Henomby tamin'i Joro
21. ikaretsaka
(
16/04/2010 12:27)
Hainao ve aloha ny mahasamihafa ny hoe. Venerer sy ny hoe adorer?
23. ikaretsaka
(
16/04/2010 12:54)
Ka raha tsy mahay manavaka ny maha samihafa an reo dia na hanazava tahaka ny inona aza ianao de tsy ho azony mihitsy rakapy a
24. rakapy
(
16/04/2010 12:59)
20. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 16-04-2010 14:27:12
Lohateny : Re : Henomby tamin'i Joro
Hainao ve aloha ny mahasamihafa ny hoe. Venerer sy ny hoe adorer?
22. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 16-04-2010 14:54:00
Ka efa tsy voavaliny izany ilay izy e! jereo ny fotoana efa dilatra
25. ikaretsaka
(
16/04/2010 13:57)
Miainga @ fahaizanao manavaka ny venerer sy ny adorer ny hahafahako manazava ilay sens inverse ka. Satria any ny basen'ny fanazavana
26. Ratoa
(
17/04/2010 00:28)
Adidy amin'Andriamanitra ny mamelona ny vatana satria tsy tompony ianao ary tsy mahary vatana na iray aza.
Zavatra tsotra ihany ny nanjo ireto olona. Saingy tsy dia lasa lavitra ny fisainanany. Raha izaho izany dia nivavaka aho rehefa vita ny an-dry zareo. Hajaiko amin'ny maha izy azy izy. Saingy inoako kosa fa ny finoako sy ny fivavahako mafy noho ny joro . - na dia vavaka mangina aza dia manankery tokoa - . Dia madio izany ilay hena rehefa avy nivavaka aho.
Nety ny nataonao ry soanja. (hevitro)
Ry zareo silamo (miverina indray ity resaka) ohatra fady kisoa. Kanefa raha tsy misy ho hanina hafa tsy kisoa ny toerana misy azy, dia mahazo mihinana hena kisoa izy, rehefa avy nibebaka. Fa raha mbola misy zavatra hafa aloha dia tsy mihinana kosa izy é!!!
lasa saina ihany aho: raha tafaraka tamin'ilay olona niharan'ny lozam-piara manidina izany ireto olona dia nanao ahoana sy nanao inona ? Satria efa ho erinandro sa folo andro izy ireo vao hita, hita velona . Inona no nohaniny ? henan'olombelona maty tamin'ilay loza;

27. niryna
(
17/04/2010 05:38)
Mandefitra:
ka inn no hidran ny fanahin ny razana @ le omby novonoina raha izany?
ka mitahy hono ny razana e :D izay mifanohitra ny fivavahana kristiana
ny maty tsy afaka mamonjy ny velona,ny velona tsy afaka mamonjy na miresaka ny maty Satana no milalao baolina ary dia mamono biby tsy mahafaty ireo milalao miaraka aminy ka hifoteran'ny rambony amin'ny farany.
Satria toherina foana ny finoana kristiana dia mazava ho azy fa dia manaraka ny finoan'ny razana izany ry zareo. tsy misy afaka manompo tompo roa fa na ny iray ho tiany na ny iray ho halany.Tsy afaka hanompo an'i baala sy ATry isika. Fantataro ny hinoanao dia tazomy fandraho hisy angalatra ny satroboninahitrao.Aza manaiky ho arebirebin'ny tsy mpino eo isika fa voatarika eo dia vita ny adidiny,izay handrava ny fanjakan'ny lanitra amin'ny fomba mifanohitra ny fivavahana lava eto. sorry fa ny fahamarinana mandratra kanefa afaka alaina baraka ny asan'ny satana mba ho fantany fa ny olona manana an'ilay ATra tsy ho voarebirebiny amin'ny joro sy ny fitanisana asan'ny maizina .
