Fara andro: 144 000/5milliards oe ny isan'nireo voavonjy?

41. simplex ( 25/08/2009 19:05)

ny hafatra dia ny hoe: tsara be le mijanona eto ambonin'ny tany ee... aleo @ manaraka ny ambiny ;-)

:*
42. cutie ( 25/08/2009 19:06)
efa nanandrana nga simplex no miteny an'reo =)) =)) =)) =)) =))
43. Ratoa ( 25/08/2009 19:33)
ny hallucination aloha mbola tsy nahita aho fa raha ny fitiavan'Andriamanitra ahy dia tena azoko tsapai-tànana fa sady manome izy no miresaka. Azonao moa izany ry simplex? Mety ho addict ihany koa aho fa raha addict amin'nyzavatsoa toa ny Baiboly dia tena tsy misy blem mihitsy sa ahaona?
44. soanja ( 25/08/2009 19:53)
Fa tsy ao anatin'izany fahatsapana izany kosa angamba ilay Andriamanitra miresaka sy mibitsika hoe 144,000 ihany no ampiakariko sy hanjaka ary ny ambiny hanompo sy haringana.... Fitiavana no tsapa dia ekeko izany!
45. simplex ( 25/08/2009 20:41)

cutie,
:*

Ratoa,
ie azoko tsara.
dia ahoana izany, ao anatin'ilay 144000 ve enao sa tsia ary? :)

;-)
46. Ratoa ( 25/08/2009 20:47)
Tsy aiko fa tsy anisan'ny mpitsara aho raha ny fahafantarako no arahako, ilay 144 000 anie efa tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha no miatomboka ny isa na dia Ny Apokalipsy aza no manambara izany.
47. Ratoa ( 25/08/2009 20:52)
144,000 ihany no ampiakariko sy hanjaka
tenin'ny Baiboly io: Apokalipsy na Révélations 14:1
ary ny ambiny hanompo sy haringana
tsy izay boriborina ohatra izay ny ao ary tsy izay koa ny teny nataoko fa ivereno kely.
simplex: mbola tsy eo ampitsanganana amin'ny maty koa aho fa mbola velona ety an-tany.
48. simplex ( 25/08/2009 21:01)

Ratoa,
ah ok
za zao raha ohatra ka 144000/7milliards ny probabilite hahazoako asa dia tonga dia tsy mi-postuler aho... asa raha manahoana ny fidirana any andanitra any angaha...

dia aleo mankafy ny ety ambonin'ny tany e :P

;-)
49. ikaretsaka ( 25/08/2009 21:32)
misy fitenin"olomasina iray izay manao hoe ny olona tsy manan-katao @ ity fiainana ity no mamisavisa sahady ny @ fiainan-ko avy..
misy ny fiainan ko avy fa aza visavisaina hoe iza no any na menamena ve ny lanitra any na.... :^)
50. Ratoa ( 25/08/2009 23:15)
asa raha manahoana ny fidirana any andanitra any angaha...
Ahoana ilay finoana fa sarotra kokoa hono ny hidiran'ny mpanakarena ny vavahadin'ny lanitra nohon'ny idiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra?
dia aleo mankafy ny ety ambonin'ny tany e
dia ampio hoe "aloha" satria mino isika (?)
misy ny fiainan ko avy fa aza visavisaina hoe iza no any na menamena ve ny lanitra any na....
Minoa fotsiny ihany :D
51. simplex ( 25/08/2009 23:47)

indrisy fa tsy mino aho... tsy mino an'ilay 144000...
je dirai meme plus... ny bokin'ny fanambarana iray manotolo no revin-gadra... :)
52. simplex ( 25/08/2009 23:48)

oops... revin'antitra manko ee... retoro dazy :P

;-)
53. Veloo ( 25/08/2009 23:50)
hery [ Valio ] 25-08-2009 09:59:17
Lohateny : Re : Fara andro: 144 000/5milliards oe ny isan'nireo voavonjy?
Raha ny isa rehetra ao anaty Baiboly no lasa atao hoe nombre exact dia ho sahirana ihany

marina ny anao.

mion
ra tsy mino ianao oe symbolika io dia ho loza fa tsy hisy voavonjy isika rehetra.

vakio tsara ny Apok.14: 1-5 izay nahitanao an;io...otrany ahona moa izy ireo?
misy dikany daholo ireo teny tsirairay ireo ohatra ny ondry = Jesosy, Jereo Mat 25:50-52, tsy voaloto t@ vehivavy, vehivavy = fiangonana/doctrine, tsy voaloto (virjina) tsy nanaraka fampianaran-diso etc....
144000 dia symbolika milaza groupe mi-representer ny Israel spirituel.
Ny boky apokalipsa sy daniel dia manana relation betsaka mihitsy ary mila mianatra tsara an'io fa lasa manjary lasa mihaino fampianaran-diso... tandremo ihany re ry zalahy o...
54. niryna ( 26/08/2009 03:23)
mion:

araka ny Baiboly dia 144 000 ihany no isan'ny oul voavonjy @ fara andro, ataoko fa tsy interprétation io na transformation artistika/poetika ny faminanian'i Jaona fa nombre exact.

