Ny baiboly : fanekena ...

1. fidinirina ( 24/08/2009 07:27)
Ny baiboly

Ny baiboly dia boky, fitambarana boky maromaro (66 no isany) voasoratra sy voakambana nandritry ny arivo taona mahery. Boky tantara tokoa izy satria mitantara ny fitiavan’Andriamanitra sy famonjeny ny zanak’olombelona.

Misy olona 40 mahery no nanoratra ny baiboly (Mpaminany, Mpanjaka, Apostoly…) niaina tamin’ny fotoana sy zava-nisy ary toerana samy hafa mihitsy izy ireo nefa dia zavatra tokana ihany no ambarany : Andriamanitra.

Ao anatin’ny baiboly dia misy fizarany roa lehibe :
1. Ny fanekena taloha (na testamenta taloha)
2. Ny fanekena vaovao (na testamenta vaovao)

Nahoana moa no nisy fanekena voalohany sy faharoa ?
Ny fanekena voalohany, izay miresaka ny namoronana izao tontolo izao, dia nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin'ny zanak’Isarely, izay vahoaka nofidiany manokana. Tamin’izany dia nifototra tamin'ny lalàn’i Mosesy ilay fanekena izay nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra sy ny zanak’Israely.

Saingy nisy zavatra niseho araka ny voasoratra ao amin'ny Hebreo 8 : 7 « Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. »
Tsy hoe nanan-tsiny avy hatrany akory ilay fanekena na sanatria diso fa fantantsika tsara fa ny nataon’ny olombelona ihany no anton’izany fanovana izany.
Ny fanekena (testament=didim-panana=teny fikasana) raha ara-bakiteny dia nataon’ilay olona tompo ho an’izay tiany handova azy na koa toy ny fifanekena « contrat » izay ifanaovan’ny olona roa farafahakeliny. Voasoratra mazava fa ny zanak’Israely no tsy nanaiky ny lova nomena azy ary tsy nanaja izany ka nandà an’Andriamanitra sy ny fitiavany aza.

Koa satria Andriamanitra fitiavana mandrakizay ary tsy mahafoy ny olombelona dia nosoloiny indray ilay fanekena ka tsy ho an’ny zanak’Israely irery intsony fa ho an’ny olombelona rehetra na izay mbola ho teraka aza (mandra-pahatongan’ny andro ihavian’i Jesoa).

Izao no voalaza ao amin'ny Hebreo 8 :8 -10 «Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe:"Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
8.9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
8.10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. »
Ny fanekena vaovao dia mifototra amin’ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olombelona rehetra. Tsy nametraka lalàna intsony Andriamanitra fa izay manana an’i Jesoa krsity ao anatiny no mahazo famonjena ary ampanantenainy handova ny fanjakany.

Hoy Paoly Galatiana 2 :20 « ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »

Galatiana 3.15 Ry rahalahy --miteny araka ny fanaon'ny olona aho-- na dia ny fanekena (Na: didim-pananana) ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.

Tsara ho fantatra :
Ny baiboly no teny ifandraisan’ny olona, izay mino, @ Andriamanitra.

Raha mbola tsy namaky baiboly mihitsy ny olona dia tsara kokoa raha ny filazantsaran’i Lioka no anombohany azy.

Ny boky voasoratra voalohany indrindra dia ny bokin’ny Deotoronomia ary ny farany indrindra kosa dia ny bokin’i Petera faharoa.

Ny baiboly no boky voadika t@ teny malagasy voalohany teto Madagasikara t@ taona 1861.

Amin’izao fotoana izao , efa voadika @ tenim-pirenena mihoatra ny 2123 maneran-tany ny baiboly (97% @ fiteny misy eto @ izao tontolo izao)
2. rakapy ( 24/08/2009 08:37)
Ny zavatra mahatsikaiky ahy @ ity resaka baiboly ity dia ity.
Voalaza fa efa VOASORATRA ary TSY MAINTSY HO TANTERAKA hono izay voasoratra ao nefa dia hoy ianareo indray hoe
Tsy hoe nanan-tsiny avy hatrany akory ilay fanekena na sanatria diso fa fantantsika tsara fa ny nataon’ny olombelona ihany no anton’izany fanovana izany.