Kristy aza niteny hoe aleo ny maty andevona ny maty (maty ara-panahy)
Mandefitra:sady mbola maro ny malagasy no mino ny asan'ny devoly sy voarebirebiny ary na tsy mino ny fisian'ny devoly aza izy dia miaraka aminy izay amiko,tsy ho voatery hoe ratsy toetra ihany fa matoa tsy mino ny fisian'ny satana ary mazava ho azy ny propangady nomena teto izay (tsimpona manambara fa i kristy aza nalain'ny devoly fanahy)dia miaraka aminy koa izay,ny doro,ny sampy,ny fanatitra alatsa-dra omeny ny razana,ny ra ahosotra eo ambonin'ny fasana,mino aho fa fantany avokoa ny tiako tenenina.Atra-hafa,izay tsy miankohoka sy tsy mino an'ilay Atra nahary izao tontolo izao.
Eo ange no manahirana ty fomba gasy ty.
Mahavariana ahy koa hoe milaza ho kristiana kanefa any amin'ny fanaovana joro no mandehandeha? mangarombiby an-davaka :D
Tsy ny malagasy rehetra no manao an'io fa ireo izay tsy manana an'ilay Atra,mino kanefa mbola mitady zavatra hafa.Misy aza moa tonga eny am-pasana mihitsy miresaka ny rainy hono .
HS kely saingy tiako tenenina fotsiny fa raha kristiana isika dia tokony hiala amin'izay fomban-drazana izay manohitra ny fivavahana ary mangataka amin'Atra mba ampianatra antsika ny Fahamarinana sy Hino ary Hankatoa ary anaraka ny teny izay nampitondraina antsika ( Know the Truth in God and we should Trust and Obey His words)
Mandefitra:dia ampiko ary rehefa tonga i kristy izay Izy no zanak'ondrin''Atra,izay manala ny fahotan'izao tontolo izao .
T@ andron ny Testament taloha de nazava :novonoina ny biby, nalatsaka ny rany , nodorana ny fanatitra, mba ho hanitra ankasitrahan ny Ray AO AMbony.
Vita hatreo ny fanaovana fanatitra dorana sy ny ala-tsa dra.
[b] Ry Zanak'Ondrin'Atra ,izay manala ny fahotan'izao tontolo izo e,mamindra fo aminay e ,mamindra fo aminay e
Aza adino fa hirahiraina isaky ny alahady io ao am-piangonana :D
Mandefitra:dia io voalazanao io ilay izy fa satria mbola maro no tsy mino dia mitady atra hafa izy ireo .
Nony tonga Kristy, Izy Tenany no nanao fanatim-pihavanana, vita ny famonjena.
Tokony tsy anao izany fanatitra omena ny maty na joro na mino ny razana na ireo sampintsampy maro karazany ireo intsony ny olona satria tsy mbola naheno aho na iray hoe lasa nanankarena hono ranona,ny mifanohitra aza no henoko ,lasa adala ny zanany na ny havany na nifindran'ilay fanahy maloto ny zanany avy eo rehefa maty ilay olona nino sy nampiasa ireo karazana brick - a brack ireo -sy ny sampy kely.
eritreritra ny ahy io fa tsy ho voatery hanaraka .VITA HOY NY TOMPO
misaotra mandefitra nanazava araka ny voalazan'ny baiboly
Tsara ho fantatra araka ny teny voasoratra ao anatin'ny baiboly
Ny sakafo rehetra dia madio avokoa rehefa angatahina tso-drano alohan'ny ihinana azy,Tsy ny sakafo no maloto fa ny fo izay misaina ka mamoaka teny ao anatin'ny vava no maloto.
Raha tsy afa-manoatra ny olona ka tsy maintsy mihinana noho ny antony maro samy hafa dia tsy ampahaloto azy izany,.Saingy ny mitsaratsara ilay olona nisalasala ihinana sa tsia no mando ny eritreritra satria mitsara ilay olona avy hatrany sady tsy vitan'ny nitsra fa mbola nifosa an'ilay olona ato ihany koa.
Na iza hitsara azy ireo,mazava ho azy fa mifanohitra ny fisainany araka ny finoany ilay izy ka mandeha ho azy izany raha nisalasala tsy te ihinana izy.
