Jehovah hiady ho anareo,fa hianareo kosa hangina

1. niryna ( 09/04/2010 17:10)
Zavatra telo no tsara ho fantatra
1- ny fitiavan'ilay Atra antsika rehetra:

ny fahafantarana izany dia manome hery antsika fa na inona onja mahazo ,na kotrobaratra mipoaka,ny fahadisoam-panantenana,amin'ny fiainana (aretina,tsy fitoviana ara-pinoana )na inona na inona olana dia tsy andao antsika Izy ary tsy amela antsika ho irery Hebreo 13:5
Inona no tombotsoa mety ho azo amin'izany?
Tsy matahotra na inona mitranga,na iza tia,na iza anao toetra ampanafitohina antsika, na iza anohitra ny tenin'Atra omentsika
Manome hery sy tanjaka ny saina sy ny fanahy koa ny fahafantarana fa tsy hiady irery isika satria Jehovah hiady ho antsika ,fa isika kosa hangina

2- MIla mitia ny tenantsika isika
Io no zava-dehibe indrindra satria tsy afaka ny hitia ny hafa raha ny tenantsika aza tsy tiantsika
Ny fo tezi-dava amin'ny fahasoavana nomen'Atra ny hafa,ny fialonana,ny fankahalana sy ny sisa rehetra izay mety andratra antsika satria tsy mitovy amintsika ny olona,ny tsy fitiavana ny hafa satria tsy mitovy finoana amintsika ilay olona na tsy mitovy fijery ihany koa.Ny tenantsika no afaka hovaintsika fa tsy anova olona isika ary tsy misy na iray aza afaka anova olona.Atra irery no manana fahefana anao izany.
Ny zanaka,ny vady ,ny rar,ny olona manodidina:omeo an'Atra izany fa izy no anampy azy ireo. Ny zavatra tsy vitantsika ,tsy azo atao ny manezaka ho ahavita izany,apetraka eo am-pelantanan'Atra izany fa izy no hiady no antsika
3- Hianareo kosa angina

Ny mpino dia tsy natao anavotra olona fa nomena hery kosa izy hizara ny fahasoavana sy ny zavatra nandalo teo amin'ny fiainany ka nahafantarany sy nahatsampany fa misy Atra,tsy natao anova ny toetran'ny olona izy na anery ny olona hino an'ilay Atra.[ ny anisany asany dia ny mivavaka ireo izay mbola tsy mahalala ilay Atra ary ny mivavaka ireo ondry nivoaka ny vala.
Izy ireo no mivavaka fa Andriamanitra irery kosa no afaka anova ny olona


Matio 20 Indro izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongavan'ny fahataperan'izao tontolo izao ka dia manana finoana ary ary raha mbola tsy nandray an'ilay kristy tao am-po ny sasany taminisika dia vonona mandrakariva Izy

(l) niryna
novalian'i niryna ny 05/05/2010 19:52
2. ikaretsaka ( 09/04/2010 17:50)
Hay lasa Atra mpiady sy mpanampimbava indray ny Atra voatsimpona androany?
3. soanja ( 09/04/2010 22:47)
Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!
4. ikaretsaka ( 09/04/2010 23:17)
Namaste soanja... izay mantsy
5. rijadolly ( 11/04/2010 16:47)
ika:
Hay lasa Atra mpiady sy mpanampimbava indray ny Atra voatsimpona androany?
se ty dia mampihome ahy mihitsy ka. Mandray an- tendrony fotsiny.
Mahasahy milaza ve se zao fa mbola tsy narovan' Andriamanitra mihitsy tamin' fiainan' se iray manontolo?
Raha nisy, dia inona? na iza? OK! Mino aho fa tsy takatry ny sain 'se ny asaNY.
Raha tsy nisy indray, dia aleoko tsy miteny.

6. ikaretsaka ( 11/04/2010 19:11)
RD> fanahy iniako natao ironie mihitsy le izy. Hampimehezana anareo sy hanaovana pince sans rire hahatonga saina anareo koa anefa.. araka io lazain'i soanja ao @ hevitra faha 2 io
7. rijadolly ( 11/04/2010 19:46)
ok! ika a!
8. ikaretsaka ( 11/04/2010 20:47)
Ho valin'ny fanontanian'ianona de manaiky ahohoe arovan'Atra..fa tsy midika akory izany hoe raha misy desacord amintsika sy iuanona na aminay sy le fijo ohatra de andeha hangataka @ Atra ahako hiady ho ahy fa hamotika an'ianona..na hoe hanapetsa an-dra fijo. Satria lery tsy mpino
9. bor2lais ( 12/04/2010 10:24)
niryna:

... tsy andao antsika Izy ary tsy amela antsika ho irery ...

-------
-> Amiko dia resaka fiarovana no tenenina eto !

soanja:

Inona anefa moa ny ilan\'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady ...

--------
-> Hatreto dia mety hitovy ihany ny hevitra ... Ilay inoako dia tsy mila ady tokoa (matetika aza dia Izy no ilan\'ady ...)

soanja:

... na miaro ny tiany izany ...

---------
-> Eto no misaraka ny finoantsika !
Ao anatin\'ny fanankinana ny fiainako Aminy ny fananana toky amin\'ny fiarovana izay omeNY !

soanja:

na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!

--------
-> Izy irery ihany indray angamba no afaka mamaly anao eto ! :D
10. Mirananirina ( 12/04/2010 11:22)
dia miandry azy hiady ho anay izahay izany ,ary hangina tokoa ve?Asa
11. ikaretsaka ( 12/04/2010 13:59)
ka ito ange rabord tsy mazava e.. le hoe ianao na i niryna sy ny vahavalony no miady... saingy samy mino an-draJehiva ... dia iza no harovan-drajehova eo?
12. bor2lais ( 12/04/2010 14:47)
ikaretsaka:

ka ito ange rabord tsy mazava e.. le hoe ianao na i niryna sy ny fahavalony no miady... saingy samy mino an-draJehova ... dia iza no harovan-drajehova eo?

