Manambady,miteraka,mitombo taranaka ve ny anjely ?
41. Ratoa
(
01/08/2009 15:42)
Efa volaza tery ambony Matio 22:30 fa jereo koa Lioka 20: 34 - 36 ary Joba38:7 fa tsy manambady ny anjely ary velona ho mandrakizay. Ny anjelin’I Jehovah izay lazaina koa hoe «Zanany» ireo madio, tsy maty fa velona mandrakizay.
Averiko fa ny anjely madio , izany hoe ireo tsy nifanandrina tamin’I Jehovah no velona mandrakizay, tsy manambady ary alefan’I Jehovah hiaraka sy hiaro ny olona akasitrahany. ,
Misy karazany roa ny anjely, tahaka ny olombelona ihany.
Ny karazany voalohany dia ireo izay nitandrina ny didin’I Jehovah ka tsy naniratsira, izay ataoko hoe anjely madio. Izy ireo dia atao hoe «tena zanak’Andriamanitra»
Ny karazany faharoa dia ireo izay nandà ny didin’I Jehovah sady nandà an’I Jehovah ho tompo mpandidy izao tontolo izao.
I Satana no sefon’ireo anjely maditra ( Révélations na Apokalipsy 12:7-9, indrindra ny andininy faha 9) ireo izay atao koa hoe devoly. Mandrafy an'i Jehovah i Satana. I Satana dia miady ny ho lohan’izao tontolo izao ary manao izay azahoany ny olombelona rehetra ho mpanaraka azy. Niady tamin’I Mikaela sy ny anjely masina, izay lazaiko hoe»anjely madio», I Satana ka resy. Nony resy I Satana dia voahozona. Voahozona niaraka taminy ireo «anjely maditra be fialonana sy be fitsiriritana» ka voaraoka avy any an-danitra. Navarina ho ety an-tany izy ireo. Rehefa tonga teto an-tany dia naka ny endrika, ny vatana sy ny toetran’ny olona. Nony tonga teto an-tany koa ireto zanaka adala dia nivady tamin’ny zanak’olona (Genesisy 6:2). Ny zaza teraka tamin’izany firaisana izany dia natao hoe « Nefilima».
Mizara roa izany ny anjely, dia ny anpahany voalohany dia misy ireo tsy nanambady satria tsy naton’I Jehovah hanambady ary hitovizan-tsika raha voafidy hitsangana amin’ny maty isika. Tsy miteraka ireo.
Ny ampahany faharoa kosa dia ireo voahozona ka nazera tety an-tany fa tsy latsaka tety an-taty, (samihafa izany teny izany). Ireo no niteraka tamin’ny olombelona satria nahafantatra hoe lahy sy vavy ary nahalala ny filan’ny nofo. Mbola voasazy indray ireo ka navahan’I Jehovah ho mpanaraka an’I Satàna mandrakizay.
Izay no fantatro momba ity lohateny ity

42. rakapy
(
01/08/2009 17:10)
Hoy Ratoa
Nahoana hono izy ireo no navarina tety an-tany fa tsy tany @ toerana hafa amin'izay dia mba moramora ny asa famonjen' A/tra ny olony?
Niady tamin’I Mikaela sy ny anjely masina, izay lazaiko hoe»anjely madio», I Satana ka resy. Nony resy I Satana dia voahozona. Voahozona niaraka taminy ireo «anjely maditra be fialonana sy be fitsiriritana» ka voaraoka avy any an-danitra. Navarina ho ety an-tany izy ireo.
Nahoana hono izy ireo no navarina tety an-tany fa tsy tany @ toerana hafa amin'izay dia mba moramora ny asa famonjen' A/tra ny olony?
43. Ratoa
(
01/08/2009 21:24)
Nahoana hono izy ireo no navarina tety an-tany fa tsy tany @ toerana hafa amin'izay dia mba moramora ny asa famonjen' A/tra ny olony?
Izay indray dia tsy fantatro fa aoka ho fotorina ao amin'ny Baiboly ny antony.
Ny olona koa dia voaraoka avy tao Edena ka miandry ny famelan-keloka (izay ilay "péché" originel) sy fananganana ny tenan'ny maty. Dia rehefa avy eo hiakatra ho any an-danitra ( ho eo akaikin'i Jesosy Apoka na Révélation 14:3) ny sasany, ny sasany kosa dia tsy mbola haiko fa vao mitady aho.
