Ny andinin-tsoratra masina...

1. fidinirina ( 05/08/2009 06:07)

Nahoana moa no tsy maintsy mitsimpona andinin-tsoratra masina ao anatin’ny baiboly ?
Satria :
Any anatin’ny andinin-tsoratra masina no ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra.

Koa satria tantara ny baiboly, mitantara ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjeny ny olombelona, dia ny andinin-tsoratra masina no milaza ny fampianarana tokony ho tazonina sy ny tokony ho tandremana.
« Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » II Petera 1 :20-21

« Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana , ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. » II Timoty 3:15-17

« Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy (Jesoa Kristy).
Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana. » Jaona 5:39-40

Ny soratra masina dia :
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’ny samy olona
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’ny zava-boahary



2. ari.malala ( 05/08/2009 08:50)
De manin no tsimponona fa tsy iz ray manontolo no omena? otran'ny manome sombimofo hoan'oul ripaky ny hanoanana ian zan, sad le tsimpona d ze metimety @nao ian no raisinao tsin fa tsy iz menakavy...
3. bor2lais ( 05/08/2009 10:09)
Misaotra an'i fidinirina (miezaka hatrany) manome fanazavana !
Ary iombonako ny voalaza hatreto !

Fanampiny kely monja :
hoy i fidinirina etsy ambony

"Koa satria tantara ny baiboly, mitantara ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjeny ny olombelona, dia ny andinin-tsoratra masina no milaza ny fampianarana tokony ho tazonina sy ny tokony ho tandremana."

-> Raha atao toy ny famaky boky (tantara) tsotra ny Baiboly dia METY ho sarotra ihany no ahatakatra io voalazanao io.

Toy ny mitady làlana ao anaty ala mikitroka : mila Mpitari-dàlana mahay hitsilo. Izany no ilàna ny Fanahy Masina amin'ny famakiana ny Baiboly !

Marihina fa samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina : ny fiasaNY amiko, tsy voatery hitovy amin'ny fiasaNY amin'i fidinirina ohatra.

Farany : satria matoky fa manana Mpitari-dàlana mahay ny tena eo am-pamakiana ilay ala mikitroka dia tsy voatery tapitra tapahina daholo akory ny hazo rehetra vao ahita ny làlan-kaleha !

Sombiny kely mba tiako zaraina amintsika io ka raha tsy mety dia aveeno aty amiko ihany !

Dia mazotoa daholo !
4. tywa68 ( 05/08/2009 10:53)
Marina dhl zany hoe ilaina ny famakiana azy nefa tsy ampy satria ilay Fanahy Masina manazava azy mihitsy no tena ilaina miasa amintsika. Ka eo no samy mahatsapa sy mahita...d miseho be saina avy eo :lol:
5. fahamarinana ( 05/08/2009 17:44)
:arrow: izay indrindra no nilazako tatsy ambadika hoe toa tsy dia mety ilay fanoharana hoe mitovy amin'ny tantaram-pitiavana fa lasa misy interpretations betsaka !Asa anefa fa na ny tenako aza moa tsy mbola ampy sy feno ary tanteraka !Mba tsetsatsetsa tsy aritro monja iny e ! :) (l)
6. Ratoa ( 05/08/2009 18:32)
Ny Baiboly sasany dia misy fifintinana ny lohateny tiana ho dinihina. Ohatra: Famonjena dia misy Boky sy toko aary andininy atoro ao mba ho vakiana. Dia raha mamaky ianao dia hitanao fa tena mifandray ny voalazan'izy ireo. Mitadiava fa izay mitady marina dia ahita.
7. rijadolly ( 05/08/2009 19:16)
Misaotra bsaka fidinirina

ari-malala:
De manin no tsimponona fa tsy iz ray manontolo no omena?
ra tena mandinika kosa anie tsika ari-malala ka tsy vita io tenen'se io e! oh fotsiny zao,manolo-kevitra aho hoe Jesoa dia nite hoe ary azo akana lesona "tsy embola novakinareo angaha..." dia hiteny ve za hoe vakio ny ao amin' Genesisy toko 1 and 1 ka hatramin' Apokalipsy toko 22 and 21? tsy logiqu kosa e! Ilaina ilay Kitsipona e!
8. fahamarinana ( 05/08/2009 19:45)
Ratoa:

Ny Baiboly sasany dia misy fifintinana ny lohateny tiana ho dinihina. Ohatra: Famonjena dia misy Boky sy toko aary andininy atoro ao mba ho vakiana. Dia raha mamaky ianao dia hitanao fa tena mifandray ny voalazan'izy ireo. Mitadiava fa izay mitady marina dia ahita.

