Ny andinin-tsoratra masina...

21. rzakarivola ( 07/08/2009 08:56)
fidinirina:

Koa izany no ilaina ny (mitsipona) ny soratra masina ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra isaky ny zavatra teneniny.

==> Marina tokoa fa ny fametrahana andininy ho références ao @ Baiboly dia ela be taty aorian-dry Paoly vao nisy, ka tsy mahagaga raha tsy nisy nahafahan'izy ireo nilaza hoe "Boky izao toko faha izao ...". Fa i Jesoa nanao hoe "tsy mbola novakianareo angaha ilay milaza ny nidiran'i Davida ...". Amin'izao fotoana dia ahafahan'izay mandre ny teny mi-vérifier raha tena voasoratra ao tokoa ilay teny, ny versets.

Ahoana indray ny hevitr'i Fidinirina amin'ilay tenin'i Jesoa hoe "Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka ampahafantarina Azy" ? Mety hisy ve izany na dia mahay tsianjery Soratra Masina aza, rehefa tsy ampafantarin'ny Zanaka ny Ray dia tsy hahafantatra azy mihitsy ? Ireo teolojiana t@ andron'i Jesoa izao tena maro no henjana raha Soratra Masina, maro mihitsy no ni-défier an Jesosy ... nefa Jesosy tsy fantatr'Izy ireo mihitsy hoe "Izaho no izy" (YAVEH).
22. rzakarivola ( 07/08/2009 09:02)
Soanja,tywa68:
Tsy natao hampatahotra antsika ny Baiboly fa natao hamelona ny finoantsika ho andry mavitrika ifikiran'ny tsirairay amin'izao andro sarotra lalovan'ny fianana eto ambonin'ny tany izao.

==> Maninona no lazain'ny Baiboly fa "ny fahatahorana an'i YAHVEH no fiandoham-pahalalana"?
FEAR OF THE LORD is the beginning of knowledge
LA CRAINTE DE L'ETERNEL est le commencement de l'intelligence.

Misy tenin'i Jesoa toy izao koa "Aza matahotra izay mahafaty ny nofo kanefa tsy mahay manao na inona na inona mihoatra avy eo. Fa Matahora an' Andriamanitra, izay, rehefa avy nahafaty ny nofo, dia manana fahefana hanary any amin'ny Helo".
Izay mampianatra hoe "tsy tokony hatahorana dans le sens 'craindre' Andriamanitra fa 'respecter'" izany ve dia mampianatra mifanohitra amin'i Jesoa Kristy ? (anti-christ)
Toy izany koa izay mampianatra ny olona hatahotra ireo karazan-javatra rehetra mahafaty ny nofo (famosaviana, aretina, loza voajanahary, ...) kanefa tsy mahay manao mihoatra noho izay ?
23. bor2lais ( 07/08/2009 09:29)
HS kely ny ahy ity an !

fidinirina:

Hono aho, koa rehefa tsy nolazaina na indrindra noraran\'ny soratra masina araka ny voalazanao ny fanaovana izany, inona no mahadiso na tsy mahamety azy ?


----
Ary toa lasa tsy nampiasa hoe \"voalazan\'ise\" intsony fidinirina ! Fa lasa \"manao-nao\" foana indray !

HS kely sy vazivazy re ny ahy iny e !

