Ny baiboly : fanekena ...

21. simplex ( 24/08/2009 16:55)

lol
diso toerana le voalaza teo io :lol: :lol: :lol:

^:^
22. ikaretsaka ( 24/08/2009 17:08)
Ianao ra plex tssss
23. rijadolly ( 24/08/2009 17:35)
Za koa aza mba gaga eo in-dray ary ty :lol: :lol:
24. fahamarinana ( 24/08/2009 18:03)
:arrow: :-D :-D nanao tahaka ahy vao haingana i simplex ! Sondriana loatra ! :D (l)
25. soanja ( 25/08/2009 03:48)
fidinirina:

Ny baiboly


Ny fanekena vaovao dia mifototra amin’ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olombelona rehetra. Tsy nametraka lalàna intsony Andriamanitra fa izay manana an’i Jesoa krsity ao anatiny no mahazo famonjena ary ampanantenainy handova ny fanjakany.

Hoy Paoly Galatiana 2 :20 « ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »




Ireo teny voasoratra nataveziko ireo angamba no tsapako fa milaza ny rehetra sy mamintina ny tian'i baiboly tenenina amiko.

Ny ao anatintsika no zava-dehibe. Inona no tsapantsika, I Kristy velona ao anaty? Fitiavana ve izay tsapanao izay? Io no Andriamanitra VELONA AO ANATY!






26. niryna ( 25/08/2009 03:49)
rakapy:
Ka ahoana kosa moa ry Nathie86 no tsy ahatsikaiky. Izao kosa ve tsy ahatsikaiky.
rzakarivola:

==> Mahatsikaiky ny olona ny mahita anle adaladala feno fatipatin-javatra eny @lohany, sofiny, akanjony ... sns. Fa ankehitriny kosa dia tsy ny adala irery no manao fatipatin-javatra fa ny oul maharaka teknolojia (kits, blutooth ...sns),:D

nefa isika mahalala fa tsy adala velively ireny. Ho an'izay tsy mahalala dia mahatsikaiky ny zava-tsy fantatra indraindray, rehefa tsy mahasorena.
hmm


rakapy:
Raha io voalazanao io dia hoe tsy maintsy ho tanteraka na hoe tsy maintsy ho tanterahana ny zavatra rehetra voasoratra.
Midika anie izany fa tsy misy tokony hivakiantsika loha ny @ izay zavatra niseho, miseho ary mbola hiseho intsony e!

==> Ahoana ary izany, maranin-tsaina sy malala-tsaina ve ianao dia tsy fantatrao fa raha misy olona anakiray hanangana trano, raha efa fantany daholo izay fitaovana sy mpiasa ilany hanangana an'io trano io, sy ny ho endrik'ilay trano rehefa tafatsangana. Manao annonces izy hoe mitady mpiasa isan-karazany, dia ny olona no misafidy hoe ho isany sa tsy ho isany ... Koa tahaka izany no fahafantaran' Andriamanitra sy nanoratany ny zava-drehetra, ary anaovaNy annonces (fitoriana ny Filazantsara), sy anomezaNy safidy ny olona ho isany na tsy ho isany.
[/quote] ka ny fahendrena no omen'Atra izay mino Azy ary izay tsy mino azy kosa dia mihevitra fa crane be ary manao ny tenin'Atra ho adalana ho an'ireo izay nirahina k'nou ooops

rakapy:
nefa dia mbola maro no mangataka sy mivavaka mba hiisy fanovana rehefa sendra zava-tsarotra ny fianany.

==> Ka ny vavaka, araka ny fampianaran'i Kristy anie rakapy tsy hoe fanerena an' Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny tena akory e! Fa fifandraisana @ Andriamanitra, hahafantarana ny sitrapoNy, hahaizanao misafidy izay tokony hataonao. Ny olon'ny vavaka tsy manaonao foana izany, ary tsy miteniteny foana. Matoa ny olona manaonao foana na miteniteny foana, dia satria tsy nivavaka (tsara) izy izay.
an :D


rakapy:
Ohatra ilay hoe" Ny tapakila efa lafo tsy azo averina intsony" nefa ianao niala antsa-dalana dia nangataka ny hamerenana ny volanao?