:arrow: Rtoa :tsy mazava tsara aminao angamba ny tiko lazaina an,asa aloha raha za no valianao eto na iza , fa tsy nilaza aho,sanatria ,hoe tsy mifandray ny tantara ao anaty Baiboly fa ny INTERPRETATIONS ataontsika mpino sy milaza ho mpino no misy bobaka be ....nefa samy milaza izao fa ny Fanahy Masina no miteny sy naniraka hitory !Zay monja !
Ajanoko hatreo fa mivadika hs ilay dinika ka tsy ho mendrika ilay mpanolotra dinik akosa angambany ,sa ? (l)
9. Ratoa ( 05/08/2009 20:17)
Fahamarinana, tsy ianao no valiako fa ireo rehetra milaza fa "mitsimpontsimpona". Araka ny hevitro mantsy dia samy mamana ny dikany avokoa ny andininy tsiraray rehetra, ary mifandray ireo andininy ireo. Sady mifandray amin' izay voalaza ao amin'ny toko sy bobky misy azy izy ireo no misy ifandraisany koa amina andininy hafa amin-toeran-kafa.
Momba ilay voalazanao indray:araky ny hevitro, isika dia olombelona ihany ka na mihinam-bary (in-telo isan'andro raha ny tena izy) aza misy latsaka. Izany hoe tsy tonga lafatara isika fa mifameno na afaka mifameno" izay tsy mahay fatra-mbary, mahay sobika" samy ialina izy roaroa ireo.
Tahaka izany koa ny fandinihina na interprétations rehetra. Samy ilaina izy ireo ahitana ny marina. ny sasany mila mi- "relativiser" (aza fady fa tsy haiko ny dikany à teny gasy) ny fahaizany, ny sasany mila manitsy ny hafa kosa mila mandalina. Ny entin'ny namana hafa dia mety hanao izany (hameno, hanitsy, handalina, hamporisika hitady sy hamaky bebe kokoa).Sa tsy izay?
10. ari.malala ( 06/08/2009 06:45)
RD, ts hoe ny baiboly ray manontolo no tiko tenenina eto ka! fa ohatra hoe ny tantara 1 manontolo fa tsy hoe andininy 1 na 2 ftsn akory no zozitina anaovana blablabla mameno cahier 200 pages eo :-P
11. rzakarivola ( 06/08/2009 07:44)
Fidiniriana >>> Fahalalana mahaliana maro ny naposakao, ary misaotra anao amin'izany. Hiezaka aho haminitina mba ho voafehin'ny tena ilay izy ka asa raha izao lazaiko manaraka izao :

Araka ny hevitrao, ny Soratra masina dia fitsipika mifehy ny fifandraisana (règles de communication) @ Andriamanitra olombelona zava-boahary.

Araka ny Baiboly, ny Soratra Masina dia :
1- Manambara an'i Jesoa Kristy
2- Mahasoa ho fitaizana ho amin'ny Fahamarinana.
Rehefa dinihina dia tsy mifanohitra ireto roa ireto raha ekena ity fahatelo ity hoe "Jesoa no lalana sy FAHAMARINANA ary fiainana".

