Sambatra izay mamafy eo amoron'ny rano rehetra

1. niryna ( 07/04/2010 15:54)
Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana,ary ny fokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokisana mandrakizay
Ary ny oloko hitoetra ao aminny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny toerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiandanam-po
Nefa hilatsaka ny fahvandra ,rehefa aripaka ny ala ,ray halamaka dia halamaka ny tanana(toerana io)
Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky Isaia 31 17-20
na havandra na kotrobaratra ,na inona amin'ny fiainantsika dia apetraho eo amin'Atra izany fa izy no anampy antsika satria fonenenana mandry fahizay sy ao aminny toerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiandanam-po no misy an' izay rehetra mino Azy
(l) niryna
répondu par niryna le 08/07/2010 19:35
2. ikaretsaka ( 07/04/2010 16:23)
Misy tenin'i Jesoa izay anefa milaza hoe eo ambony vatolampy no tsara anorenana fa tsy fasika (eo amorondrano moa bebe fasika izay ihany) de hoe rehefa miakatra ny rano de ho rava ny naorina

ka mba fanontaniana ho an'ny mpitsimpona: iza no hotsimponiko kay... ny voalazani Jesoa sa Isaia?
3. Ratoa ( 07/04/2010 16:48)
Anao ny safidy ra ika. Raha izahoo dia raisiko daholo. Eny amoron-drano aho no amboly ananana, tahaka ny ataon'ny mpamboly any an-tanàna sy ny ejipsiana.
Fa ery lavidavitra kosa, somary avo, aho no hanorina trano.
Eny amoron-drano koa aho no hiala sasatra.
4. rijadolly ( 07/04/2010 19:55)
Misaotra Niryna fa tena nahazo aim- panahy, ary dia misaotra an' Ratoa koa nanazava
5. ikaretsaka ( 07/04/2010 22:02)
Tsy haiko loatra moa fa zahako vakinankaratra ka ny ahy le tanimbary totohatra sy eny @ lemaka no mahavatana fa tsy le eny amorondrano be loatra ko.
Ny ho tondraka eo manko tsy ho laitra
6. bor2lais ( 09/04/2010 09:43)
ikaretsaka:

Tsy haiko loatra moa fa zahako vakinankaratra ka ny ahy le tanimbary totohatra sy eny @ lemaka no mahavatana fa tsy le eny amorondrano be loatra ko.
Ny ho tondraka eo manko tsy ho laitra

--------
Dia afafazo eny amin'ny izay azonao antoka izany e ! :D
7. niryna ( 09/04/2010 16:33)
ikaretsaka:

Misy tenin'i Jesoa izay anefa milaza hoe eo ambony vatolampy no tsara anorenana fa tsy fasika (eo amorondrano moa bebe fasika izay ihany) de hoe rehefa miakatra ny rano de ho rava ny naorina
with God everyting is possilbe
inona no zavatra tsy ho vitan'Atra ry ika a

ka mba fanontaniana ho an'ny mpitsimpona: iza no hotsimponiko kay... ny voalazani Jesoa sa Isaia?
anjaranao no maka izay tandrifinao rehefa mifanaraka ny tenin'Atra ilay izy fa tsy hoe tsy tiako dia halako bika tsy tiako tarehy ilay tsimpona
na izany aza aleo aloha omena holy kiss kely fa Atra be fitiavana ary ny fitiavana omeny no zarain'ireo rehetra izay nomeny hery ho tonga eto amin'ny sera hizara izay mba nomeny azy ireo

:-* :-*
8. niryna ( 09/04/2010 16:35)
Ratoa:

Anao ny safidy ra ika. Raha izahoo dia raisiko daholo. Eny amoron-drano aho no amboly ananana, tahaka ny ataon'ny mpamboly any an-tanàna sy ny ejipsiana.
Fa ery lavidavitra kosa, somary avo, aho no hanorina trano.
Eny amoron-drano koa aho no hiala sasatra.



:D
9. soanja ( 09/04/2010 22:49)
ikaretsaka:

ka mba fanontaniana ho an'ny mpitsimpona: iza no hotsimponiko kay... ny voalazani Jesoa sa Isaia?


Mazava ma fa tsy ho voavaliny io raha efa nipetraka ilay lohateny.


:D
10. ikaretsaka ( 09/04/2010 23:28)
Ka lasa isangodianana sy a cote le izy sisa koa
11. niryna ( 14/04/2010 04:20)
niryna:

Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana,ary ny fokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokisana mandrakizay Isaia 33:17


Ary ny oloko hitoetra ao aminny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny toerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiandanam-po


15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala. Isaia 33



12. niryna ( 14/04/2010 04:31)
ikaretsaka:

Misy tenin'i Jesoa izay anefa milaza hoe eo ambony vatolampy no tsara anorenana fa tsy fasika (eo amorondrano moa bebe fasika izay ihany) de hoe rehefa miakatra ny rano de ho rava ny naorina
hay va re e,diso kaonty izany ny anjely tamin'io teniny nitsimponiko io e
ary dia hoy ilay tsimpona iray koa hoe Isaia 33

22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika ; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.


ikaretsaka:

ka mba fanontaniana ho an'ny mpitsimpona: iza no hotsimponiko kay... ny voalazani Jesoa sa Isaia?
nomena anao ny fahefana ka izay fantatrao fa mahasoa anao tsimponina dia mahaiza mamafy tsara ary e ok :D



13. niryna ( 14/04/2010 04:32)
Ratoa:

Anao ny safidy ra ika. Raha izahoo dia raisiko daholo. Eny amoron-drano aho no amboly ananana, tahaka ny ataon'ny mpamboly any an-tanàna sy ny ejipsiana.
Fa ery lavidavitra kosa, somary avo, aho no hanorina trano.
Eny amoron-drano koa aho no hiala sasatra.



