Ny tena Andriamanitra marina

61. ikaretsaka ( 02/02/2010 17:39)
baoboly dia boky iray manambara ny zavatra efa taloha ny ankehitriny ary ny ho avy ,


fa tsy novalianao ange ny fanamarihana e!!
NY ZAVATRA REHETRA ve voambara ao aby? tsia! ary na ilay boky aza milaza hoe tsy ary ho voasoratra ao aby!

ary ny baiboly de tsy boky 1 fa boky maromaro natambatra ho iray! ary @ ireo maromaro ireo dia misy ny nalaina de misy ny tsy nalaina.. @ ireo tsy nalaina dia betsaka koa ny manambara ny zavatra taloha, ankehitriny ary ny ho avy " ary manambara an'Atra koa sy Kristy sy ny asany!
62. fijo ( 02/02/2010 21:26)
ny endriny ho ahy"

mino ve ianao fa tena mitovy ny hendrikareo?????sao lahy....

fanontanian aapetrako amin'ilay xxx matahotra io,
mba lazao ahy hoe iza no nandravina io baiboly io, ka nisafidy fa matio sy marka ary lioka sy jaonina ihany no raisina????rah avoavalinao io,dia mbola hafaka miresak aisika,satria mba tsapa fa mahalala izay lazainao sy vakianao ianao
63. fijo ( 02/02/2010 21:34)
baoboly dia boky iray manambara ny zavatra efa taloha ny ankehitriny ary ny ho avy , "
misy resaka internet ve ao anaty baiboly ry sakaiza???????tsia,diso ve izany ny baiboly sa tsy voavinavinany io?????anjaranao no mamaly azy.

izoa no azoko lazaina anao.
za efa hainao izao fa tsy mpino,izaho anefa dia isan'ireo mihaiky fa olona manana fahaizana no nandravona io baiboly io,satria vitany ny nisafidy izay azo hamehezana ny fiaiann'ny zanakolona tao anatin'ireo karazana evanjily maro .ary boky mahalaza zavatra maro io.saingy tsy ampy satria sombiny ihany no naravona fa tsy ny rehetra.
64. soanja ( 03/02/2010 01:21)
Hatreto aloha vao manomboka ny tantara ao amin'ny baiboly dia tsy mahavaly mihitsy hoe iza no vadin'i Kaina? Inona avy no fiainan'i Jesoa tamin'izy mbola vatombatony sns sns maro tsy voavaly ao, Ka izay Andriamanitra goavana be ve ho voavaly tanteraka ao? Sombiny ihany no ao saingy azo iasana tsara ho an'ireo izay manampinoana .
65. xxx ( 03/02/2010 12:48)
fijo:

baoboly dia boky iray manambara ny zavatra efa taloha ny ankehitriny ary ny ho avy , "
misy resaka internet ve ao anaty baiboly ry sakaiza???????tsia,diso ve izany ny baiboly sa tsy voavinavinany io?????anjaranao no mamaly azy.

izoa no azoko lazaina anao.
za efa hainao izao fa tsy mpino,izaho anefa dia isan'ireo mihaiky fa olona manana fahaizana no nandravona io baiboly io,satria vitany ny nisafidy izay azo hamehezana ny fiaiann'ny zanakolona tao anatin'ireo karazana evanjily maro .ary boky mahalaza zavatra maro io.saingy tsy ampy satria sombiny ihany no naravona fa tsy ny rehetra.