Tsy midika ve izany fa na hanao inona na hanao inona ny olombelona dia tsy maitsy ho tanteraka ny fanekena vaovao sy ny zavatra rehetra satria efa plan'A/tra?
Ohatra, raha toa ary ka tsy nanaiky ny hamadika an'i jesosy i jodasy satria fantany fa haharatsy fijery azy eo anatrehan'ny tantara ny zavatra hataony? dia inona no nitranga? i piera sa i paoly indray ve no-force-na hamita ny mission izay napetraka tamin'i jodasy?
hoy Fidinirina
Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. »
Tsy hoe nanan-tsiny avy hatrany akory ilay fanekena na sanatria diso fa fantantsika tsara fa ny nataon’ny olombelona ihany no anton’izany fanovana izany.

Eto indray dia nilaza ny baiboly fa nisy tsininy sy tsy nahomby angamba ilay fanekena voalohany nefa dia ahodinao fa tsy nanan-tsiny.



3. rzakarivola ( 24/08/2009 08:49)
Misaotra an'i fidinirina nizara, ary mirary an'i fidinirina mba hiasa hatrany @izany herin' Andriamanitra ho famonjena ny mino izany.

fidinirina:
8.9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
8.10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.

==> Ity no fanontaniana tiako apetraka eto mba hodinihina :
1- rahoviana io "rehefa afaka izany andro izany" io ? Rahoviana no hisoratra ao am-pon'ny olona sy ao an-tsainy ny lalàn' Andriamanitra ?
2- Ary inona ilay lalàna?
4. rakapy ( 24/08/2009 08:56)
Hoy Rzakarivola
1- rahoviana io "rehefa afaka izany andro izany" io ? Rahoviana no hisoratra ao am-pon'ny olona sy ao an-tsainy ny lalàn' Andriamanitra ?
2- Ary inona ilay lalàna
:
Ilay fomba fanotanianao koa dia mahatsikaiky ahy . Ohatran'ireny hoe lalana izay hivoka ao @ lalam-panorenana Malagasy izy ity. :-D :-D :-D ka miandry daholo ny vahoaka. Dia misy olona mpiasa ao @ mpanao lalana dia manotany ny decret vaovao havoaka.

5. rakapy ( 24/08/2009 09:04)
hoy Fidinirina
Tsara ho fantatra :


Ny baiboly no boky voadika t@ teny malagasy voalohany teto Madagasikara t@ taona 1861.


Satria vokatry ny fanjanahana no nahatonga ny baiboly ho voasoratra voalohany t@ teny Gasy. Nefa tsarovy fa tsy ny baiboly no boky voasoratra voalohany teto ambonin'ny tany eny fa na tany Israely azy dia tsy io no boky voasoratra voalohany.

6. nathie86 ( 24/08/2009 09:11)
Mahatsikaiky an'i Rakapy daholo ko izy zany loool.
Misaotra an'ilay nizara fa zao za vao nahalala oe ay v ka ny bokin'ny Déo no voasoratra 1 eh, ary ny IIPet no farany.
Ny fanekena vao2 anie ka fanatanterahina ny fanekena taloha eh, efa voalaza ao fa ho avy ny zanak'Atra, zanakondry no filazany azy ao.
rakapy:

Tsy midika ve izany fa na hanao inona na hanao inona ny olombelona dia tsy maitsy ho tanteraka ny fanekena vaovao sy ny zavatra rehetra satria efa plan'A/tra?

Ie, ho an'ny mino d tsy maintsy tanteraka ny zavatra izay voalaza ao anatiny, na oe tsy maintsy tanterahina, na nanaiky i Jodasy na tsy nanaiky ny hamadika.

7. rakapy ( 24/08/2009 09:34)
Hoy i Nathie86

Ie, ho an'ny mino d tsy maintsy tanteraka ny zavatra izay voalaza ao anatiny, na oe tsy maintsy tanterahina, na nanaiky i Jodasy na tsy nanaiky ny hamadika.