==> Dieny ety dia diniho ihany ny tapakilanao na mandeha mankaiza na mankaiza ... sao lahy ka any @ tsy azo iverenana intsony ianao vao ho araka ny tenin'i Jesosy hoe "ary hiteha-tratra ... any ny kankany tsy mety levona". Tsy fampitahorana izany fa fampitandremana tahaka ny fampitandremana rehetra. Ny olona tsy tiana no tsy ampitandremina ny lalan-kalehany.
Izaho olombelona, fa raha mampitodika ny fonao @ Andriamanitra ianao dia handre ny feoNy tokoa.
izay tsy manana azy no matahotra fa raha manana azy na izao aza no alainy ,tongava soa e,any ankoatra no mihaona indray .
Anjarantsika no mifampivavaka eto fa matoa tonga eto ny rehetra dia misy antsony avokoa,mety tsy mino izy androany saingy izay teny novakiantsika dia tsy maintsy misy ho tsakotsakoana avokoa amin'ny farany e.Toy ny rano mianjera eo ambonin'ny vato ihany io ,na dia pentina kely aza no mirotsaka ,farany mitsitra ihany ny vato,raha mbola anjarany no omen'Atra ny teniny dia mbola hiova ihany izy ary ny famakiana ny tenin'Atra eto na manohatra azy ny hafa dia manampy azy ireny koa izany satria tsy misy miverina aty amintsika intsony ireny.
Misaotra fidy a ,misaotra antsika rehetra manaraka ny fivavahana eto ,aza kivy ,ataovy ny fanandramana,tsy ho voatery hisy hidona vao mitady azy ,antsoy izy ,misaora azy amin'ny zavatra rehetra na soa na ratsy.



27. rakapy ( 25/08/2009 06:59)
hoy Niryna
izay tsy manana azy no matahotra fa raha manana azy na izao aza no alainy ,tongava soa e,any ankoatra no mihaona indray

Maro be lavitra nohon'ny isan'ny xana ny isan' ireo tsy manana an'i jesosy nefa dia tsy matahotra ny fandehanana any ankoatra rehefa tonga ny fotoana. An'isany ny tenako.
28. rzakarivola ( 25/08/2009 07:22)
rakapy:
Tsy niteny ny tenako fa marani-tsaina sy be fahalalana aho aloha fa aoka azava ny resaka. Resaka sy ady hevitra no eto.

==> Tsy nilaza ni tenanao ho marani-tsaina ianao, fa malala-tsaina (tsy borné, tsy limité), ary mihevitra catégoriquement fa diso ny zavatra izay tsy fantatrao.


rakapy:
Koa raha lazainao fa manao annonces indray ary A/tra eto, dia vao maika mahatsikaiky ilay firesakao. Ianao ihany no anisan'ireo nitompo teny fatratra fa hoe nantsoin'i jesosy ary nilaza misy ny olona voafidin' A/tra.
Ka aiza ihany ary izy ity? Toa vao maika tsy mazava?

==> Tsy mety hazava mihitsy anie ao aminao raha tsy manaiky ianao hirehetan'ny jiro e! Rehefa misy concours ka tonga ny fizarana loka, dia voalaza fa voatendry ho azy ireo izany loka izany ... Tsy ny maha izy azy ireo olona ireo no nanendrena mb aho azy ireo ny loka, fa nisy critères napetraka aloha, nisy fisoratana anarana, natao ny fifanintsanana, ary araka ny critères dia ireo no nahazo azy.


[quote=rakapy]Ka nefa atsy ambadia atsy misy milaza fa hivavaka ho an'i Rakapy mba hisokatra ny maso-panahiko? Tsy mitady fanovana ny sitrapon'A/tra ve izany? Nefa izy no nanao ahy hoe aza mino an'i jesosy fa resa-be fotsiny izany.