Mandefitra :
Ka ho an iza ty ran omby nalatsaka?
asa tokoa ry Mandefitra fa aleo izy nanatrika tany amin'ny j oro no amaly azy f
Amiko dia ho an'ilay fanahy miaraka amin'ireo izay mino ilay joro sy ny fomba malagasy maro karazany izay mifanohitra ny soratra masina. (fanatitra ho an'i satana) ,mazava ho azy fa tsy ny fanahy masina,satria efa manana an'ilay kristy ny kristiana ka tsy mila fanatritra alatsa-dra izany intsony .VITA-EFA NITRITRA NY RIDEAU NANASARAKA NY MPITONDRA FIVAVAHANA IZAY NAMETRAKA AN'ILAY ATRA TAO ANATY TOERANA MIAFINA,HAY TSY TAO AKORY IZY (tantara ao amin'ny testamenta taloha io an ary rehefa novonoina i kristy ka niala ny ainy teo ambonin'ny hazofijaliana dia maizina ny tany aman-danitra ary nitsitra niaraka tamin'izay ny rideau hatrany ambony ka hatrany ambany ho marika fa tsy tao ilay Atra izay noheverin'ireo olona tsy afaka manatona azy )
misaotra Mandefitra
misaotra koa Ratoa,mitovy hevitra aminao koa aho
28. rakapy
(
17/04/2010 10:06)
Hoy i Niryna
Niryna> tena maha ontsa ny manjoa anao ! Tatsy ambadika ianao efa nivaky fa nahavoaray vaovao avy tany @ losifera. Tena midika zava-dehibe tokoa izany ramatoa .Eto indray nefa dia toa mahita fahitana hafa. Efa mazava ny momba anao ary efa mivavaka ho anao ny olona maro. Mahaiza mamafy.
ka mitahy hono ny razana e izay mifanohitra ny fivavahana kristiana
ny maty tsy afaka mamonjy ny velona,ny velona tsy afaka mamonjy na miresaka ny maty Satana no milalao baolina ary dia mamono biby tsy mahafaty ireo milalao miaraka aminy ka hifoteran'ny rambony amin'ny farany.
Satria toherina foana ny finoana kristiana dia mazava ho azy fa dia manaraka ny finoan'ny razana izany ry zareo. tsy misy afaka manompo tompo roa fa na ny iray ho tiany na ny iray ho halany.Tsy afaka hanompo an'i baala sy ATry isika. Fantataro ny hinoanao dia tazomy fandraho hisy angalatra ny satroboninahitrao.Aza manaiky ho arebirebin'ny tsy mpino eo isika fa voatarika eo dia vita ny adidiny,izay handrava ny fanjakan'ny lanitra amin'ny fomba mifanohitra ny fivavahana lava eto. sorry fa ny fahamarinana mandratra kanefa afaka alaina baraka ny asan'ny satana mba ho fantany fa ny olona manana an'ilay ATra tsy ho voarebirebiny amin'ny joro sy ny fitanisana asan'ny maizina .
Kristy aza niteny hoe aleo ny maty andevona ny maty (maty ara-panahy)
Niryna> tena maha ontsa ny manjoa anao ! Tatsy ambadika ianao efa nivaky fa nahavoaray vaovao avy tany @ losifera. Tena midika zava-dehibe tokoa izany ramatoa .Eto indray nefa dia toa mahita fahitana hafa. Efa mazava ny momba anao ary efa mivavaka ho anao ny olona maro. Mahaiza mamafy.
29. soanja
(
17/04/2010 18:27)
Mandefitra:
Fa tsara hazavain i Soanja ihany hoe : inona moa ilay Joro azafady. Misaotra
Ny Joro natao tamin'izany dia vavaka atao ho fisaorana ny Zanahary sy ny Razana tamin'ny fahatongavan'ny fotoana iray toy izany. Miantso koa ilay "Mpisoro" mba hanome fitahiana io andro iray io ny Zanahary sy ny Razana ary hitsimbina izay rehetra mampiasa ilay zavatra tiana hatao na asa atao.
Ny Joro= Vavaka izany.
