, androbe de mbola vitsy @ malagasy ny tena mahafantatra azy. Nefa dokotera sy siantifika be dia be mieli patrana eran ny nosy io.

Matahotra fiaraha monina ve? sao manimba fihavanana ve?

De avela hiaina @ tsy fahalalana ny mpiara belona


Tena marina tokoa ny voalazanao fa maro @tsika Malagasy no tsy mahafantatra sy tsy mahay manavaka ireo.

Ny sovoka na androbe sns... voalazanao dia matetika ho entina eny @ mpimasy na koa entina hivavahana eny @ toby fa hoe devoly nefa dia aretina azo tsaboin'ny dokotera tokoa aza.

Angamba mora ny sarany eny @ ireny fanambakana vahoaka ireny, ary ny Gasy moa tsy manam-bola ka dia eny ihany aloha no vahaolana.
44. ikaretsaka ( 20/04/2010 14:08)
o aloha toetrantsika gasy io mihatsara velatsihy io.

tsy toetrantsika gasy ihany io fa toetra \n'oloma maro, ary indraindray aza ilay fivavahana (izaho tsy miteny hoe ny Kristianisma ihany sao de heo anona eo indray a) no mainka mampiroborobo azy io
io ilay lazaiko foana hoe aiza le honnettete!

hazavaiko: bedebe ny zavatra diso nipoitra tato izay hita izao fa diso , dia tsy mba mihaiky rehefa tsy manana arguments intsony, fa misangodina eo satria asa na matahotra milaza le marina rehefa resaka fivavahana ny resaka
45. soanja ( 20/04/2010 15:15)
Mandefitra:


Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...




Odryyy, ianao angaha ahoana?

Ianao no mahita an'ilay izy fa tsy mitahy fa tsy izy ireo! Mahasambatra azy ireo ataony ireo, tsy hitako izay maharatsy azy. Mifandray amin'ny natiora izy manao izany ary mitia ny natiora manodidina azy eo. Manam-pinoana izy amin'izao ady mafy amin'ny fiainana izao.

Raha hampiditra resaka Andriamanitra tsy manao Joro aza ianao dia tsy hilaza izy hoe aiza ho aiza eo izany no fitahiana? Tsy mitovy ihany ireo. Samy tsy hita maso ary samy tsy manao miracle eo no ho eo.

Raha dinihako aza anie dia ianareo mivelona any an-tanandehibe ireo no tsy sambatra/ faly/ tony loatra raha oharina amin-dry zareo any ambanivohitra e.

Aoka lahy ny fiheverana fa ny anareo/ anao ihany no tena milay sy tena izy!


46. ravonjison ( 20/04/2010 15:52)
Mandefitra:

vonona hiara-monina

Io aloha toetrantsika gasy io mihatsara velatsihy io.
Heveriko fa tonga ny fotoana hijoroana hanambarana ny zava misy marina.
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...

Aiza ve ka h@ zao ny aretina toy ny sovoka, androbe de mbola vitsy @ malagasy ny tena mahafantatra azy. Nefa dokotera sy siantifika be dia be mieli patrana eran ny nosy io.

Matahotra fiaraha monina ve? sao manimba fihavanana ve?



De avela hiaina @ tsy fahalalana ny mpiara belona.






Eto aloha dia mitovy fijery tanteraka @ Mandefitra aho.
Ka raha hiverenako kely ilay fanontanin' i Soanja : inona moa no manandanja aminy , ilay finoana ve sa ilay tsy ho faty mosary ?

Mazava fa ilay finoana. Saingy sarotra ny toerana nisy azy ka tsy maintsy nanara-drenirano aloha izy. Mbola nisy zavatra tsy mainty noleferiny tao, izay anefa tsy fantatro ( izy ihany no mahalala izany).Ny fahitako azy dia niankina loatra t@ ireo olona eo antoerana ny fiainany tany ( karama, fatoriana, fodiana ..sns...).
Mino anefa aho fa any aoriana any mety hi -organiser tsara ny voyage-ny mba tsy hiankina @ iza n' iza izy , @ izay fotoana izay dia tsy mamapaninona azy ny handa avy hatrany ilay fomba.

Ny nampararirary ny fony mantsy, t@ izy efa nody ka nieritreritra foana ilay " situation " , tsy hoe ilay izy nihinana ilay hena, iny azony hivavahana avy eo dia tsy misy dikany, fa kosa ilay izy tsy afaka ni-affronter ilay tranga : izany hoe nanazava sy nanome modely fa " fandaniana andro sy tsy misy dikany ny fanaovana joro , finoana tsy maripotrotra.
Adidiny sy andraikiny tokoa mantsy ny manazava izany ( tsy manambany olona an, fa manazava sy manome ohatra mazava fotsiny !!!!)
47. ikaretsaka ( 20/04/2010 16:10)
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...


