Ny tena Andriamanitra marina

21. ikaretsaka ( 19/01/2010 13:51)
voalazanao ry rakapy
22. rakapy ( 19/01/2010 14:00)
Sa tsy izay no tena marina ry Ika? Efa fantary ny be sy maro hoe aiza no aleha rehefa te ahafantara an'A/tra ka ny an'ny sasany eny ambony posy handeha hiasa no ravizana fitoriana :-D :-D :-D Aiza moa no hiisy zavatra ho voadinika tsara. Lasa propagandy :-D :-D :-D
23. Mirananirina ( 19/01/2010 14:05)
Izay rehetra mitady no ahita,izay mangetaheta no omeny rano ho sotroiny ary izay mandona ny varavaran'ny fony no hidiran'ilay ATra

Izay mihintsy no tokony ho izy fa tsy hoe fafazava voa sy sesefana rano na vokisana sakafo izay tsy noana na mangetaheta na ireo izay tsy mitady na mila izany.Tsy tokony hanokatra varavarana ho an'izay tsy mandondona koa satria izy dia tsy nitady ny hiiditra ao an-tranonao. Izay mantsy no fomban'ireo milaza fa mpitory. Toa tsy miandry olona hangetaheta na noana na koa fotoana famafazana fa tonga dia sesefana be fahatany na afafy be fahatany ny voa nefa ny andro main-tany, hany ka tsy mahita ilay tena tsirony sy fahafahana hetaheta ilay olona. Ny voa moa misy ny tsy maniry ka lasa faly manenjika fotsiny ilay mpitory hoe "Efa namafazako voa fa tsy mino, devoly e ! sns..."
tena izay no izy
24. ikaretsaka ( 19/01/2010 14:23)
ze mangetaheta no omeo rano fa tsy hoe fafazo n'importe ou sy fahatany fahatany ny rano
25. xxx ( 19/01/2010 17:26)
Lasa mivoana ilay resaka ny fanontaniana de hoe ahoana no hilazan'ny kristiana fa io ATRAvoasoratra ao anaty baiboly io no tena ATRA ary tokony hamarininareo koa hoe marina tokoa ve ilay baiboly izay ngamba no mazavazava kokoa ? eto mantsy ny samy kristiana aza tsy mitovy hevitra
26. ikaretsaka ( 19/01/2010 17:54)
xxx:

Lasa mivoana ilay resaka ny fanontaniana de hoe ahoana no hilazan'ny kristiana fa io ATRAvoasoratra ao anaty baiboly io no tena ATRA ary tokony hamarininareo koa hoe marina tokoa ve ilay baiboly izay ngamba no mazavazava kokoa ? eto mantsy ny samy kristiana aza tsy mitovy hevitra


Ny nampivoana ny resaka de hoe tokony ho fantatr'ilay nametraka fanontaniana aloha hoe ho an'ny Xtianina sasany dia tsy io voasoratra ao anaty baiboly io IHANY ary tsy ao anaty baiboly IHANY Atra no miteny aminy!
TSY NY BAIBOLY NO PIECE D'IDENTITE an'ny Xtianina fa i Kristy
ary tsy ao anaty baiboly ihany izy no manovo momban'Atra sy i Xty

rehefa azonao io de tsy hivoana ny resaka :wink:
27. fijo ( 19/01/2010 20:40)
tsara mihintsy le fanontaniana,fa io moa arakaraky ny finoana
28. ikaretsaka ( 19/01/2010 23:22)
k zay....
aza carderna le izy rehefa diso ny cardre hi cardrer-nao anazy
29. xxx ( 20/01/2010 09:42)
Karetsaka a! fa ianao ve aloha kristianina e ? ary raha oui de taiza no nahalalanao azy zay nge le izy e ! ary soratra ; na boky aiza koa no manambara anzany KRISTY lazainao izany
30. ikaretsaka ( 20/01/2010 15:54)
kristianina aho fa tsy baibolista!
scrtiptures et traditions no hinoako....
mbola booobaka ny moky milaza an'i Kristy tsy ao anaty baiboly ka..toy ny dead sea scrolls. ny boky maro samihafa ao @ archives tsy nampidirin'ireo nikaon-doha t@ nandravona ny baiboly... ny apocryphes, ny proto evangiles, sns... ny lovantsofina.... ankoatran'ireo fisehoana etsy sy eroa...
bobaka e

manambara an'i Kristy ve ireo? eny!
31. fijo ( 20/01/2010 20:43)
miverina indray le le fangaro de genre e.
ny misotro toaka tsy mamolava.
ny mpino kristianina tsy voatery ho baibolista sy mpitsimpona lahatsoratra.