Misy zavatra tsy aritro kely. Hoy ilay tenin'ny Apostoly Paoly hoe : ho fampianarana, ho fanitsiana izay diso, ho fandresen-dahatra. Zavatra telo samy hafa ireo raha tsy diso aho, fa iray ihany no tanjona izany : tezaina ho amin'ny Fahamarinana (dia Jesoa KRISTY).
12. fidinirina ( 06/08/2009 08:01)
Azafady indrindra tsy "communcation" no izy fa "Relation"
Ny amin'ilay tenin'i Paoly dia marina ny voalazanao fa ampiako fanazavana tsotra :
- Fampianarana ho an'izay mbola tsy nandre mihitsy
- Fanitsiana izay diso ho an'izay nandray fampianarana saingy nisy tsy nazava tsara na diso mihitsy ilay fampianara efa azo teo aloha
- Fandresen-dahatra ho an'izay mandre, fa tsy mety mandray sy mino

Dia ny soratra masina irery ihany no afaka manazava sy ahitana ny fandalinana ireo rehetra ireo ary ekena tokoa ny voalazanao fa ho amin'ilay Marina tokana ihany no tanjona.
13. ikaretsaka ( 06/08/2009 11:04)
Fa tsy nisy niteny mihitsy ao anaty baiboly hoe tsimpony isan-toko sy andininy ny soratra masina de mangala phrase 1 atsy @ romanina de tapohy apokalipsy de asio eksodosy tapaka phrase 1 de atambaro de iny entina miresaka aman'olona toriana.

I paoly ohatra raha niresaka t@ romanina tsy nitsimpona phrase 1 tao @ kolosianina de naka. Tapaka andininy tany @ matio.fa le tantara @ ambangovangony no nolazainy hoe. Zao no nataon'i ;esoa na izao no nataon'i moizy.
Fa tsy hoe. "Toy izao no nitiavan'Atra ny olona (joany 3) ento aty ny kapaotiko(2tim 4 13)
14. ari.malala ( 06/08/2009 11:24)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D mba ts aritr'ika mints kou io resaka kapoty io an :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
15. fidinirina ( 06/08/2009 11:26)
Hono aho, koa rehefa tsy nolazaina na indrindra noraran'ny soratra masina araka ny voalazanao ny fanaovana izany, inona no mahadiso na tsy mahamety azy ?
16. fidinirina ( 06/08/2009 13:45)
Paoly dia nitory nanerana ny firenena maro, zavatra iray ihany anefa no nambarany sy notoriana dia ny famonjen’i Jesoa kristy. Ka na dia niova aza ny toerana sy ny fotoana dia izay no antony mahatonga ny teny ho hita an’ny boky iray ary mbola miverina any amin’ny hafa.
Fa tsy nitovy koa ny zavatra niseho nanoloana azy isaky toerana nalehany ka arakaraky ny zava-nisy no nanambarany ny sitrapon’Andriamanitra na nakany ohatra.

Torak’izany indrindra ny tenin’Andriamanitra, nanomboka hatramin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy dia tsy misy zavatra mifanipaka ao fa mifameno indrindra aza.

Koa raha nisy tenin’ny mpaminany tany @ testamenta taloha, andinin-tsoratra milaza an’i Jesoa kristy sy ny fahatongavany ety an-tany dia voamarina izany aty @ testamenta vaovao.

Fa azo ekena ny maka « contexte » iray fotsiny @ fampianarana na fandalinana. Ohatra hoe ndeha ho jerena izay voasoratra amin’ny Jaona voalohany toko voalohany ary inona no voalazany ao. Tsy diso avy hatrany akory fa tsy ampy satria raha miresaka ny « mazava » io toko io ohatra dia efa nisy fanambarana izany hatrany am-piandohana ary tsy io toko io irery no manambara ny atao hoe mazava fa misy efa ho roapolo mahery ao anaty baiboly mampianatra antsika ny mazava.

Koa izany no ilaina ny (mitsipona) ny soratra masina ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra isaky ny zavatra teneniny.
17. soanja ( 06/08/2009 22:05)
Amiko tsy ny fitsipomponina no tsy mety fa izay mahamety ny tsirairay avy dia mety avokoa amin'ny fandalinana ny finoany, FA KOSA ny fisamatsamahana izay voalaza ao anaty baiboly hanapotehana sy hanizambizambana sy hanabatibatiana ny hafa hoe " ianareo zao sy zao hoy ny soratra ka ho rendrika ao anaty afon-tsolifara tsy mety maty" dia diso tanteraka satria manimba ny hatsaran'ilay Teny Mahavelona natao ho an'ny Fitiavana sy ny Fahavelomana mandrakizay io boky iray io izany asa ratsy zany.

