Manambady,miteraka,mitombo taranaka ve ny anjely ?

1. niryna ( 28/07/2009 17:07)
Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
30 For in the resurrection they neither marry, nor are given in marriage, but are like God`s angels in heaven.
30 Car, à la résurrection, les hommes ne prendront point de femmes, ni les femmes de maris, mais ils seront comme les anges de Dieu dans le ciel.
Matio 22:30

Manambady ,miteraka,mitombo ve izany ny anjely?

(l) niryna
novalian'i niryna ny 27/08/2009 04:32
2. Veloo ( 28/07/2009 17:18)
ny anjely - nope
isika olombelona indray ----
zany nirina mystere a tsy tokony dia ho be faontaninana fa manjary lasa ny devoly indray no mampiady antsika. Mihonona amin'izay lazain'ny baiboly momban'io.....
3. fahamarinana ( 28/07/2009 19:32)
:arrow: lasa lavitra be tokoa ny sain'ny niryna an ! :lol: (l)
4. simplex ( 28/07/2009 20:50)

ny fanotaniana alohan'zany aza dia hoe misy "gender" zany hoe lahy sy vavy ve ny anjely?

misy filahiana sy fivaviana ve ny anjely? :roll:
afaka manao firaisana ve ny anjely? :P

ny anjely kosa aloha poinsa tsy mampirafy ee :)
zany satria any @ tena paradisa izy dia normale ny trio ohatra :roll: sa tsy izany moa le hoe 7eme ciel? :^)

mijery anjely lesbian sex zao no tena OOC ^:^

;-)
5. ni81 ( 28/07/2009 20:56)
lasa lavitra be tokoa ny sain'ny niryna an !
:lol:
zà taloha nanontany hoe: iza no nanao an'Andriamanitra? :^)
6. Ratoa ( 28/07/2009 21:47)
tsy misy" gender " ny anjely é! Tsy fantatrareo angaha ilay fiteny hoe: "hendry sahala amin'ny anjely". ireo anjely maditra nanaraka an'i Satana no nanambady sy niteraka satria voaraoka izy ireo dia nahidina taty an-tany dia naka ny endrika sy ny bikan'olombelona
7. ikaretsaka ( 29/07/2009 03:15)
Car, à la résurrection, les hommes ne prendront point de femmes, ni les femmes de maris, mais ils seront comme les anges de Dieu dans le ciel.


de ahoana le ange de diey sur terre?

efa lazaina foana hoe aza mbola manahy ny @ izany
8. ari.malala ( 29/07/2009 06:12)
Any @ fitsanganana anie ny resaka eto e! Fa tsy eto antany mintsy... Ny olombelona no nahazo tsodrano hoe miteraha ary mamenoa ny tany raha ny fahalalako...
9. fahamarinana ( 29/07/2009 06:26)
Ratoa:

tsy misy" gender " ny anjely é! Tsy fantatrareo angaha ilay fiteny hoe: "hendry sahala amin'ny anjely". ireo anjely maditra nanaraka an'i Satana no nanambady sy niteraka satria voaraoka izy ireo dia nahidina taty an-tany dia naka ny endrika sy ny bikan'olombelona

:arrow: Rtoa : tena mba misy fahamarinany ve io lazain'ise io sa eriteritr'ise manokana aloha e !Rahatoa marina dia mba araho Toko sy Adininy kely hoe fa tahaka ny ahaliana ahy ilay mamaky azy !Misaotra mialoha!
ari : za koa eto somary variana kely an ! :) (l)
10. rakapy ( 29/07/2009 07:00)
Iza taminareo kay no efa nahita sy niresaka ary niara-niaina tamin'ny anjely ka afaka hamaly an'i Niryna?
11. ari.malala ( 29/07/2009 07:25)
:-D :-D :-D :-D :-D rakapy, zà :-P zà manko hono "anjely latsaka an-tany" :^) :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
12. Ahton ( 29/07/2009 08:09)
Ka ny demony koa ange mba anjely latsaka antany ry ari.malala. :twisted: :arrow: :arrow:
13. xxx ( 29/07/2009 08:25)
Mety hampitombo finoana ve aloha ilay fanontaniana sa inona mba tombony ho entiny raha toa ka hita ny valiny ????

Indraindray eto misy fanontaniana tahaka ny hoe "maninona no eo @ tarehy ny orona " ???
14. ari.malala ( 29/07/2009 08:41)
Ahton:

Ka ny demony koa ange mba anjely latsaka antany ry ari.malala. :twisted: :arrow: :arrow:



Ie :-P enao io zao anisany ian kou satria jereo aza ny smiley ampiasainao ko :-D :-D :-D sarobabay ze voa aza tezitra e! =)) =)) =))

xxx:
Indraindray eto misy fanontaniana tahaka ny hoe "maninona no eo @ tarehy ny orona " ???
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
15. Ratoa ( 29/07/2009 12:51)
Efa voalaza ao amin'ny dinika hoe olon'izao tontolo izao izany. Tsy maninona a jereo momba ny anjely niteraka: Genesisy 6:1-7. Momba an'i Satana: Genesisy 3.
Momba ireo iraka madio tsy miteraka Genesisy 19: 15,16, Daniel 6:22, Salamo 34: 7, Hebreo 1:7
16. niryna ( 29/07/2009 15:39)
Veloo:

ny anjely - nope
isika olombelona indray ----
zany nirina mystere a tsy tokony dia ho be faontaninana fa manjary lasa ny devoly indray no mampiady antsika. Mihonona amin'izay lazain'ny baiboly momban'io.....