Ny fomba atao ao anatin'i Joro dia misy miteny na manao ilay Joro. Dia avy eo vonoina ny omby ary ny ra latsaka dia avela ho an'ny razana , izay milatsaka amin'ny tany ary ny ankoatrany kosa dia tatazana mba ho hanin'ny mpiara-monina ao. Ny hena kosa dia tsy nisy nanombinana fa dia nozaraina tamin'ny mpiara-monina rehetra ary nisy nandrahoana miaraka ary ny ambiny tsy lany samy nitondra nody tany an-tranony avy. Mandritra izany Joro izany ihany dia misy ny fisotroana toaka gasy ary omena koa ny anjaran'ny Razana. Dia ny ambiny zaraina amin'ny manodidina eo. Lehilahy avokoa ireo olona nanao joro niaraka tamiko teo. Fa ny vehivavy kosa miandry ery ambody Kilibe. Ny tenako moa tsy misotro toaka ka nony nandalo teo amiko dia naka kely aho ary nosafoiko teo lohako/ voloko ambony ho fanajana, araka izay voalaza ka tokony hanaovako azy.
30. soanja
(
17/04/2010 18:30)
Mpanazava:
F'angaha maheno ny velona ny RAZANA?
Ka raha tsy maheno ny Razana dia maheno koa ve Andriamanitra izay antsointsika lava io???? Ataoko fa samy mbola tsy nisy nahita izay tarehin'Andriamanitra raha samy isika eto fa dia ny endriny samihafa no ifanomezana haja eto.
31. soanja
(
17/04/2010 18:35)
Ratoa:
Adidy amin'Andriamanitra ny mamelona ny vatana satria tsy tompony ianao ary tsy mahary vatana na iray aza.
Zavatra tsotra ihany ny nanjo ireto olona. Saingy tsy dia lasa lavitra ny fisainanany. Raha izaho izany dia nivavaka aho rehefa vita ny an-dry zareo. Hajaiko amin'ny maha izy azy izy. Saingy inoako kosa fa ny finoako sy ny fivavahako mafy noho ny joro . - na dia vavaka mangina aza dia manankery tokoa - . Dia madio izany ilay hena rehefa avy nivavaka aho.
Nety ny nataonao ry soanja. (hevitro)
Ry zareo silamo (miverina indray ity resaka) ohatra fady kisoa. Kanefa raha tsy misy ho hanina hafa tsy kisoa ny toerana misy azy, dia mahazo mihinana hena kisoa izy, rehefa avy nibebaka. Fa raha mbola misy zavatra hafa aloha dia tsy mihinana kosa izy é!!!
lasa saina ihany aho: raha tafaraka tamin'ilay olona niharan'ny lozam-piara manidina izany ireto olona dia nanao ahoana sy nanao inona ? Satria efa ho erinandro sa folo andro izy ireo vao hita, hita velona . Inona no nohaniny ? henan'olombelona maty tamin'ilay loza;
Izay mihitsy ka. Tsy izay ataon'ny hafa sy hinoan'ny hafa koa no tokony hanahirana ahy fa ny finoana ao anatiko izay hitako fa mafonja tokoa. Mino ny fihombonan'ny rehetra aho. Mino ny fitiavan'Andriamanitra nampivondrona anay rehetra na isan-tokony aza ny finoana. Ary mino ny fiasan'Andriamanitra amin'ny fomba isan-karazany.
Ny tenako dia mpanaraka ny fiainana vegetarianina raha ny tena izy , afa tsy rehefa mandeha manao mission aho satria any tsy ahy ny safidy. Koa raha nisy ny famonoana omby dia isany tsy dia mahasarika ahy izany saingy izay no safidin'ny rehetra dia aoka ho faly amin'izany. Tiako ny hafalian'ny rehetra ao anaty filaminana sy firoboroboana. Izay amiko no Andriamanitra miaina.
32. soanja
(
17/04/2010 18:41)
Mandefitra:
vita ny famonjena
Hazavao aloha ilay vita ny famonjena. Vita ahoana? Enga anie ka ho voavonjy daholo isika. Izay no faniriako nefa tsy izay no voizina eto.
33. xxx
(
18/04/2010 20:39)
Raha ny fahazoako azy dia mbola tsy vonjy aina ilay izy , fa toa mbola afaka mihinana vary sy ramirebaka ilay olona, donc mbola azo lazaina ho caprice ihany ilay hoe noana teto fa tsy vonjy aina akory ... sa ve diso aho
34. Ratoa
(
18/04/2010 20:59)
misy olona tsy mety raha tsy mihinan-kena.. Misy hafa raha omenao azy aza ny sakafo tsara indrindra dia tsy mety raha tsy mihinam-bary maina.
