La Bible et le téléphone portable

81. ari.malala ( 13/08/2009 08:14)
rzakarivola:
fahamarinana:
:arrow: Maditra mihintsy ari sy Ika an ! :-P ....
Fa aoka aloha aho hihomehy ! Mavesatra kosa anie ny ota e,enta-mavesatra na matavy na mahia ilay olona ,sa ? (l)
==> Mahatsiaro tantara iray aho @ izany. Indray andro nisotro divay be loatra i Noah ka mamo, dia niboridana. Nahita an'izany ny zanany anakiray dia nihomehy sady nitantara tany @ ireo hafa ... ozona no azony.



Aza miteniteny foana hoa! tadiavinao hanozona an Faha kou Andriamanitra? sa enao no hanozona azy satria memezanay telo dah ny hadalanao? sa zay sy ika no tadiavinao hisy hanozona sa enao mints kou no hanozona anay? tsary mandaitra toy ny blabla amboletranao ian ramose a!
82. fidinirina ( 13/08/2009 08:19)
rakapy:
Tsy misy mahafantatra izay hiafaran'izao tontolo izao na izaho na ianao. telephoneo A/tra fa izy no mahalala azy.


diso ianao fa izaho efa nampahafantarin'ny Tompo : fa ny fiafaran'izao tontolo izao dia ho avy Jesoa kristy haka izay nino azy ary hamerina ny fanjakan'Andrimanitra.

Ny devoly sy ny forongoniny ho any @ farihy mirehitr'afo sns. Mba vakio ny baiboly fa voasoratra ao nge izany fa tsy foroniko akory e!
83. ari.malala ( 13/08/2009 08:31)
eny e, efa voalaza hoe zay no hiafarany, fa nyandro, fantatrao? sa enao le Andriamanitra mahalala anizany? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ataoko ity hoe na ny Zanaka aza ts mahalala izay andro hiavian'izany rehetra izany? :-D :-D :-D :-D :-D
84. rakapy ( 13/08/2009 08:34)
diso ianao fa izaho efa nampahafantarin'ny Tompo : fa ny fiafaran'izao tontolo izao dia ho avy Jesoa kristy haka izay nino azy ary hamerina ny fanjakan'Andrimanitra.

Ny devoly sy ny forongoniny ho any @ farihy mirehitr'afo sns. Mba vakio ny baiboly fa voasoratra ao nge izany fa tsy foroniko akory e!

Ilay baibolinao aloha dia tsy hinoako ny voalaza ao e!
Dia aleo ho hitantsika eo izany voalaza ao izany.
85. fahamarinana ( 13/08/2009 08:48)
Rzaka:
Marina ity teninao ity, raha mety ianao, ataovy ho "indrindra indrindra" ilay voalohany. Ary tahaka izay fikarakaranao ny vatanao rehefa ho any am-piangonana,

hoy i Faha hoe :
hoy Faha:
raha handeha any am-piangonana aho dia miomana ara-panahy 1er indrindra

:arrow: Notsiphiko sy nataoko GRAS mba ho hitan'ise mazava fa io no primordial amiko mihoatra ny zava-drehetra !Tandremo marô io kitsipona io fa diniho aloha ilay voalazako !
==>
Rzaka:
Eny, tsy ho tafiditra aminao sy ny maro hafa koa ny amboletra, fa aoka horaisin'izay afaka handray azy izy. Izaho tsy hanery anao hino tahaka izay tsy naneren'i Jesoa ahy hino hatrizay, fa manao izay asain'ny Tompoko atao aho. :)

