La Bible et le téléphone portable

101. rzakarivola ( 19/08/2009 13:24)
ari.malala:
Ts sasatra hoa za miteny an'ireo tia teniteny ny fiainan'oul sy finoan'oul io!! ts nareo no afaka hahalala izay relation intime entre Atra sy oul 1 fa anazy zany! Ts ilaina mints ny mitsara à l'apparence fa mamitaka izany ary manafintohina mints koa aza raha ny tena marina.

==> Marina izany, ary ny tenin'i Jesoa Kristy mihitsy no mitaona ahy handinika ny fiainako (ny andry eo anoloako), tsy hitsara ny hafa (fa araka izay itsaràko ny hafa no hitsaràna ahy koa). Ary tsapako matetika fa izay zavatra itenenako ny olona, zah kay manao an'iny mihitsy.
102. fahamarinana ( 19/08/2009 13:41)
rzaka:
Nahoana i Jesoa no nampiasa fanoharana hilazany zavatra tamin'ny vahoaka? Ary ahoana sy oviana no fomba nahazoan'ny mpianatra ny fanoharana

:arrow: Ka Jesoa anie zany e,tsika angaha IZY moa ? Jereo monja fa eto isika dia samy manana ny fandraisany ny Teniny ! Izay no tiko tsindrina !
Raha hitarina kely dia nanampy be koa ny miracle sns nataony sy nasehony ...(hevitro monja nefa iny ! )
fidinirina:
izaho efa nampahafantarin'ny Tompo
rzaka:
Indro fa noporofoin'i Fidirina fa nitelefaonina an' Andriamanitra izy

:arrow: Aza interpreter-na ilay raha kosa e,namaly tel ve no voalaza teo sa hoe nampahafantariny e !Io kitiatia fanoharana io foana dia lasa mivaona !Valio amin'ny tena izy fa aza amboarina ! :^)
rzaka:
Sady tsy azoko didiana Andriamanitra no tsy misy tombontsoako ny hahazoan'i Faha ozona. Fifaliana ho ahy aza raha voatahy @ lafiny rehetra izy, ary ambony indrindra ny fanahiny

:arrow: Misaotra e!...saingy ilay fomba nanehoanao azy no nanahirana ny namana ,tsy izy irery ihany angamba !Nefa tsy olana akory izany !8)
rzaka:
Rehefa tsy mandaitra dia tsy misy tokony hahataitra anao @izany.


:arrow: somary manahirana ihany ilay fomba famaly tahaka izao an,azo interptetrer-na hoe ,nanozona tokoa ianao fa tsy nandaitra satria tsy nahataitra azy ireo ! Mampieritreritra be !!
rzaka:
Tsy azoko ilay "manina an'i prime" mipetraka eto @ity dinika ity

:arrow: tsy ho an'ise akory iny fa ho an'ny namana sasany nahafantatra azy re e !!...cool !Tsy misy voarara eto knouh ,samy afaka mimpetsopetsona izay tiany ambarany tahaka ny ataoko sy ataon'ny hafa !Ny mandray moa mandray,ny tsy mandray moa tsy mandray !..
rzaka:
Samy hafa tokoa ianareo sy Ikaretsaka, ny iray mangatsiaka, ny iray matimaty. Fijeriko iny fa raha diso dia aoka hiverina amiko, hanameloka ahy

