Fitsaboana miharo fivavahana sitrana ho azy ny marary
21. ikaretsaka
(
29/03/2010 18:29)
mba fantatr'i RD moa ny dikan'ny Rika any aminay any? (ohatran'ny hoe "se" :-D :-D :-D )
22. rijadolly
(
29/03/2010 18:50)
Atao RIKA foana indray izany se ?
Itan ' ika le hoe sary fanampiny? tsy mi- charge ny ahy dia tsy mande le mikakaka miomehy be iny, izany no naha tonga ahy niteny hoe te- himmeme be za fa tsy mety :lol: :lol:
Mazotoa se fa hanohy asa aho ok! Rampitso indray e!

23. rakapy
(
30/03/2010 06:02)
Hoy Rakapy
Hoy i Rijadoly
Raha hiverenana ny lohateny dia ny hoe fitsabona sy fivavahana.
Ny zavatra tsotra indrindra azo hanaporofona hoe iza no manan-danja kokoa eo fitsabona ." Ny fivavahana sa ny finoana" dia izao:
1/Asaivo mi-grevy tsy mivavaka 1 volana ny mpivavaka rehetra dia ho hita eo ny effet
2/Avy eo dia asaivo mi-grevy tsy mitsabo 1 volana ny mpitsabo rehetra dia ho hita eo ny effet.
Ho hita mazava ny hoe iza no tena ilain'ny olombelona.
aha ny fahazaoko azy izany dia hoe mety tsy hihodina ny tany na mety harary avoko ny olona na koa hoe tsy handeha @ laoniny ny fiainan'ny zanak'olombelona raha tsy mivavaka 1 andro, 1 volana sns ny mpino???
Hoy i Rijadoly
Azonao tsara, raha mbola misy oloNY eto dia tsy ho ravana ny tanana
Raha hiverenana ny lohateny dia ny hoe fitsabona sy fivavahana.
Ny zavatra tsotra indrindra azo hanaporofona hoe iza no manan-danja kokoa eo fitsabona ." Ny fivavahana sa ny finoana" dia izao:
1/Asaivo mi-grevy tsy mivavaka 1 volana ny mpivavaka rehetra dia ho hita eo ny effet
2/Avy eo dia asaivo mi-grevy tsy mitsabo 1 volana ny mpitsabo rehetra dia ho hita eo ny effet.
Ho hita mazava ny hoe iza no tena ilain'ny olombelona.
24. bor2lais
(
30/03/2010 09:48)
Toa mitady hivilana ange izany resaka izany e :
"fitsaboana miharo fivavahana" no resahina eto fa tsy hoe "fitsaboana tsy mila fivavahana" na hoe "fivavahana tsy mila fitsaboana" !
Izay aloha ny fandraisako azy hatreto ! :D

25. xxx
(
30/03/2010 12:03)
Ka na ilay namorona lohahevitra aza angamba mety nodidina ihany fa toa tsy hita intsony efa ho herinandro zay? mirary fahasalamana Niryna a! :-*
26. Mirananirina
(
30/03/2010 14:11)
sitrana hoazy miampy fitsaboana angamba,ary ireo maty fa tsy sitrana izany tsy nivavaka?
27. ikaretsaka
(
30/03/2010 14:20)
bor2lais:
Toa mitady hivilana ange izany resaka izany e :
"fitsaboana miharo fivavahana" no resahina eto fa tsy hoe "fitsaboana tsy mila fivavahana" na hoe "fivavahana tsy mila fitsaboana" !
Izay aloha ny fandraisako azy hatreto ! :D
azafady fa fanahy iniana ataoko resaka kivalavala ity nefa tsy HS fa hampidirana ilay point hazava tsara:
ohatran'ny henakisoa sy (miharo) tsaramaso io rabord... mila hay aloha ny hena kisoa dia mila hay ny tsaramaso, ary samy milay raha samy mandeha seul koa...
fa tsy voatery hoe miaraka foanaa vao lafatra...
28. bor2lais
(
30/03/2010 15:11)
Izaho manokana aloha Ra-Ika tsy dia mahavoa tsaramaso irery @ izao :D
Misy koa fantatro ny tsy mahavoa hena kisoa a !
Ka ny eto izao dia tahaka ny fomba "fandrahoana" hena kisoa sy tsaramaso no resaka. Ny fahitako azy anefa dia toa misy miresaka hoe : ary ahoana ny tsy mahatakatra (na tsy tia) tsaramaso na hena kisoa ?
Dia misy koa milaza fa alefaso "seul" ny hena kisoa na ny tsaramaso (tahaka io lazain'i Ika io) fa ho hitanao ny tsirony.
Izany hoe mitady ho adino ilay re7 voalohany ! :D
Averiko indray fa izay no fandraisako azy hatreto a ! Mety ho diso ny fijeriko !
:D