eo le mampiady hevitra(soa fa tsy totohondry ) antsika lava eto.
misy ireo izay tsy mandray hafa tsy izay avy ao anatin'ilay boky.
misy ny manitatra sy mikaroka ka mahita fa mbola misy hevitra maro azo sintomina koa ny voalaza sasany fa tsy voatambatra ao anatin'ilay boky.ka moa ve misy mivoana eo sa misy tsy ampy????
32. rzakarivola ( 21/01/2010 14:51)

ze mangetaheta no omeo rano fa tsy hoe fafazo n'importe ou sy fahatany fahatany ny rano

==> Marina mihitsy fa izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana no hovokisana.
Nisy fotoana nitenenan' Andriamanitra hoe : "Mitenena ihany na hihaino izy na tsy hihaino", nisy koa, Andriamanitra no niteny hoe "hihaino anao ihany ireo, kanefa tsy hiraharaha izay lazainao".
Andriamanitra (izay ambaran'ny Baiboly) efa nilaza hoe "Tsy manao zavatra Jehovah raha tsy mampilaza @ mpaminany mpanompony".

Tary ambadika dia maro no nanome tsiny ny amin'ny tsy fisian'ny fampahafantarana mikasika ny loza nitranga tao Haïti. Nisy karazana fanomezan-tsiny tao !
Omen-tsiny ve ireo izay mampahafantatra mikasika ny fanjakàn' Andriamanitra ?

Ny publicité dia alefa, na hividy na tsy hividy ny produit ny mpijery sy mpihaino sy mpandalo. Ka inona no olana raha mba manao pub ny fanjakàn'ny lanitra ny mpitory an'i Kristy ?

Fehiny : NY fitoriana ny Filazantsara dia tsy asan'olona fa asan' Andriamanitra tanterahin'i Jesoa Kristy. Andriamanitra no mahalala ny toe-pon'ny tsirairay, ary Andriamanitra no maniraka ny ZanaNy hiteny amin'izay tiaNy itenenana.

Fanoharana farany : Tadidiko indray mandeha tao amin'ny fianarana mpitoriteny, nisy mpianatra nametraka fanontaniana, zavatra tena nanahiran-tsaina azy ilay izy. Namaly ilay mpampianatra, ary tsapako tato anatiko fa misy fitaka koa nitsangana aho ary niteny hoe : "Mba tiako tenenina amin'ireto rahalahiko ireto ny tsy hiady teny, fa sombintsombiny ny fahalalantsika ka mety samy ho marina izany". Tohina ilay mpametraka fanontaniana satria noraisiny hoe fampanginana azy ny teniko, ary notsoriny tamiko izany. Rehefa nivavaka dia nahatsapa fa kay ilay mpampianatra namaly fanontaniana no tian' Andriamanitra niresahana fa tsy ilay mpanontany.

Ka raha mihaino an' Andriamanitra ianao, dia hainao ny tsy hivaky loha amin'izay teny tsy ho anao.
Raha misy ampitenenin' Andriamanitra, dia tsy ho kivy izy raha toa misy mamaly sy mitsikera na manohitra, satria tsy izy no niteny fa Andriamanitra no niteny tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, izay niteny kosa t@ alalany.
33. rzakarivola ( 21/01/2010 14:57)
ikaretsaka:

kristianina aho fa tsy baibolista!
scrtiptures et traditions no hinoako....
mbola booobaka ny moky milaza an'i Kristy tsy ao anaty baiboly ka..toy ny dead sea scrolls. ny boky maro samihafa ao @ archives tsy nampidirin'ireo nikaon-doha t@ nandravona ny baiboly... ny apocryphes, ny proto evangiles, sns... ny lovantsofina.... ankoatran'ireo fisehoana etsy sy eroa...
bobaka e

manambara an'i Kristy ve ireo? eny!


==> Amin'ireo rehetra teneninao ireo ary! Inona no porofo ilazanao fa marina ireo inoanao ireo fa diso kosa ireo "baibolista" ? (ny tsy ampy dia diso ihany izany, fa ny marina dia complet).
Ekenao ve ny tantara ambaran'izay contemporains aminao ? (fijoroana vavolombelona) Ekenao ve izy ireo raha manambara an'i Kristy ?