Mandefitra sy ravonji> misy toerana sasany, na fomba sasany, marina fa tsy ekena sy marina sy voaporofo ara tsiantifika fa tsy mitombona , fa izay ny fataon- jareo any, dia amiko dia ny manaja izay no fahendrena tsotra indrindra, za raha nihinana henomby t@ joro na "hena ratsy" T@ fahoriana le misy maty ireny dia mamono omby, na ilay akoho lahy mena tafaporitsaka tery amin'ny doany ka lasa taty aminay ka maty novelesin'ny akoho lahinay tao, dia tsy nohon'ny finoan-jareo loatra no hanaovako azy fa hoe "hano fa hena"

Raha any @ taliban ianao ohatra no miteny hoe atao inona ny bourka dia hazavainao eo na ara-pinoanao na ny ara tsiansa hoe "nareo ve ry madama sy ry madmozel tsy sempotra ao anaty rebareba ao'
-> lapide rahampitso ihany ianao
48. soanja ( 20/04/2010 20:28)
ravonjison:

Mandefitra:

vonona hiara-monina

Io aloha toetrantsika gasy io mihatsara velatsihy io.
Heveriko fa tonga ny fotoana hijoroana hanambarana ny zava misy marina.
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...

Aiza ve ka h@ zao ny aretina toy ny sovoka, androbe de mbola vitsy @ malagasy ny tena mahafantatra azy. Nefa dokotera sy siantifika be dia be mieli patrana eran ny nosy io.

Matahotra fiaraha monina ve? sao manimba fihavanana ve?



De avela hiaina @ tsy fahalalana ny mpiara belona.






Eto aloha dia mitovy fijery tanteraka @ Mandefitra aho.
Ka raha hiverenako kely ilay fanontanin' i Soanja : inona moa no manandanja aminy , ilay finoana ve sa ilay tsy ho faty mosary ?

Mazava fa ilay finoana. Saingy sarotra ny toerana nisy azy ka tsy maintsy nanara-drenirano aloha izy. Mbola nisy zavatra tsy mainty noleferiny tao, izay anefa tsy fantatro ( izy ihany no mahalala izany).Ny fahitako azy dia niankina loatra t@ ireo olona eo antoerana ny fiainany tany ( karama, fatoriana, fodiana ..sns...).
Mino anefa aho fa any aoriana any mety hi -organiser tsara ny voyage-ny mba tsy hiankina @ iza n' iza izy , @ izay fotoana izay dia tsy mamapaninona azy ny handa avy hatrany ilay fomba.

Ny nampararirary ny fony mantsy, t@ izy efa nody ka nieritreritra foana ilay " situation " , tsy hoe ilay izy nihinana ilay hena, iny azony hivavahana avy eo dia tsy misy dikany, fa kosa ilay izy tsy afaka ni-affronter ilay tranga : izany hoe nanazava sy nanome modely fa " fandaniana andro sy tsy misy dikany ny fanaovana joro , finoana tsy maripotrotra.
Adidiny sy andraikiny tokoa mantsy ny manazava izany ( tsy manambany olona an, fa manazava sy manome ohatra mazava fotsiny !!!!)



Tena izay ka tsy afa- manoatra tokoa izy raha tany satria tsy bien organise talohan'ny nadehan-dry zareo tany ny zava-drehetra. Izy ireo aloha dia nahalala tokoa fa hisy ny famonoana omby ary hisy ny Joro saingy nony tany dia tsy vonona ny hanolotra an'ilay omby amin'izay indray izy ireo. Ny sakafo indray dia efa nifanarahana fa ry zareo ao an-tanana no manomana azy. Ny olana izany dia izy ireo tsy niomana ny hoe raha tsy hihinana ny any aho dia tokony hitondra izay zaka avy ety ivelany. Ny tenako tsy nahalala hoe ho sarotiny ry zareo momba ny Joro.

Fa ny hany fantatro kosa dia tsy nisy mihitsy na ny kely eritreritra hoe ndeha hitory teny ry zareo ka hoe hanova fa tsy mety ny ataon'ny hafa: joro sns sns.

Ny alahelony dia izy nihinana henan'ny joro.

