Jehovah hiady ho anareo,fa hianareo kosa hangina

21. bor2lais ( 13/04/2010 13:24)
ika:

ohatran'ny propagandina mpanao politika miady seza ihany...


-> Amiko dia tena diso fandray tanteraka momba ny antsoina hoe toriteny ny mihevitra tahaka anao io ... :D
22. ikaretsaka ( 13/04/2010 13:41)
Milaza ankitsirano ilay version realite hafa atahoranareo sy tsy sahinareo lazaina (sao mi blaspheme) ahako .
Nefa zavatra mpindranga isanandro no ambarako fa tsy. Heverinareo (na odiana fanina, na atahoranareo) na ny mihevitra azy io.
Izay le izy hoe. Indraindray mivoaha kely @ le basket nao..dia diniho tsy misy prejuges hoe hmmm mitombona ve zany lazain'ika sy soanja sy rakapy izany...nohon'ny mitanisa izay nampianarin'i pasitera anao fotsiny
23. ikaretsaka ( 13/04/2010 13:49)
xxx:

Asa tokoa iza no tena mpitsimpona ato aloha e

Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!


dia sanatria ve i Soanja dia nieritreritra fa guerre no tiana ho lazaina teto !!! Diso fanantenana be aho raha marina izany

Ady @ rehetra io ka... na ady any @ fitsarana aza...misy olona efa hita tsara izao fa meloka..de hiady ho azy hono rajehova

24. bor2lais ( 13/04/2010 15:50)
Ika > tsy mandà ny fisian'ny mety diso fandray momba ny toriteny tahaka io lazainao io aho. Tsy tokony "généralisé"-na anefa izany ka lasa handikana vilana ny dikan'ny atao hoe toriteny ! :D
25. ikaretsaka ( 13/04/2010 16:44)
Si si..tokony ho generaliser na mihitsy ka..satria ny fanakombonana io generalization io no mainka aza mampivoana sy mampitsingevana ilay 'toriteny' fa tsy mifantoka @ realite intsony nefa mbola olona reel sy eto an-tany no hitoriana
26. niryna ( 13/04/2010 20:04)
niryna:


1- ny fitiavan'ilay Atra antsika rehetra:

ny fahafantarana izany dia manome hery antsika fa na inona onja mahazo ,na kotrobaratra mipoaka,ny fahadisoam-panantenana,amin'ny fiainana (aretina,tsy fitoviana ara-pinoana )na inona na inona olana dia tsy andao antsika Izy ary tsy amela antsika ho irery Hebreo 13:5
Inona no tombotsoa mety ho azo amin'izany?
Tsy matahotra na inona mitranga,na iza tia,na iza anao toetra ampanafitohina antsika, na iza anohitra ny tenin'Atra omentsika
Manome hery sy tanjaka ny saina sy ny fanahy koa ny fahafantarana fa tsy hiady irery isika satria Jehovah hiady ho antsika ,fa isika kosa hangina
raha ny fahafantarantsika fa Atra dia tia antsika na mpanota aza isika,tia antsika izy na tsy tia Azy aza isika,na manadino azy rehefa tsara ny fiainantsika dia miverina aminy indray rehefa misy zavatra mahazo antsika na tapidalan-kalehy toy ny sokina nanani-bato aza isika indraindray,dia tsy manalavitra antsika izy fa miaraka amintsika foana.Mety mahatsampa izany ve isika indraindray e ? ny fahasoavany no nahatoa izao antsika.Tsy voavidintsika ilay fitiavana nomeny antsika ary dia isaorantsika Azy manokana izany isan'andro isan'ora

Ny zanaka no mety andao ny ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mandao ny zanaka fa ao am-pony foana ilay fitiavany ny zanany.Toa izany koa ilay fitiavan'Atra antsika,na manda azy isika,manalavitra azy,mandika ny teny rehetra izay mety mahasoa antsika dia mbola tiany foana ary omeny chance foana isika ny hiverina aminy
27. niryna ( 13/04/2010 20:05)
ikaretsaka:

Hay lasa Atra mpiady sy mpanampimbava indray ny Atra voatsimpona androany?



:roll: :D :D
28. niryna ( 13/04/2010 20:05)
soanja:

Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!



:roll:
29. niryna ( 13/04/2010 20:06)
ikaretsaka:

Namaste soanja... izay mantsy
:roll:
;-)

30. niryna ( 13/04/2010 20:08)

ika:
Hay lasa Atra mpiady sy mpanampimbava indray ny Atra voatsimpona androany?
[quote=rijadolly]se ty dia mampihome ahy mihitsy ka. Mandray an- tendrony fotsiny.
foana ,foana ka,ary manova sujet foana foana koa


Mahasahy milaza ve se zao fa mbola tsy narovan' Andriamanitra mihitsy tamin' fiainan' se iray manontolo?
asa lahy ,aleo izy hiteny

Raha nisy, dia inona? na iza? OK! Mino aho fa tsy takatry ny sain 'se ny asaNY.
Raha tsy nisy indray, dia aleoko tsy miteny.





