Ny andinin-tsoratra masina...

61. rzakarivola ( 19/08/2009 08:31)
fidinirina:
Ny zavatra soratako eto dia tsy ny fahalàlako @ maha fidinirina ahy fa izay lazain’ny baiboly avokoa ka nianarako sy nohalaliniko. Ianao ve mihevitra fa hiady hevitra aminao @ fijeriko ahy : ny ahy dia ny baiboly ihany no MARINA, izany no tsy ampiasako ny fomba fijeriko ary ny tsy ny ahy velively koa tiako hozaraina fa ny an’Andriamanitra.

==> Marina izany, izay fandraisana ny Baiboly rehetra, rehefa tsy ilay nanomezan\' Andriamanitra azy dia tsy avy amin\' Andriamanitra izany.


fidinirina:
Raha naniraka ve ny Tompo hoe mandehana mitory ny filazantsaran’i Kristy dia rehefa nandeha ny Apostoly dia niteny hoe izay teninay Apostoly henoina satria izahay no mpianatry ny Tompo.

==> Tsia, niteny fotsiny ny Tompo hoe \"izay mandray anareo dia mandray ahy\".
Dia hoy aho hoe, izay mandray an\'i fidinirina, satria mpianatr\'i Kristy fidinirina, dia tsy fidinirina no raisiny fa Kristy ilay naniraka anao ... Raha teniko izany dia diso, fa raha tenin\'i Jesoa Kristy dia marina.


fidinirina:
Koa ankehitriny tsy misy intsony ny mpaminany mpanelanelana hiteny mivantana @ olona na Jesoa Kristy velona na Apostoly niara-niaiana t@ Jesoa Kristy dia ny baiboly sisa no ifandraisan’ny olona @ Andriamanitra.

==> Hoy i Paoly hoe \"Fahiny, raha niteny t@ olombelona t@ fomba sy fanao samihafa Andriamanitra, t@ alalan\'ny Mpaminany. @ izao farany izao dia amin\'ny alalan\'ny Zanany no itenenany amintsika\". Izany hoe na iza na iza mpaminany tsy miteny @ anaran\'ny Zanak\'Andriamanitra dia sandoka.


fidinirina:

Sao dia mihevitra isika fa ny vato aman-kazo no hiteny sy hanambara an’Andriamanitra.

==> Mampahatsiaro anah an\'le Jesosy niakatra tany Jerosalema ity. Otran hoe mahita ankizy midera an\' Andriamanitra (ao @ Jesoa) aho, dia misy mpahay lalàna miteny @ Jesoa hoe \"asaivo mangina ireo ...\".
62. ikaretsaka ( 19/08/2009 17:30)
e rehefa @ ze hirevenareo azy le izy de hoe mety hozy ny baiboly de rehefa tsy araka ny hirevenareo anazy le izy de .... io no mody asesika...
tssssss


io le tsy mety..
mahatonga ilay Olomasina izay niteny hoe
"raha izay metimety aminareo sy ekeken'ny sainareo momban'ny evanjely sy ny baiboly ihany no tsimponinareo sy ekenareo fa izay tsy mety de na dinganinareo na odianareo fanina, dia tsy ny evanjely sy ny baiboly intsony no inoanareo fa ny tenanreo"
63. fidinirina ( 20/08/2009 08:22)
ikaretsaka:
dia ilay tantara manontolo araka ny namoahan"ny "gazety" azy tantaraina fa tsy hoe maka atsasaka phrase atsy @ tribune de asiana express de asiana midi de asiana le figaro de asiana new york times tsy izanyyyyy

ohatran'ny hoe mitantara baolina Madagasikara sy Maurice ohatra de andramo tsimponina isaka phrase ange ny avoakan'ny gazety gasy sy mauricien raha hisy baolina ho voatantara eo e..
Raha par contexte oui .. da raha phrase par phrase non
satria ny 1 ohatra milaza un penalty bien merite... ny 1 milaza fa niangatra ny arbitre! de ahoana ihany!

Ny zavatra azao soratana eto dia ireo andinin-tsoratra masina marina mifanitsy @ fanontaniana na tsy fahafantarana izay voasoratra.Tsy ho vita ny hanoratra ny contexte baiboly iray manontolo. Ary tsotra ange zany e !mamaky baiboly hatr@ voalohany ka hatramin'ny farany satria ao ny teny voazava tsara sady voasoratra lava be.
64. tywa68 ( 20/08/2009 15:18)
ka ny marina aminao mety misy tsy ampy @ hafa koa :lol: :wink:
Fa tsy olana zany fa hivavaka isika mba hiditra @ tena lalana tokony aleha fa tsy ho very eny rehetra eny :lol:
65. ikaretsaka ( 20/08/2009 20:31)
Ka raha tsimponina dia tsy maintsy izany ny hiafarany ra fidinirina a
66. fidinirina ( 21/08/2009 10:38)
Miafara amin'inona moa sao dia tsy azoko loatra ?
Ny mahagaga anie dia betsaka no tsy mahavaky baiboly nefa lazainy fa fantany avokoa izay voasoratra e !
Rehefa mamaky sy mitsimpona ny tenin'Adriamanitra ihany vao mahazo hery sy fahalalana momba an'Andriamanitra sy ny sitrapony.
Ny ankoatr'izay lainga. Soratra tsy novakianao ve ho fantatrao ny heviny.
Ny baiboly ihany no marina ary izay voasoratra ao dia feno sy ampy ho an'ny olona rehetra vonona handinika sy handray azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0485