^:^ ^:^ =D>
14. niryna ( 14/04/2010 04:33)
rijadolly:

Misaotra Niryna fa tena nahazo aim- panahy, ary dia misaotra an' Ratoa koa nanazava

:D tsy misy fisaorana e ,mahasoava hatrany

:-*
15. niryna ( 14/04/2010 04:35)
ikaretsaka:

Tsy haiko loatra moa fa zahako vakinankaratra
hiala pas kely indray izay toi an
ka ny ahy le tanimbary totohatra sy eny @ lemaka no mahavatana fa tsy le eny amorondrano be loatra ko.
dia izay izany no manavanana anao dia ataovy tsara fafy ary ny voa an ,ok

Ny ho tondraka eo manko tsy ho laitra
dia tondraka anio mananjara izany ka inona no olana na vary tondrahana ronono sy tantely samy mahazo fahafinaretana ny olona hasaina na ny olona nanasa sa :D


16. niryna ( 14/04/2010 04:36)

ikaretsaka:

Tsy haiko loatra moa fa zahako vakinankaratra ka ny ahy le tanimbary totohatra sy eny @ lemaka no mahavatana fa tsy le eny amorondrano be loatra ko.
Ny ho tondraka eo manko tsy ho laitra

quote=bor2lais]
Dia afafazo eny amin'ny izay azonao antoka izany e ! :D
[/quote] izay mantsy.Rehefa mahavokatra dia izay no tadiavina


17. niryna ( 14/04/2010 05:21)

ikaretsaka:

Tsy haiko loatra moa fa zahako vakinankaratra ka ny ahy le tanimbary totohatra sy eny @ lemaka no mahavatana fa tsy le eny amorondrano be loatra ko.
Ny ho tondraka eo manko tsy ho laitra

bor2lais:

Dia afafazo eny amin'ny izay azonao antoka izany e ! :D
niryna:
izay mantsy.Rehefa mahavokatra dia izay no tadiavina






18. ikaretsaka ( 14/04/2010 12:34)
Ka ny fahavokarana betsaka (araka ny resaka atsy ambadika atsy) dia tsy ny famafazana fahatany (goudron sy lasantsy hoy I rakapy izay) fa miatomboka any @ fiasana ny tany aloha.

Alefaso ny akotry 1 taonin'i niryna Sy rabord de afafazo eo ampovoantsena sy eny rehetra eny. Sy eny amorondrano sns... fa atokisako fa tsy hahavokatra noho ny akotry 1 sarety nafafy tery @ le tanimbary totohatra

Entre pa mampalahelo fa hanamarinako ny point ko... betsaka ny mosarena izao taorianan'ny tondra drano tany @ faritra atsimo atsinanan'i M/kara t@ cyclone farany teo iny: satria teo amorondrano izy no namboly de diboka tao aby!

19. niryna ( 15/04/2010 19:16)
ikaretsaka:

ka mba fanontaniana ho an'ny mpitsimpona: iza no hotsimponiko kay... ny voalazani Jesoa sa Isaia?

soanja:

Mazava ma fa tsy ho voavaliny io raha efa nipetraka ilay lohateny.


:D
afaka valiana araka izy mba kely fantatro ka
ary safidy io ka izay tianao sy izay tiany

Andao ary alaiko ny propangadiko ary

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=53&andininy=1-9&dika=
Isaia : izy dia mpaminany ary ny resaka teneniny ao amin'ny baiboly dia miresaka ny Fitsarana sy ny Famonjena ( Judgement and Salvation)
Boky ao amin'ny Testamenta Taloha io
kristy no hiaro ireo krisitiana rehetra rehefa tonga ny fitsaran'Atra antsika. Ary ao aminy irery ihany koa no hisy famonjena

ka na maka ny teny ao amin'i Isaia isika na mihaino ny teny izay nampitondran'i kristy dia samy ahitana tombotsoa avokoa


Dia izao ary no teny voalazany ao,izay santionany propangady ihany io na tsimpona na tsianjery an

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?


Miaina amin'io isika ankehitriny,misy ny hino ary misy koa ny andaha ka mitady hirika andravana ny fanjakan'Atra

Resaka rehetra izay voalazan'i Isaia mpaminany ary dia mitantara an'i kristy ka ireto indray ary ny propangady ry ika

2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.



3 Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]

Raha hiresaka kristy indray isika dia ireto no anavaza azy ry ika,ireo misy propangady kely omeko


4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]

5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]



dia ireo rehetra izay voalaza tao amin'i Isaia ireo dia nitranga tamin'i Kristy avokoa izay ilay teny nampitondraina,tsy misaraka ny TT sy ny TVaovao fa mifanankina satria ny mpaminana no manambara ny hiseo ary dia nitranga sy mbola hitranga tokoa ilay izy araka io tantaran'i kristy lazaiko eo ambony io
asa na mazava aminao na mbola ho halalinina be be kokoa fa vonona aho anome izany ok
20. ikaretsaka ( 15/04/2010 22:33)
tena tsy le fanontaniana mihitsy no novalianao fa zavatra a cote tanteraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0099