44. rakapy
(
02/08/2009 08:09)
Voalaza teo :

Mazotoa mitady ny valiny ao ary e!
Raha tinao marina ve ny zanakao dia andefasanao alika masika??? mbo mahagaga ilay A/trareo marina
45. Ratoa
(
02/08/2009 13:44)
ilay A/trareo
Fa izaohoy aho ilay Andriamanitrao , rakapy fa mbola tsy namamy ilay fanontaniana ianao?
46. klitika
(
02/08/2009 14:01)
pissoa:
@Kitika : Dia tena donto voafitaka sy azo fitahina daholo ve izany izahay Katolika ireto ? :lol:
Tsy hoe kosa donto, fa nampianarina zavatra izay tian'i Mopera (ilay mitonona hoe: "Raiko" amin'ny tenigasy) sy i Monseigneur (Tompoko, fa izaho io andevony an, nefa hoe izay te ho lehibe aminareo no aoka... aninona moa..., sns Papa Ray Masina (Rain'ny Ray Masina ety an-tany???)
Dia isika no tsy nomena vahana ny namaky baiboly samy irery satria sao mahakobo ny fika rehetra.
pissoa:
Samy milaza azy hoe "mpandinika" daholo, ... nefa dia tsy fitovian-kevitra sy fizarazarana no hita.
Na ny baiboly aza milaza sy mitantara ary manome anatra mifanipaka ka ianao angaha ahoana.
Simplex: Hafa be ny hoe te handalina an’ilay tantara ianao ka nefa dia ny sasantsasany ihany no vakianao. Amin’izay dia lasa hoe nandalina sombin-tantara ianao fa tsy tantara akory. Ny baiboly anefa dia ambara fa tantara feno fa tsy sombin-tantara akory, ka hoe angalana izay mampetipety ny andro sy ny vanim-potoana fotsiny… Androany Paka eh; aloe izay mifanandrify sy mampetipety ny paka no ataontsika.
Marina fa misy ilay bokikely Katolika momba ny fandaharana an-davan’andro saingy rehefa dinihina iny dia izay mifanaraka amin’ny fiainan’ireo olo-masina ankalazaina andavanandro no tena mibahana ao. Ary toa saika lasa kabarin-jaza aza (Sareraka)
47. rakapy
(
02/08/2009 15:42)
Hoy Ratoa
Fa izaohoy aho ilay Andriamanitrao , rakapy fa mbola tsy namamy ilay fanontaniana ianao?
Angamba tsy misy interet ho anao ny hilazako azy .Fa ity no mba tiako lazaina aminao: Tena mahatsiaro faly sy sambatra aho miaraka amin'ilay A/tra tsy ankasitrahanareo.
48. ari.malala
(
03/08/2009 07:11)
niryna:mety hoe hors sujet ngamba fa manin kou indry no minambary nefa tsy misy milaza an'izany ao anaty baiboly?
mbola tsy naheno aho na indray mandeha aza na nisy nilaza izany ny baiboly
49. ikaretsaka
(
03/08/2009 08:49)
Na hoe maninona ny lehilahy no mipataloha nefa tsisy resaka anzany ao anaty baiboly
50. ni81
(
03/08/2009 09:08)
mety hoe hors sujet ngamba fa manin kou indry no minambary nefa tsy misy milaza an'izany ao anaty baiboly?:lol: :lol: :lol: hafa ndray koa ty!
51. ari.malala
(
03/08/2009 09:16)
ni, ko mankaleo akia! :-D :-D :-D :-D manin kou no manoratra eto am serasera nefa tsy misy anizany ao am baiboly :-D :-D :-D
52. rakapy
(
03/08/2009 09:19)
Jereo ao @ apokalipsy fa misy hoe.
I adama sy eva dia hanoratra @ Internet sy hampiasa blackberry mba hiantsona an'Atra sy ny anjely. :-D :-D :-D
I adama sy eva dia hanoratra @ Internet sy hampiasa blackberry mba hiantsona an'Atra sy ny anjely. :-D :-D :-D
53. ni81
(
03/08/2009 10:18)
ni, ko mankaleo akia! manin kou no manoratra eto am serasera nefa tsy misy anizany ao am baibolyndry ity ry ari :lol: :lol:
Jereo ao @ apokalipsy fa misy hoe.:D
I adama sy eva dia hanoratra @ Internet sy hampiasa blackberry mba hiantsona an'Atra sy ny anjely.