Tena marina ny tenin'i fijo ka tsy milaza mitsy izy hoe hanao internet i Rafijo sy raxxx any aoriana any fa ny fivoaran'ny zanak'olombelona dia voalaza mazava tsara ozy oe fa ho maro ny tsy hino ary tsy hino mandrakizay fa mba ny anotaniako anao maninona oa ny vaovao refa misy loza lehibe mitranga erak'izao tontolo izao dia mindrana ny teny ao anaty baiboly foana hoe catastrophe apokaliptika
Karetsaka tsy nosoratana ao anaty baiboly daholo akory izay tian'Atra hambara @ olona fa tsy oby io ary boky kely iny efa tsy ho voavaky ko sady matoa navelany @ izao dia fantany fa ampy ho an'ny olony hinoany azy zany
66. rzakarivola ( 03/02/2010 14:42)
rakapy:

Amiko A/tra Rzakarivola tsy coca cola na voanjo na lame gillette na THB ka atao pub. Ny zavatra ambany vidy sy tsy misy mpividy loatra no atao pub. Amiko dia mila fotoana sy toerana sahaza azy izy satria masina ka tsy tokony ambaniana toy ny fanaony sasany azy ny hasiny.


==> Tsy mila atao pub Andriamanitra, fa na dia atao pub aza Izy, dia tsy ho Azy fa mba hamonjena ny olona. Izao no nolazainy : "Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy hianareo.".
Mety misy ny manao pub na fanafody iray satria misy tombom-barotra azony ao anatin'izany. Fa mety misy koa ny manao pub an'io fanafody io ihany, satria ny tanjony dia ny hamonjena ny olona tokony hovonjena amin'izany fanafody izany.

Iza no manambany an' Andriamanitra ? Tsy izay mihevitra fa tsy afaka ho ao amina toerana iray Izy ? Kanefa aiza no tsy misy Azy ?

Indray mandeha i Voltaire niteny tamina zazalahy hoe : "omeko anao io paoma io raha ambaranao ahy hoe aiza no misy an' Andriamanitra", hoy ilay zazalahy rehefa (tohina ary) avy nieritreritra : "Fa aiza no tsy misy an' Andriamanitra"
67. rzakarivola ( 03/02/2010 14:49)
ikaretsaka:

ka
1) ny soratra masina dia tsy ao anaty baiboly IHANY
diso de diso io fanambarana io... tsy nisy baiboly raha tsy taty @ kaonsilin'i Carthage.. dia inona no "soratra masina" novakian'ireo olona mandra _pa?

==> Tsy ny Baiboly ihany no manambara an'i Jesoa Kristy, fa izay rehetra manana ny Zanaka no manambara Azy. Fa tsy izay rehetra milaza fa manambara azy dia ho marina avokoa, fa raha izany dia tsy nisy nilàna fitandremana ny @ fampianaran-diso.

ikaretsaka:
2) de ny tsy mahay manoratra sy ny mamaky teny izany fa ny mijery sary vongana any am-piangonana de tsy mahalala an'i Jesoa? noooon diso koa.... za zao tsy nahay namaky teny sy nanoratra d'efa nahalala hoe io no Jesoa aminy @ fijerena ireny sary @ Vitraux sy sary @ lalan'ny hazo fijaliana sy tranon'omby ireny... fa tsy nila hoe nahay nanambatra teny akory vao kopy...

==> Nenao sarivongana no hitanao dia noheverinao hoe : io izany Jesoa. NIsy amin'arivony ireo nahita ny vatany tany Palestina ta @ fotoan'andro. Fa maninona no 100 mahery monja no afaka nahita Azy nony nitsangana Izy ?
68. rakapy ( 03/02/2010 14:55)
Hoy Rzakarivola
Tsy mila atao pub Andriamanitra, fa na dia atao pub aza Izy, dia tsy ho Azy fa mba hamonjena ny olona

Hoy Rzakarivola
Ka inona no olana raha mba manao pub ny fanjakàn'ny lanitra ny mpitory an'i Kristy ?

Ataovy serieu fa sao dia migorisa eo de gdaaa!!! :-D :-D :-D
Fa aiza no tsy misy an' Andriamanitra"

Misy A/tra ve any am-pon'ny DEVOLY? Izay marina angamba no nahatonga an'i adama sy eva nihinana ilay paoma???
Ilay A/tra ihany no miova ho devoly
69. rzakarivola ( 03/02/2010 14:57)
ikaretsaka:

Amiiko dia tsy ny baiboly ihany no soratra masina ra xxx. Sombiny kely fotsiny io.
Toy ny hoe tsy ny Eau vive ao anaty tavoahangy ihany no ranon'andranovelona, na ny rano visy ao anaty tavoahangina visy gasy ihany no ranovisy avy any aminay.

