Ny tena Andriamanitra marina

1. xxx ( 17/01/2010 14:07)
Mba manontany anareo Kristiana ireto aho hoe ahoana marina moa no hilazanareo fa io Atra voasoratra ao anaty baiboly io no tena Atra nahary izao rehetra izao e !
novalian'i xxx ny 09/02/2010 08:33
2. xxx ( 17/01/2010 14:38)

Ahoana marina tokoa moa no tsy hinoana fa tsy io Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly io no nahary izao tontolo zao?

3. ikaretsaka ( 17/01/2010 16:19)
Ny tsy azo isalasalana izany aloha hatreto dia hoe nisy nahary izao tontolo izao... ny hoe iza? Dia arakarakLizay nasisika tao andohanao ihany sy ny fahaizan'ilay nanao lavage ny atidohanao ka nahatonga anao resy lahatra ka bnirona @ ze finoana sy firehana misy anao
4. rijadolly ( 17/01/2010 18:03)
xxx2:
Ahoana marina tokoa moa no tsy hinoana fa tsy io Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly io no nahary izao tontolo zao?
:D

Ny tsy azo isalasalana izany aloha hatreto dia hoe nisy nahary izao tontolo izao...
Iraisako hevitra tanteraka, ary hamafisoko tokoa fa misy Andriamanitra voalohany ary mandrakizay.
ny hoe iza? Dia arakarakLizay nasisika tao andohanao ihany sy ny fahaizan'ilay nanao lavage ny atidohanao ka nahatonga anao resy lahatra ka bnirona @ ze finoana sy firehana misy anao
Ohatrany manome tsiny ireo Ray aman-dReny ara- panahy izany kosa ny filazan' se azy e.Ekeko fa nampianarina ny lalana noheverin' ireo Ray aman-dReny ireo fa tsara isika oh, nefa kosa raha ny Finoana an' Andriamanitra ( ao @ Baiboly ) dia nahazo Fahalalahana sy afaka mi-test Azy isika hoe Tsara ve Izy sa ratsy.
5. rijadolly ( 17/01/2010 19:11)
xxx1:
Mba manontany anareo Kristiana ireto aho hoe ahoana marina moa no hilazanareo fa io Atra voasoratra ao anaty baiboly io no tena Atra nahary izao rehetra izao e !
Azafady an' se fa tsy mbola voavaliko kay ny fanotanian' se.Sanatria tsy valy botana ty vali-teniko ty fa tena zay mihitsy ny fomba hanazavako azy.
Satria Andriamanitra Nahary izao tontolo izao no ambaran' Baiboly fa tsy andriamanitra namboharina.
6. xxx ( 18/01/2010 05:38)
Satria Andriamanitra Nahary izao tontolo izao no ambaran' Baiboly fa tsy andriamanitra namboharina.


Andriamanitra voalaza ao anaty BAIBOLY NAMBOARINA ve? Aoka marina ry se! marivo loatra ilay finoanareo.
7. xxx ( 18/01/2010 08:40)
Ka ilay baiboly mitsy nge rijadaoly e ! niza2 afaka manoratra oe za no zao na oe izy no itsy ka ahoana ary ?
8. ikaretsaka ( 18/01/2010 13:31)
rijadolly> tsary misy fanomezana tsiny ny RAD am-panahy mihitsy ireo fa filazana tsotra tsy ankiolakolaka ny zava misy sy mitranga ka, raha misy diso io na iota 1 aza dia lazao..
jereo @ fijery maro le izy fa aza focus-evana @ jery tokana monja
9. rzakarivola ( 18/01/2010 14:20)
Ahoana marina tokoa moa no tsy hinoana fa tsy io Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly io no nahary izao tontolo zao?

==> Nisy fotoana aho nametraka io fanontaniana io tamina kristiana, mpitondra fivavahana, tamin'ny tenako, izaho tenako @ io kristiana nafàna fo hatr@ vao kely mihitsy. Ankehitriny aho dia afaka mamaly : izaho milaza fa izay ambaran'ny Baiboly no Andriamanitra tokana sady marina, dia ilay tonga tety ambonin'ny tany tao anaty nofo aman-drà, antsoina hoe Jesosy Kristy. Milaza izany aho, tsy noho ny fampianarana henoko tatsy sy taroa, na fanasana ati-doha araka ny lazain'ny namana etsy, fa satria izaho no nandre ny feony namaly ny fangetahetako. Tsy mampaninona ahy ny mamerina ity tantara iray ity :
rzakarivola : "Raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao zavatra izao"
mpamaly : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
Amiko dia ilay Jesosy efa henoko hatry ny fahakely, izay nantsoiko t@io fotoana io raha misy tokoa no namaly, ary hatramin'izao dia iainako fa miteny tokoa Izy, Izy dia tenin' Andriamanitra velona, ka mandre an' Andriamanitra aho amin'ny alalaNy.