:arrow: Ny marina ry rzaka ,na ho meloka ianao na tsy ho meloka dia izao :
Tsy ny fomba fanehony olona iray ny heviny eto na ny teny hitanao etsy sy ero ho ahafahanao mitsara olona na an'eriretreritra monja aza na matimaty na mangatsiaka na mafana satria forum isika ary ahitanao karazany maro ato !
Za manokana aloha manketo dia maka lesona,maka fianarana ,mianatra manetry tena koa fa tsy ho poera na hiseho fa tena ato amiko ny Tompo !Tsy mila dradraina izany fa hita taratra foana amin'ny fomba fanehoana hevitra sy fahaizana mizara azy ,tsy amboletra sy famerenana lesona vita sy efa hay tsianjery ery indrindra heniky ny FITIAVANA ny fomba famaly sy fanoratra !!..na rakoto na rabe na rasoa na raketaka,na Faha dia voakasik'io daholo !
:arrow: Hiverenako kely ,izay no ahatsiarovako manokana any prime satria tena isan'ny olona nanokatra ny masom-panahiko sy nahatsapako izany Fitiavana ao amin'olona feno AZY izany !Fomba fijeriko manokana moa iny fa mety hafa ny fandraisan'ny namana hafa azy !Hamaliko ilay fanontanianao ery ambony fa tsy misy akory hoe hidiranao aminy fa resaka atoko amin'ny namana hfa !Angamba mazava izay o ?
rzaka:
tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka antsika", dia ny sitrapoNy

:arrow:Mahalasa saina ihany ilay "tsy maintsy ",ohatrany hoe tena misy obligation mavesatra be !Enga anie ho diso aho ! (l)
103. fahamarinana ( 19/08/2009 14:16)
rzaka:
afaka hazavain'i Fahamarinana ve ilay "hametrahana fanontaniana ao anatin'ny tsirairay

:arrow: miala tsiny fa adinoko ny namaly ity fanontanian'ise ity !Za ary efa nanao veloma nefa mbola tafaerina ndraika ! :D .
Ny tiko lazaina teo dia ny hoe mba hamantarako hoe hatraiza ny Finoako,efa mandeha amin'ny lalana tokony ho izy ve ,aiza ho aiza ny toerana misy ny tenako,ampy ve izay noraisiko,mbola betsaka ve no tokony halaliniko ...ny fahafantarako ny momba ny Finoana hafa koa : mety hanamafy ny ahy ,mety hampisy doute ny ahy !Mety koa hoe fianarako manetry tena ,na koa azo raisina hoe mba mampanosika ahy hijoro vavolombelona ,sns nsn...mety ho antony apetraky ny tsirairay ! Fianarana sy fanontaniana zany e !! Ireo antony ireo no isan'ny namporisika ahy handray anjara ato !Fa FAHA manokana izay sy mety tsy itovizany amin'ny hafa ! :) (l)
104. rzakarivola ( 21/08/2009 13:14)
fahamarinana:
:arrow: Ka Jesoa anie zany e,tsika angaha IZY moa ? Jereo monja fa eto isika dia samy manana ny fandraisany ny Teniny ! Izay no tiko tsindrina !

==> Mety hazava aminao ihany ny zavatra ataoko sy teneniko eto raha mety ianao hamaly ilay fanontaniana nipetraka.


fahamarinana:
Raha hitarina kely dia nanampy be koa ny miracle sns nataony sy nasehony ...(hevitro monja nefa iny ! )

==> Ie, voasoratra mihitsy izany ary inoako rahateo. Voasoratra koa fa ny Fariseo sy ny lohan'ny mpisorona tsy nino foana na dia nahita famantarana aza, ary tsy ireo ihany fa na ny olona betsaka aza.

fahamarinana:
Tsy misy voarara eto knouh ,samy afaka mimpetsopetsona izay tiany ambarany tahaka ny ataoko sy ataon'ny hafa !Ny mandray moa mandray,ny tsy mandray moa tsy mandray !..

==> Izaho koa miombon-kevitra amin'io. Inona no atao hoe mandrara ?


fahamarinana:
:arrow: Ny marina ry rzaka ,na ho meloka ianao na tsy ho meloka dia izao :
Tsy ... ho ahafahanao mitsara olona na an'eriretreritra monja aza na matimaty na mangatsiaka na mafana ... Za manokana aloha manketo dia maka lesona, maka fianarana, mianatra manetry tena koa fa tsy ho poera na hiseho fa tena ato amiko ny Tompo! Tsy mila dradraina izany fa hita taratra foana amin'ny fomba fanehoana hevitra sy fahaizana mizara azy, tsy amboletra sy famerenana lesona vita sy efa hay tsianjery ery indrindra heniky ny FITIAVANA ny fomba famaly sy fanoratra !!..na rakoto na rabe na rasoa na raketaka,na Faha dia voakasik'io daholo !