29. rakapy
(
30/03/2010 15:24)
Hoy Bor2lais
Ekena mety miderapy ilay resaka nefa mety misandrahaka koa nohon'ny hevitra samihafa
Toa mitady hivilana ange izany resaka izany e :
Ekena mety miderapy ilay resaka nefa mety misandrahaka koa nohon'ny hevitra samihafa
30. ikaretsaka
(
30/03/2010 17:16)
ny tiana hahatongavana rabord de hoe tsy voatery hifangaro (miharo hoy ianao.). foana ny raha 2 vao mety miara miasa sy heo tsara ny fiaraha miasany
31. Ratoa
(
30/03/2010 22:43)
Amiko aloha dia samy mahavonjy na ny fahaizan-dradoko na ny finoana. Saingy raha tsy ampiana izy ireo tsy mandaitra.
1) ampiana radoko sy ny fahaizany: mampiasa ny fanafody ny marary ary mihezaka ara-tsaina sy ara-batana: tena miady amin'ny aretina. Ohatra tsy mivareraka eo ampandriana raha mbola afaka mitsangana sy manao zavatra. Tena tian'ny dokotera ohatra ny marary mamaky boky na manao tao-zavatra na dia mandry am-pandriana na any amin'ny hopitaly aza.
2) ampiana ny finoana: manadio tena aloha ny olombelona vao mivavaka: efa ady amin'ny aretina izany. Raha mivavaka dia manao izany amin'ny fo satria ny Ray sy ny Zanaky dia mamaly vavaka "franc sy sincère" . Tsy mivareraka eo ampandriana rha mivavaka ny olona fa mihezaka, efa manmpy ny fo sy atidoha mba hiezaka izay.
Ary ireo maty ve tsy nivavaka , hoy ny fanontanian'i miranirina. Mivavaka izy ka (ireo mpino aloha no lazaiko) saingy efa tonga ny androny fa tsy tsapany. Misy anefa mahatsapa fa tonga ny fotoana dia efa miomana ny ho faty. Dia mivavaka miatrika ny fahafatesana.

32. bor2lais
(
31/03/2010 07:53)
Hoy rakapy :
"Ekena mety miderapy ilay resaka nefa mety misandrahaka koa nohon'ny hevitra samihafa"
------------
Tsara tokoa aloha raha misandrahaka ilay resaka e ary izay no mahatonga ahy miteny hoe "fijeriko manokana" satria mety ho diso tokoa aho ...
------
Hoy Ika :
"ny tiana hahatongavana rabord de hoe tsy voatery hifangaro (miharo hoy ianao.). foana ny raha 2 vao mety miara miasa sy heo tsara ny fiaraha miasany"
--------
Fa angaha moa nisy niteny hoe "tsy maintsy" ilay izy. Fizarana tranga ange no eto raha ny fahazoako azy. Tranga niseho teo amin'ny fiainan'ny Kristiana iray na vitsivitsy.
Ny heveriko (mety ho diso aho angamba) fa iraisan'ny Kristiana rehetra kosa dia io voambara eo ambony io hoe : " IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA JESOA NO MANASITRANA "
Izany hoe fitaovana ihany ny dokotera eto ! :D