:arrow: Tsy i Jesoa no tsy tafiditra tamiko (tsy afaka ahalala izany akory i Rzaka anie fa ahy sy Izy izay ,dia zahay koa no mbola hifankahita amin'ny andro farany ,tokoa moa ) ,tsy ilay Tenin'ny Soratra Masina ihany koa,tena mangetaheta Azy hany aho e !!! FA ilay karazan'izao ataon'ise zao !
Misaotra ny Tompo nefa fa nandray Azy aho tamin'ny Fitoriana hafa !
Izany hoe marina ny lazain'ise hoa misy hafa mety handray ,tsy laviko sady tsy iadivako hevitra sanatria !Tsy hifaninana akory isika mianadahy hoe ny an'iza no mandaitra kokoa ! Ataoko angamba fa ny iraisantsika sy ny maro MPINO eto dia ny handraisan'ireo namantsika any Jesoa ,ary indrindra indrindra mba hametrahana fanontaniana ao anatin'ny tsirairay !
Karakaran'ny zegny no nahatonga ahy teto sy mbola mahatonga ahy mianatra sy mandalina,mandrak'izao !Eny mety à ma façon ,nefa moa Olombelona koa aho anie ! :(
Rzaka:
Mahafantatra olona vitsivitsy aho tsy mety ho any am-piangonana mihitsy. Fa ao @ WC kosa tsy maintsy handehanany! Raha ity izy ka misy zavatra mahazo azy ao @ WC ao, mila vonjy izy nefa tsy mahateny ohatra, fa hitany misoratra etsy kosa ilay tenin'i Jesoa Kristy izay manolotra azy ny vahaolana

:arrow: ehe !! Dia hajaiko ny hevitr'ise fa ajanoko hatreo ny ahy aloha an !
Rzaka:
Izaho tsy hanery anao hino tahaka izay tsy naneren'i Jesoa ahy hino hatrizay, fa manao izay asain'ny Tompoko atao aho

:arrow: Marina tanteraka ,voalazan'ise tsara be !!
Hiverenako kely fa tsy matiko papillon an !..
Tahaka ny tsy mbola naneren'ny Jesoa ahy hamaky Baiboly ,tsy naneren'ny Fanahy Masina ahy hanokatra Baiboly, fa kosa nataony nangetaheta aho dia nataony nitady azy hatrany hatrany dia nataony koa nitia nikaroka sy nandalina !Avy Aminy daholo izany rehetra izany fa tsy avy amin'ny Rakoto na Rabe !
Faranako eto ny anjarako fa be angamba izay !Misaotra any Tompo noho izao rehetra izao,Misaotra ny rehetra nitondra fanazavana,Misaotra ny Mpanokatra dinika ihany koa ,nisy azoko noraisina be dia be !!
Am-pitiavana hatrany e !! :-* (l)
86. ari.malala ( 13/08/2009 09:36)
Faha:
Tsy i Jesoa no tsy tafiditra tamiko (tsy afaka ahalala izany akory i Rzaka anie fa ahy sy Izy izay ,dia zahay koa no mbola hifankahita amin'ny andro farany ,tokoa moa )
marina mints zany!

Ts sasatra hoa za miteny an'ireo tia teniteny ny fiainan'oul sy finoan'oul io!! ts nareo no afaka hahalala izay relation intime entre Atra sy oul 1 fa anazy zany! Ts ilaina mints ny mitsara à l'apparence fa mamitaka izany ary manafintohina mints koa aza raha ny tena marina. Nga raha hoe mihanihany ny oul 1 d horaisina ho fanimbazimbana izany na ts finoana na ts fitiavana?
87. ikaretsaka ( 14/08/2009 05:56)
marina de marina
88. rzakarivola ( 19/08/2009 11:41)
ikaretsaka:

Za mo practical be ity ...

==> Ny finoana arahina asa io teneninao io? Hoy ny voasoratra hoe : "ny finoana tsy arahina sa dia maty. Asehoy tsy misy asa ny finoanao, dia asehoko anao @ asa kosa ny ahy", hoy Md. Jakoba.
Misy fomba roa andraisan'ny besinimaro an'io teny io :
1- Manao izay asa heveriny fa mety dia mivavaka dia "mino" fa ho OK io raha sitrapon' Andriamanitra.
2- Mino izy fa ity ataony ity no sitrapon' Andriamanitra ka tanterahiny, na inon-kidona na inon-kiantra dia tsy hihemotra izy fa io no ataony.
89. rzakarivola ( 19/08/2009 11:52)
ari.malala:

te hteny v nareo hoe nareo iany no tena miresaka @ Atra?
aoka marina e! aiza ila fahaizana manetry tena hoa! io anie ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitr'olombelona e! Izy mahita ny ao @ mangingina no aoka hamaly anao @ asanao fa aza enao no midera tena lava eto @ forum eto.