12 tribes io nolazaina io 12.000 x 12 fa tsy hoe akory araky ny filazan'ny fiangonana iray izay dia hoe izy rehetra hono io fa ny ambiny dia tsy misy miditra any an-danitra.Fantatrareo angamba io fiangonana io an .
Kristy koa nilaza fa mbola manana ondry maro aho izay tsy ato anatin'ny valako,ireo izay rehetra mino azy no tiany ho tenenina amin'izany dia isika rehetra izay jentilisa.Izay tsy jiosy dia jentilisa no ilazana azy.
Ny famonjena hoy ny voasoratra dia ho an'ny jiosy aloha ary ho an'ny jentilisa koa avy eo."Salvation is for the jews first and then for the jentiles.
Mbola ho vonjen'Atra avokoa ireo Israely rehetra na dia tsy mino ny zanany aza izy.Teniny izany ary ho tanterahany ,voasoratra ao amin'ny Apok ny tantara rehetra mikasika ireo 12,000 sy ny famonjena ny Israely .

de mametra panontaniana maromaro aho hoe:
misia ny mazava dia nisy ny mazava ,inona no zavatra tsy vitan'ny finoana,inona no tsy vitan'Atra ,izy no manao izao tontolo izao.Ary miloloha lanitra anie isika e,tsy mbola nisy hoe nitsingevana eny ambony eny ny olona fa mbola malalaka ny tany ? dia mino koa aho fa izay voasorany dia ho tanterahany ny toerana asiany antsika,izay rehetra mino,mbola misy tsy hino koa izany ka malalaka tsara ny place saingy mampalahelo ny mety ho fiafaran'ny tsy mpino raha ny tenin'Atra no voaboasana."Izay mino ahy ,ny toerana misy ahy no misy azy koa" andeha anamboatra toerana ho anareo aho,hanomana ny toerantsika,izay ve dia mbola tsy vita foana e? Izy ihany no mahalala izany

- malalaka tokoa ve ny lanitra sa tery (na tsy mahazaka) no mahatonga io isa io.
maro no antsoina hoy ny soratra masina fa vitsy no ho tonga any,satria ahoana,misy manaiky dia mivadika indray,tsy mora ny manaraka an'i kristy ary tsy mora ny milanja ny hazofijaliany fa na fianakaviana iray izao aza dia misy ny antsoina ary misy ny tsy voaantsoa satria tsy nety nandray azy.
ary raha izao itan'ny masontsika izao ny lanitra dia ngezabe tokoa ka,fa mino aho fa tsy hifanitsan-kitro izay mandeha any .

- raha ny isan'ny oul tena mpino sy marina ve tsy mihoatra an'io raha atao hoe 5 milliards ny isan'ny zanak'olombelona.
ka tsy tonga itady ny marina izy fa hiantso ny mpanota hibebaka,ka raha mihoatra vao maika tsara satria izy aza no nampianatra hoe mandehana amin'izao tontolo izao ary torio ny filazantsara ,noho izany efa vonona izy andray izay mino azy na firy na firy ny isany .Andeha hianao ,vonona hianao,aza misalasala aza fa toy ny fihavian'ny mpangalatra ny fahatongavany ka aza mangataka andro raha mbola tsy nomenao ho tantanany ny fiainanao .

- ankoatra ny finoana sy fahamarinana , inona koa ny critère hidirana any an-danitra: intelligence? génie?
ny fatahorana an'Atra no voaloham-pahalalana,tsy mitady ny olona ho intelligent be izy na savant be fa ny fo torotoro,ny fo mitady an'ilay messiah izay mpamonjy ny very,ny fiainantsika izay manankina aminy dia efa tsy miandray ilay fahasambarambe any an-danitra intsony isika fa efa tonga dia atomboka hatrety ka.Tsy matahotra ny ho very intsony satrtia efa nino ny anarany,tsy matahotra ny ho may ny afobe intsony satria efa manana ilay mpamonjy,tsy matahotra ny hoe ho tsaraina intsony satria tsy ho condemneny intsony ny mpino azy na ho tsaraina aza satria tsy mila mitady mpisolo vava fa izy no isolo vava ny mpino azy"efa voavidin'ny rako ity olona ity"
55. majesty ( 26/08/2009 04:24)
hoy soanja:
Hoy aho hoe "Aza manahy fa isika rehetra dia hiaina ao an-danitra avokoa satria tiaNY."

Koa tsy andao ataon-tsika daholo izay azo atao rehetra, ny mpamono olona aleo hamono olona hatrany,ny mpanolana aleo hitohy hanolana izay hitany,ny mpangalatra aleo handroba izay azony robaina; dia aleo tsy mivavaka ntsony fa lany andro fotsiny ,dia tsy manao asa soa ntsony koa ...sns aleo hanao izay danin'ny kibony ny tsirairay avy satria samy ho any an-danitra avokoa ntsika rehetra.
"maivana loatra ary tsy misy vidiny ilay lanitra raha toa izany "


hoy simplex :
je dirai meme plus... ny bokin'ny fanambarana iray manotolo no revin-gadra...


moramora ihany razoky fa sao dia lasa blasphemie a!