Ka ahoana kosa moa ry Nathie86 no tsy ahatsikaiky. Izao kosa ve tsy ahatsikaiky.
Raha io voalazanao io dia hoe tsy maintsy ho tanteraka na hoe tsy maintsy ho tanterahana ny zavatra rehetra voasoratra.
Midika anie izany fa tsy misy tokony hivakiantsika loha ny @ izay zavatra niseho, miseho ary mbola hiseho intsony e!
nefa dia mbola maro no mangataka sy mivavaka mba hiisy fanovana rehefa sendra zava-tsarotra ny fianany. :-D :-D :-D
Ohatra ilay hoe" Ny tapakila efa lafo tsy azo averina intsony" nefa ianao niala antsa-dalana dia nangataka ny hamerenana ny volanao?
8. ni81 ( 24/08/2009 09:42)
I rakapy efa tsy MPINO dia tsy afaka ny hanaiky izay voalaza ao anaty baiboly ka! :)
9. rakapy ( 24/08/2009 09:55)
Ni81> Tsy hoe resaka tsy Mpino ilay izy fa ilay fomba fanazavana sy fanehoana hevitra no hitako lasa ohatra ny hevitra ataingina be izany.

"Tsy maintsy tanteraka io nefa mivavaha ianareo mba tsy ho tanteraka???"
Tsy mazava mihitsy.
Raha hoe " mety ho tanteraka io raha toa ka...." dia mazava mazava .
10. nathie86 ( 24/08/2009 11:09)
rakapy:


nefa dia mbola maro no mangataka sy mivavaka mba hiisy fanovana rehefa sendra zava-tsarotra ny fianany. :-D :-D :-D
Ohatra ilay hoe" Ny tapakila efa lafo tsy azo averina intsony" nefa ianao niala antsa-dalana dia nangataka ny hamerenana ny volanao?


in no idirany, tsy azoko ty zany, fa aôna no tsy ivavaka eh, in no ifandraisan'ny Baiboly @ zany. Vendrana ko za zany sô oe ahoana aza :)
11. rakapy ( 24/08/2009 11:14)
Araho tsara ny resaka fa ny titre titre ihany fa ny hevitra misaveraka amin'ny lafiny maro. :-D :-D :-D
12. nathie86 ( 24/08/2009 11:21)
ahhhhhhh, sendra hs no iafarany ko :wink:
13. rakapy ( 24/08/2009 11:25)
Refa hs dia averina eo ambony kianja indray ny bolina e! ohatran'ireny tosy sy korinera @ baolinakitra ireny ihany io. Ny mandaka ranjo sy ny manao tongotra ambony no fadio :-D :-D :-D
14. ni81 ( 24/08/2009 13:18)
Ni81> Tsy hoe resaka tsy Mpino ilay izy fa ilay fomba fanazavana sy fanehoana hevitra no hitako lasa ohatra ny hevitra ataingina be izany.
in no idirany, tsy azoko ty zany, fa aôna no tsy ivavaka eh, in no ifandraisan'ny Baiboly @ zany. Vendrana ko za zany sô oe ahoana aza
Refa hs dia averina eo ambony kianja indray ny bolina e! ohatran'ireny tosy sy korinera @ baolinakitra ireny ihany io. Ny mandaka ranjo sy ny manao tongotra ambony no fadio
:D
15. rzakarivola ( 24/08/2009 14:08)
rakapy:
Ka ahoana kosa moa ry Nathie86 no tsy ahatsikaiky. Izao kosa ve tsy ahatsikaiky.

==> Mahatsikaiky ny olona ny mahita anle adaladala feno fatipatin-javatra eny @lohany, sofiny, akanjony ... sns. Fa ankehitriny kosa dia tsy ny adala irery no manao fatipatin-javatra fa ny oul maharaka teknolojia (kits, blutooth ...sns), nefa isika mahalala fa tsy adala velively ireny. Ho an'izay tsy mahalala dia mahatsikaiky ny zava-tsy fantatra indraindray, rehefa tsy mahasorena.


rakapy:
Raha io voalazanao io dia hoe tsy maintsy ho tanteraka na hoe tsy maintsy ho tanterahana ny zavatra rehetra voasoratra.
Midika anie izany fa tsy misy tokony hivakiantsika loha ny @ izay zavatra niseho, miseho ary mbola hiseho intsony e!