==> Izao no manaporofo fa teny miteny @ olon-drehetra Andriamanitra. Ary Jesoa Kristy no tenin' Andriamanitra.
90. rzakarivola ( 19/08/2009 12:02)
rakapy:

Sao dia film no hitanao dia noheverinao fa marina???/ :-D :-D :-D aoka marina sao dia mamafy lainga e!

==> Teto @ forum koa nahitako mitovy tanteraka @ zany!
91. rzakarivola ( 19/08/2009 12:08)
fahamarinana:

Tsy dia hoe ilay fijoroana vavolombelona no olana r'ise (za tsy tahaka any Ika an ,mbola ise no ampiasaiko fa efa nahazatra sy tsy hitako izay maharatsy azy ),amiko aloha ...

==> Samy hafa tokoa ianareo sy Ikaretsaka, ny iray mangatsiaka, ny iray matimaty. Fijeriko iny fa raha diso dia aoka hiverina amiko, hanameloka ahy. Ity fijeriko anakiray ity kosa dia azoko antoka ny fahamarinany : fa Kristy maty noho ny heloka rehetra! Nalatsa-drà ho fanadiovana ny loto rehetra! Nitsangana velona mba ho porofo @ izao tontolo izao fa marina ireo roa voalohany, ary izany no inoako. "Ny teninao no hanamarinana anao"


fahamarinana:

,satria tsara sy ankasitrahako fa misy androny monja mila moderer-na kely dia tsy mampaninona ny miverina amin'iny amin'ny fotoanany sy ny androny !Azon'ny razaka ve ? :wink:
Kay manina any prime tokoa za ry reto zany !Amin'ilay fotoana tahaka izao dia mahatsiaro manokana ilay namantsika iray iny aho ! :( (l)

==> Tsy azoko ilay "manina an'i prime" mipetraka eto @ity dinika ity sy @izao fotoana izao. Efa voateny aho tany am-piangonana nanao fijoroana vavolombelona t@ fotoana ts eken'ny olona. "Ny fitiavana tsy manaonao foana". Raha voarara ny témoignage eto @ity forum ity dia vonona aho tsy hanao izany.
92. rzakarivola ( 19/08/2009 12:26)
[quote=rakapy]
[quote=rzakarivola]"Indro avy toy ny mpangalatra aho, sambatra izay mitandrina ny fitafiany mba tsy hiseho ny fahamenarany ... ao @ WC

Dia ahoana no hitandremana mba tsy hisehoan'ny fahamenarana nefa ny olombelona dia mila mandro sy mivoaka nefa izy ho avy toy ny mpangalatra??? misy lojika tsy mitombina ao.

==>
1- Ny olombelona mahatsiaro mavesatra, satria misy @izay haniny tsy levona fa tonga faikany sy loto ka mila ariana, izany no handehanana any @ WC. Ny teny sy fampianarana izay inoan'ny olona koa dia misy tsy mitondra soa ho an'ny fanahiny fa loto manavesatra ny fony, ary ireny dia mila toerana anariana azy. Ny Malagasy moa niantso an'izany loto izany hoe "tsiny". Ny Filazantsara dia fanambarana @ olona mahatsiaro vesaran'ny tsiny ny toerana azo antoka hametrahana ny tsiny.

2- Inona no fahamenaran'ny olona? Taloha noheveriko fa ny mahavehivavy na ny maha lehilahy no fahamenaran'ny olona, na ny nono. Marina ihany fa mahamenatra ireny ho an'ny olona sasany, fa ankehitriny aza raha azo atao dia miha betsaka no te hampidera an'izany. Fa ny zavatra iray mahamenatra ny olona kokoa dia ny loto ka mahatonga azy hidio. Tsy mila ampahafantariko anao akory fa raha mandeha amin'ny toerana iray ivondronan'ny olona maro madio ianao, kanefa ianao maloto, dia menatra ianao. Ny loto no fahamenarana. Tahaka izany ny fanahy, ny fahotana dia loton'ny fanahy mahamenatra, ary na dia tsy menatra noho ny fahotany aza ny olona ankehitriny, ho avy ny andro, hiseho eo anatrehan'ireo olona marobe voadio izy noho ny loton'ny fanahiny. Izany no ampitandreman'i Jesoa hoe "fandrao hiseho ny fahamenaranareo"!