Ny iray anefa dia nilamina tsara ny sainy satria fantany fa tsy tiany ny hihinana an'iny hena iny saingy tsy nanan-tsafidy izy.

Ary raha izay hoe hitsangana hanazava sy hanaratsy ny finoan'ny hafa no nitranga tamin'izany dia ny tenako no hanakana azy voalohany momba izany satria tsy hanaiky izany aho, mpiandrakitra. Raha te ho any ry zareo amin'ny alalan'ny fiangonany sy ny finoany dia mahazo mankany tsy misy manakana fa raha mbola amin'ny alalan'ny asa iandreketako no aleha any dia azafady Baba fa tsy hisy izany raha mbola Soanja no Soanja. Manaja izay alehako any aho noho ny asa ary izay miaraka amiko dia tokony hanaja izany koa fa raha tsia dia tsy manahy fa tsy amin'io fotoana io ary rehefa tsy eo aho.

Aoka anefa hilaza aho fa isaky ny hariva alohan'ny hatory izahay dia miara-mivavaka eo, ary misokatra koa ny akanikelinay hidiran'izay te hivavaka. Afaka mitory teny izay te hitory teny amin'izany raha izay no faniriana saingy tsy nisy moa izay.

Malalaka amin'izay tiany atao ny rehetra amiko saingy kosa raha asa no atao any dia aoka tsy hisy handipadipatra sy hifandemilemy, indrindra raha ny any an=taninolona. Izy ireo anie tsy niatrika ilay Joro e. Tsy nisy nanisy izany ho olana mihitsy ny tao an-tanana.




49. Ratoa ( 20/04/2010 23:39)
Ekeko ho marina daholo ny voalazan'i Soanja satria an-tanin'olona na dia any Dago azy no niseho ity tantara.
Ny tompon-tany no manaraka ny fombany sy ny finoany. Ny hany azony natao amin'ny mahavahiny azy , sy maha vavolom-belon'i Kristy azy (izay koa no atao hoe Kristianina amiko) dia ny nifanakalo hevitra, tsy mifanditra, amin'ireo tompon-tany. Manao izay hifankalalana, samy manolotra ny heviny.
mandeha tsikelikely ny fandresena lahatra fa tsy avy hatrany dia mifandona amin'ny tompon-tany.
Ohatra iray: nanao SN tany ambanivolo tany ny zandriko. tsy manome atody ny zazakely mbola tsy miteny ny eo an-tanàna ary manana fomba hafahafa koa momba ny fambolena (fadifady isankarazany). Tanora dia tanora anefa ireto SN nalefa hampivoatra sy handresy lahatra ny eo an-tanana.
Nifampizara hevitra izy ireo aloha. Nifankafantatra, nifanakalo fomba ary dia nazavain'ireto ankizy SN tsikelikely fa tsy manjary maona (muet) izany ny zazakely raha omena atody... Dia najary nihina atody ireo zaza tsy mbola miteny.
Tampoka kosa angaha ny fisehon-javatra ka tsy afa-namaly (réagir) i soanja?
50. soanja ( 21/04/2010 01:05)
Raha izay indray dia afaka milaza ny tena zavamisy aho ry Ratoa.

Tamin'ny fotoana nivezivezeko tokoa niasa any amin'ireo dezaka ireo dia betsaka ihany ny manam-pahefana mifandray amiko eo. Dia nisy mihitsy izay minisitra izay , teraka avy any amin'io faritra io, nefa tsy hitako izay zavabitany tamin'ilay faraitra no vaky vava ary nanontany ahy nony nisy fanokafana asa iray vita tany.

-Soanja, mba liana aho hoy izy inona no mahatonga anareo mankaty lavitra aty. Tsy havanareo, tsy volovolonareo ny aty nefa dia izao no zavamisy. Inona no antony? Pourquoi hoy izy izay?
Dia namaly moramora aho hoe Tsy mialon-jafy ny fitiavan-tanindrazana. Andriamanitra dia isany naniraka anay ho tody taty. Izy ilay mahery nanome anay hery hiatrika ny tsy fitoviana ary miezaka lalandava izahay raha mety ho fantsom-pitahiana ho an'ny hafa. Jesosy Kristy ilay Tompo mahery no fototr'izao rehetra izao. Isaorako ny Avo indrindra noho izany rehetra izany sy izao fotoana ifampiresahantsika mianadahy izao.

-Gaga dia gaga ny anao lahy. Ianao anefa ve tsy manana hevitra hanao politika hoy izy. Tsia hoy aho raha ny amin'izay.