Nisy lehilahy hindou anakiray (Sadou Sundar Singh), mpankahala ny fivavahana kristiana sy ny misionera, rehefa tsy afa-po t@ fanasana ati-doha natao azy (avy tamin'ireo karazam-pinoana tatsinanana isan-karazany) mikasika an' Andriamanitra, dia nanapa-kevitra fa hamono tena raha toa ka tsy mamaly azy izao Andriamanitra izao. Niseho taminy i Jesosy, izay efa reny rahateo ny tantarany saingy tsy ninoany, ary dia nino i Sadou Sundar Singh fa io niseho taminy io ilay Andriamanitra tsy fantany hatrizay.

Ho anao, vonona ny hiseho aminao Andriamanitra, kanefa mila manaiky hanokatra ny masonao ianao hijery marina. Mangataha mba handre sy hahita Azy, dia hamaly anao Izy, araka ny teniNy hoe : "Indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy"
10. ikaretsaka ( 18/01/2010 14:27)
io filazana hoe nenay no izy sy nenareo tsizy io ihany nonahatonga ny tany tsy nilamina...

fa ny mahagaga hoa ny olona depressed foana no lasa fanatika...

raha t@ razaka depressed izao no nanao hoe raha misy ianao ry Allah na ry Boudha... ka namakivaky voky momban zany lery .. 100% lasa silamo io na boudhiste... tena kozy
11. xxx ( 18/01/2010 15:13)
O razakarivola sao de mbo sandoka no ho avy eo , satria ilay baiboly ihany ary no milaza fa hisy izany kristy sandoka zany , de raha io no tonga dia lasa minomino foana nray ny tenanay , ary karetsaka ve mino hoe io voalaza ao anaty baiboly io marina sa aona e ? ty ny anay sy ny an'ny atsy ty no marina iza no tena faritany ireo ankoatra ny kristiana sa ny kristiana
12. ikaretsaka ( 18/01/2010 15:21)
Amiko ry xxx tsy ny baiboly no carte d'identite maha kristianina ahy ary tsy ny baiboly no nahalalako fa misy mpahary ahako...fa ny fahatsapako ilay asan'ilay nahary anahako ato anatiko sy eo @ manodidina ahy
13. rijadolly ( 18/01/2010 17:00)
xxx:
Andriamanitra voalaza ao anaty BAIBOLY NAMBOARINA ve? Aoka marina ry se! marivo loatra ilay finoanareo.
M arina tokoa ny ten' se raha ohatra ka izay hevitr'se izay. Tsy izay anefa ny ahy fa nanandrana mihitsy aho ka. tsy novakin' se nga ty teniko ty
Ekeko fa nampianarina ny lalana noheverin' ireo Ray aman-dReny ireo fa tsara isika oh, nefa kosa raha ny Finoana an' Andriamanitra ( ao @ Baiboly ) dia nahazo Fahalalahana sy afaka mi-test Azy isika hoe Tsara ve Izy sa ratsy.
14. ikaretsaka ( 18/01/2010 19:33)
Ko raha tsy eprouvette sy cobaye Atra ko test testevana.... Izy nge r'ty tsy fikitikitika e
15. niryna ( 19/01/2010 05:22)
Ahoana marina tokoa moa no tsy hinoana fa tsy io Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly io no nahary izao tontolo zao?