Raha ny piesy ao anaty ordinatera no tsy maintsy harahinao tsirairay ny portes (transistor), dia lany andro ianao fa tsy hahavita na inona na inona. Izay mionona @ écran, clavier ary souris kosa afaka mampiasa tsara ny ordi na dia tsy mahita izay pitsopitsony rehetra any @ hardware aza.
Tsy takatro Andriamanitra satria lehibe Izy. Fa raha hikaroka izao rehetra izao aho hahalalako azy dia lany fotoana nefa tsy hahavita na inona na inona, fa efa nomeNy kosa i Jesoa Kristy ampy tsara hahafantarana Azy sy ny heviNy rehetra.
34. rakapy ( 21/01/2010 15:03)
Amiko A/tra Rzakarivola tsy coca cola na voanjo na lame gillette na THB ka atao pub. Ny zavatra ambany vidy sy tsy misy mpividy loatra no atao pub. Amiko dia mila fotoana sy toerana sahaza azy izy satria masina ka tsy tokony ambaniana toy ny fanaony sasany azy ny hasiny.
35. xxx ( 21/01/2010 15:20)
ikaretsaka:

kristianina aho fa tsy baibolista!
scrtiptures et traditions no hinoako....
mbola booobaka ny moky milaza an'i Kristy tsy ao anaty baiboly ka..toy ny dead sea scrolls. ny boky maro samihafa ao @ archives tsy nampidirin'ireo nikaon-doha t@ nandravona ny baiboly... ny apocryphes, ny proto evangiles, sns... ny lovantsofina.... ankoatran'ireo fisehoana etsy sy eroa...
bobaka e

manambara an'i Kristy ve ireo? eny!


Hay ve Kristiana karetsaka e ! zaho kosa aloha tsy manao ny olona mino isy mpamaky izay volazan'ny baiboly hoe baiboliste e! fa raha kristiana ianao dia dia tokoy mahalala izay voalaza ao @ ilay baiboly milaza an'ilay Kristy inoanareo ary ilay baiboly ve tsy mahazava izay lazainy mitsy raha tsy misy boky hafa , ny baiboly mantsy no efa miparitaka ka io zany no ananan'ny be sy ny maro ka io zany no mba iangavianay mba hazavainareo kristiana hoe marina tokoa ve fa izahay tsy mahalala izay boky hafa lazainareo any zay aty midongy atsimo lol , ka iza nareo kristiana e tsy misy azonareo mba hanazavana bebe kokoa ny fahamarinan'ny baiboly ve § aiza ry nirina a ! enao zao tena hitako tena mino be mitsy ka sao de mba minomino foana e ! zarao mba hampno ny maro e ! za mantsy tiako ilay manaradrenirano be fotsiny hoe nino dadanay sy mamanay de hino koa zaho

36. fijo ( 23/01/2010 23:36)
Ny publicité dia alefa, na hividy na tsy hividy ny produit ny mpijery sy mpihaino sy mpandalo. Ka inona no olana raha mba manao pub ny fanjakàn'ny lanitra ny mpitory an'i Kristy ?"

ka ianareo ihany no tena mpanao pub zany,fa ny sasany tsy mahazo ve????izahay anie tsy manao pub izany e
37. xxx ( 25/01/2010 17:09)
Fa inona no tiandrafijo lazaina e ? tsy hita intsony ry zareo kristiana fa nankaiza e ! na ny politika koa aza to nangina be , ny foza no mihorakoraka ao lol mialatsiny @ izay mpomba ny fitondrana ankehitriny fa izay moa no filaza azy fa eto kaloha fivavahana a ! entre p io
38. fijo ( 25/01/2010 22:24)
ny tiako lazaina dia izao,misy milaza fa za mitarika ny namana tsy hino"manao pub izany aho."nefa ry zalahy manao izay hisarihan any pokona hino,ka tsy pub ve ny an dry zalahy???,sa ry zalahy mahazo mitarika,fa ny hafa tsy mahazo maneo ny heviny??
39. xxx ( 26/01/2010 10:57)
Marina izany rafijo tsy mitarika ny ol tsy hino ianao fa mba milaza izay hevitrao fa eto kosa ary aho dia hitarika anao sy ireo kkristiana mba hino bebe kokoa fa tsy hisoratena fa izaho kristiana fa nefa tsy dia marimpotitra ilay finoana . Zao ary napetrako ny fanontaniana hoe ahoana no hanamarinanareo kristiana fa marina no voalaza ao anaty baiboly dia ny namaliany azy dia ny ao anaty baiboly ihany ka ataon'ny tsy mino ahoana no fino izany raha ny ao ihany no hamalianao azy e! fa tsotra ny resaka sady tsy sarotra , ny baiboly ry kristiana havamalala dia teny nomen'ATRA tokoa ny antony tsy misy boky zay mbola milaza ny zavatra taloha ny ankehitriny ary ny ho avy afatsy ny baiboly , misy ny voalaza efa taloha efa tanteraka t@ androny ary misy ny hita ankehitriny ary mbola misy ny ho avy koa aiza ary isika kristiana mba hanamarina ireo mazotoa @ zay :-D :*
40. fijo ( 26/01/2010 20:21)
hummmm izay ka mba misy henoina.mba mampisaina kokoa ity fisarihana farany ity ,fa tsy ilay pub mahazatra efa faheno
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2054