Fitsaboana miharo fivavahana sitrana ho azy ny marary

41. niryna ( 31/03/2010 18:16)

niryna:

Nanao fanadihadiana ireo dokotera nitsabo olona ka naka vondron'olona maromaro,ao ny mpino ao ny tsy mpino an'Atra.
Ny zavatra itany sy azo tsampaintanana dia 60% an'ireo niaraka nivondrona nivavaka isa-maraina no nihasitrana ny marary novavahany.

Na ny dokotera aza dia maro no mivavaka vao manao fandidiana
Maro ny olona narary no sitrana tsy nila fanafody fa nifady haninana fotsiny ary napetrany teo amin'Atra izany aretina izany.
Ny tsy fahasitranana raha mivavaka kosa anefa dia tsy milaza fa tsy mamaly vavaka Atra.Maro ny antony ary Izy irery no mahalala izany.Isika koa mahalala izany ka dia antsoy izy ary mibebaha.
Ny fanoherana ny finoana an'i kristy sy ny maha mpamonjy azy dia tsy midika velively fa tsy ho mpanomjy izy.
Na manankarena na mahantra rehefa tonga ao amintsika ilay fahasoavana dia tonga tokoa fa isika no mety manilika ka mitady porofo lava mba hamarinantena fa tsy misy izy.

Ny siansa dia mila porofo foana vao afaka milaza zavatra iray ary manao famerenana marobe aza raha tsy mety ilay porofo
Ny kristiana kosa dia efa manana porofo mivaingana dia ny Zanany lahitokona ny diakampony no nanasitranana antsika

Efa naheno olona tsy nila fandidiana indray ve hianareo rehefa narary ka niverina tany amin'ny dokotera dia tsy nisy fandidiana natao taminy ?

izaho io Amena !
(l) niryna
soanja:


Misy izay fomba fitsaboana "Placebo effect" izay ataon'ny siansa. Fantaro io zany aloha sao afaka hanazava aminao koa ny zavamisy.
:D
hay ve e,misaotra nizara,nizara ny fahasoavan'ATra fotsiny aho ka,nizara aho fa tsy nila fanafody dia sitrana ary tsy nodidiana.Aleloia



42. niryna ( 31/03/2010 18:21)
fijo:

Ny kristiana kosa dia efa manana porofo mivaingana dia ny Zanany lahitokona ny diakampony no nanasitranana antsika "

marina tanteraka izany ary ny baiboly no efa manambara izany tamin'ireo kristiana,teny fampaherezana ho an'ny tsy mpino koa izany ka afaka mandray ilay Mpanasitrana izy.Ny dokotera no mitsabo ary Izy no Mpanasitrana

efa maro koa ny olona maty,noho io finoana fotsiny io,dia tsy manaiky hotsaboina
dia azy ho azy izany fa inona no antony nanomezan'Atra ny fahasoavana ho an'ny mpitsabo? Tsy hitsabo ny marary? saingy misy hery izay tsy fantantsika manampy an'izay rehetra mino Azy tokoa
Na izany aza dia efa io noresahiko io fa ny fivavahana atao amin'ny finoana tanteraka tokoa dia afaka hinoantsika fa mihaino antsika tokoa Atra.




43. niryna ( 31/03/2010 18:22)
ikaretsaka:

betsaka mihitsy



=D> =D> ^:^ ^:^ :-* :-*
44. niryna ( 31/03/2010 18:24)
niryna:

Ny tsy fahasitranana raha mivavaka kosa anefa dia tsy milaza fa tsy mamaly vavaka Atra.Maro ny antony ary Izy irery no mahalala izany.Isika koa mahalala izany ka dia antsoy izy ary mibebaha.
Ny fanoherana ny finoana an'i kristy sy ny maha mpamonjy azy dia tsy midika velively fa tsy ho mpanomjy izy.
Na manankarena na mahantra rehefa tonga ao amintsika ilay fahasoavana dia tonga tokoa fa isika no mety manilika ka mitady porofo lava mba hamarinantena fa tsy misy izy.