:D
31. xxx ( 13/04/2010 20:22)
xxx:

Asa tokoa iza no tena mpitsimpona ato aloha e

Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!


dia sanatria ve i Soanja dia nieritreritra fa guerre no tiana ho lazaina teto !!! Diso fanantenana be aho raha marina izany

ikaretsaka:

Ady @ rehetra io ka... na ady any @ fitsarana aza...misy olona efa hita tsara izao fa meloka..de hiady ho azy hono rajehova




Mila maka fotoana fohy dia mandini-tena kely indraindray :roll: fa tsy hoe mizizo fotsiny satria ity no efa nolazaiko voalohany. Izay no mahasamihafa ny hendry sy ny tsy hendry

Ihomehezan'i niryna fotsiny nareo ny hiafarany
32. ikaretsaka ( 13/04/2010 23:29)
xxx>ko efa hita fa tsy guerre no lazain'i soanja eto ko...de nodinihiko tsara ... fa aiza no nolazainao voalohany sy tena tianao hahatongavana?

Niryna> Ka tsory le izy: jehova tia antsika sa jehova mpanavakavaka mpiadysy pandringana ze tsy manaraka ny fombanareo?


Mahasahy milaza ve se zao fa mbola tsy narovan' Andriamanitra mihitsy tamin' fiainan' se iray manontolo?


fa aoka hazava tsy narovany ahako raha efa hita mazava tsara izao fa stupidite no natao ko mbola andremanitra o...
ohatran'ny mamo nanitsak'olona ohatra dia miantso hoe Andriamanitra o arovy ahako... amiko izany diso fiantefa fa sitraponao no te ho mamo sy nijefotra mbola hitondra...
33. soanja ( 14/04/2010 00:25)
xxx:

Asa tokoa iza no tena mpitsimpona ato aloha e

Inona anefa moa ny ilan'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady na miaro ny tiany izany na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!


dia sanatria ve i Soanja dia nieritreritra fa guerre no tiana ho lazaina teto !!! Diso fanantenana be aho raha marina izany


Tsy vao androany akory no nahalalako fa miady ho an'ny taranany sy izay mankatia azy Andriamanitra. Ary tsy izay ve moa no novoizina foana hoe manaova tsara fa hanavotra anareo Andriamanitra? Dia hoy aho hoe na ireo marary efa ho faty ka miady amin'ny aretina, tsy hanavotra azy ve Andriamanitra izany raha maty izy ireo? Ireo migadra eny amponja nohon'ny zavatra natao tsy nety tety amin'ny fiarahamonina , tsy nibebaka izy ireo dia tsy hanavotra azy ve Andriamanitra? Ireo izay manan-kevitra mifanohitra aminao izay mino an'Andriamanitra izy nefa tsy mino dia tsy hanavotra azy ve Andriamanitra??? satria nahoana? Satria tsy tiany ireo izay ilay filozofia. Izay ilay voizina.
Firifiry moa no ao amin'ny baiboly Andriamanitra nanagana ny tanany hanavotra ireo vahoakany ka ra mandriaka no voalaza noho izany? tianao ve ny hakako izany ka hasehoko eto. Na guerre na tsy guerre.
Tsy misy idiran'Andriamanitra izay tsy fitoviana misy ety amintsika. Nataony tsy hitovy isika ary nataony izay hampisy fahasamihafana eo amintsika. Misy ny aretina ary misy ny fijaliana. Isan'ny maha-fiainana eto an-tany izany. Natao hiasa hiavotra amin'izany ny saintsika olombelona. Eo ampelatanantsika ny fanatsarana ny fiainantsika. Andriamanitra dia natao lalandava hampiombona. Tsy hiady ho an'iza izy ary tsy hiandany amin'iza. Samy azy avokoa isika rehetra na ireo matroka indrindra tsapanao fa fahavalonao aza dia azy ireo. Tiany ireo ary olony ireo.

xxx:

Diso fanantenan
a be aho raha marina izany


Fa iza moa aho no antenainao??? Tsinotsinona akory aho. Tsy tonga lafatra aho ary tsy anjely. Aoka tsy hanantena ahy. Na ny vadiko na ny zanako aza tsy avelao hanantena ahy. Ny HITIA ahy no mba hiriko ho avy amin'izy ireo satria tiako ny rehetra. Andriamanitra no antenao, satria Izy no lavorary. Ny tenako dia toy ny hafa, hanana ny mahaizy ahy nefa koa hanana ny kilemako.