Tsy natao hampatahotra antsika ny Baiboly fa natao hamelona ny finoantsika ho andry mavitrika ifikiran'ny tsirairay amin'izao andro sarotra lalovan'ny fianana eto ambonin'ny tany izao.

Mitiava lalandava rehefa mino.
18. tywa68 ( 07/08/2009 07:00)
mci Soanja =D> :-*
19. rzakarivola ( 07/08/2009 08:45)
ikaretsaka:

Fa tsy nisy niteny mihitsy ao anaty baiboly hoe tsimpony isan-toko sy andininy ny soratra masina de mangala phrase 1 atsy @ romanina de tapohy apokalipsy de asio eksodosy tapaka phrase 1 de atambaro de iny entina miresaka aman'olona toriana.

==> Marina izany. Ary misy miteny ve ao hoe izay "mitsimpona dia mpandainga daholo?". Ny hitako ao dia hoe "ny devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany".

ikaretsaka:

I paoly ohatra raha niresaka t@ romanina tsy nitsimpona phrase 1 tao @ kolosianina de naka. Tapaka andininy tany @ matio.fa le tantara @ ambangovangony no nolazainy hoe. Zao no nataon'i ;esoa na izao no nataon'i moizy.
Fa tsy hoe. "Toy izao no nitiavan'Atra ny olona (joany 3) ento aty ny kapaotiko(2tim 4 13)

==> Somary tsy azoko ity teninao ity. Indro misy sombin-tsoratra ao @ Romana 10 indrindra averiko eto iarahantsika mamaky :
"5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5)...
8 Fa ahoana no lazainy? "Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao" (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; ...
11 Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16)...
13 Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5)..."
Notapahiko fa lava loatra, fa raha mamaky an'io aho dia mahita fa i Md. Paoly kay ka olona mpitsimpona mihitsy, sady amin'izay zavatra voalaza tary aloha be tary d lazainy fa manambara ny teny toriany izany. Raha mino an'i Paoly ianao, ahoana no tsy inoanao ny hafa izay miteny noho ny fomba fiteniny fotsiny ?

Ity adikako teny Malagasy ny tenin'ny hindou niova ho kristiana iray rehefa nahita an'i Jesoa :
"Ny Filazantsara ihany dia ahafahana mahita fa tena marina ny Filazantsara fa tsy vokatry ny fisainan'olombelona. Raha saina avy amin'ny olombelona no nanoratana an'io dia ho niangona @ toerana iray ny fahagagana rehetra, niangona t@ toerana iray ny fanoharana rehetra, ... sns. Fa ny fifangaroan'ny zavatra maro ao anaty toerana iray dia mitovy amin'ny endrika nanamboaran' Andriamanitra ny zava-boahary.".
20. rzakarivola ( 07/08/2009 08:49)
fidinirina:

Azafady indrindra tsy "communcation" no izy fa "Relation"
Ny amin'ilay tenin'i Paoly dia marina ny voalazanao fa ampiako fanazavana tsotra :
- Fampianarana ho an'izay mbola tsy nandre mihitsy
- Fanitsiana izay diso ho an'izay nandray fampianarana saingy nisy tsy nazava tsara na diso mihitsy ilay fampianara efa azo teo aloha
- Fandresen-dahatra ho an'izay mandre, fa tsy mety mandray sy mino

Dia ny soratra masina irery ihany no afaka manazava sy ahitana ny fandalinana ireo rehetra ireo ary ekena tokoa ny voalazanao fa ho amin'ilay Marina tokana ihany no tanjona.

==> Izaho mieritreritra hoe tsy misy afaka hampianarina ny Didin'i KRISTY raha tsy efa nanaiky ho mpianaNy (Izany no anton'ny nanaovan'i Jesoa : voalohany "Ataovy mpianatro ny firenena rehetra" ... "Mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo").
Moa ve mety afaka resena lahatra na ahitsy @ Soratra Masina izay olona tsy mino ny Soratra Masina ? Jereo anie ilay hafatra teo ambanin'io hafatra nalefanao io e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0942