misaotra veloo a,mystere ilay izy ka izay no antony omena ny tenin'Atra mba tsy ho diso fandray isika ,sa ahoana ?
Hoy kristy hoe toy ny anjely isika izay anjely tsy manambady kanefa dia misy miteny fa manambady anie ny anjely e :D
17. niryna ( 29/07/2009 15:50)
fahamarinana:

:arrow: lasa lavitra be tokoa ny sain'ny niryna an ! :lol: (l)

hi,hi tsy lasa lavitra ka mampiseho ny teny ao anatin'ny baiboly aho fa izay tenenin'i kristy dia noteneniny ka tsy afaka ny ampandainga ny olona isika
tsy miteraka ny anjely dia tsy miteraka izany
tsy manaranaka ny anjely dia tsy manaraka izany izy
faha omeko fanazavana kely anie indry e
Adama dia nanambady an'i Eva ,fantantsika izany ary dia niteraka an'i kaina sy Abela izy ny taranaka avy amin'i kaina no resahina hoe zanakavan'ny olona
izany hoe ireo ungodly no hiantsoana azy na ireo olona nivadika tamin'Atra ny taranany ary tantara lava io an ka izay no nahatonga ilay sodoma sy gomora ,ilay nisy hoe anjely roa tonga tao amin'i lota ary dia tonga nandombaravana ireo olona teo an tanana lahy io an hoe te anambady ireo lehilahy vahiny roa lahy koa ( eto izany dia efa nisy homosexual)
dia tsy nisy mihitsy ny tantara nitohy hoe nanambady azy roa lahy ireo lehilahy ireo

Adama sy Eva indray dia niteraka an'i Seta ary io taran'i seta io no antsoina hoe zanak'Andriamanitra ,na olon'Atra ,sons of God
son of God dia kristy fa ny sons of God dia ireo taran'i seta ary dia nitohy hatrany ilay izy ary tafiditra hatramin'i noa koa io ary teo no nanomboka ny fandrimpahan'Atra ny taranaka satria nivadika tamin'ATra ireo olona,nanambady ireo taranaka tsy nino an'Atra .ireo no antsoina hoe zanakavavin'Atra fa tsy nisy resaka mihitsy tao amin'ny baiboly nilaza fa ny anjelin'Atra no nanambady ny olona na zanak' olona na zanakavavin'ny olona .

Afaka mamaky ny Gen 4 sy 5 ary 6 isika vao mahita izany
Nalefako ato ny fanazavana fa mialatsiny aky faha

:-*
18. niryna ( 29/07/2009 15:53)
simplex:


ny fanotaniana alohan'zany aza dia hoe misy "gender" zany hoe lahy sy vavy ve ny anjely?

misy filahiana sy fivaviana ve ny anjely? :roll:
afaka manao firaisana ve ny anjely? :P

ny anjely kosa aloha poinsa tsy mampirafy ee :)
zany satria any @ tena paradisa izy dia normale ny trio ohatra :roll: sa tsy izany moa le hoe 7eme ciel? :^)

mijery anjely lesbian sex zao no tena OOC ^:^

;-)

simplex misaotra tamin'ny fanontanianao ,tsy misy sex ny anjely na tsy misy gender izany satria ny anjely dia tsy olona mitovy amintsika saingy ny irak'anjely kosa dia mety olona toa antsika,iza no mahalala mety ho irak'Atra na irak'anjely ohatra simplex ,manampy olona,omen'Atra hery ahatafita ny hafaNy
tsy miteraka hoy aho ny anjely satria tsy manana nofo sy ra toa antsika izy
matetika ny anjely dia mitovy endrika amintsika olona ary matetika dia lehilahy ilay izy

19. ikaretsaka ( 29/07/2009 17:13)
za alha tsy mbola nahita baibolin"anjely e.. tsy nahita an'Atra niteny t@ anjely hoe miteraha mamenoa ny lanitra (na izay tokony hofenoina za) fa ny olombelona no nataony an'io sy ho be taranaka (Adama sy eva... i Abrahama)
20. fahamarinana ( 29/07/2009 17:27)
:arrow: ehe,tsy arako intsony ,ilay iraka iraisako hevitra amin'ny niryna,samy manana ny fiantsoany azy moa,efa fiteny rahateo ilay hoe Ange gardien na mpino na olon-tsotra tsy mpino aza milaza izay koa !!
Fa ilay lazain'ny Rtoa hoe miteraka no tsy dia haiko loatra !Aleo ndray ary ho jereko ilay Toko sy andininy dia hiverenako rahampitso !
Eto nefa niryna milaza koa fa tsy miteraka ny anjely satria tsy misy nofo aman-dra toa antsika izy ------avy eo ndray nefa voalazany fa mitovy endrika amintsika olona sady mazana lehilahy === zany hoe olona ihany zany sa tapany lohany monja ve ?... :-w :-w ..mila jiro fa tsy araka intsony hoe inona ilay niafaran'ny resaka teo ! (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0928