==> Ahoana ary izany, maranin-tsaina sy malala-tsaina ve ianao dia tsy fantatrao fa raha misy olona anakiray hanangana trano, raha efa fantany daholo izay fitaovana sy mpiasa ilany hanangana an'io trano io, sy ny ho endrik'ilay trano rehefa tafatsangana. Manao annonces izy hoe mitady mpiasa isan-karazany, dia ny olona no misafidy hoe ho isany sa tsy ho isany ... Koa tahaka izany no fahafantaran' Andriamanitra sy nanoratany ny zava-drehetra, ary anaovaNy annonces (fitoriana ny Filazantsara), sy anomezaNy safidy ny olona ho isany na tsy ho isany.

rakapy:
nefa dia mbola maro no mangataka sy mivavaka mba hiisy fanovana rehefa sendra zava-tsarotra ny fianany.

==> Ka ny vavaka, araka ny fampianaran'i Kristy anie rakapy tsy hoe fanerena an' Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny tena akory e! Fa fifandraisana @ Andriamanitra, hahafantarana ny sitrapoNy, hahaizanao misafidy izay tokony hataonao. Ny olon'ny vavaka tsy manaonao foana izany, ary tsy miteniteny foana. Matoa ny olona manaonao foana na miteniteny foana, dia satria tsy nivavaka (tsara) izy izay.


rakapy:
Ohatra ilay hoe" Ny tapakila efa lafo tsy azo averina intsony" nefa ianao niala antsa-dalana dia nangataka ny hamerenana ny volanao?

==> Dieny ety dia diniho ihany ny tapakilanao na mandeha mankaiza na mankaiza ... sao lahy ka any @ tsy azo iverenana intsony ianao vao ho araka ny tenin'i Jesosy hoe "ary hiteha-tratra ... any ny kankany tsy mety levona". Tsy fampitahorana izany fa fampitandremana tahaka ny fampitandremana rehetra. Ny olona tsy tiana no tsy ampitandremina ny lalan-kalehany.
Izaho olombelona, fa raha mampitodika ny fonao @ Andriamanitra ianao dia handre ny feoNy tokoa.
16. ni81 ( 24/08/2009 14:11)
Mahatsikaiky ny olona ny mahita anle adaladala feno fatipatin-javatra eny @lohany, sofiny, akanjony ... sns. Fa ankehitriny kosa dia tsy ny adala irery no manao fatipatin-javatra fa ny oul maharaka teknolojia (kits, blutooth ...sns), nefa isika mahalala fa tsy adala velively ireny. Ho an'izay tsy mahalala dia mahatsikaiky ny zava-tsy fantatra indraindray, rehefa tsy mahasorena.
:-D :-D :-D
17. rakapy ( 24/08/2009 14:28)
Hoy rzakarivola
==> Ahoana ary izany, maranin-tsaina sy malala-tsaina ve ianao dia tsy fantatrao fa raha misy olona anakiray hanangana trano, raha efa fantany daholo izay fitaovana sy mpiasa ilany hanangana an'io trano io, sy ny ho endrik'ilay trano rehefa tafatsangana. Manao annonces izy hoe mitady mpiasa isan-karazany, dia ny olona no misafidy hoe ho isany sa tsy ho isany ... Koa tahaka izany no fahafantaran' Andriamanitra sy nanoratany ny zava-drehetra, ary anaovaNy annonces (fitoriana ny Filazantsara), sy anomezaNy safidy ny olona ho isany na tsy ho isany

Tsy niteny ny tenako fa marani-tsaina sy be fahalalana aho aloha fa aoka azava ny resaka. Resaka sy ady hevitra no eto.
Koa raha lazainao fa manao annonces indray ary A/tra eto, dia vao maika mahatsikaiky ilay firesakao. Ianao ihany no anisan'ireo nitompo teny fatratra fa hoe nantsoin'i jesosy ary nilaza misy ny olona voafidin' A/tra.
Ka aiza ihany ary izy ity?Toa vao maika tsy mazava?

