La Bible et le téléphone portable

41. ikaretsaka ( 11/08/2009 15:02)
tsy azo koa ny fanodinan ireto sekta voanjo alika ireto ity raha ity ka
42. rakapy ( 12/08/2009 10:50)
hoy i Fidinirina

Fa maninona moa no « interpréter-na négatif » foana lay izy e !
Sarotra be mihitsy ve ny mandray azy amin’ny heviny tokony ahasoa.

Ny hevitra tiana zaraina nge hoe : RAHA mba ny baiboly tokoa moa no ataon’ny olona tahaka ny finday ka ampiasainy sy jereny isaky ny mahatsiaro eo amin’ny fiainany andavan’andro


Indraindray mantsy ny olona sasany dia tsy maintsy tairina @ negatif vao mahafantatra ny mety sy ny tsy mety.

Raha ny baiboly ve no irinao mba ho toy ny finday ,tsy hidika ve izany fa hoe VONOY NY HASINY ???
Asa na mba tsikaritrao fa arakaraka ny maha mora sy maha maro ny zavatra iray eto ambonin'ny tany no mampiehena ny lanjany sy hasiny???
Jereo kely fotsiny ny gazety na ireny boky kely sy depliants zarain'ny mpitory teny an-tsena ireny. Aiza kay no fihafaran'izy ireny???
===> Finday angabone.

43. rzakarivola ( 12/08/2009 11:47)
ari.malala:

Solomona :: Prince de la paix
Indray andro t@ mbola tsy nisy taxibe fa le bus be ireny, Ar 10 ny saran-dalana. Ilay resevera moa zatovo ary dia manao fitenin-jatovo. Nanolotra ny saran-dalany ny lehilahy efa zokinjokiny iray, ary notoloran'ilay resevera fameriny Ar 10. Gaga izy satria tonga dia marina ny saran-dalana nomeny fa tsy nila namerenana, nefa noraisiny ihany ilay Ar 10. Rehefa nandeha kelikely izy vao tonga saina ilay mpitaky saran-dalana fa kay olon-kafa no tokony nomena ilay famerimbola, nitodika tany @ingahy izy ary nivazavaza hoe "Aza kendainao ny zaza rabaina ah!". Tsy azon'ilay rangahy fa kay ny tian'ilay resevera nambara dia hoe "avereno ilay Ar 10 ry dada ah".
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D iin no idiran'io resak io @ lohahevitra? :-D :-D :-D :-D :-D :-D

==> Hoe rehefa tsy mitovy ny langage d tsy mifankahazo ny resaka na dia mitovy aza ny teny(mots) ampiasaina. Mila mitovy langage amin' Andriamanitra vao hahatakatra ny hevitr' Andriamanitra. Izay mandalina mety hahatakatra ny hevitry ny teny, fa izay mino an'i Jesoa kosa mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra.
44. rzakarivola ( 12/08/2009 11:49)
niryna:
. Ny marina dia mandratra ka hialaoko tsiny

==> Marina ny tenin'i Nirina. Azafady @izay mahatsiaro voaratra @ teniko, fa tsy afaka hodiako tsy hita izay tena tsapako.
45. rzakarivola ( 12/08/2009 12:06)
niryna:

^:^ ^:^ ary izay mangetaheta ny teniny ihany koa no omeny izany

==> Tena marina izany niryna, hoy Jesosy hoe "Izay manatona ahy tsy mba hangetaheta intsony"

niryna:

Nanatra foana izy fa aza manamafy ny fonareo.Nisy nizara teto hoe natao ho an'izy mangetaheta ny teniny fa izy manamafy ny fony kosa dia vao maika ho hamafisin'Atra ny fony satria manan-tsofina kanefa tsy maheno, mana-maso kanefa tsy mahita. Fanoharana foana no nataon'i kristy mba ho fantatr'izay mino azy. Indraindray mampalahelo fa na izy aza miteny hoe hamafisina ny fon'izy manamafy ny fony amin'ny tenin'Atra .

==> Tadidiko ity teninao ity, ilay tenin'i Kristy hoe
"10 Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.