Marina izany,ary ny tsy finoana fa ny Atra ao anatin'ny baiboly no nahary izao tontolo izao dia tsy midika fa tsy misy ilay Atra ary tsy midika fa tsy nahary izao tontolo izao izy

Ho an'ilay nanome sujet,inona no anam-porofonao fa tsy misy ilay ATra ,izay voasoratra ao anatin'ilay baiboly ? ny tsy finoanao ve ? tsy midika izany fa tsy misy izy

Izaho koa no tsara ho fantatra fa ny baiboly dia natao ho an'izay rehetra mangetaheta ka te hihaino ny tenin'Atra,noho izany raha milaza fa tsy misy izy satria izay no eritreretin'izay milaza izany tsy midika izany fa tsy misy izy fa ho jamba tokoa ny masony ary tsy ahafantatra ny fahasoavana nomeny azy isan'andro,tsy aheno ny sofiny na aheno aza dia tsy ahafantatra satria manamafy ny fony amin'ny tsy finoana Azy izy.
Izay rehetra mangetaheta ny teniny ihany koa no omeny izany fa na dia mamaky ny baiboly in-jatom-polo eo aza ilay olona ka ao aminy fahaizana amam-pahalalana dia tsy ho azony velively ny fahendrena izay omen'ilay Mpahary azy ao anatin'ilay baiboly raha tsy inoany. izay manantsofina aoka hihaino,izay manamaso aoka ahita ny tsy mino ny teny izay nampitondrana izany dia tsy angetaheta aminy mihitsy ny hihaino ilay tenin'Atra ary tsy omeny azy koa izany raha tsy ny fony no mitady azy.

rzakarivola:

==> Nisy fotoana aho nametraka io fanontaniana io tamina kristiana, mpitondra fivavahana, tamin'ny tenako, izaho tenako @ io kristiana nafàna fo hatr@ vao kely mihitsy. Ankehitriny aho dia afaka mamaly : izaho milaza fa izay ambaran'ny Baiboly no Andriamanitra tokana sady marina, dia ilay tonga tety ambonin'ny tany tao anaty nofo aman-drà, antsoina hoe Jesosy Kristy. Milaza izany aho, tsy noho ny fampianarana henoko tatsy sy taroa, na fanasana ati-doha araka ny lazain'ny namana etsy, fa satria izaho no nandre ny feony namaly ny fangetahetako. Tsy mampaninona ahy ny mamerina ity tantara iray ity :
rzakarivola : "Raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao zavatra izao"
mpamaly : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
Amiko dia ilay Jesosy efa henoko hatry ny fahakely, izay nantsoiko t@io fotoana io raha misy tokoa no namaly, ary hatramin'izao dia iainako fa miteny tokoa Izy, Izy dia tenin' Andriamanitra velona, ka mandre an' Andriamanitra aho amin'ny alalaNy.
miombokevitra aminao aho. Misaotra tamin'ny fijoroana vavolombelona ary anjarantsika hatrany no mivavaka ireo izay mbola mania sy tsy mbola mahahala ny asan'ilay Atra mahery ary indrindra ireo izay nahafantatra ny teniNy kanefa nandositra azy (carnals ,fornicators,and backsliders) .Mampalahelo fa nomeny safidy isika ka izay no safidiny,saingy mbola misy ny fotoana hieritreretana sy hisafidianana

Izay rehetra mitady no ahita,izay mangetaheta no omeny rano ho sotroiny ary izay mandona ny varavaran'ny fony no hidiran'ilay ATra ao anatin'ny baiboly izay nahary izao tontolo izao


Ho anao, vonona ny hiseho aminao Andriamanitra, kanefa mila manaiky hanokatra ny masonao ianao hijery marina. Mangataha mba handre sy hahita Azy, dia hamaly anao Izy, araka ny teniNy hoe : "Indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy"
Marina tokoa izany

Henoy ary ny teny izay nomena ...Isaorana anie ny Tompo Atra Amena ! :D


16. rzakarivola ( 19/01/2010 08:47)
ikaretsaka:

raha t@ razaka depressed izao no nanao hoe raha misy ianao ry Allah na ry Boudha... ka namakivaky voky momban zany lery .. 100% lasa silamo io na boudhiste... tena kozy

==> Izaho efa kristiana ka afaka hieritreritra izany ianao, kanefa tsy namaky baiboly aho t@io fotoana io fa nitomany tao anaty aizina, nangetaheta fahamarinana. Ary noporofoiNy tamiko fa marina ny teniNy hoe "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana".

Raha tsy inoanao aho satria efa kristiana, ilay olona nolazaiko teo (Sadou Sundar Singh) dia tsy kristiana velively fa hindou, ary nanantena hahita an'i Bouddha izy rehefa nivavaka talohan'io namonoany tena io, saingy i Jesoa no niseho taminy fa tsy Bouddah, izy no nilaza izany.