Aoka hazava , tsy dia azoazoko ilay teny hoe "hiady ho anareo" dia izay no nitaritako ny hevitro. (Io ilay fanilikilihana io)



34. niryna ( 14/04/2010 03:09)
ikaretsaka:

RD> fanahy iniako natao ironie mihitsy le izy.
izay izany ilay hoe hafafazo izay tokony hafafy an
Hampimehezana anareo sy hanaovana pince sans rire hahatonga saina anareo koa anefa.. araka io lazain'i soanja ao @ hevitra faha 2 io
tonga saina ? amin'ny inona? hafakely indray izy izany :D


35. niryna ( 14/04/2010 03:10)
ikaretsaka:

Ho valin'ny fanontanian'ianona de manaiky ahohoe arovan'Atra..fa tsy midika akory izany hoe raha misy desacord amintsika sy iuanona na aminay sy le fijo ohatra de andeha hangataka @ Atra ahako hiady ho ahy fa hamotika an'ianona..na hoe hanapetsa an-dra fijo. Satria lery tsy mpino

izay ve no fandraisanao azy,hafa kely koa izy izany ok ary raha izay no eritreritrao e

36. niryna ( 14/04/2010 03:11)
bor2lais:

niryna:

... tsy andao antsika Izy ary tsy amela antsika ho irery ...

-------
-> Amiko dia resaka fiarovana no tenenina eto !

soanja:

Inona anefa moa ny ilan\'izany Jehovah izany ady! Tsy Andriamanitra Izy raha mankasitraka ady ...

--------
-> Hatreto dia mety hitovy ihany ny hevitra ... Ilay inoako dia tsy mila ady tokoa (matetika aza dia Izy no ilan\'ady ...)

soanja:

... na miaro ny tiany izany ...

---------
-> Eto no misaraka ny finoantsika !
Ao anatin\'ny fanankinana ny fiainako Aminy ny fananana toky amin\'ny fiarovana izay omeNY !

soanja:

na mamono ireo izay mankahala azy. Tsy Izy izy fa resaka fotsiny!

--------
-> Izy irery ihany indray angamba no afaka mamaly anao eto ! :D



misaotra aky borlais a
mazava tsara e :-*
37. ikaretsaka ( 14/04/2010 03:18)
Aza ny resaka any ambony efa voavaly no mody atao copy paste eo fa ny hevitrao avoaka ry niryna a.. efa samy nahavaky ny tanyu ambony tany aby vao tonga aty ambany aty fa aza manao boloky eo
38. niryna ( 14/04/2010 03:19)
Mirananirina:

dia miandry azy hiady ho anay izahay izany ,ary hangina tokoa ve?Asa

mirana a amin'ny fiainantsika dia tsy mila miady isika rehefa misy zavatra tokony atao,eny tsy tokony hamaly ratsy ny ratsy akory aza,tsy mila manao vengence izany fa mivavaka no ataontsika.Na inona mitranga amin'ny fiainana,raha mbola tsy nanandrana i Mirana dia andramo anie e.Mivavaka aminy ary apetraka Aminy ilay olana ,na ilay olona manana ady amintsika.
Tsy resaka ady anefa no tena tiana tenenina eto fa ny fanomezana ilay fahatokisana amin'Atra amin'ny fiainantsika rehetra.Tsy misy zavatra tsy vitany rehefa tena mino izany isika.
Misy fotoana ilaina fahanginana eny na mahafantatra izao aza isika fa manana ny marina ohatra.
Ny laferana no mandina hono dia noho ny fandeferana mila mandefitra isika amin'ny fiainana.sa ahoana ny hevitrao,misaotra mialoha ?
izaho indray dia tsy andefitra izany,efa ela aho no nataon'ireo olona ireo toetra tsy zaka. firifiry amintsika no mety hiteny an'io? izaho indray dia tsy andefitra izany? tsy hamela izany? ataovy leity rehefa manao an'ialahy a/mamaly faty no matetika tiantsika atao kanefa dia hoy indray ny hafa hoe :ny hamallifaty ny raiko no ataoko hoy izy saingy rehefa nandinika aho dia nalahelo azy indray ary aho... izay ilay fo tadiavin'Atra amintsika kanefa indraindray toa sarotra o

39. ikaretsaka ( 14/04/2010 03:44)
Dia ny tsy azoko ary de hoe fa maninona I niryna no mbola mandeha miady @ orana sy ny havandra sy ny la neige sy ny boss sns... fa tsy misalaka tanana ao ampandrina fotsiny de. Mino sy mahatoky fa Atra no manao ny rehetra de tonga. Fa tsisy tsy vitany ?
Raha ny lojikanao no raisina eto manko de toa izay no tianao hahatongavana.... tsarao raha diso.
Ny ahy manko efa novoiziko taloha ny hoe: ny vavaka amiko=tolona fa tsy sento
40. bor2lais ( 14/04/2010 08:28)
xxx30:

Mila maka fotoana fohy dia mandini-tena kely indraindray fa tsy hoe mizizo fotsiny satria ity no efa nolazaiko voalohany. Izay no mahasamihafa ny hendry sy ny tsy hendry

--------
+1 :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131