Tsy misy manda mihitsy eo hoe tsy avy any andranovelona ny eau vive na avy any Bira ny visy gasy. Fa ny tsy ekena kosa hoe tsy ny ranon'andranovelona REHETRA no ao anaty tavoahangina eau vive... tsy izy rehetra mihitsy

Izany aza loharano fotsiny...
Mainka fa Atra tsy hita noanoa sy tsy hita pesipesenina no ferana ao anaty boky amin'arivo pejy..... aoka kosa e...ataovy serieux

==> Marina izany, mety misy olona mitondra tavoahangina labiera efa nodiovina tsara ary mameno izany @ rano ao @ loharanon'Andranovelona.
Mety hisy koa ny olona hitondra tavoahangina visy gasy kanefa toaka gasy mahery be no hataony ao (tahaka ilay nahazo ny vadiko indray mandeha, nisy nisangisangy hoe ity visy gasy dia nisotro daholo fa samy nangetaheta ry zareo ... kinanjo may ny tendany avy eo).

Ka tsy izay rehetra soratra dia ary ho manambara an' i Jesoa avokoa, ary ny Baiboly koa raha tsy raisina feno fa alaina sombiny dia tsy manambara an'i Jesoa fa mamitaka.
Fomba tokana ihany no ahafantaranao na rano velona marina io na tsia : rehefa tsy hainao @ fofony sy ny lokony, dia misotro ianao. Ary izany no atao hoe mino ka ilazan'i Jesoa hoe : "izay mino, na hisotro poizina aza dia tsy hampaninona azy izany".
Fa raha tsy misotro ianao fa mionona fotsiny amin'ny tenin'izay olona henoinao eo hoe : rano eau vive ny ao anatin'itony tavoahangy itony ... dia iny no amahananao izay mangetaheta ... dia mitondra loza ho an'ny tenanao ianao.
Minoa, fa aza tsy mino. Ary maneke rehefa tsy marina ilay finoana
70. rzakarivola ( 03/02/2010 15:02)
ikaretsaka:

Tsy ampy ary jamba ihanao raha milaza hoe io de ampy..io boky io aza milaza fa be lavitra .....

==> Tsy ampy tokoa io raha raisina tsirairay sy mitsitapatapaka! Mila inoana aloha izay ambarany dia testena.

ikaretsaka:
Ohatran'ny rano 1 tavoahangy io hoa. Mbola mangetaheta ahako rehefa lany ny rano 1 tavoahangy

==> Raha oharina amin'ny tavoahangina ranovelona iray ny Baiboly, misy etiquette eo manoro hoe aiza no misy ilay loharano.
Ary fantatrao izany satria hoy Izy (i Jesoa) hoe : "Izay mino ahy, dia hisy loharano miboiboika ao anatiny".
Kanefa samihafa ny manatona ilay loharano sy ny variana eny an-dalana misotro toaka sy divay ka mamo.
71. rzakarivola ( 03/02/2010 15:06)
fijo:

xx za tsy mpino,fa sahiko ary lazaiko anao miafina io,fa rah any baiboly fotsiny no nahalalanao an'izany ralavavolo izany,dia mihonona amin'ny boky tsy ampy ianao.
ianao io ve mahalala fa ny baiboly anie ka evanjily no natambatra sy naravina e;ka firy no isan'ny evanjily raha hainao???

==> NY chimiste dia manao analyse ao @ laboratoire, miezaka mamantatra éléments mi-composer ny ronono. Miasa saina izy, reraka izy, ary ny ronono tokony hosotroiny dia very anaovany expérience.
Ny zaza tsy mahalala izay Calcium sy protéine, fa rehefa noana izy dia mitomany ary ny ray aman-dreniny mahafantatra ka manome azy ny ronono. Sotroiny iny na dia tsy fantany aza ny composition-ny, ary mitombo izy sady mahazo hery.