Tamin'io fotoana io dia nifampiresaka ry zareo samy ry zareo ary nony vita ny asa rehetra nataonay tany dia nisaotra ry zareo ary niteny hoe teo anivon'ny vehivavy be dia izay niara nivory tamiko hoe :" Mahavariana ry Madama fa tena mampite hitia tokoa izao fihetsika izao ary Isaorana tokoa ilay Andriamanitra naniraka anareo taty. Rehefa malalaka indray andro any ka mba manam-potoana ianao dia mba tantarao hoe nahoana no afaka manao izao tokoa ianareo ary inona no hialana amin'ny fanavakavahana hoy izy ireo. Satria mbola manjaka izany indraindray ka zary mampatahotra anay.

Avo ny lanitra ka tsy takatro fa raha misy angamba faniriako voalohany indrindra amin'ny fitiavako te hanaparitaka ny atao hoe Fitiavana tsy misy sisin-tany na borders na fetra dia eto no ho fotoana hoy aho.

Dia nanomboka ny fanazavana sy ny fifandraisana akaiky tsy misy idiran'ny asa fa ny finoana no miasa.

Amiko dia ila fotoana ny zava-drehetra ary Andriamanitra irery ihany no mandamina izany fa tsy programa vita any anaty agenda.

51. soanja ( 21/04/2010 01:11)
Rehefa hariva tamin'izany fotoana izany dia nitondra gitara izahay ka mihira hira isan-karazany ka ny tena hira nohiraina tao dia ny antsam-panahy. Ny fiantsoana ilay Tsy toha hanampy anay amin'ny dianay. Izireo dia tia mihira koa ka vory tokoa ao anaty ilay tranolay. Akory moa ny hafaliana noho izany satria sady afaka mivavaka ianao, no misy sofina be dia be sy maso madinika ary mahita izay ataonao eo. Enga anie ka ho tohina ny fon'izy ireo ary hiara hirohotra amin'izay fizarana fitiavan-dehibe izany. Tsy misy resaka fiangonana fa olombelona samy olombelona entanim-panahy mpamelo sy mpampihavana.
52. rakapy ( 21/04/2010 07:56)
Hoy i Soanja
Fa ny hany fantatro kosa dia tsy nisy mihitsy na ny kely eritreritra hoe ndeha hitory teny ry zareo ka hoe hanova fa tsy mety ny ataon'ny hafa: joro sns sns.

Ny alahelony dia izy nihinana henan'ny joro


Tsy nanana heritreritra ny hitory teny sy hamafy izy ireo satria na ilay inoany aza tsy azony antoka e! Izay angamba no tena valiny!

Raha ohatra ve ka tena fantany sy hanany porofo fa tsy ho voavonjy ireo mpanao joro, raha tena olon'A/tra sy ny fahamarinana izy ireo, nahoana no nanana fisalasalana???

Raha efa ratatrao mazava ve fa asidra no ao anatin'ilay tavoahangy izay noheverin'ilay olona mangetaheta hosotroina, tsy hosakananao sy hilazanao ary azavainao ve izy fa asidra mahafaty iny?
53. ravonjison ( 21/04/2010 09:17)
soanja:

ravonjison:

Mandefitra:

vonona hiara-monina

Io aloha toetrantsika gasy io mihatsara velatsihy io.
Heveriko fa tonga ny fotoana hijoroana hanambarana ny zava misy marina.
Rehefa tsy mety tokony mba tenenina hoe tsy mety re tompoko o, hazavaina aminy ny antony tsy mahamety azy.
Tsy mitahy ny razana => tsisy antony hanaovana joro e, fitampoha e, tromba e ...

Aiza ve ka h@ zao ny aretina toy ny sovoka, androbe de mbola vitsy @ malagasy ny tena mahafantatra azy. Nefa dokotera sy siantifika be dia be mieli patrana eran ny nosy io.

Matahotra fiaraha monina ve? sao manimba fihavanana ve?



De avela hiaina @ tsy fahalalana ny mpiara belona.






Eto aloha dia mitovy fijery tanteraka @ Mandefitra aho.
Ka raha hiverenako kely ilay fanontanin\' i Soanja : inona moa no manandanja aminy , ilay finoana ve sa ilay tsy ho faty mosary ?

Mazava fa ilay finoana. Saingy sarotra ny toerana nisy azy ka tsy maintsy nanara-drenirano aloha izy. Mbola nisy zavatra tsy mainty noleferiny tao, izay anefa tsy fantatro ( izy ihany no mahalala izany).Ny fahitako azy dia niankina loatra t@ ireo olona eo antoerana ny fiainany tany ( karama, fatoriana, fodiana ..sns...).
Mino anefa aho fa any aoriana any mety hi -organiser tsara ny voyage-ny mba tsy hiankina @ iza n\' iza izy , @ izay fotoana izay dia tsy mamapaninona azy ny handa avy hatrany ilay fomba.