==> Mety misy tsy azoko ngamba ny resakao. Izaho koa izao nahazo lesona : ny tena fananana ny Tompo marina, ny fahaizana mizara Azy. Azafady koa fa tsy nolazaiko akory hoe "inona ny lazaiko hoe mangatsika sy matimaty". Tsoriko aminao ny marina, fanontaniana napetrako t@ Tompo ny hoe "ahoana no fomba fanetren-tena?", satria tsapako fa oul tena tsy mba mpanetry tena mihitsy aho. Indray andro nisy nametraka tao @ fianarana ilay fanontaniana dia izao no navalin'ilay mpampianatra hoe "vonoy ny momba ny tenanao". Te hiezaka hahay tsara an'izany aho mba ho pratikeko. Efa resy lahatra aho mantsy fa tsy misy fanompoana an' Andriamanitra vitako raha tsy manetry tena aho.
Mazava ilay resaka prime


fahamarinana:
:arrow:Mahalasa saina ihany ilay "tsy maintsy ",ohatrany hoe tena misy obligation mavesatra be !Enga anie ho diso aho ! (l)

==> Tsy haiko izay fomba ilazan'ny olona tsirairay araka ny heviny, i Jesosy dia io mihitsy no nolazaiNY "Tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka ahy isika raha mbola atoandro ny andro, fa avy ny alina ka tsy misy afaka manao na inona na inona intsony", ary ataoko fa @ maha mpino ahy, dia efa nolazaiNy hoe "izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ...".
Misy fanoharana iray ao an-tsaiko mazava be nefa tsy sitrakao ny fanoharana ka aleo tsy teneniko
105. fahamarinana ( 21/08/2009 21:48)
rzaka:
Mety hazava aminao ihany ny zavatra ataoko sy teneniko eto raha mety ianao hamaly ilay fanontaniana nipetraka.

rzaka:

afaka hazavain'i Fahamarinana ve ilay "hametrahana fanontaniana ao anatin'ny tsirairay


faha:
miala tsiny fa adinoko ny namaly ity fanontanian'ise ity !Za ary efa nanao veloma nefa mbola tafaerina ndraika ! .
Ny tiko lazaina teo dia ny hoe mba hamantarako hoe hatraiza ny Finoako,efa mandeha amin'ny lalana tokony ho izy ve ,aiza ho aiza ny toerana misy ny tenako,ampy ve izay noraisiko,mbola betsaka ve no tokony halaliniko ...ny fahafantarako ny momba ny Finoana hafa koa : mety hanamafy ny ahy ,mety hampisy doute ny ahy !Mety koa hoe fianarako manetry tena ,na koa azo raisina hoe mba mampanosika ahy hijoro vavolombelona ,sns nsn...mety ho antony apetraky ny tsirairay ! Fianarana sy fanontaniana zany e !! Ireo antony ireo no isan'ny namporisika ahy handray anjara ato !Fa FAHA manokana izay sy mety tsy itovizany amin'ny hafa !

:arrow: Tsy voavaliko ve ilay fanontaniana sa za no tsy nahay namaly fa rahatoa misy valiny efa tsara tefy sy vita any dia lazao ndrao hihitatra ilay fanontaniana sy valiny ! Ny manahirana manko ,ny anaty sainao hafa ary tsy hitovy amin'ny anaty saiko rahateo !Asa !Hilaza angaha ianao hoe ny any Jesoa no ao aminao dia tsy iadivako hevitra akory satria ny ahy ,hatreto aloha,mbola tsy afaka koa ny hihambo hoe tonga eo ny tenako !Ny raha tsy hay arô tsy hibitabitahana ,dia i Faha izay tanteraka e! :)
Izay aho vao tena lasana fa aza ametrahana fanontaniana intsony an !... :lol: (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2233