Ny siansa dia mila porofo foana vao afaka milaza zavatra iray ary manao famerenana marobe aza raha tsy mety ilay porofo
Ny kristiana kosa dia efa manana porofo mivaingana dia ny Zanany lahitokona ny diakampony no nanasitranana antsika


fijo io no valiny


45. niryna ( 31/03/2010 18:28)
rijadolly:

Tsara ny FINOANA? ary hinoako fa tena mahasitrana tokoa, afaka mijoro ho vavolombelona amin' izany aho.

misaotra anao nijoro vavolombelona

Afaka manontany tena anefa isika hoe tena manana voantsinampy iray monja ve isika ka tsy miroaroa saina mba hamindrana izany tendrombohitra izany?raha tsy hampitomboy izany finoana izany mba hinoanao bebekokoa fa ho sitrana ianao dia ny fandehananao any amin' dokotera. Dia hoy indray ny sasany: Ny dokotera anie izany no nahasitrana azy e! ohatrany marina kanefa ilay marary mihitsy no mila MINO, fa hositran 'ilay fanafody. Ny GRAND MAITRE- nay rehefa naka mpianatra dia naka dokotera, ary koa nanome ohatra tamin' fomban' dokotera. Noho izany ny mpino dia tsy hoe tsy mila dokotera fa kosa ny FINOANA no ambony noho ny dokotera.
Misy fitenenana ao amin' fandaharana iray amin' radio izay milaza hoe : " IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA JESOA NO MANASITRANA "


izay indrindra, na ny dokotera tokoa aza dia miteny an'io .
Misaotra rija a
:-*
46. niryna ( 31/03/2010 18:29)
bor2lais:

Voalaza teo :
" IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA JESOA NO MANASITRANA "
---------
Ary eo dia misy ny :
- sitrana fa tsy afaka aretina
- afaka aretina fa tsy sitrana
- sady sitrana no afaka aretina
:D



=D> =D> ^:^ :-* :-*
47. niryna ( 31/03/2010 18:47)
ravonjison:

Raha fintiniko ilay voalazan' i Rijadolly dia toy izao :
1- ny finoana dia ilaina @ fitsaboana, raha tsy mino dia tsy sitrana
marina tanteraka izany
Efa nahita experiences ve hianao ka niantso anao tao an-trano ny dokotera hoa tongava aty amin'ny biraoko ? mitebiteby hianao,miahiahy saingy rehefa miaraka mivavaka kosa ny mpivady ohatra ary mametraka izay vaovao na ho ratsy na ho tsara,mazava ho azy fa misy zavatra ao matoa hianao antsoiny any an-trano,saingy ny fametrahana ilay aretina na ny fiainana eo am-pelantanany dia efa vaovao mahafaly sy fahasoavana ary fahagagana lehibe omeny anareo mivady na ny fianakaviana,raha mbola tsy nanandrana hianao dia andramo na inona io na inona ,indrindra ny zanaka andeha hianatra,anao fanadinana,ny ho aviny iray manontolo.

2- ny finoana dia ambony noho ny dokotera
iza no nanome fahaizana ny dokotera> avy aiza ny fahasoavana tsy avy amin'ilay Atra inoana,na ny dokotera mpino an'ilay kristy manasitrana koa aza dia resy lahatra.
Raha ilay finoana fa misy ilay Atra izay manasitrana dia manampy ny marary tokoa.

3- Jesoa no manasitrana , ilaina ny finoana an' i Jesoa @ fitsaboana
100% eny ,izao izaho mizara ny fahagagana nomeny ahy izao,santionany fotsiny io fa vakio daholo ny sujet-ko dia ho hitanao izany fitiavany ahy sy ny fianakaviko izany

Dia itý anefa misy olana kely mikasika izany: isan' andro aho ato mitsabo biby , alika sy saka. Ary sitrana soa aman-tsara izy ireo. Izaho anefa mbola tsy nahita ka hoe nivavaka izy ireo na hoe mino an' i Jesoa na Mohamed.