Ny nampararirary ny fony mantsy, t@ izy efa nody ka nieritreritra foana ilay \" situation \" , tsy hoe ilay izy nihinana ilay hena, iny azony hivavahana avy eo dia tsy misy dikany, fa kosa ilay izy tsy afaka ni-affronter ilay tranga : izany hoe nanazava sy nanome modely fa \" fandaniana andro sy tsy misy dikany ny fanaovana joro , finoana tsy maripotrotra.
Adidiny sy andraikiny tokoa mantsy ny manazava izany ( tsy manambany olona an, fa manazava sy manome ohatra mazava fotsiny !!!!)



Tena izay ka tsy afa- manoatra tokoa izy raha tany satria tsy bien organise talohan\'ny nadehan-dry zareo tany ny zava-drehetra. Izy ireo aloha dia nahalala tokoa fa hisy ny famonoana omby ary hisy ny Joro saingy nony tany dia tsy vonona ny hanolotra an\'ilay omby amin\'izay indray izy ireo. Ny sakafo indray dia efa nifanarahana fa ry zareo ao an-tanana no manomana azy. Ny olana izany dia izy ireo tsy niomana ny hoe raha tsy hihinana ny any aho dia tokony hitondra izay zaka avy ety ivelany. Ny tenako tsy nahalala hoe ho sarotiny ry zareo momba ny Joro.

Fa ny hany fantatro kosa dia tsy nisy mihitsy na ny kely eritreritra hoe ndeha hitory teny ry zareo ka hoe hanova fa tsy mety ny ataon\'ny hafa: joro sns sns.

Ny alahelony dia izy nihinana henan\'ny joro.

Ny iray anefa dia nilamina tsara ny sainy satria fantany fa tsy tiany ny hihinana an\'iny hena iny saingy tsy nanan-tsafidy izy.

Ary raha izay hoe hitsangana hanazava sy hanaratsy ny finoan\'ny hafa no nitranga tamin\'izany dia ny tenako no hanakana azy voalohany momba izany satria tsy hanaiky izany aho, mpiandrakitra. Raha te ho any ry zareo amin\'ny alalan\'ny fiangonany sy ny finoany dia mahazo mankany tsy misy manakana fa raha mbola amin\'ny alalan\'ny asa iandreketako no aleha any dia azafady Baba fa tsy hisy izany raha mbola Soanja no Soanja. Manaja izay alehako any aho noho ny asa ary izay miaraka amiko dia tokony hanaja izany koa fa raha tsia dia tsy manahy fa tsy amin\'io fotoana io ary rehefa tsy eo aho.

Aoka anefa hilaza aho fa isaky ny hariva alohan\'ny hatory izahay dia miara-mivavaka eo, ary misokatra koa ny akanikelinay hidiran\'izay te hivavaka. Afaka mitory teny izay te hitory teny amin\'izany raha izay no faniriana saingy tsy nisy moa izay.








Mahaliana ihany itý tranga itý. I
Ilay resaka finoana aloha eo ihany ko. Misy ny finoana efa tena matotra , misy indray ny mbola malemilemy. Mety mbola tsy tena matotra tokoa angamba ny finoany.
Fa ankoatry ilay finoana dia eo koa ilay ahiahy tsotra izaho. Indrindra moa fa izy tsy nanatrika ilay joro, ka tsy fantany hoe inona marina no zavatra niseho tao ? Sao dia misy poizina ary ilay hena, ka ny gasy tsy haninona satria efa zatra, ka izy no mety harary . Na efa nanazava izany taminy aza i Soanja , dia mety tsy nino loatra izy ( eto izany dia marihiko fa nisy tsy finoana kely an\' i Soanja tao !!!).
Normal anefa izany ahiahy izany, izaho koa loha raha any @ pays hafa any ka manatrika fombafomba eo antoerana, ka tsy fantatro tsara ilay fomba, ary tsy hitan\' ny masoko ny nanaovana azy , dia tsy hihinana izay sakafo ao aho e, na fanajana ireo tompotany izany na tsia !!!!