33. rakapy
(
31/03/2010 08:10)
IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA JESOA NO MANASITRANA "
Raha ity fehezan-teny ity no dinihina dia toa midika fa mifampiankina sy misy fifandraisany i Radoko sy Rajesosy? Miara miasa?
Nefa
Hoy Ravonjison
Dia itý anefa misy olana kely mikasika izany: isan' andro aho ato mitsabo biby , alika sy saka. Ary sitrana soa aman-tsara izy ireo. Izaho anefa mbola tsy nahita ka hoe nivavaka izy ireo na hoe mino an' i Jesoa na Mohamed.
Dia ahoana izany ? Mila mino an' i Jesoa koa ve ireo biby ireo @ fitsaboana azy ?
Anampiako ny tenin' i Ravonjison: Tsy ny biby ihany no tsy mino na tsy mivavaka fa misy olombelona maro koa tsy mivavaka sy tsy mino nefa maro no sitrana rehefa tsaboin'i Radoko .
Aiza izany ilay hoe" IZAHAY DOKOTERA MITSABO FA I JESOA MANASITRANA"?
34. ravonjison
(
31/03/2010 08:43)
Ny fivavahana , placebo effect, fitsaboana, dia tsy tokony hatao faobe.
Ny \" placebo effect \" azo avy @ fivavahana, fampiakarana moraly, charisme, fampaherezana, fampanantenana...sns... dia misy tokoa ary azo ampiasaina hanampiana ny marary @ fitsaboana. Saingy misy fetrany : tsy mandaitra @ aretina rehetra, ry koa tsy mandaitra sy tsy azo ampiasaina @ biby ( ny antony moa dia tsy mahazo izay lazaintsika ny biby , ary izay no mahatonga ahy miresaka fitsaboana biby atsy ambony atsy ).
Tokony ho faritana aloha izany ilay atao hoe aretina , dia avy eo milaza hoe aretina inona ilay izy ? . Izay vao afaka milaza hoe : @ itý aretina itý azo ampiasaina ny placebo effect , @ itý kosa dia fandaniana andro ny fanaovana izany:
- misy ny aretina , ny fampiakarana ny moralin\' ilay marary sy ny finoany dia manampy
- misy kosa aretina, tena tsy misy ilana finoana izany ao , fa sitrana foana ilay marary.
Eo indrindra ilay olana satria ny olona sasany dia milaza fa mahay mitsabo, matetika anefa placebo effect no ampiasainy. Izy anefa tsy manavaka ilay aretina araka ilay voalazako etsy ambony, ka matetika zava-doza no vokany avy eo.
Tokony havahana koa ny ato hoe manasitrana , sy ny ato hoe manampy fotsiny.

35. ravonjison
(
31/03/2010 08:51)
....Ny sitrana amiko dia fiverenana @ laony tanteraka. Fa tsy ilay avy nitabataba sy nihorakoraka avy ao ampiangonana iny, dia somary nahazo aina kely.
Afaka roa andro anefa dia niverina tao ampandriana indray.
36. soanja
(
31/03/2010 12:18)
Misy fiteny izay aty aminay hoe " Matokisa an'Andriamanitra fa sady hidio karetsaka ihany ny fiarakodianao raha ao New York City ianao!"
Raha hitsabo any amin'ny dokotera ka mpino dia ilaina tokoa ny mahatoky ny fahasitranana sady miracle avy amin'Andriamanitra no koa fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ilay dokotera!