Ny valiny? iza no nanafy an'ireny voromanidina ireny,iza no nanome sakafo azy,raha ririnina ny andro? Mahavariana anao ve izany,jereo ny voromanidina fa tsy mba manana itoerana,tsy mba mivaky loha hoe inona no hohaniko anio kanefa dia omen'Atra sakafo tokoa izy .
Voary namboarin'Atra ireny ka izy ihany no mikolokolo azy,tsy mivavaka izy satria tsy namboarin'Atra mitovy aminy ,isika no namboariny hitovy aminy ary nomeny sainy hisaina satria ahalala ny tsara sy ny ratsy ka tokony ahay hibebaka sy ahay hisaotra ihany koa

Dia ahoana izany ? Mila mino an' i Jesoa koa ve ireo biby ireo @ fitsaboana azy ?
efa io novaliako eo ambony io ilay izy

Tadidiko ny neniko fa isaky ny mamono akoho izy dia tsy maintsy mivavaka foana,malahelo an'ilay biby tsy manantsiny izy kanefa efa nomen'Atra ho hanintsika ihany koa ilay izy .

Misy anefa tsy mandeha ra,tsy matahotra an'Atra fa sahy mamono mahafaty ny olona tsy manantsiny,sahy mampiasa antsy andrombana azy hakana izay fananana kely eo am-paosiny. Satria ahoana,mafy ny fiainana ary tsy manana finoana an'Atra intsony izy,very fanantenana,tsy mino ny toky nomeny azy intsony kanefa izy no manome antsika rehefa tena mino azy isika, hany ka voatery anao ny tsy mety noho ny fanerena mahazo amin'ny fiainana ilay olona


48. ravonjison ( 31/03/2010 20:59)
...toa taitra t@ torimasony i Niryna izany an. Tsara izany , ny sasany mantsy efa miandry ny valinteninao. Moramora ihany anefa, tsy ny habetsaky ny zavatra soratana akory no mahamanandanja ilay " arguments "...
Sao dia ho toy ilay aviavin' i Betania, mandrobona nefa tsy misy voany.
49. Ratoa ( 01/04/2010 00:07)
raha olona efa antitra miandry fahafatesana fa ireo zaza na tanora ...sarotra ihany
Misy izany miranirina.

Nisy mpiara miasa tamiko voan'ny cancer.
Fony mbola niasa izy dia niteny hoe "J'ai peur de mourir, j'ai le C ( le grand C)". "Tu n'es pas croyant" hoy aho. "Si" ka n.ahoana ary ianao no matahotra hoy aho "Je n'ai pas peur de la mort, hoy izy, mais de mourir, du passage de vie à trépas" . Ankona fotsiny aho. Mety ho mafy ny ady hoy izy.
Fotoana vitsy taoriana io dia nahiditra hopitaly izy. Ary nony tonga ny ora ahafatesany dia hoy izy "Aidez- moi à me relever, je vais prier , le moment de partir est venu". Nivavaka izy dia niara tapitra tamin'ny vavaka nataony ny ainy.