Fa mahaliana ihany itý mitondra vazaha any Dago itý, satria tena ilaina mihitsy ny manazava @ izy ireo ny zavamisy sy ny fombafombantsika any alohan\' ny andehanany any. Arakaraka ilay namana mitondra azy any mantsy no hangalan\' izy ireo aneritreritra ny zavamisy any Dago. Matetika anefa tsy mifanaraka ireo.
Izaho koa mba nitondra vazaha tany Dago teo. Izaho mantsy atý, raha tsotsoriko , dia mba ambony kokoa noho ny faripiainan\' ilay vazaha vavy iray izay ny fiainako atý. Ka izay koa no nandraisan\' ilay vazaha vavy iray ny zavamisy, hoe toy aho daholo ny ankamaroan\' ny olona any Dago.
Efa mba nolazalazaiko ihany fa pays mahantra anie i Dago e.

Fa nony tonga tany dia mba noentiko nijery tanána ( ao Tana io a ), nahita ireo olona be dia be mahantra eny amoron-dalana, ny tanana maloto, ny fofona etsy andaniny, ny toa kitranotrano eny antanimbary.... Dia mbola nampidiriko tao anaty taxi-be indray , ilay mifaneritery sy mifampikasokasoka ireny e, ny fofona moa eo ihany , ny radio mitatatata be makarenintsofina.
Tena saika torana tsy nahateny, nivaramena ny masony ( tena tsy mbola hadihoko mihitsy iny)
Ny hariva ny andro tao antrano dia tsy maintsy mba nampakatra moraly azy aho ,ary namome fanazavana vinaninany teny....
54. ikaretsaka ( 21/04/2010 12:20)
rakapy:

Hoy i Soanja
Fa ny hany fantatro kosa dia tsy nisy mihitsy na ny kely eritreritra hoe ndeha hitory teny ry zareo ka hoe hanova fa tsy mety ny ataon'ny hafa: joro sns sns.

Ny alahelony dia izy nihinana henan'ny joro


Tsy nanana heritreritra ny hitory teny sy hamafy izy ireo satria na ilay inoany aza tsy azony antoka e! Izay angamba no tena valiny!

Raha ohatra ve ka tena fantany sy hanany porofo fa tsy ho voavonjy ireo mpanao joro, raha tena olon'A/tra sy ny fahamarinana izy ireo, nahoana no nanana fisalasalana???

Raha efa fantatrao mazava ve fa asidra no ao anatin'ilay tavoahangy izay noheverin'ilay olona mangetaheta hosotroina, tsy hosakananao sy hilazanao ary azavainao ve izy fa asidra mahafaty iny?

Ka tsy hananany porofo azo tsapain-tanana sy tsy azony antoka ilay hoe voahelok'ilay inoany ve izy raha mihinana ilay henana joro satria ireo izay nihinana niaraka taminy tsary nanahy. Na hoe raha sanatria lasana na rehefa tonga ny fotoana handehanany ho any @ le fiainana ankoatran'ity fiainana ity de tsary nisy nimpoly nilaza taminy hoe aiza ho aizan'ilay fiainana ankoatra any ro misy azy

55. rakapy ( 21/04/2010 12:36)
Hoy Ikaretsaka
Ka tsy hananany porofo azo tsapain-tanana sy tsy azony antoka ilay hoe voahelok'ilay inoany ve izy raha mihinana ilay henana joro satria ireo izay nihinana niaraka taminy tsary nanahy. Na hoe raha sanatria lasana na rehefa tonga ny fotoana handehanany ho any @ le fiainana ankoatran'ity fiainana ity de tsary nisy nimpoly nilaza taminy hoe aiza ho aizan'ilay fiainana ankoatra any ro misy az

Sady koa tsy nanana fahatokisana ilay itokisany izy ireo sao dia ilay mpanao joro no manana ny fahamarinana. Dia eo no mihazohazo tsy an-tany tsy an-danitra.
Ireo mpanao joro nefa mety tena nino tokoa fa voarain'i Zanahary sy ny razana ilay fanatitra .Ary dia tateraka ny finoany madio.
56. soanja ( 21/04/2010 13:02)
Hoy Ravonjison:


Fa ankoatry ilay finoana dia eo koa ilay ahiahy tsotra izaho. Indrindra moa fa izy tsy nanatrika ilay joro, ka tsy fantany hoe inona marina no zavatra niseho tao ? Sao dia misy poizina ary ilay hena, ka ny gasy tsy haninona satria efa zatra, ka izy no mety harary . Na efa nanazava izany taminy aza i Soanja , dia mety tsy nino loatra izy ( eto izany dia marihiko fa nisy tsy finoana kely an\' i Soanja tao !!!).