11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;

12 "mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony"(Isa.6.9.10).
"


niryna:

MIsaotra an'i fidinirina fa na inona na inona mahazo antsika ka miantso azy sy mino azy tokoa isika dia ho henoiny ny antsontsika

==> Hoy Jesosy "Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany, ary izay manatona ahy tsy mba holaviko mihitsy"

niryna:

Afaka mampahery antsika ny tenin'Atra, manome fiadanana na inona na inona mahazo antsika amin'ny fiainana ka mino ny teniny isika dia tsy anahy tokoa satria hoy izy hoe tsy amela anareo ho irery aho.

==> Tena izany tokoa no ambaraNy, iombonako hevitra. Izy (Jesosy) no tenin' Andriamanirta velona.
46. rzakarivola ( 12/08/2009 12:12)
ni81:

tsy azoko ny tian'i ni tenenina mba valio kely raha tsy manahirana raha tsy afaka mamaly moa dia tsy maninona koa
"ni" iza no anontanian'i niryna? i faha no niresaka teo aloha teo mantsy. Sa sao dia izaho koa no diso famaky! :lol:

==> Nihomehy irery aho nahita anle soratra. Fa tsy i rijadolly ve le niteny tsy azon'i Niryna teo? Sao d mba toy izany no anaovan'ny olona ny Baiboly ka tsy hainy intsony izay tenin' Andriamanitra sy tenin'olombelona sy ny hafa ?
47. rzakarivola ( 12/08/2009 12:14)
rakapy:

Dia soratana eny @ plafond sy ny rindrin'ny kabone koa dia @zay hay tsianjery tsara mihintsy. Malalaka be ny vavahadin'ny lanitra :-D :-D :-D

==> Ny varavaran'ny lanitra anie rakapy midanadana e! Mbola tsy novakianao ilay tenin'i Jesosy hoe "Efa eto aminareo ny fanjakàn' Andriamanitra", "mibebaha fa akaiky ny fanjakàn'ny lanitra". Ny olona sisa no andrasana sy taomina hiditra ao anatiny.
48. ari.malala ( 12/08/2009 12:17)
:-D :-D :-D te hteny v nareo hoe nareo iany no tena miresaka @ Atra?=)) =)) =)) =)) aoka marina e! aiza ila fahaizana manetry tena hoa! io anie ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitr'olombelona e! Izy mahita ny ao @ mangingina no aoka hamaly anao @ asanao fa aza enao no midera tena lava eto @ forum eto.
49. rzakarivola ( 12/08/2009 12:18)
ikaretsaka:

Izany ve letsy ko raha tsy rapiera aza rehefa ery @ varavaran lanitra tsy ho leo rehefa miala any ny pli vava

Za mo practical be ity fa mba hahamora ny fahazoana ilay tiako ambara hoe tsy mahavita azy ny pli vava andramo ange hoe sakanan'ny zandarma enao dia code de la route atao pli vava e.... de jereo ny fihetsik'ilay zandarma karaha zany izy io

==> Tsara ity fanoharanao ity.
Misy karazan'olona anakitelo :
1- Mahafantatra ny code ary manatanteraka
2- Mahafantatra ny code fa tsy manatanteraka
3- Tsy mahafantatra mihitsy akory ny code ... na mahafantatra ihany saingy tsy tiany ilay code fa ny azy ihany no ataony ho code.

Raha i Rapiera no zandarma ao @ fanjakàn'ny lanitra ... inona no code mila pratiquer-na ?
50. rzakarivola ( 12/08/2009 12:27)
rakapy:

ALLO, ALLO , JESOSY? MAHENO VE? ALLO. ALLO? tsss..... lany credit angamba i lery.