Nisy koa ankizy kely narary mafy, tsy mbola feno folo taona. Alahady ny andro, namangy azy ny mpitandrina. Dia hoy izy "Dada ô, mahereza, nenyô, mihonona ary ataovy eto akaikiko eto ny zandriko. Pasitera ô, mivavaha fa efa tonga Jesosy haka ahy" . Nofihininy ny zandriny vao telo taona. Nivakvaka i Pasitera. Vita ny fotoa-mpivavavahana dia vita koa ny ainy.
nampalahelo loatra; Gina fotsiny ireto raiamandreny.
50. ikaretsaka ( 01/04/2010 00:08)
ravonji> izay manko.. niezaka ihany ahako nijery ny tian'i niryna hahatongavana fa dia voalazanao io mihitsy hoe lasa "aviavin'i Betania" tokoa...
51. rijadolly ( 01/04/2010 02:49)
Ratoa:
Nisy mpiara miasa tamiko voan'ny cancer.
Fony mbola niasa izy dia niteny hoe "J'ai peur de mourir, j'ai le C ( le grand C)". "Tu n'es pas croyant" hoy aho. "Si" ka n.ahoana ary ianao no matahotra hoy aho "Je n'ai pas peur de la mort, hoy izy, mais de mourir, du passage de vie à trépas" . Ankona fotsiny aho. Mety ho mafy ny ady hoy izy.
Fotoana vitsy taoriana io dia nahiditra hopitaly izy. Ary nony tonga ny ora ahafatesany dia hoy izy "Aidez- moi à me relever, je vais prier , le moment de partir est venu". Nivavaka izy dia niara tapitra tamin'ny vavaka nataony ny ainy.

Nisy koa ankizy kely narary mafy, tsy mbola feno folo taona. Alahady ny andro, namangy azy ny mpitandrina. Dia hoy izy "Dada ô, mahereza, nenyô, mihonona ary ataovy eto akaikiko eto ny zandriko. Pasitera ô, mivavaha fa efa tonga Jesosy haka ahy" . Nofihininy ny zandriny vao telo taona. Nivakvaka i Pasitera. Vita ny fotoa-mpivavavahana dia vita koa ny ainy.
nampalahelo loatra; Gina fotsiny ireto raiamandreny.
Tsinotsinona ny nofo. Notafiana nofo isika mba ahalala marary amin' izay mora ny hi- teste-na antsika hoe hatraiza. Izany no Fanasitranana avo indrindra, Ho antsika Mpino, Efa vita ny adiny. Matahotra aho ary mivavaka mafy sy miambina andro aman' alina sao dia tsy mba manana fotoana ohatr' izany hifonana.
52. niryna ( 01/04/2010 02:50)
ikaretsaka:

.Tsy hoe maniry loza ho anareo aho fa enga anie ho salama tsara aby, ary enga anie ka hivoaka hahita tontolo hafa ankoatran'ny tontolo Kristianina @ izay asa aman-draharaha sahaniny

inona no hevitra tianao tenenina amin'izany hivoaka hahita tontolo hafa ankoatran'ny tontolo kristiana izany azafady

fa raha sanatria marary ka mitsabo tena any USA na tany silamo, na karana, na jiosy ianao ohatra, tsy voatery ho Kristianina sy mpino toa aby ny dokotera hitsabo anao fa manana ny inoany izy ireo na tsy mpino carrement!
dia inona no olana amin'izany
samy nomen'Atra fahasoavana anasitrana avy izy rehetra ka raha mahay izy tsy misy olona amiko izany na mpino izy na tsy mpino,raha mino moa izy vao maika mitovy ny tadin-dokanga.
Izy indray aza no nangataka hivavaka ny fianakaviany izay mbola tsy mino an'Atra mba ho voavonjy.
Izy nanampy ahy ,izaho nanome hery azy ara-panahy. Tafaray ny tia sy ny manina ka ika angaha ahoana !

Ohatra 1 ireny misy voina t@ Tsunami ireny, be ny olona tsy Kristianina notsaboin'ny kristianina.... dia ny inona no inoany eo ?
vao maika be no nanatona an'Atra fa nahafantatra izy fa misy manana fo izay finoana tsy fantany kanefa nanavotra azy,firifiry ny mitety tany mizara sakafo,fianarana,boky ,akanjo sns ary firifiry ny fiangonana mitsangana any amin'ireny toerana mbola maizina ireny no miditra ny fivavahana ?
misaotra ry ika nizara a


53. niryna ( 01/04/2010 02:57)
rijadolly:

Misaotra amiçn' ilay famitinana Ravonjison.
[quote=Ravonjison]Dia itý anefa misy olana kely mikasika izany: isan' andro aho ato mitsabo biby , alika sy saka. Ary sitrana soa aman-tsara izy ireo. Izaho anefa mbola tsy nahita ka hoe nivavaka izy ireo na hoe mino an' i Jesoa na Mohamed.
Dia ahoana izany ? Mila mino an' i Jesoa koa ve ireo biby ireo @ fitsaboana azy ?
Raha tratry izao fanontaniana izao matetika isika dia mitsara haviatrany hoe tsy ahita valiana ilay hipetrahan' fanontaniana, ohatra ny tena marina tokoa satria tsy afaka hino an' Andriamanitra ny biby.Ary izany dia hitarika antsika tsy hino satria na mino an' Andriamanitra ianao na tsy mino toa samy mihinana sy mahazo fahasalamana ihany.Hevitra roa tampoka ny tonga ato anatiko,
1) samy mahazo anjara avy any amin' Andriamanitra avokoa( oh orana) na ny mino na tsy ny mino
2) ary dia saika solafaka aho mahita ny ratsy fanahy hambinina.
Aza variana raha sendra tratra tahaka izao fanotaniana izao fa Mivavaha mafy dia apetrany ao am- bavanao ny valiny, Amen!
mbola miampy aza ka,maninona ny tsara fanahy sy olon'Atra no maty tanora? maninona ny zaza tsy manantsiny no alain'Atra.Dia matetika tokoa isika dia mijery ny lafiratsy amin'ny fiainana fa tsy mijery ny fahasoavana nomen'Atra antsika . Ary miafara amin'ny fanomezantsiny an'Atra ilay izy avy eo.

Ny zavaboary rehetra dia natao hanjakan' olombelona. Ary ny olombelona dia anjakan' ILAY MPANJAKA ny mpanjaka.Izany hoe ny olona izany no anisany mpiahy ny zavaboary eto an -tany( hikarakara ).Fa kosa ny olona dia tsy manam-pahefana amin' olona.Na izany aza anefa dia azon' olombelona atao ny mangataka izay mampety ny zavaboary( oh mamboly, miompy koa ) noho ny hery kely sy ny finoana izay hananany; dia tahaka ny fangatahana ho an' olon- kafa manodidina , ny Firenena, ny fahavalo...
misaotra rija a
ary satria nomen'Atra hisaina isika dia afaka manao zavatra mihoatra ny biby ihany koa kanefa misy olona manana fom-biby ,manana abibiana hoy ny fiteny ary dia ho ratsy eo anatrehantsika izany fiheverana toy ny biby izany.

54. niryna ( 01/04/2010 03:03)
rakapy:

Raha ny fahazaoko azy izany dia mety tsy hihodina ny tany na mety harary avoko ny olona na koa hoe tsy handeha @ laoniny ny fiainan'ny zanak'olombelona raha tsy mivavaka 1 andro,1 volana sns ny mpino ???

toy ny misotro rano io amin'ny kristiana ry rakapy a,rehefa nametraka ny fiainany tamin'Atra izy dia midera sy manandratra ny Anarany foana no ataony,tsy mitady zavatra hafa intsony satria tsy matahotra izay mitranga amin'ny fiainana rehetra.MIsy mitranga tampoka moa dia iny indray mivavaka mangataka aminy ny vahaolana.
Tsy mino Azy moa hianao dia tohizo ny fiainanao raha izay no mahamety anao fa nomena sy nozaraina fotsiny izy ity fa tsy misy antery ka :D
55. niryna ( 01/04/2010 03:13)

Ny mpino dia afaka mangataka ho an 'i tsy mpino.
ikaretsaka:

ary raha ny contraire no mitranga sy miseho?
tsy takarina ve ny lanitra ry ika raha izany no miseho,mbola tsy nahita aho teto ka nisy tsy mpino an'Atra ,nizara ny finoany.