[/quote]

Mba azonao hazavaina lalin-dalina ve ilay hoe nisy tsy finoako kely?

Ny tenako aloha dia tsy mino ny Joro sy fanompoana ny razana e. Ny finoana an'Andriamanitra direkta no mety amiko. Saingy ny mandaitra amiko tsy voatery handaitra amin'ny hafa dia izay no hanekeko izay atolotra ahy eo. Fantatro koa fa zava-dehibe aminy ny finoany. Ka tsy ny tenako mihitsy no hanakana izay fanaony raha tsy hoe hisy famonoana olona na fampijaliana olona na tahak'izay. Ny famonoana biby aza dia efa tsy dia azoazoko loatra saingy mila mijery aho hoe iza moa no akaiky ahy kokoa ny biby sa ny olombelona. Dia izay akaiky no karakaraiko aloha.




57. ravonjison ( 21/04/2010 14:10)
soanja:

Hoy Ravonjison:


Fa ankoatry ilay finoana dia eo koa ilay ahiahy tsotra izaho. Indrindra moa fa izy tsy nanatrika ilay joro, ka tsy fantany hoe inona marina no zavatra niseho tao ? Sao dia misy poizina ary ilay hena, ka ny gasy tsy haninona satria efa zatra, ka izy no mety harary . Na efa nanazava izany taminy aza i Soanja , dia mety tsy nino loatra izy ( eto izany dia marihiko fa nisy tsy finoana kely an\\\' i Soanja tao !!!).



Mba azonao hazavaina lalin-dalina ve ilay hoe nisy tsy finoako kely?

Ny tenako aloha dia tsy mino ny Joro sy fanompoana ny razana e. Ny finoana an\'Andriamanitra direkta no mety amiko. Saingy ny mandaitra amiko tsy voatery handaitra amin\'ny hafa dia izay no hanekeko izay atolotra ahy eo. Fantatro koa fa zava-dehibe aminy ny finoany. Ka tsy ny tenako mihitsy no hanakana izay fanaony raha tsy hoe hisy famonoana olona na fampijaliana olona na tahak\'izay. Ny famonoana biby aza dia efa tsy dia azoazoko loatra saingy mila mijery aho hoe iza moa no akaiky ahy kokoa ny biby sa ny olombelona. Dia izay akaiky no karakaraiko aloha.





[/quote]


Miverina @ ilay voalazan\' i Soanja aho hoe : ilay izy nihinana ilay hena mihitsy no tena tsy tantiny \"
Avelako ilay resaka finoany hoe efa matotra na mbola tsia. Fa ny hipothese iray narahiko dia ilay hoe : sao dia nanana ahiahy tsotra izao fotsiny izy, tsy nanaraka norme ny famonoana ilay omby ? Satria tsy hitany mantsy ilay joro sy ireo rehetra nanodidina izany, ary koa ilay famonoana ilay omby. Ka mampisy fanontaniana tokoa izany : ara-dalána araka ny \" hygiene veterinaire \" daholo ve ny \" procedure namonoana ilay omby ? Ka na efa nanazava aza Soanja fa tsy mampaninona ny mihinana ilay hena, zavatra efa mahazaztra any io, dia nanana ahiahy foana izy. Izany hoe : nisy tsy fahatokisana kely an\' i Soanja tao.

Ny vazaha mantsy efa zatra fa ny famonoana omby , izay hoanina ny henany , dia tsy maintsy manaraka ny \" procedure veterinaire \", izay stricte tokoa @ fotoana izao.
58. rakapy ( 21/04/2010 14:27)
Soanja>Fa vazaha sa Gasy ireo namana niaraka taminao mba ampazava ny resakao sy Ravonjison?
Ny fahazaohako ilay tantara mantsy dia Gasy izy ireo?
59. ravonjison ( 21/04/2010 14:35)
rakapy:

Soanja>Fa vazaha sa Gasy ireo namana niaraka taminao mba ampazava ny resakao sy Ravonjison?
Ny fahazaohako ilay tantara mantsy dia Gasy izy ireo?



Mipetraka tokoa io fanontaniana io. Raha gasy izy ireo dia hafa indray ilay " hypothese ".
Izany anefa tsy mampiova ilay hoe : nisy tsy fahatokisana an' i Soanja kely teo @ ilay vehivavy namany.
60. soanja ( 21/04/2010 14:39)
ravonjison:

soanja:

Hoy Ravonjison:


Fa ankoatry ilay finoana dia eo koa ilay ahiahy tsotra izaho. Indrindra moa fa izy tsy nanatrika ilay joro, ka tsy fantany hoe inona marina no zavatra niseho tao ? Sao dia misy poizina ary ilay hena, ka ny gasy tsy haninona satria efa zatra, ka izy no mety harary . Na efa nanazava izany taminy aza i Soanja , dia mety tsy nino loatra izy ( eto izany dia marihiko fa nisy tsy finoana kely an\\\' i Soanja tao !!!).