37. soanja
(
31/03/2010 12:28)
ravonjison:
Ny fivavahana , placebo effect, fitsaboana, dia tsy tokony hatao faobe.
Ny \" placebo effect \" azo avy @ fivavahana, fampiakarana moraly, charisme, fampaherezana, fampanantenana...sns... dia misy tokoa ary azo ampiasaina hanampiana ny marary @ fitsaboana. Saingy misy fetrany : tsy mandaitra @ aretina rehetra, ry koa tsy mandaitra sy tsy azo ampiasaina @ biby ( ny antony moa dia tsy mahazo izay lazaintsika ny biby , ary izay no mahatonga ahy miresaka fitsaboana biby atsy ambony atsy ).
Tokony ho faritana aloha izany ilay atao hoe aretina , dia avy eo milaza hoe aretina inona ilay izy ? . Izay vao afaka milaza hoe : @ itý aretina itý azo ampiasaina ny placebo effect , @ itý kosa dia fandaniana andro ny fanaovana izany:
- misy ny aretina , ny fampiakarana ny moralin\' ilay marary sy ny finoany dia manampy
- misy kosa aretina, tena tsy misy ilana finoana izany ao , fa sitrana foana ilay marary.
Eo indrindra ilay olana satria ny olona sasany dia milaza fa mahay mitsabo, matetika anefa placebo effect no ampiasainy. Izy anefa tsy manavaka ilay aretina araka ilay voalazako etsy ambony, ka matetika zava-doza no vokany avy eo.
Tokony havahana koa ny ato hoe manasitrana , sy ny ato hoe manampy fotsiny.
Ny fahitako azy aloha dia io placebo effect io no ampisain'ny mpivavaka rehefa mitsabo tena izy. Mino avy hatrany fa ho sitrana.
Saingy ny tokony ho fantantsika amin'ny fiainan'ny mpino dia hoe tsy izay tadiavintsika koa anie no tanteraka e! Ny fandaharan'Andriamanitra tsy eo ampelatanantsika akory! Amiko raha voan'ny cancer aho 12 taona lasa izay dia napetrako tamin'Andriamanitra ny fiainako tamin'ny rehetra rehetra hoe izay fanirianao dia ho ekeko! Mitsabo tena aho satria izay no maha-olombelona, ka andraikitro tokoa no manantanteraka izany ary ny ankoatr'izay dia Azy Andriamanitra.
Tsy ndeha aho hitompo teny fatratra tokoa aho nony sitrana hoe sitrana aho nony sitrana fa aoka ny zava-drehetra dia natao hanoro fahendrena ho ahy! Tamin'ny fotoana nitsaboana ahy ny cancer nahazo ahy dia nihaona tamin'olona be dia be aho ary ireo dia heveriko fa anjely tokoa raha ny eto an-tany. Isaorako Andriamanitra tamin'izay lalana nalehako rehetra!
38. Mirananirina
(
31/03/2010 13:48)
Ary ireo maty ve tsy nivavaka , hoy ny fanontanian'i miranirina. Mivavaka izy ka (ireo mpino aloha no lazaiko) saingy efa tonga ny androny fa tsy tsapany. Misy anefa mahatsapa fa tonga ny fotoana dia efa miomana ny ho faty. Dia mivavaka miatrika ny fahafatesana.marina izany raha olona efa antitra miandry fahafatesana fa ireo zaza na tanora ...sarotra ihany
39. niryna
(
31/03/2010 18:11)
niryna:
Na ny dokotera aza dia maro no mivavaka vao manao fandidiana[/qute] maro tokoa ny dokotera no mivavaka vao manao fandidiana.
Hoy ilay dokoterako hoe hivavaka isika aloha fa izay mahasoa ataon'ATra. Aleloia,efa betsaka kosa izay dokotera mino ny fisian'ATra izay
nisy namako iray tsy nihinankanina izy nandritra ny herin'andro,napetrany teo am-pelantanan'Atra ny aretiny,isika koa dia afaka tsy mihinan-kanina,mifady hanina na indray andro fotsiny aza,manadio tena,fenoina ny vatsim-panahy ny vatana.Raha mbola tsy nanadrana isika dia manandrama
Maro ny olona narary no sitrana tsy nila fanafody fa nifady haninana fotsiny ary napetrany teo amin'Atra izany aretina izany.
raha miresaka fanasitranana nahazo ahy aho tsy nila fandidiana tsy midika akory izany hoa aza mihinana fanafody raha asian'ny dokotera mihinana fanafody.
Ny tsy fahasitranana raha mivavaka kosa anefa dia tsy milaza fa tsy mamaly vavaka Atra.Maro ny antony ary Izy irery no mahalala izany.Isika koa mahalala izany ka dia antsoy izy ary mibebaha.
Dia averiko indray fa zahao ilay fahasoavana nomeny antsika,ny ahy izaho tsy mila fanafody aho raha marary ny andohako fa mivavaka dia sitrana.Enga anie ka mba toa izany avokoa ny aretina izay misy ato amiko.
Mety hisy hiteny hoe tsy ampy finoana izany indry,tsia,rehefa tsy mety esoriny amiko ilay izy dia isaroako ihany koa. Izay efa nositraniny tsy nila fanafody,tsy nila fandindidiana dia efa lehibe teo amin'ny fiainako izany ka zaraiko anareo .
40. niryna
(
31/03/2010 18:13)
Efa naheno olona tsy nila fandidiana indray ve hianareo rehefa narary ka niverina tany amin'ny dokotera dia tsy nisy fandidiana natao taminy ?
ikaretsaka:misaotra ika a
Jereo Loudes, Fatima sns... fa boky be mihitsy ny tantaran'io any
mba afaka mizara kely izay tadidin'ika ve ika na ny fiainan'ika mihitsy no tiako mba ho fantatra ,efa nasehon'Atra taminao ve izany fahasitranana tsy nila dokotera izany