Tsy ny fahalotoan'ny nofonao akory no hahamenatra anao rehefa tonga i Jesoa, fa na ny nofonao aza ho levona, fa ny fahalotoan'ny fanahinao, ary izany no itoriana amin'ny olombelona rehetra an'i Jesoa izay nandatsaka ny ràny ho fanadiovana ny fanahy. Ilay hafatra itsy kosa dia miantefa amin'ireo izay efa nandray (nino), mba hiambina sao dia very ny finoany.
93. rzakarivola ( 19/08/2009 12:33)
fahamarinana:

:arrow: zany hoe ahazo hozona koa ve zany za r'ise ? Sa inona no hifandraisany amin'ilay za mihomehy sy io voalazan'ise io sy ilay tantara !

==> Raha toa ka ihomehezanao ny olona navotan' Andriamanitra, satria mamon'ny divain'ny fahalalana be loatra, hany ka miseho ny fahamenarany, dia tsy misy hafa amin'ilay zanak'i Noah faralahy ianao. Raha toa kosa ianao manao tahaka an'ireo zokiny, dia soa ny ataonao, fa mahavonjy ny hafa @ afo ianao.


fahamarinana:

Za oah tsa tia kitantara sy fanoharana lasa mibilioka any amin'ny tsy haiko any !Ny antony ? Satria lasa miala amin'ny heviny ny Teniny, lasa manao fandikana vilana isika Olombelona ! Izay voalaza anaty Baiboly no voizina fa tsy avadika tel portable na tantaram-pitiavana anaty boky no anaovana comparaison !

==> Inona no tianao tenenina @le hoe "voizina"? Nahoana i Jesoa no nampiasa fanoharana hilazany zavatra tamin'ny vahoaka? Ary ahoana sy oviana no fomba nahazoan'ny mpianatra ny fanoharana?


fahamarinana:

Fanazavana misimisy koakoa hoe rzaka !!...Na ampiana tsimpona aza tsy olana an ! :) (l)

==> Indro aho nanome fanazavana misimisy kokoa. Kanefa tsy izaho no Mpanazava, fa ny Fanahy Masina. Aoka Izy hanazava aminao ny marina rehetra, ary raha tenin'i Jesoa no nambarako, dia Izy koa no hampahatsiaro anao izay nolazaina rehetra.
94. rzakarivola ( 19/08/2009 12:39)
fidinirina:

Andriamanitra tsy hamela heloka ny devoly na oviana na oviana
ari.malala:
efa niresaka anizany nga nareo?

efa tena niresaka tokoa izahay ary ambarany mazava tsara ao bokin'ny Apokalypsy ny hanjo ny devoly @ andro farany.

==> Matetika tsy azon'ny olona ry Fidinirina fa ny teny hoe "devoly" anie ka midika hoe "mpanendrikendrika, mpiampanga". Ary ny Apostoly Paoly nilaza fa "ao @ KRISTY tsy misy fanamelohana", izany hoe tsy misy mpanameloka (mpanendrikendrika sy mpiampanga) ary tsy misy voaheloka. Ka raha misy fanahy mpanendrikendrika na mpiampanga, raha tonga ao @ Kristy izy dia ny natiorany mihitsy no efa miala aminy izany.
Sarotra ho an'ny olona mandrakariva ny manaiky fa Andriamanitra miresaka @ olombelona tsirairay avy (tahaka ilay nazavainao tatsy @ lohahevitra "zanak'Andriamanitra"), @ alalan'i Jesosy, ka matetika dia lavin'izy ireo ny tenin'ny fahamarinana ambara. Inona moa no azo atao rehefa mandà izy ireo fa isika tahaka an'ilay nifidy sy nanendry antsika, "tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka antsika", dia ny sitrapoNy.
95. rzakarivola ( 19/08/2009 12:42)
rakapy:

Mba mahagaga ahy mihintsy anie ity fahaizanareo ity e! io izao voatantaranao @ antsipirihiny ny tantaran'i Noah mamo? nefa efa taon-jati firy talohan'ny niavian'i jesosy. Nefa rehefa anotaniana ianareo hoe taiza i jesosy t@ fialany sakana sy fahatanorany dia tsy misy mahalala.