==> Nooooon ... diso num enao, ts Jesosy le nantsoinao, sady enao no miantso ko maninn no i Jesosy no lazainao lany crédit ? Izy manana crédit be dabe ary miantso anao foana foana ("Indro izaho mitsangana eo am-baravarana ka mandondona, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy"). Miantso anao foana Izy fa enao no tsy mandray ny antsoNy. Tsy Jesosy no tsy maheo fa ianao! Jesosy maheno tsara ny resakao ary mamaly ny fanontanianao rehetra, ary raha misy réseau enao, raha tsy low bat, d mandre ny feoNy. Tsaroako ny fotoan voalohany nandrenesako Azy.
51. ni81 ( 12/08/2009 12:42)
Nihomehy irery aho nahita anle soratra. Fa tsy i rijadolly ve le niteny tsy azon'i Niryna teo? Sao d mba toy izany no anaovan'ny olona ny Baiboly ka tsy hainy intsony izay tenin' Andriamanitra sy tenin'olombelona sy ny hafa ?
:D
52. rzakarivola ( 12/08/2009 12:44)
Ilo:

(l)(l)(l)"Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina." Josoa 1:8 (l)(l)(l)

==> Dia ny lalàn'i Mosesy, ilay nirahin' Andriamanitra hanafaka ny zanak'Israely.

Ilo:

(l)(l)(l)"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny Teninao " Sal 119:105 (l)(l)(l)
==> Jesoa Kristy no tenin' Andriamanitra velona.

[quote=Ilo]
Mila malina koa isika fa be ny mamitaka sy ny manome fampianaran-diso, ny devoly fahavalontsika koa mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany... Soa fa manana ny Fanahy Masina isika manazava sy mananatra antsika ary Kristy ao anatintsika.
:D

==> "Ny devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany."
"Nefa izao no nahatongavan'ny zanak' Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly"
53. rzakarivola ( 12/08/2009 12:57)
ari.malala:

hehehe fidinirina, d azavao aza hoe in no tiany ambara @ le hoe ambara @ fanoharana fandrao mibebaka izy ka havela ny helony :P nga ndray mou ts hoe tonga mba hamonjy ny very?

==> Ity misy tantara mety ahazoana izany : Nisy fotoana nanaovana konferansy (fitoriana filazantsara) tamina toerana iray tao Eoropa, nasaina ny olona hanatrika io konferansy io, ary be tanora. Nisy tanora iray tonga nanatrika, tsy mpino izy akory fa mba tonga tao. Rehefa vita ny konferansa dia niteny izy hoe "mbola ho avy aho rahampitso" (avec enthousiasme). Ny ampitso izy tsy nipoitra. Naleha tany an-tranony dia izao no navaliny : "tsy ho any intsony aho, fa raha mbola mankany aho dia matahotra ny hino". Izay mino no voavela heloka, tsy Andriamanitra no tsy te hamela ny helony, fa izy no tsy te (matahotra) ho voavela heloka.
54. fidinirina ( 12/08/2009 13:09)
hehehe fidinirina, d azavao aza hoe in no tiany ambara @ le hoe ambara @ fanoharana fandrao mibebaka izy ka havela ny helony nga ndray mou ts hoe tonga mba hamonjy ny very?

Ity ndray ny fanazavana hafa.
Tena mahavariana ahy fa mbola betsaka ny zavatra tsy azontsika ao anaty baiboly ao kay.
Ny devoly no tsy azo vonjena satria ratsy izy ny asany fa ny olona kosa mila mpamonjy mba tsy ho very tokoa izy.

Io fanontanianao io dia natao indrindra ho an’izay efa kristiana ka ampitandremana.
Koa sao sanatria ny devoly ndray no hibebaka tampoka alohantsika kristiana (na izay mahafantatra an’i Kristy) dia aleon’Andriamanitra mandray fanoharana mba tsy ahatakaran’ny devoly ny zava-miafina ny @ fanjakan’Andriamanitra.
Fa ho an’ny kristianina, ny tantara rehetra sy ny fanoharana ao amin’ny baiboly dia manambara ny sitrapon’Andriamanitra ary ny fanahy masina no manampy @ fahalalàna izay voasoratra.
Ohatra : raha niteny Andriamanitra hoe «na dia kely tahaka ny voan-tsinampy aza ny finoanareo». Raha devoly no mandray an’io dia mety ho raisiny fotsiny hoe ny finoana aza lazain-dry zareo voan-javatra fa raha kristianina ianao dia mahalala ny hevitra lalina fonosin’izany teny izany.