==> Ka ny vavaka, araka ny fampianaran'i Kristy anie rakapy tsy hoe fanerena an' Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny tena akory e! Fa fifandraisana @ Andriamanitra, hahafantarana ny sitrapoNy, hahaizanao misafidy izay tokony hataonao. Ny olon'ny vavaka tsy manaonao foana izany, ary tsy miteniteny foana. Matoa ny olona manaonao foana na miteniteny foana, dia satria tsy nivavaka (tsara) izy izay

Ka nefa atsy ambadia atsy misy milaza fa hivavaka ho an'i Rakapy mba hisokatra ny maso-panahiko? Tsy mitady fanovana ny sitrapon'A/tra ve izany?Nefa izy no nanao ahy hoe aza mino an'i jesosy fa resa-be fotsiny izany.
araka ny tenin'i Jesosy hoe "ary hiteha-tratra ... any ny kankany tsy mety levona"

Tenin'i jesosy ve io????
:-D :-D :-D mbola tsy henoko indray aloha io iray io e :-D :-D :-D
Eny e na izany na tsia aloha dia tsy misy tokony hitodiako hanaraka an'i jesosy na dia kely aza e! Manaja azy aho fa tsy mino kosa fa izy no zanak'A/tra lahy tokana.
18. rijadolly ( 24/08/2009 14:31)
Fidinirina:
Tsy nametraka lalàna intsony Andriamanitra fa izay manana an’i Jesoa krsity ao anatiny no mahazo famonjena ary ampanantenainy handova ny fanjakany.
In le zavara takian'Andriamanitra @ ol izay manana an’i Jesoa krsity ao anatiny
19. rijadolly ( 24/08/2009 15:44)
Ra namaky tsAra ny fanontaniakao za dia tsy dia mazavatsara :lol:

Tsy misy ve izany ny zavatra takian'Andriamaintra @ olona izay te hanana an'Jesoa Kristy ao anatiny? Eny fa na dia izay efa manana an'Kristy aza?
20. simplex ( 24/08/2009 16:51)

Ny ankamaroan'ny malagasy hoy aho dia manana havana katolika sy protestant (FJ an) daholo.
En tout cas ny teto imerina. Ny protestant no tonga taloha ary avy ao @ protestant daholo ny ankamaroan'ny katolika. 2 na 3 generations eo ho eo io angamba...
Ny anay zao any ambanivohitra dia mbola manao adidy any @ fiangonana protestant foana ary mbola manao fara rakitra any koa rehefa maty...

Ny tiako hahatongavana dia ny hoe olona iray ra ihany ny kato sy protestant, tsy miady izany. Zanak'anabavy ee :lol: Misy ny difference, marina izany fa tsy dia misy hoe tena adibe izany. Io koa hoy ah no mahatonga an'le hoe tsy dia misy olana firy ra hoe kato sy protestant (voire ny FFKM 1 manotolo) no mifanambady... tsy otran'le hoe secta na advantista (miala tsiny ra misy mamaky eto)...

Ny @ hoe dinika sy ny sisa indray, otran'ny conservateur sy liberal mifandona no fahitako azy. Misy zavatra tena iraisana fa ny zavatra kely tsy itovizana no tena tsy maintsy atao izay hifandirana... ny tena mapme anefa dia sady tsy misy election eto no tsy mba nisy hoe olona miova hevitra izany...
Fa ny tena marina alohan'zany rehetra izany koa dia ny hoe misy olona mankafy be an'le mifamaly eto 8):P

Za manokana aloha tsy hitako izay olana @ hoe misy olona miady hevitra ee. Tsy tokony atao resaka perso fotsiny le izy. Fa ny hevitra no ampiadiana...
sinoa atao in forum raha olona mitovy hevitra doly no hita ao? :)

:) d ampy
;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049