==> Ilay hoe "aza mino" tsy azoko, raha niteny izany izy dia azy izany. Izaho tsy mi quotionner mihtisy izay tenin'olombelona, na dia ny an'ny tenako aza, fa ny tenin'i Jesosy ihany no ekeko ary lazaiko fa marina.
Ny fivavahana ho an-drakapy dia tena atao tokoa, tsy ny hanery an' Andriamanitra @ sitrapony, fa ny hahafantarako ny plan an' Andriamanitra ho an-drakapy, sy ny andraisako anjara @izany, ohatra hoe, izaho ve no asain' Andriamanitra miteny sy mitory @n-drakapy sa tsy izaho ? Inona no zavatra hambarako @n-drakapy ? ... sns. Na koa hoe "aoka izay, aza valiana intsony ny resak'i rakapy fa tsy hitondra fiovana ho azy mihitsy akory izany!", na koa hoe "mahandrasa indray @ manaraka" ... asa e! Izay drafitr' Andriamanitra ho an-drakapy.


[quote=rakapy] araka ny tenin'i Jesosy hoe "ary hiteha-tratra ... any ny kankany tsy mety levona" Tenin'i jesosy ve io????
:-D :-D :-D mbola tsy henoko indray aloha io iray io e :-D :-D :-D
Eny e na izany na tsia aloha dia tsy misy tokony hitodiako hanaraka an'i jesosy na dia kely aza e! Manaja azy aho fa tsy mino kosa fa izy no zanak'A/tra lahy tokana.

==> Tenin'i Jesosy io. Ilazàny ireo olona hanenina mafy any aoriana any ... rehefa tsy afaka averina intsony ny tapakila.
Inona aminao ny atao hoe fanajana? Misy mantsy ny fanajana ilay olona, ary misy fanajana ireo be hambom-po manodidina azy sy ny sarotiny alohan'ny tompony. Ka iza @ireo no hajainao ?
29. rzakarivola ( 25/08/2009 07:33)
fidinirina:
Tsy nametraka lalàna intsony Andriamanitra fa izay manana an’i Jesoa krsity ao anatiny no mahazo famonjena ary ampanantenainy handova ny fanjakany.

==> Izao koa azo anambarana an'ity teny ity : i Kristy no lalàna ho an'izay vonjena. Fanontaniana tsara apetraka ireto :
1- tonga ho azy ao anatin'ny tena ve i Kristy ? raha tsia,
2- inona no tokony hatao hananana an'i Kristy ?
3- Rehefa manana an'i Kristy, ahoana no atao mba tsy ho very izay efa ananana ?
30. tywa68 ( 25/08/2009 07:45)
Rzakarivola be fanontaniana :lol: miandry ny valiny aho :-w mci :wink:
31. rakapy ( 25/08/2009 07:48)
Hoy Rzakarivola

==> Tsy nilaza ni tenanao ho marani-tsaina ianao, fa malala-tsaina (tsy borné, tsy limité), ary mihevitra catégoriquement fa diso ny zavatra izay tsy fantatrao

Tsy maninona raha izay no fihevitrao. Tohina angamba ianao nohon'ny filazako mahintsy ny fihevitro.
Inona aminao ny atao hoe fanajana? Misy mantsy ny fanajana ilay olona, ary misy fanajana ireo be hambom-po manodidina azy sy ny sarotiny alohan'ny tompony. Ka iza @ireo no hajainao

Tsy misy amin'ireo fanotanianao ireo ny hevitro. Amiko ny fanajana azy voalohany dia ny tsy fanaovana interpretation be fahatany izay voalazany.
Ny fandikana tsy diso izay nambarany.
Izao koa azo anambarana an'ity teny ity : i Kristy no lalàna ho an'izay vonjena. Fanontaniana tsara apetraka ireto :
1- tonga ho azy ao anatin'ny tena ve i Kristy ? raha tsia,
2- inona no tokony hatao hananana an'i Kristy ?
3- Rehefa manana an'i Kristy, ahoana no atao mba tsy ho very izay efa ananana