==> Efa natoroko anao fa ao @ [Lioka 2] misy manambara an'izany, fa rehefa tsy hino ianao, tsy misy azoko atao. Tsy manana hery hanohitra ny fahamarinana aho.
96. rzakarivola ( 19/08/2009 12:46)
ari.malala:

Aza miteniteny foana hoa! tadiavinao hanozona an Faha kou Andriamanitra?

==> Sady tsy azoko didiana Andriamanitra no tsy misy tombontsoako ny hahazoan'i Faha ozona. Fifaliana ho ahy aza raha voatahy @ lafiny rehetra izy, ary ambony indrindra ny fanahiny.


ari.malala:

sa enao no hanozona azy satria memezanay telo dah ny hadalanao?

==> "Ny fahendren' Andriamanitra hadalana @ olombelona". Fa ny filazantsara dia fahatafintohinana @ jiosy, fahadalana @ jentilisa, fa herin' Andriamanitra hamonjena ny mino.


ari.malala:

sa zay sy ika no tadiavinao hisy hanozona sa enao mints kou no hanozona anay? tsary mandaitra toy ny blabla amboletranao ian ramose a!

==> Rehefa tsy mandaitra dia tsy misy tokony hahataitra anao @izany.
97. rzakarivola ( 19/08/2009 12:51)
rakapy:
telephoneo A/tra fa izy no mahalala azy.


fidinirina:
...izaho efa nampahafantarin'ny Tompo : fa ny fiafaran'izao tontolo izao dia ho avy Jesoa kristy haka izay nino azy ary hamerina ny fanjakan'Andrimanitra.
Ny devoly sy ny forongoniny ho any @ farihy mirehitr'afo sns. Mba vakio ny baiboly fa voasoratra ao nge izany fa tsy foroniko akory e!

==> Indro fa noporofoin'i Fidirina fa nitelefaonina an' Andriamanitra izy. Iriako i rakapy mba hanao toy izany koa, dia hi-confirmer na i défirmer na marina izay nambaran'i Fidinirina na tsia. Tandremo diso numéro! Tandremo low bat! Tandremo tsisy crédit! Manana ilay téléphone ve aloha ianao ?
98. rzakarivola ( 19/08/2009 12:54)
ari.malala:

eny e, efa voalaza hoe zay no hiafarany, fa nyandro, fantatrao? sa enao le Andriamanitra mahalala anizany? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ataoko ity hoe na ny Zanaka aza ts mahalala izay andro hiavian'izany rehetra izany? :-D :-D :-D :-D :-D

==> Tsy fantatra ny andro sy ora, fa fantatra kosa ny famantarana mialoha ... ary ambonin'izany rehetra izany, efa niteny Izy hoe "miambena, fa tsy fantatrareo ...". Ireo virjiny folo no tantara tonga ao an-tsaiko, dia ireo samy nahazo ny tenin' Andriamanitra fanilon'ny tongotra sy fanazavana ny lalana. Samy sondrian-tory t@ izay nisy azy. Saingy ny dimy hendry nitahiry finoana, ny adala tsy nitahiry.
99. rzakarivola ( 19/08/2009 12:57)
rakapy:

Ilay baibolinao aloha dia tsy hinoako ny voalaza ao e!
Dia aleo ho hitantsika eo izany voalaza ao izany.

==> Na tsy inoanao aza ny Baiboly, afaka miteny aminao @ izay inoanao Andriamanitra, tahaka izay ambarany ao @ Baiboly. Satria i Jesosy no tenin' Andriamanitra velona. Ary izaho mino sy resy lahatra fa miteny aminao isanandro isanandro. Fa raha tsy mino kosa @ fanahy sy ny fahamarinana ianao izay ambaranao fa finoanao, tsy handre mihitsy ianao.
100. rzakarivola ( 19/08/2009 13:19)
fahamarinana:
raha handeha any am-piangonana aho dia miomana ara-panahy 1er indrindra