54. ikaretsaka
(
03/08/2009 11:16)
Ka za zavatra asaina atao voatsimpona ao tsy atao...ze zavatra atao ka tsy ao atao...ni marina...
Efa ela aho no niteny hoe io kitsimpotsimponareo io e
Efa ela aho no niteny hoe io kitsimpotsimponareo io e
55. Ratoa
(
03/08/2009 15:34)
lasa kivalavala ilay resaka!!!!
fa izao é! na kely na lehibe (na tantara na sombin-tanatara no alalinina dia tsara daholo. satria mahatsiaro izanyfa misy tsy ampy ary miezaka mameno tsy ampy. Mifameno eo ireo.
Ny fandalinana mety sty hitovy satria mety tsy hitovy koa ny fandraisana na fazahoana azy. Fa ny fampiadiana ny hevitra sy ny fahalan'ny rehetra no mety ahitana ny marina sy anazava izay mbola tsy azo. Sa ahoana?

56. ari.malala
(
04/08/2009 05:47)
rakapy:
Jereo ao @ apokalipsy fa misy hoe.
I adama sy eva dia hanoratra @ Internet sy hampiasa blackberry mba hiantsona an'Atra sy ny anjely. :-D :-D :-D
:-D :-D :-D :-D :-D iny koa no tsy hitako :-D :-D :-D :-D :-D
58. rzakarivola
(
13/08/2009 12:11)
niryna:
..., izaho no vavolombelona fa nisy fotoana aho irery tao anatin'ny metro, ... nivavaka mafy aho ary nisy tract kely izay teo anilako, tsy fantatro hoe avy taiza io... Mino tanteraka aho fa manana zavatra mitovitovy izany famonjen'Atra izany koa hianareo rehetra ato.
:-* :-*
==> Hitondra ny hevitro momba ny dinika aho rehefa avy eo, fa ity nisy iray tena tsy aritro niryna. Inona no soratra tao anatin'ilay tract kely izay ts fantatrao hoe avy taiza no niaviany ?
59. rzakarivola
(
13/08/2009 12:53)
niryna:
Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
30 For in the resurrection they neither marry, nor are given in marriage, but are like God`s angels in heaven.
30 Car, à la résurrection, les hommes ne prendront point de femmes, ni les femmes de maris, mais ils seront comme les anges de Dieu dans le ciel.
Matio 22:30
Manambady ,miteraka,mitombo ve izany ny anjely?
(l) niryna
==> Nahagaga ahy aloha ilay fanontaniana, fa rehefa nandinika tsara aho dia hitako fa tsara fipetraka.
Izaho manokana tsy mahalala velively izany anjely izany, fa ny tenin'i Jesoa Kristy ihany no fantatro ary ekeko fa marina, satria Izy no Tenin' Andriamanitra Velona. Ary ny fandraisako io teniNy io dia :
1- Milaza hoe : tsy misy fampakarambady. Ny fampakaram-bady dia fanehoana @ fomba ofisialy fa mpivady ny olona roa. Fomban'olombelona izany, fa raha namorona ny mpivady Andriamanitra dia tsy nisy an'izany (raha tsy diso aho).
2- Tsy milaza hoe manambady ve ny anjely sa tsia
3- Tsy milaza hoe miteraka ve ny anjely sa tsia
Ny antony nametrahako ireo tsy nolazain'i Kristy dia mba tsy hilazantsika fa niteny izay azvatra tsy noteneniNy izy. Izany mantsy dia mahatonga ny olona hihevitra fa contradictoires ny andinin-tSoratra Masina maro ao @ Baiboly, ary mampisy fifandirana eo @ samy Kristiana.
Nahalasa saina ahy ny nahita ireo valin-teny marobe, dia ny an'ireo kristiana (satria izay tsy mino efa tsy mino rahateo).
60. rzakarivola
(
13/08/2009 13:10)
ari.malala:
Any @ fitsanganana anie ny resaka eto e! Fa tsy eto antany mintsy... Ny olombelona no nahazo tsodrano hoe miteraha ary mamenoa ny tany raha ny fahalalako...
==> Marina tanteraka ny teninao. Fomny mbola tsy nihinana ny voankazo ny olombelona ("raha mihinana an'izany ianao dia ho faty") no nahazo ilay tso-drano hoe "miteraha mamenoa ny tany", ary tao @ paradisa no nisy azy tamin'izany. @ fitsanganana (avy @ maty), izany hoe rehefa velona indray, dia ho ao @ paradisa.