Mety hainao ny isan'ny evanjely, mety hainao ny nanoratra ny boky tsirairay sy ny taona nanoratana azy ... mety manadihady be ianao ka indro tsy lasa lavitra, tsy fantatrao akory hatramin'izao na marina na tsia ny Baiboly.
Ny zanak' Andriamanitra kosa, mahatsiaro mangetaheta fahamarinana ka mitomany ny fanahiny, ary dia omen' Andriamanitra izay tadiaviny izy, dia fahamarinana.
72. ikaretsaka ( 03/02/2010 15:07)
tsy azon-drazaka mihitsy le ohatra

ka tsy ranovelona ny baiboly eto ry Razaka fa oharina @ le tavoahangina eau vive a


Ary fantatrao izany satria hoy Izy (i Jesoa) hoe : "Izay mino ahy, dia hisy loharano miboiboika ao anatiny".

Izay mino Ahy ho'zy fa tsy hoe izay mino ze voalazan'ny Boky 1 momba Ahy!
Nuances bee
73. rzakarivola ( 03/02/2010 15:10)
ikaretsaka:

HIta tokoa hoe tsy namaky fa de tara sambo tokoa ianona dia mijapy vatofantsika
mitovy ange ny Atra hinoantsika (za fa tsy i fijo fa aleo fijo haneho ny heviny rehefa tonga eo) fa ny fomba no samihafa e
ohatran'ny basket io.. ny anao mety tifi davitra... ny ahy mety taritiko de ateriko ao anaty harona mihitsy .. fa ny baolina maty no mikaonty!

==> Ny baolina maty tokoa no mikaonty ... raha toa ka tsy lavin'ny mpitsara noho ny fahadisoana mety ho nataon'ilay namono ny baolina na tao amin'ny ekipany : marché, reprise, faute, ... sns
Andriamanitra dia mpitsara marina.
74. rzakarivola ( 03/02/2010 15:14)
ikaretsaka:

fa tsy novalianao ange ny fanamarihana e!!
NY ZAVATRA REHETRA ve voambara ao aby? tsia! ary na ilay boky aza milaza hoe tsy ary ho voasoratra ao aby!

==> "Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana. "
75. ikaretsaka ( 03/02/2010 15:21)
de izay le nolazaiko hoe
"zahao amin'ny zavatra rehetra Atra dia ho hitanao fa manerana anao izy" (St Ignace de Loyola)
http://www.mycatholicvoice.com/media/AXaEEB
76. xxx ( 03/02/2010 16:30)
Ny zavatra rehetra tianao lazaina eto ve ilay kisarisary sary sikotra ... ireny koa ve afaka manambara an'Atra ry Karetsaka sa inona ilay tianao lazaina ?
77. ikaretsaka ( 03/02/2010 16:55)
vakio tsara aloha ny zavatra ambarako
"@ zavatra rehetra" hoy aho fa tsy hoe rehefa tsy boky de sary sikotra
78. xxx ( 04/02/2010 12:58)
ikaretsaka:

vakio tsara aloha ny zavatra ambarako
"@ zavatra rehetra" hoy aho fa tsy hoe rehefa tsy boky de sary sikotra


Tsara izany rehefa ahtsapanao fa misy Atra @ zavatra rehetra hitanao sy hiainanao , fa izay Atra izay iza ary taiza no misy ny filazana azy ?
79. ikaretsaka ( 04/02/2010 15:11)
manoatra nohon'ny miresaka @ boloky nama ny miresaka aminareo...

efa hoe "@ zavatra rehetra"
80. xxx ( 05/02/2010 15:51)
ka raha hoy ianao hoe avy @ zavatra rehetra dia iza ary izany Atra lazainao hanamarinanao niavian'izany zavatra rehetra izany e ! tsotra be zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083