----------
-> eto indray dia mila faritana ny antsoina hoe fahavalo amiko ! Raha mitovy ihany ny Andriamanitra inoanay dia rahalahy na anabavy ao amin'ny Tompo izy izay amiko fa tsy fahavaloko velively !

Ary amin'io antsoinao hoe "ady" n'ny mpirahalahy io dia efa misy sori-dàlana VOASORATRA mazava nomen'ny Tompo (Ilay inoako) ...

- mifampiteny am-pitiavana : raha mifampihaino dia miaiky sy mifamela heloka, raha tsy mety dia
- mifampivavaka, izany hoe apetraka na déchargé-na amin'Andriamanitra ny "raharaha" (fa tsy azomina ao am-po na ao an-tsaina intsony) dia atokisana fa Izy no mahalala izay vahaolana mety araka ny sitrapoNY, izany hoe Azy ny tohiny ! :D
13. ikaretsaka ( 12/04/2010 15:32)
Andao mody hatao. Ary hoe isika sy ianao tsy mitovy hevitra fa samy mino...de samy miantso an'Atra ohatra an.. de "hiady" ho an'ny hevitr'iza Atra eo
14. bor2lais ( 12/04/2010 16:58)
ikaretsaka:

Andao mody hatao. Ary hoe isika sy ianao tsy mitovy hevitra fa samy mino...de samy miantso an'Atra ohatra an.. de "hiady" ho an'ny hevitr'iza Atra eo

------------
Ka eo no tsy dia iraisako hevitra amin'i Ika raha izany : tsy ao amin'ny eritreritro mihitsy ny hanakatra izay any an-tsaiNY ! Izay sitraNY dia ekeko ! :D
15. ikaretsaka ( 12/04/2010 17:15)
dia tsy mitombina izany ny sobjektra sy ny toritenin'ilay ramatoa nampiditra ilay adihevitra raha ny cas antsika 2lahy no jerena :wink:
16. bor2lais ( 12/04/2010 18:02)
ikaretsaka:

dia tsy mitombina izany ny sobjektra sy ny toritenin'ilay ramatoa nampiditra ilay adihevitra raha ny cas antsika 2lahy no jerena :wink:

--------
HS mikasika ny toriteny : Rehefa misy mahatsiaro tena voakasikin'ny toriteny ange hono dia porofo fa nandaitra ilay izy izay e ! :D
17. ikaretsaka ( 12/04/2010 19:10)
Tsy mitombina le honohono sy hs... porofo: raha itena izany tokoa ...dia tokony ho ny farisianina sy sisa no avotra sy nandairany satria ireo voakasika foana diniho akaiky ange e... dia jereo ireo jiosy ireo izao.. ireo izy ireo... toa tsy nisy effets taminy le izy nefa ry zareo no voakasika beeee indrindra ao
18. bor2lais ( 13/04/2010 09:47)
ikaretsaka:

Tsy mitombina le honohono sy hs... porofo: raha itena izany tokoa ...dia tokony ho ny farisianina sy sisa no avotra sy nandairany satria ireo voakasika foana diniho akaiky ange e... dia jereo ireo jiosy ireo izao.. ireo izy ireo... toa tsy nisy effets taminy le izy nefa ry zareo no voakasika beeee indrindra ao

--------
-> Mahagaga fa noritin-dRa-Ika koa ity HS nataoko ity (porofo izany fa nandaitra ilay HS an ) ! :D

Ndao fa hazavaiko ary ny tiako lazaina.

Arakaraky ny andraisan\'i Ika ny antsoina hoe \"mandaitra\".

Ny tiako lazaina dia tsy very maina fa nisy nahare ilay toriteny na hafatra (tsindriko tsara fa toriteny no resahina eto) ary heverina fa niasa tao aminy. Anjarany izay nandre indray no maka fanapahan-kevitra na \"handray\" na \"handà\" ilay hafatra ! Ny toriteny amiko dia fanambarana (hafatra) fa tsy fanerena.

Matoa ianao maka fanapahan-kevitra ny \"handray\" na \"handà\" dia heverina fa efa \"nihaino\" (sy nandinika). Ary raha nihaino (sy nandinika) ianao dia izay no antsoiko hoe \"nandaitra\" ilay toriteny !

Eto dia tsy miditra amin\'ilay antony nandraisana na nandavana ilay hafatra na toriteny aho. Io antony io mantsy amiko dia tokony mifandray amin\'ny lohateny nosokafan-drakapy hoe \"mahaiza mamafy\" !

Izany hoe ny \"Teny nolavina\" Ra-Ika dia \"Teny re\" ! :D

Tsiahiviko fa mba HS nataoko fotsiny ange iny fa tsy natao hiadian-kevitra akory e ! :D
19. ikaretsaka ( 13/04/2010 12:14)
ka tsisy effets na voka tsoasy tsy nilaina izy matoa nolavina na re aza..
ohatran'ny propagandina mpanao politika miady seza ihany...


amiko dia fika entina mampionon-tena fotsiny le hoe "efa niteny aho" io le ala safay lazain-dry soanja sy rakapy
raha nitory teny ianao ka nisy effets ny toriteninao.. lany ianao... sinon kabary tany an'efitra (ho'zy sareraka izay)
20. xxx ( 13/04/2010 13:01)
Asa tokoa iza no tena mpitsimpona ato aloha e

Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!


dia sanatria ve i Soanja dia nieritreritra fa guerre no tiana ho lazaina teto !!! Diso fanantenana be aho raha marina izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083