Raha tsy mampino anao koa ny Sadou Sundar Singh, ny Apostoly Paoly dia inoanao, ka diniho ny tantaraNy fa tsy mba isan'ireo 12 lahy izy, kanefa dia nisehoan'i Jesoa koa, dia i Jesoa izay nenjehiNy, kanefa tsy i Jesoa no nenjehiNy (satria izy aza efa tsy nino), fa ireo mpanara-dia an'i Jesoa.

Raha tsy mbola mampino anao ny tantaran'ireo masin-dahy Paoly, Piera, sns, mikasika ny nihaonaNy tamin'i Jesoa marina. Aoka ianao mihitsy no hiteny amin'i Jesoa mba hisehoaNy aminao, ary aoka ny fonao hitady Azy marina, dia azoko antoka fa tsy avelaNy ho ny devoly no hiseho aminao.
17. xxx ( 19/01/2010 08:47)
Nirina tsy maharesy lahatra ahy mitsy zany teninao izany e ! otran'ny fampitahorana fotsiny , aoana no tonga dia hinoanay fa izy marina io , zay mitsy zao no fandraisako io teninao io fampitahorana
18. rzakarivola ( 19/01/2010 08:58)
niryna:
ary anjarantsika hatrany no mivavaka ireo izay mbola mania sy tsy mbola mahahala ny asan'ilay Atra mahery ary indrindra ireo

==> Mampahatsiaro ahy ny amin-dry Cornelius, izay nampiantso an'i Md. Piera ity teninao ity. Voasoratra ao fa : "Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
...
Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy.
"

NB : I Cornelius dia olona mpivavaka t@ Andriamanitra, mpanao asa soa ... saingy nila nandre ny teni (fijoroana vavolombelo)n'i Petera izy sy ny nomba azy izay vao afaka nandray ny Fanahy Masina, ary ny fankalazany an' Andriamanitra dia signe teny aminy fa nandray ny Fanahy Masina izy.
19. rzakarivola ( 19/01/2010 09:01)
xxx:

O razakarivola sao de mbo sandoka no ho avy eo , satria ilay baiboly ihany ary no milaza fa hisy izany kristy sandoka zany , de raha io no tonga dia lasa minomino foana nray ny tenanay , ary karetsaka ve mino hoe io voalaza ao anaty baiboly io marina sa aona e ? ty ny anay sy ny an'ny atsy ty no marina iza no tena faritany ireo ankoatra ny kristiana sa ny kristiana

==> Milaza an'izany tokoa ny Baiboly, fa tsy izany ihany no lazaiNy, fa i Jesoa Kristy mihitsy no ambaraNy, ary i Jesoa Kristy dia nampiseho marina hoe iza no sandoka ary iza no tena izy. Ary izao koa no tenin'i Jesoa Kristy : "Iza aminareo raha ray no angatahin'ny zanany mofo ka hanome azy vato? Na angatahiny atody ka manome azy maingoka? Na angatahiny trondro ka hanome azy menarana?
Raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra no tsy hanome anareo ny Fanahy Masina ?
".
Raha Jesosy (dia Kristy, ny fanahin'i Kristy, izay Fanahy Masina) no angatahin'ny fonao, Izy no ho avy eo fa tsy hamela ny sandoka hamitaka anao Andriamanitra.
Ny voafitaka dia ireo izay mandà ny fahamarinan' Andriamanitra.
20. rakapy ( 19/01/2010 09:25)
Hoy i Niryna
Izay rehetra mitady no ahita,izay mangetaheta no omeny rano ho sotroiny ary izay mandona ny varavaran'ny fony no hidiran'ilay ATra

Izay mihintsy no tokony ho izy fa tsy hoe fafazava voa sy sesefana rano na vokisana sakafo izay tsy noana na mangetaheta na ireo izay tsy mitady na mila izany.Tsy tokony hanokatra varavarana ho an'izay tsy mandondona koa satria izy dia tsy nitady ny hiiditra ao an-tranonao. Izay mantsy no fomban'ireo milaza fa mpitory. Toa tsy miandry olona hangetaheta na noana na koa fotoana famafazana fa tonga dia sesefana be fahatany na afafy be fahatany ny voa nefa ny andro main-tany, hany ka tsy mahita ilay tena tsirony sy fahafahana hetaheta ilay olona. Ny voa moa misy ny tsy maniry ka lasa faly manenjika fotsiny ilay mpitory hoe "Efa namafazako voa fa tsy mino, devoly e ! sns..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0949