Mba azonao hazavaina lalin-dalina ve ilay hoe nisy tsy finoako kely?

Ny tenako aloha dia tsy mino ny Joro sy fanompoana ny razana e. Ny finoana an\'Andriamanitra direkta no mety amiko. Saingy ny mandaitra amiko tsy voatery handaitra amin\'ny hafa dia izay no hanekeko izay atolotra ahy eo. Fantatro koa fa zava-dehibe aminy ny finoany. Ka tsy ny tenako mihitsy no hanakana izay fanaony raha tsy hoe hisy famonoana olona na fampijaliana olona na tahak\'izay. Ny famonoana biby aza dia efa tsy dia azoazoko loatra saingy mila mijery aho hoe iza moa no akaiky ahy kokoa ny biby sa ny olombelona. Dia izay akaiky no karakaraiko aloha.








Miverina @ ilay voalazan\' i Soanja aho hoe : ilay izy nihinana ilay hena mihitsy no tena tsy tantiny \"
Avelako ilay resaka finoany hoe efa matotra na mbola tsia. Fa ny hipothese iray narahiko dia ilay hoe : sao dia nanana ahiahy tsotra izao fotsiny izy, tsy nanaraka norme ny famonoana ilay omby ? Satria tsy hitany mantsy ilay joro sy ireo rehetra nanodidina izany, ary koa ilay famonoana ilay omby. Ka mampisy fanontaniana tokoa izany : ara-dalána araka ny \" hygiene veterinaire \" daholo ve ny \" procedure namonoana ilay omby ? Ka na efa nanazava aza Soanja fa tsy mampaninona ny mihinana ilay hena, zavatra efa mahazaztra any io, dia nanana ahiahy foana izy. Izany hoe : nisy tsy fahatokisana kely an\' i Soanja tao.

Ny vazaha mantsy efa zatra fa ny famonoana omby , izay hoanina ny henany , dia tsy maintsy manaraka ny \" procedure veterinaire \", izay stricte tokoa @ fotoana izao.
[/quote]

Hay zay vao azoko ny tianao resahina.

Tonga dia nolazain-dry zareo tamiko ny antony tsy namonjeny / nanatrehany ilay Joro sy tsy nihinanany ny henomby ka. Satria noho ny finoany izay Xtianina ary milaza ny baiboly fa tsy tokony hihinana ireny hena ireny ary tsy hihinana ireny ran'omby ireny. Dia nanaja azy aho tamin'izay finoany izay sady tsy nanisy olana no tsy namporisika azy mihitsy ihinana ireo henomby. Tamin'izy ireo voatery hihinana aza dia hoy aho hoe " tsy aleonareo manohy mihinana anana ihany na vary fotsy sy siramamy na sira satria izahay manana an'io tsara satria kely anie sisa dia hody isika e?" Dia samy niteny hoe aleo hihinan-kena fa noana be.

Marihako fa Gasy ireo namako ireo fa tsy vazaha an. Gasy avy ao Antananarivo ao. Tsy dia mpanao terrain toa ahy saingy te ho any mafy na dia efa nazavaivaiko aza ny any fa tsy mora toy ny mahazatra azy. Tampoka be ny dia tany fa tsy nisy fiomanana firy.

Fantatro ny procedure arahina rehefa mamono omby ka, sady mila misy veterinera mihitsy manomboka ilay hena vao azo hamidy satria namako ilay dokotera veterinera tao Ranomafana dia matetika izay mihaona amin'ny fotoana toy izany indraindray rehefa malalaka ka afaka mamonjy ireny izy, ka hoe hamidy ny ambin-kena tsy lany.

Mino aho fa tsy resaka fahadiovana na mahasalama no tsy nihinan'izy ireo ny hena fa noho ny finoany. Ny tenako koa anefa dia mahatsapa fa na hihinana poison aza aho eo ampanaovana zavatra eken'ny fanahiko fa mitory fitiavana dia tsy mampanahy ahy satria fantatro fa miaro ahy Andriamanitra ary raha maty aho dia izay izany no anjarako. Fitiavana daholo ny zava-drehetra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091