Tsy voatery hikaroka na tokony hanana azy ny olombelona raha tsy tiany ny hanana azy.
Ary afaka manala azy koa raha hitany fa tsy mahasoa azy ny fananana azy.
32. ni81 ( 25/08/2009 08:07)
Rzakarivola be fanontaniana miandry ny valiny aho mci
:-D :-D
33. nathie86 ( 25/08/2009 08:10)
forum marina, zao no tena atao oe démocratie :-P . Ay v i Rakapy tsy mino eh. Za aloha miteny anao rakapy fa tsy maty antoka enao na mino an'Atra aza. Ny antony d satria ra misy Atra d refa tonga ny fitsarana d ho very any @ afobe any enao satria tsy mino azy, hanenina arak'ilay tenin'i JK nolazain'i Zaka io eh. Fa nefa ra tsy misy iz na nino azy aza enao tsy ho very maina, ny lalàna napetraka ao @ Baiboly anie aro fanina ho anao tsy anaovanao zvt ratsy eh, miaro anao tsy ho any an-davaka.
Fa io arakarakao ihany, fomba fijeriko ftsny io an :)
34. rakapy ( 25/08/2009 08:22)
Hoy Nathie
Ay v i Rakapy tsy mino eh. Za aloha miteny anao rakapy fa tsy maty antoka enao na mino an'Atra aza. Ny antony d satria ra misy Atra d refa tonga ny fitsarana d ho very any @ afobe any enao satria tsy mino azy, hanenina arak'ilay tenin'i JK nolazain'i Zaka io eh. Fa nefa ra tsy misy iz na nino azy aza enao tsy ho very maina, ny lalàna napetraka ao @ Baiboly anie aro fanina ho anao tsy anaovanao zvt ratsy eh, miaro anao tsy ho any an-davaka.

Ilay hoe TSY MINO @ fijery maha kristianina no tsy hitovizantsika. Izaho tsy mino fa i jesosy dia A/tra fa mino kosa fa nisy MPAHARY izao tontolo izao.
Ny antony d satria ra misy Atra d refa tonga ny fitsarana d ho very any @ afobe any enao
:-D :-D :-D
Asa aloha e! samy mbola tsy nisy nahita izay tany isika ,ary izay lasa dia tsy niverina intsony, na dia hafatra aza tsy napetrany :-D :-D :-D
Baiboly anie aro fanina ho anao tsy anaovanao zvt ratsy eh, miaro anao tsy ho any an-davaka

Tsy manda an'izany aho nefa tsy ny baiboly irery ihany no aro fanina azo hitondrana ny fiainana mba tsy hanaovana ratsy. Misy zavatra maro hafa koa.
35. tywa68 ( 25/08/2009 08:37)
ni81 > antsoy @zay akia i Rzakarivola fa ela loatra lay valiny a :-D :-D
Miandry anao koa hono hoe Rakapy :lol:
36. ni81 ( 25/08/2009 08:39)
ni81 > antsoy @zay akia i Rzakarivola fa ela loatra lay valiny a
Miandry anao koa hono hoe Rakapy
:lol: mampiadia karajia eo aloha nareo sy rakapy fa ho avy eo rzaka hitafa aminareo tsy ho ela e!
37. tywa68 ( 25/08/2009 08:42)
hay efa nahazo azy njy ? aleoko ihany andrasana eto izy e :wink: :lol:
38. ari.malala ( 25/08/2009 08:45)
ny fanajana azy voalohany dia ny tsy fanaovana interpretation be fahatany izay voalazany.
Ny fandikana tsy diso izay nambarany.

+1
39. ni81 ( 25/08/2009 08:47)
hay efa nahazo azy njy ? aleoko ihany andrasana eto izy e
:D
40. nathie86 ( 25/08/2009 08:50)
Rakapy ka zay ndrindra, mbola tsis nahita, fa ra misy tokoa aza d aôna????? zay no ilazaiko oe tsy mafaty antoka oa eh. Iza izany ilay mpahary izao tontolo izao eh????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083