Ary izany dia hitarika antsika tsy hino satria na mino an' Andriamanitra ianao na tsy mino toa samy mihinana sy mahazo fahasalamana ihany
ka nasehon'Atra ho an'ny rehetra anie ny fitiavany antsika e,ny famonjena izay nataon'ny zanany saingy misy ny mandray ary misy ny tsy mandray ary misy ny tonga dia manda na inona mitranga na inona satria efa izy mihitsy no tsy mety mandray ny tenin'Atra.Soa ihany fa Atra no mahalala ireny olona ireny ka Izy irery ihany no anova izay fantany fa azony hovaina ny fony.

inona no mampanahy an-drika @ io? io aloha no zava-miseho fa tsy ny hoe ny mino ihany no sitrana na ny tsy mino de tsy sitrana...
ka na satana koa aza manana miaramila mpanasitra ry ika ? ireny fanafody ataon'ny gasy ireny,ireny mandeha any amin'ny mpanao fanafody maka tapakazo fiarovana e,fanalana faditra e,fanalana vitana e,ipetrahan'ny tromba dia miresaka amin'ny fanahy tsy fantatra e,manasitrana ary tena manasitrana tokoa izy fa misy tambiny avy eo. Fantatrao ny tiako resahina eto
mosavin'olona io fa mandeha mankany amin-dranona
vitan-dratsy io ka mandeha amboarina
voan'ny tsatoka io ka mandeha ary amin'dry ...
Toa izany no ambetin-dresaky ny olona ary tsy ny gasy ihany fa na ny vazaha azy dia voarebireby ny famakiana tanana,ny fijerena vintana sy anjara.MIla mailo isika fa feno misomebiseby ny asan'ilay satana ary ireo mpino an'Atra no lasibatra voalohany. mino an'izany ve ika?


56. niryna ( 01/04/2010 03:30)
Hoy Rakapy
aha ny fahazaoko azy izany dia hoe mety tsy hihodina ny tany na mety harary avoko ny olona na koa hoe tsy handeha @ laoniny ny fiainan'ny zanak'olombelona raha tsy mivavaka 1 andro, 1 volana sns ny mpino???

Hoy i Rijadoly
Azonao tsara, raha mbola misy oloNY eto dia tsy ho ravana ny tanana
rakapy:

Raha hiverenana ny lohateny dia ny hoe fitsabona sy fivavahana.
dia tohizako ihany koa hoe ny fahasoavana nasehon'Atra ahy tsy nila fanafody.Tsy nila fandidiana fa sitrana noho ny finoako.
Izany akory hoy aho tsy midika fa tsy ihinana fanafody aho rehefa asiany mihinana,satria izy ireo no nomen'Atra hitsabo ary izy no manasitrana araka izay tiany sitraniny ihany koa.Tsy ho takatr'i rakapy velively izay fifaliana izany na aniry nify aza ny akoho satria fizarana no omeko eto fa tsy hoe tsy mila dokotera izahay na aza mankany amin'ny dokotera hiaranareo ry kristiana isany

Ny zavatra tsotra indrindra azo hanaporofona hoe iza no manan-danja kokoa eo fitsabona ." Ny fivavahana sa ny finoana" dia izao:
dia tsy nisy nametraka an'io eo fa hianao no mamaritra hoe iza no manan-danja eto

1/Asaivo mi-grevy tsy mivavaka 1 volana ny mpivavaka rehetra dia ho hita eo ny effet
dia mitovy ireo famaly boraingin'ny tsy mpino indray ilay izy ary mamadika ny sujet-ko hianao satria tsy nampifaninana ny mpivavaka ny fitsaboana aho,aiza re nareo izany e.Eny eritreritrao io ka tsy azo tapenana safidy samy miteny izay tiany ho tenenina saingy aza avadika ny sujet azafady e