Ny azoko antoka dia izay voalazan'ny soratra masina hoe ho toy ny fasika eny amoron'ny ranomasina ny isan'ny olona ho vonjena. Ny 144.000 mbola resaka hafa mila alalinina iny fa tsy tonga dia azo raisina ara-bakiteny be toy izany.
56. ni81 ( 26/08/2009 06:41)
Minoa fotsiny ihany an!!!!!

Hoy aho hoe "Aza manahy fa isika rehetra dia hiaina ao an-danitra avokoa satria tiaNY."
ny finoana tsy arahin'asa dia tsy hisy dikany mihitsy.
vakio tsara ny Apok.14: 1-5 izay nahitanao an;io...otrany ahona moa izy ireo?
misy dikany daholo ireo teny tsirairay ireo ohatra ny ondry = Jesosy, Jereo Mat 25:50-52, tsy voaloto t@ vehivavy, vehivavy = fiangonana/doctrine, tsy voaloto (virjina) tsy nanaraka fampianaran-diso etc....
144000 dia symbolika milaza groupe mi-representer ny Israel spirituel.
Ny boky apokalipsa sy daniel dia manana relation betsaka mihitsy ary mila mianatra tsara an'io fa lasa manjary lasa mihaino fampianaran-diso... tandremo ihany re ry zalahy o...
tena sarotra tokoa ny hevitra voalaza ao ary ilaina fandinihana lalina dia lalina mihitsy.
misy fitenin"olomasina iray izay manao hoe ny olona tsy manan-katao @ ity fiainana ity no mamisavisa sahady ny @ fiainan-ko avy..
misy ny fiainan ko avy fa aza visavisaina hoe iza no any na menamena ve ny lanitra any na....
Tsy manan-katao hoe! :-D :-D ka naninona no be ireo pretra sy pasitera ary ireo maro hafa koa namisavisa azy io?
Hoy aho hoe "Aza manahy fa isika rehetra dia hiaina ao an-danitra avokoa satria tiaNY."
Raha tsisy ny fanivanana ny vary @ tsiparifary dia mety ho marina ny voalaza. Saingy tsy izay ilay izy. Tsaroako eto ilay hiran'i Polnareff milaza io nolazainao teo io ( ).
Ny azoko antoka dia izay voalazan'ny soratra masina hoe ho toy ny fasika eny amoron'ny ranomasina ny isan'ny olona ho vonjena
57. ari.malala ( 26/08/2009 10:03)
:-D :-D :-D :-D :-D fa in mints aza no mahatonga ny oul sasany mifantoka b @ io isa io e! manin raha ny fiainana no atao tsara d ny ratsy évité na d ny fitiavana no atao bobaka b mameno ny fiainana d iainana ny finoana d mivavaka d zay? (hoan'ny tsy mivavaka na ts mino d ireo nolazaiko taloha ampy azy ireo hoe ts manao ratsy, miezaka ho b fitiavana...) Ho anà manokana alou, ts misy ivakiako loha @ zay isa any e! efa nahazo antoka ah fa "izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany d ho velona mandrakizay, ary Izy hanangana azy ireo @ fara andro" k in ndray!
58. tywa68 ( 26/08/2009 10:50)
ikaretsaka:

misy fitenin"olomasina iray izay manao hoe ny olona tsy manan-katao @ ity fiainana ity no mamisavisa sahady ny @ fiainan-ko avy..
misy ny fiainan ko avy fa aza visavisaina hoe iza no any na menamena ve ny lanitra any na.... :^)


Rhf reraka tsy mahazo valiny v tsy hanohy asa ihany e (mba resahina eto sao d nisy tsindrimandry nahazo an'i Simplex sy ry Ratoa ohatra :-D :-D d mba mety zarainy @tsika) :wink:
59. tywa68 ( 26/08/2009 10:52)
ari.malala:

:-D :-D :-D :-D :-D fa in mints aza no mahatonga ny oul sasany mifantoka b @ io isa io e! manin raha ny fiainana no atao tsara d ny ratsy évité na d ny fitiavana no atao bobaka b mameno ny fiainana d iainana ny finoana d mivavaka d zay? (hoan'ny tsy mivavaka na ts mino d ireo nolazaiko taloha ampy azy ireo hoe ts manao ratsy, miezaka ho b fitiavana...) Ho anà manokana alou, ts misy ivakiako loha @ zay isa any e! efa nahazo antoka ah fa "izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany d ho velona mandrakizay, ary Izy hanangana azy ireo @ fara andro" k in ndray!


Mba mandany resaka akia isika a : njy koa :lol: :-*
60. ikaretsaka ( 26/08/2009 14:22)
ka misy sokajin'olona ry ari ohatran'ny tsy ambiance raha tsy misy chiffre an...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1148