35. soanja
(
19/04/2010 01:16)
xxx:
Raha ny fahazoako azy dia mbola tsy vonjy aina ilay izy , fa toa mbola afaka mihinana vary sy ramirebaka ilay olona, donc mbola azo lazaina ho caprice ihany ilay hoe noana teto fa tsy vonjy aina akory ... sa ve diso aho
Miankina amin'ny tsirairay no mahavonjy aina azy na tsia ka. Ny amiko aloha dia tena tsy mahazaka ramirebaka ny tenako. Io anana io niainako nandritra ny taona maro tany ambanivohitra ka leo angamba ny vavoniko fa na ny fofony fotsiny aza eo ampandrahoana azy dia efa mampandoa ahy.
Ny namako indray dia nihinana anana foana aloha ry zareo ka. Avy eo ry zareo leo anana dia io nihinana hena io.
Ny vary koa azo hanina tsy misy fangarony fa dia tsy nieritreritra izay olana tamin'ilay hena aho dia nihinana moa ny olona ao an-tanana no mpahandro dia tsy tiako ny hiteny hoe tsy hihinana aho nefa izy rehetra te hihinana an'ilay hena avokoa ka roboka mahandro eo satria tsy impiry akory ny famonoana omby ao an-tanana fa tena vitsiana tokoa izany. Nahoana ny namako no tsy nihanam-bary amin'izao dia tsy afaka mamaly izany aho satria samy manana ny vavoniny ny olona. Ny ahy no fantatro hoe tsy mahalany vary fotsy amin'izao aho fa raha misy tantely na ronono na totom-boanjo dia vitako tsara.
Ilay hoe " aleoko mody" na miala ilay toerana ery ambony indray dia tsy hitako koa izay havaly an'io, karama no atao any fa tsy hoe mandehandeha hitsangatsangana ka hinoako fa tsy vonona ny hanary karama izy ireo. Ary ny fodiana akory tsy vita no mody irery satria very any amin'ny dezaka any fa tena mila namana/ olona karamaina ka tsy vitan'izay caprice hoe hody aho fa tsy laniko io sns sns... na fiara taxibrousse aza tsy misy raha tsy efa tena lavitra be tokoa , fa mila alaina sy aterina fiara amin'ny toerana iray ifamotoanana.
36. Mpanazava
(
19/04/2010 08:30)
Hoy i Soanja:
Raha mijery ilay fampidirandresaka aho dia kristianina ianao, so dia diso aloha izaho hatreo?
Raha eny, tsy baiboly ve no ekenareo ho soratra masina, na hoe tenin'Andriamanitra? Iza ary no harahina raha mifanohitra amin'izay lazain'ny tenin'Andriamanitra ny fomba iray?
Ka raha tsy maheno ny Razana dia maheno koa ve Andriamanitra izay antsointsika lava io???? Ataoko fa samy mbola tsy nisy nahita izay tarehin'Andriamanitra raha samy isika eto fa dia ny endriny samihafa no ifanomezana haja eto.
Raha mijery ilay fampidirandresaka aho dia kristianina ianao, so dia diso aloha izaho hatreo?
Raha eny, tsy baiboly ve no ekenareo ho soratra masina, na hoe tenin'Andriamanitra? Iza ary no harahina raha mifanohitra amin'izay lazain'ny tenin'Andriamanitra ny fomba iray?
37. Mandefitra
(
19/04/2010 10:52)
soanja:
Hazavao aloha ilay vita ny famonjena. Vita ahoana? Enga anie ka ho voavonjy daholo isika. Izay no faniriako nefa tsy izay no voizina eto.
Efa nanolotra fanati-pihavanana indray mande monja teo ambony hazo fijaliana Kristy. Anjaranao no mino na tsia = handray ny famonjena na tsia.
Ka amiko tsy hitako loatra indray zay handatsahan drambiby ho any razana ...
Razana = efa vovoka => tsisy dikany aminy akory ny rambiby nalatsaka teo
Razana = fanahy => ny fanahy ve mila ra latsaka?
Ny razana ve no nangataka hoe mba hamonoy omby zahay de tahianay nareo sa iza?