2/Avy eo dia asaivo mi-grevy tsy mitsabo 1 volana ny mpitsabo rehetra dia ho hita eo ny effet.
ary vao maika mivaralila ilay hevitr'i rakapy satria tsy izay no nahatongavako.
Izay mbola tsy nanandrana tsy aretina ihany io,raha mbola tsy nametraka ny fiainanao tamin'Atra hianao dia misokatra ny vavahady manatona azy fa mbola tsy tara

Ho hita mazava ny hoe iza no tena ilain'ny olombelona.

ho an'ny kristiana dia mila dokotera izy toy ny rehetra ihany fa ny tombony dia mbola manana ilay Mpitsabo,Dokotera ambon'ny dokotera rehetra izy dia ilay kristy izany .
Manana aretina hianao,manana fahotana,manana adin-tsaina?
Na inona na inona enta-mavesatra tsy zakanao? andramo ny mangataka amin'Atra anampy anao anaisoatra ny enta mavesatra fa tsy amela anao ho irery izany Izy ary tsy misy zavatra nataony tsy ho zakanao ary raha misy aza izany dia vonona izy ny hitondra sy hibaby izany enta-mavesatra izany raha avelanao hitantana ny fiainanao amin'izay Izy. amena !




57. niryna ( 01/04/2010 03:31)
bor2lais:

Toa mitady hivilana ange izany resaka izany e :
"fitsaboana miharo fivavahana" no resahina eto fa tsy hoe "fitsaboana tsy mila fivavahana" na hoe "fivavahana tsy mila fitsaboana" !
Izay aloha ny fandraisako azy hatreto ! :D



=D> =D>
58. rakapy ( 01/04/2010 07:46)
Hoy i Niryna
dia mitovy ireo famaly boraingin'ny tsy mpino indray ilay izy ary mamadika ny sujet-ko hianao satria tsy nampifaninana ny mpivavaka ny fitsaboana aho,aiza re nareo izany e
Etsy ampiandohana nefa ianao dia manenjika sy manao fifampitahana ny finoana sy ny siana
Hoy Niryna
Ny siansa dia mila porofo foana vao afaka milaza zavatra iray ary manao famerenana marobe aza raha tsy mety ilay porofo
Ny kristiana kosa dia efa manana porofo mivaingana dia ny Zanany lahitokona ny diakampony no nanasitranana antsika

Izao ve no manao valy boraingina sa ianao no misavaoana tsy mahatadidy izay nosoratanao???
59. ravonjison ( 01/04/2010 14:33)
rakapy:

Raha hiverenana ny lohateny dia ny hoe fitsabona sy fivavahana.
dia tohizako ihany koa hoe ny fahasoavana nasehon'Atra ahy tsy nila fanafody.Tsy nila fandidiana fa sitrana noho ny finoako.
Izany akory hoy aho tsy midika fa tsy ihinana fanafody aho rehefa asiany mihinana,satria izy ireo no nomen'Atra hitsabo ary izy no manasitrana araka izay tiany sitraniny ihany koa.Red colorTsy ho takatr'i rakapy velively izay fifaliana izany na aniry nify aza ny akoho satria fizarana no omeko eto fa tsy hoe tsy mila dokotera izahay na aza mankany amin'ny dokotera hiaranareo ry kristiana isany Red color
[quote]


Ay ay ay ay , tena tsy ho takatr' i Rakapy velively hono na haniry nify aza ny akoho.
Tokony ho valiana izany kle ...
60. ikaretsaka ( 01/04/2010 14:48)
izay ange ry rakapy sy ravonji no ilazako hoe tsy hita intsony hoe aiza marina ny fotokevitra lehibe tian'i niryna hahatongavana sy tohanana eto, fa toa faly mi copy paste izay lazain'ny olona fotsiny de iny no itakitarina eo de ny ny heviny etsy ambony mi contradict ny heviny ao ambany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086