24. fahamarinana ( 07/08/2009 09:51)
:arrow: bord2lais :ka nisy nanao tsikera kosa izy aminilay "ise" dia angamba izay,sa ahoana r'ise ry fidinirina ! :D
hs kely koa iny na,i bord no nanomboka azy teo :-P (l)
25. ari.malala ( 07/08/2009 09:58)
:-D :-D :-D :-D :-D
26. ni81 ( 07/08/2009 10:04)
bord2lais :ka nisy nanao tsikera kosa izy aminilay "ise" dia angamba izay,sa ahoana r'ise ry fidinirina !
hs kely koa iny na,i bord no nanomboka azy teo
ka tsisy maharatsy ny fanaovana ny hoe "ise" ange e! sa ahoana? Fiteny any @ scout izany :)
27. fahamarinana ( 07/08/2009 10:55)
:arrow: za manokana aloha tsy olana na ataon'ny namana vavy na lahy ise !Aleoko mba misy miresaka amiko aza toa izay aho tena tsy iresahana ! Ilay ianao vao maika koa manisy elanelana !Tsika aby eto tsa misy mifankahalala na raika avao aza fa mbola mifankazatra sy mianatra mifankatia ,miaraka amin'ny tsy fitoviana sy fahasamihafan'ny tsirairay avy e !!! ! pouce za aloha dia miala tsiny fa aleo hitohy ny dinika fa ho bedy eto an ! :D (l)
28. tess ( 07/08/2009 11:13)
12. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 06-08-2009 13:04:54
Lohateny : Re : Ny andinin-tsoratra masina...
Fa tsy nisy niteny mihitsy ao anaty baiboly hoe tsimpony isan-toko sy andininy ny soratra masina de mangala phrase 1 atsy @ romanina de tapohy apokalipsy de asio eksodosy tapaka phrase 1 de atambaro de iny entina miresaka aman'olona toriana.
:-D
29. ikaretsaka ( 07/08/2009 15:46)
fidinirina:

Hono aho, koa rehefa tsy nolazaina na indrindra noraran'ny soratra masina araka ny voalazanao ny fanaovana izany, inona no mahadiso na tsy mahamety azy ?


ka nareo ihany io ko vo misy wawawa kely de ho'zy ny baiboly.... zao kely de wawawa ho'zy ny baiboly..
de rehefa @ ze hirevenareo azy le izy de hoe mety hozy ny baiboly de rehefa tsy araka ny hirevenareo anazy le izy de .... io no mody asesika...
tssssss
30. niryna ( 07/08/2009 16:30)
fidinirina:


Nahoana moa no tsy maintsy mitsimpona andinin-tsoratra masina ao anatin’ny baiboly ?
Satria :
Any anatin’ny andinin-tsoratra masina no ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra.

Koa satria tantara ny baiboly, mitantara ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjeny ny olombelona, dia ny andinin-tsoratra masina no milaza ny fampianarana tokony ho tazonina sy ny tokony ho tandremana.
« Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » II Petera 1 :20-21

« Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana , ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. » II Timoty 3:15-17

« Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy (Jesoa Kristy).
Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana. » Jaona 5:39-40

Ny soratra masina dia :
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’ny samy olona
Fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny olona amin’ny zava-boahary

^:^ ^:^ ^:^
misaotra fidy a fa mazava be ary dia tsimpona no amaliako azy

Matio 7
7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.
7 Demandez, et l`on vous donnera; cherchez, et vous trouverez; frappez, et l`on vous ouvrira.
7 "Ask, and it will be given you. Seek, and you will find. Knock, and it will be opened to you.
ary mboa fiizarana ilay fitiavana nomen'Atra antsika ihany koa izany satria tiany ho voavonjy daholo isika rehetra ,tsy misy na iray aza tiany ho very :-* :-* .ataovy ary ny fanandramana raha toa ka mbola tsy nahita esperience izany fitiavany i,izany mitady azy izany isika
(l) niryna
31. ikaretsaka ( 07/08/2009 17:09)

Nahoana moa no tsy maintsy mitsimpona andinin-tsoratra masina ao anatin’ny baiboly ?
Satria :
Any anatin’ny andinin-tsoratra masina no ahatakarana ny hevitr’Andriamanitra.


ao ihany ve Atra no miteny amintsika

hoe samatsamahana kely aloha ny matio dde tapohana apokalipsa de asiana romanina (ohatran le nataoko teo)
amiko manko tsy izay ihany fa Maniteraka anao sy ny manodidina anao ary @ zava boariny rehetra nomeny ho ampiasainao Atra sy ny signe sy ny heviny fa tsy hoe @ soratra notsimponina ihany!