Faharoa : Andriamanitra tsy hamela heloka ny devoly na oviana na oviana fa saingy raha misy olona, na dia nanao ratsy aza (sady ny olona mihitsy koa no tsy misy marina na dia iray aza), voagejan’ny devoly, ka tena mibebaka @ fony torotoro sy mibebaka marina tokoa ary vonona hiala @ ratsy fanaony dia hihaino azy any an-danitra ny Tompo ary hamela ny helony.

Izany no mahatonga io fanoharana io mba ampahatonga saina antsika (fandrao...) saingy tsy hisy devoly hibebaka izany.
55. rzakarivola ( 12/08/2009 13:30)
rakapy:
Indraindray mantsy ny olona sasany dia tsy maintsy tairina @ negatif vao mahafantatra ny mety sy ny tsy mety.

==> Marina izany, ary ilay négatif eto (sary porno ao anaty baiboly) nefa tsy hoe fampiesonana fa tena zavatra possible mihitsy hitranga. Efa nisy nanao hono ohatra hoe tantaran\'i Jesoa fa erotique.
Tahaka izany no itenenan\' Andriamanitra ny afobe, négatif izany, ary tsy fampiesonana fa mety hitranga ... fa ampahafantarin\' Andriamanitra dieny mialoha ny olona ahitany ny mety sy ny tsy mety.

rakapy:

Raha ny baiboly ve no irinao mba ho toy ny finday ,tsy hidika ve izany fa hoe VONOY NY HASINY ???
Asa na mba tsikaritrao fa arakaraka ny maha mora sy maha maro ny zavatra iray eto ambonin\'ny tany no mampiehena ny lanjany sy hasiny???
Jereo kely fotsiny ny gazety na ireny boky kely sy depliants zarain\'ny mpitory teny an-tsena ireny. Aiza kay no fihafaran\'izy ireny???
===> Finday angabone.

==> Mety samy manana ny antsoiny hoe hasina sy masina ny tsirairay. Ny Baiboly koa milaza ny atao hoe masina.
I Jesosy milaza fa ny fahamarinana, dia ny tenin\' Andriamanitra, no manamasina.
Ny Baiboly dia mitantara an\'i Jesosy izay tonga teto an-tany mba hilanja ny mavesatry ny olona, milaza ny nandatsahana ny ràn\'i Jesoa mba ho fanadiovana ny loto rehetra.
Koa ataoko fa tsy mahavery hasina velively ny Baiboly ny ahitana andinin-tSoratra Masina ao @ trano fivoahana na trano fidiovana.
56. fahamarinana ( 12/08/2009 13:42)
fidinirina:
Koa ataoko fa tsy mahavery hasina velively ny Baiboly ny ahitana andinin-tSoratra Masina ao @ trano fivoahana na trano fidiovana.

:arrow: Kay ! Tena lalina koa iny !....Tsy hety amiko mihintsy aloha zany an ,na mahavery na tsy mahavery hasina ,hihinan-kanina aza tsy ho ataoko ao amin'ny trano fivoahana dia ny Tenin'ny Soratra Masina koa ve ho apetrako ao ? :roll:
Eny e,ity fanoharana sy fitadiavana fomba hafa ampidirana ny Baiboly sy Finoana ity koa no lasa mampanaonao foana kah ! Lasa lalina sy lavitra loatra izy zany ! Amiko monja izay nefa an ! :?
Azavaiko farany : misy mba azo heverina kosa angamba na tsy mahavery hasina na tsia e,ohatrany sanatria ny hanao amboletra ilay Fitoriana no tanjona ,peu importe le moyen ! humm !! aereno amiko raha mahatafitohina an ! :cry: (l)
57. rakapy ( 12/08/2009 14:08)
Hoy i rzakarivola
Koa ataoko fa tsy mahavery hasina velively ny Baiboly ny ahitana andinin-tSoratra Masina ao @ trano fivoahana na trano fidiovana.
:-D :-D :-D :-D
58. ari.malala ( 12/08/2009 14:13)
Andriamanitra tsy hamela heloka ny devoly na oviana na oviana
efa niresaka anizany nga nareo? :-P

,hihinan-kanina aza tsy ho ataoko ao amin'ny trano fivoahana dia ny Tenin'ny Soratra Masina koa ve ho apetrako ao ?
=D =D =D zany ka oul censée! mba misaina fa raha oul miseho mpitory teny no ts ho tohina mahita baiboly any ankabone finoana efa mivaona sy fitoriana poakaty nenao!!!