:arrow: Notsiphiko sy nataoko GRAS mba ho hitan'ise mazava fa io no primordial amiko mihoatra ny zava-drehetra !Tandremo marô io kitsipona io fa diniho aloha ilay voalazako !
==> Tena nandinika aho, fa izay tokoa no mampiseho fa raha tsy fanazavana avy aminao tompon'ny hafatra, dia mety ho diso ny fandinihako ka diso hevitra ny @ hafatrao aho.
Nikarakara manifestation izahay indray mandeha, d rehefa natao ny clôture dia nisy moa ilay fandraisana fitenenana ireny, dia bedy izahay fa izay manan-kaja indrindra no nampandraisinay fitenenana voalohany. Tsisy ifandraisany fa izay no nandraisako ilay hoe "1er". Rehefa manao mariazy na fandraisana na batisa/batemy na zvt ny olona dia manao fanompoam-pivavahana aloha voalohany indrindra (eny, na famadihana sns aza), avy eo dia mandany ny fifaliany sy ny zavatra atao rehetra ho an'ny tenany sy ny fahafinaretany amin'izay.
Izaho akory tsy milaza hoe izay ny ataon'i Fahamarinana an! Fa hoy aho hoe, izay no nandraisako ilay "1er indrindra", ary ianao eo no manambara fa diso aho, ka aoka ary hiverina amiko ny ahy.


fahamarinana:

:arrow: Tsy i Jesoa no tsy tafiditra tamiko ... ,tsy ilay Tenin'ny Soratra Masina ihany koa, tena mangetaheta Azy hany aho e !!! Fa ilay karazan'izao ataon'ise zao !

==> Izaho tsy mampiditra fomba fitoriana ka, samy nomena fanomezam-pahasoavana ny tsirairay, nisy ny "petera", nisy ny "zana-baratra". Ohatra ny mampahalasa saina ahy ilay hoe "raha varatra izy, izaho koa vatolampy ampy handihizany". Ny mampiseho fa manana an'i KRISTY isika, dia ny fitiavantsika ireo zanak' Andriamanitra.


fahamarinana:
Ataoko angamba fa ny iraisantsika sy ny maro MPINO eto dia ny handraisan'ireo namantsika any Jesoa ,ary indrindra indrindra mba hametrahana fanontaniana ao anatin'ny tsirairay !

==> afaka hazavain'i Fahamarinana ve ilay "hametrahana fanontaniana ao anatin'ny tsirairay"


fahamarinana:

:arrow: ehe !! Dia hajaiko ny hevitr'ise fa ajanoko hatreo ny ahy aloha an !

==> Eny, hevitro iny. Aleo ny hevitr' Andriamanitra no hiseho fa tsy ny ahy. "dia ny hitondra fiadanana fa tsy loza". Ary aiza moa ny fiadanana ? Tsy @ fijalian'i Jesoa milanja entam-pahotana mavesatra rehetra? Tsy @ ràn'i Jesoa Kristy manadio ny fahotana rehetra?
Manahy aho fa maro ireo kristiana miroso manakaiky ny fanjakàn'ny lanitra (fa tsy miditra ao anatiny). Miezaka ny hadio am-po izy ireo satria hihaona amin' Andriamanitra, dia lasa manadino fa Andriamanitra ilay hihaonana no manadio. Mampalahelo ny fiheveran'ny olona maro fa raha tsy efa mba madiodio sy hendrihendry aloha tsy hivavaka satria tsy mendrika. Enga anie tsy ho lasa théorie fotsiny ny "famindram-po" fa tena hiainan'ny mpino tahaka antsika, ary ho tonga amin'ireo tsy mpino. Eny e, tsy izaho no Mpamonjy fa ny Tompo, tsy izaho no Mpanadio fa Jesosy, asaNy izany fa tsy ahy. Aoka aho tsy hanahy.


fahamarinana:

Faranako eto ny anjarako fa be angamba izay !Misaotra any Tompo noho izao rehetra izao,Misaotra ny rehetra nitondra fanazavana,Misaotra ny Mpanokatra dinika ihany koa ,nisy azoko noraisina be dia be !!
Am-pitiavana hatrany e !! :-* (l)

==> Misaotra an' Andriamanitra aho fa nampitombo ahy ny tsikera sy fanamarihana ary fampaherezana rehetra teto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.6656