tsy nitsimpona baiboly i Joany batista na i Moizy na i Elia .. nefa olon'Atra sy nahay nitory teny ireny...
fanahy iniako tsy lazaina ireo olomasina sasany taty aoriana satria ianareo tsy mankato ireny
32. rakaroka ( 07/08/2009 17:54)
Ny manahirana @ tsipona dia "sombiny" t@ hary ihany iny ka tsy natao
hihanina izany monja kosa, fa hikatsaka ny marina na ho an´ny sombiny iny aza, tsy hanao toa ny mpino maro toa mandrirotra tsinain-kena mandrirotra ny teny araka ny itiavany izany !
33. rijadolly ( 07/08/2009 18:17)
rakarakora >> marina,tsy ny mitsipona no ratsy,fa izay manolana ny tenin'Andriamanitra no manao ratsy
34. niryna ( 09/08/2009 04:36)
ikaretsaka:


]

ao ihany ve Atra no miteny amintsika


:roll: :cry:
35. rzakarivola ( 12/08/2009 13:42)
Ikaretsaka:
hoe samatsamahana kely aloha ny matio dde tapohana apokalipsa de asiana romanina (ohatran le nataoko teo)

==> Ahoana Ika amin'io Romana 10 io ? i Md. Paoly io, ary Romana indrindra no ohatra noraisinao.
Hoy i Jesoa hoe "Fa hampamoahina ny olona amin'ny teny foana izay naloaky ny vavany. Ny teninao no hanamelohana anao ary ny teninao no hamonjena anao"
36. fahamarinana ( 12/08/2009 13:51)
:arrow: Ny ahy manokana ,tsy ilay fitanisana andininy sy Toko no olana amiko ,vao maika aza tiako satria za hany ka tsy mahavaky io Baiboly iray manontolo io e sady isan'ny nahatonga ahy hankafy ity dinika Finoana sy Fivavahana ity koa ,fa ilay famadihana azy sy fanamboarana azy no manahirana fa lasa mitondra hevitra diso sy tsy araka an'Andriamanitra ,dia indrindra ilay fanaovana amboletra fa mila koa mahay mahalala onony ny mpitory ndraindray fa na ilay ondry aza efa valaka eky miheno sy mamaky !....Mila maka sento kely dia miverina tsara be rehefa avy nandini-tena e !
Na izany aza dia misaotra ny mpanokatra dinika sy ireo nizara Toko sy Andininy ! Raisin'ny Faha hatrany izay arosonareo eto e ! Mankasitraka ! :D (l)
37. ari.malala ( 12/08/2009 14:19)
ilay fanaovana amboletra fa mila koa mahay mahalala onony ny mpitory ndraindray fa na ilay ondry aza efa valaka eky miheno sy mamaky !...
izay mana maso hamakiana aoka hamaky ary izay manantsaina aoka handinitena!!!
38. ikaretsaka ( 12/08/2009 16:22)
misy akama 1 izay niteny an'io hoe
" tsimpotsimponinareo izay metimetyaminareo de samatsamahanareo de avy eo avondrombondronareo araka izay itiavanareo azy"... dia mivoana tanteraka..

le mombana pistily izao ohatra:
eritrereto hoe manao correspondance @ na mompera 1 ny evekany de @ avy eo koa nanoratra tany mompera 1 koa dia avy eo maka kely @ le voasoratra ny olona milaza fa akaman"ny eveka de maka kely atsy koa de atambany io

ny nosoratan"ny eveka atsy atao hoe hoe ataovy falafa ny fiangonanareo. ny atsy hoe ataovy teny bara ny toriteny fa tsy maninona...

dia avy eo iny no entiny any ambatolampy ary @ frizy be ary de atao falafa (efa nafarana aloha le akora) vao poinsa ny fiangonana (satria izay no hafatra) . avy eo atao teny bara ny toriteny (satria izay no hafatra)
....
tsy tonga ny mpiangona...mimenomenona avy eo fa lasa tsisy kil miangona nefa hoe nanatanteraka ny voalaza rehetra ......
39. fahamarinana ( 12/08/2009 16:57)
:arrow: Ika : efa reko koa io sombin-tantara nataon'ise io sady nahatsikaiky tanteraka ! Kay nataon'Ika kay ! :-P (l)
40. ikaretsaka ( 12/08/2009 17:12)
efa hoe aza atao se zany hoa zarehefa tsy mbola hitanao nanoroka pasitera teo @ vavany sy ny safo ny fitombenany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0637