,ohatrany sanatria ny hanao amboletra ilay Fitoriana no tanjona ,peu importe le moyen
exactement izay lay cas mitranga eto am ty forum ity! otran'ny hoe refa tsy ny andry zareo no ekena d manohitra e, devoly e! in kou... pffffffff
59. rzakarivola ( 12/08/2009 14:15)
Fahamarinana >>> Azafady raha nahatafintohina anao ny teniko.
Ny tenin' Andriamanitra anie tsy ampidirina ao am-bava fa ao am-po e!
Tsy haiko raha efa nisy fotoana ianao sendra poritra mafy iny kanefa dia tsy nahita trano fivoahana ... na koa hoe nisy fotoana nandeha nilasy na nanao colonie kely d ts nahita toeram-pidiovana mihitsy. @ ireny fotoana ireny dia tokony tsapa tokoa fa ny farahidiny indrindra no nilaina. Fa na ny hihinan-kanina az tsy vitanao akory rehefa enao no poritra.

Amboletra ny fitoriana ve ?
Indray mandeha tany Inde nisy olona mpitory ny filazantsara, nanome filazantsara kely lehilahy anakiray efa leo nitoriana filazantsara tao ambony rihana, tezitra ilehio ka norovidrovitiny ilay filazantsara ary nariany tany @ varavaran-kely ... Nisy ravina iray tafiditra tao anaty lamasinina izay nandalo teo indrindra tamin'io fotoana io. Tonga teo ambony fen'ny olona anakiray io ravina io, izay nahitany hoe "mankanesa ety amiko, fa izaho hanome anareo ny fitsaharana". Io olona io dia olona nitady fitsaharan'ny fanahiny tokoa, ary nikaroka izany t@ karaazm-pivavahana sy finoana, nefa tsy nahita. Rehefa nahita izany teny izany izy dia nanontany ny olona tao anaty fiaran-dalamby hoe inona io taratasy hitany io, nisy niteny taminy hoe "filazantsaran'ny kristiana io, nefa zavatra raty ireny fa aza mikaroka". Tsy tohan'ny olona anefa ilay nangetaheta ny fiadanana fa nataony izay nitadiavana filazan-tsara sy kristiana ... Ary dia nandray ny famonjena izy.
Itaomako ireo rahalahy sy anabaviko, aza kivy akory mitory an'i Kristy, fa @ hakelin'ny herintsika no hisehoan'ny fahalehibeazan' Andriamanitra.
60. rakapy ( 12/08/2009 14:22)
Hoy i rzakarivola
ndray mandeha tany Inde nisy olona mpitory ny filazantsara, nanome filazantsara kely lehilahy anakiray efa leo nitoriana filazantsara tao ambony rihana, tezitra ilehio ka norovidrovitiny ilay filazantsara ary nariany tany @ varavaran-kely ... Nisy ravina iray tafiditra tao anaty lamasinina izay nandalo teo indrindra tamin'io fotoana io. Tonga teo ambony fen'ny olona anakiray io ravina io, izay nahitany hoe "mankanesa ety amiko, fa izaho hanome anareo ny fitsaharana". Io olona io dia olona nitady fitsaharan'ny fanahiny tokoa, ary nikaroka izany t@ karaazm-pivavahana sy finoana, nefa tsy nahita. Rehefa nahita izany teny izany izy dia nanontany ny olona tao anaty fiaran-dalamby hoe inona io taratasy hitany io, nisy niteny taminy hoe "filazantsaran'ny kristiana io, nefa zavatra raty ireny fa aza mikaroka". Tsy tohan'ny olona anefa ilay nangetaheta ny fiadanana fa nataony izay nitadiavana filazan-tsara sy kristiana ... Ary dia nandray ny famonjena izy.
Itaomako ireo rahalahy sy anabaviko, aza kivy akory mitory an'i Kristy, fa @ hakelin'ny herintsika no hisehoan'ny fahalehibeazan' Andriamanitra

Ohatra n'izao tantara noforina izao no niandohan'ny baiboly. Imagination no tena mitondra azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549