38. soanja
(
19/04/2010 15:21)
Mpanazava:
Hoy i Soanja:
Ka raha tsy maheno ny Razana dia maheno koa ve Andriamanitra izay antsointsika lava io???? Ataoko fa samy mbola tsy nisy nahita izay tarehin'Andriamanitra raha samy isika eto fa dia ny endriny samihafa no ifanomezana haja eto.
Raha mijery ilay fampidirandresaka aho dia kristianina ianao, so dia diso aloha izaho hatreo?
Raha eny, tsy baiboly ve no ekenareo ho soratra masina, na hoe tenin'Andriamanitra? Iza ary no harahina raha mifanohitra amin'izay lazain'ny tenin'Andriamanitra ny fomba iray?
Ny fiantsoana ny tena ho Kristianina dia samy manana ny fijeriny azy. Ny fombanao Xtianina izao dia hinoako fa tsy fombako. Ny maha Xtianina ahy dia ny fanarahako ireo zavatra hitako/ novakiako tao amin'ny baiboly fa nataon'i Kristy ary niainany ka hitako fa mety tsara tokoa amin'ny mahaolombelona ahy. Manaradia azy aho izany. Io no maha-Kristianina ahy. Saingy tsy midika izany hoe misy hevitra tsara voalaza ao amin'ny Coran na ireo boky Bodista tsara ka tsy arahiko. Zany hoe raha hivavaka aho dia mirona, sy miantefa ary miaina be dia miaraka amin'ny Jesosy Kristy ny ambetim-bavako.
Ny baiboly anie tsy nilatsaka avy any an-danitra e. Tadidio izay. Olombelona no nanoratra an'io. Afaka manoratra koa aho ary ianao afaka manoratra izay resak'Andriamanitra aminao. Tsy mitsahatra ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika. Isanandro ary iainana Andriamanitra.
Na izany na tsy izany anefa dia tsy voatery izay voasoratra rehetra ao dia tenin'Andriamanitra avokoa. Be ny hevitr'olombelona amin'io ary tsara fantarina ny fisiany fa tsy voatery arahina atao tsianjery sy atao toy ny sampy.
Tsy ao anaty baiboly irery no misy ny tenin'Andriamanitra fa manerana ary izy dia miasa ao ampon'ny tsirairay. Tsy misy fanilihana.
Amiko izay rehetra mampiombona sy mampifandray ka mitondra amin'ny fahasoavana, hatsarana, fitsinjovana ny fahasaovan'i taranaka mandimby, manome filaminana dia Andriamanitra izay no miasa. Ankoatr'izay dia tsinotsinona amiko!
39. soanja
(
19/04/2010 15:25)
Mandefitra:
Ka amiko tsy hitako loatra indray zay handatsahan drambiby ho any razana ...
Razana = efa vovoka => tsisy dikany aminy akory ny rambiby nalatsaka teo
Razana = fanahy => ny fanahy ve mila ra latsaka?
Aminao izany fa tsy amin'ny hafa. Izay hevitrao tsy olana amin'ny hafa. Ianao no ho olanao ary ny hafa manana ny olany. Tsy midika izany hoe ianao voavonjy dia izy tsia. Raha mbola tsy nanao ratsy ny hafa izy dia tsy hitako ny tsy hahavonjy azy.
Izaho izao dia mino 100% fa hpo voavonjy satria nahoana satria fantatro loatra ny fitiavan'Andriamanitra ahy. Izay fitiavany izay no mitarika ahy handray ny hafa sy hitia ny hafa amin'ny mahaizy azy.
Fitiavana no nasehony anay, mpivahiny. Fitiavana no nasetrinay azy. Asakasik'izay hifanilikila eo anelanelany.
40. soanja
(
19/04/2010 15:33)
Mandefitra:
Ka amiko tsy hitako loatra indray zay handatsahan drambiby ho any razana ...
Raha izaho koa aza no anontanianao dia hoy aho hoe tsy dia hitako loatra ny antony hihinan'olombelona ny atao hoe hena raha tsy hoe efa tsy mahita hohanina izy.
Saingy, araka ny fahalalako dia tsy vitan'ny hoe "tsy hitako loatra" ilay fiainana fa misy koa izay hoe "fanekena ny tsy fitoviana izay" eo no ahitana na vonona hiara-monina, hitia amin'ny mahaizy azy, hifanasoa amin'ny hafa ny hafa na tsia.