Manambady,miteraka,mitombo taranaka ve ny anjely ?
61. rzakarivola
(
13/08/2009 13:16)
rakapy:
Iza taminareo kay no efa nahita sy niresaka ary niara-niaina tamin'ny anjely ka afaka hamaly an'i Niryna?
==> I Jesoa no efa nahita anjely sady miara-miaina amin'ireny isanandro sy mifankahita amin'izy ireo. Izaho kosa manana antoka ny fahamarinan'i Jesoa sy ny teniNy. Koa ny valin'ny fanontanian'i Niryna dia azony rehefa mandinika tsara, tsy manala ary tsy manampy @ tenin'i Jesoa izy, ary hahazo mihoatra aza izy.
62. rzakarivola
(
13/08/2009 14:02)
niryna:
hi,hi tsy lasa lavitra ka ...
:-*
==> Marina ny tenin\'i Niryna. Ireto fanazavana mikasika ny fanambadian\'ny zanak\' Andriamanitra ny zanak\'olombelona voasoratra ao @Baiboly ireto dia maneho fa tsy lavitra ny fanjakàn\' Andriamanitra.
63. ari.malala
(
13/08/2009 14:10)
o razakarivola a! ianareo olombelona anie no ipetrahan' ny fanontaniana eto fa tsy Jesoa akory e! sa hoa enao jesoa? valio!
raha ,ba nandray na dia kely fotsiny aza arii,saingy feno fanankianana sy mahita zavatra tsiniana foana no tena betsaka ka akory atao baba,manakiana @ ahoana aza! fanga ts maintsy manaiky e! aiza hoaiza no misy an'izany voasoratra, ento eto d manaiky 100% ah amizay fotoana izay! hoe ny fivavahana sy finoan'i niryna sy razakarivola ary fidinirina iany no marina sy tena fivavahana marina d ento ny porofo.
64. niryna
(
13/08/2009 14:41)
ari.malala:
Io anie le lazaiko hoe miteraka confusion @ oul ny ataon'i niryna e! misy namana iray ao izao efa mibaboka mitnsy fa aray intsony! aza miroa lela re ry niry na a! refa miteraka d miteraka d refa ts miteraka d ts miteraka, refa anjely d anjely fa tsy sady anjely no olona no in kou! manjary mahasadaikatra ny oul!
asa na izaho no diso fandray na indry no mandry amin'izay itiavandry azy ,mila mivavaka woa isika mangataka ny fanahy masina anazava amintsika foana,raha mandaha moa dia izay izy ka ,tsy manery aho fa ny tsimpona no omeko,raha mandray indry raiso raha tsia,mbola omen'Atra chance ihany ny olona manda ny teniny raha tiany ho voavonjy
efa niteny aho araka ny baiboly hoe tsy manambady ny anjely,dia inona indray .Indry aza no niteny nanampy ahy hoe ny hafatra aloha dia hoe mitera mameno ny tany fa tsy niteny ny anjely an'izany Atra
Izay indrindra ,rehefa anjely dia anjely ,rehefa olona dia olona,anjely tompoko dia fanahy fa tsy vatana noho izany tsy afaka anambady velively izy,izay mampianatra izany dia mila mitandrina, satria tsy misy teny ao anatin'ny baiboly miteny hoe anjely niteraka.indry ity woa tssss
:-* :-*
65. ari.malala
(
14/08/2009 07:46)
mbola omen'Atra chance ihany ny olona manda ny teniny raha tiany ho voavonjyzafady alou fa tonga d io no manitona anà volou, mila fanazavana kely, aiza hoaiza @ izay rehetra nosoratako no misy milaza na nilaza mivantana ah hoe mandà ny tenin'Andriamanitra? raha misy any hoany ka hoe ari.malala mints no milaza hoe zà rey olona ka mandà ny tenin'Andriamanitra d ento eto, tsimpony, saingy aoka kosa ho zavatra tena marina no entina eto fa ts hanendrikendrika! sa i niryna mints no Andriamanitra?
66. rzakarivola
(
14/08/2009 07:47)
ikaretsaka:
aza tsimpotsimponina ohatran"io ho aho fa le tantara 1 manontolo tantaraina...
lasa resaki paoly @ karposy ohatra no lasa lazaina fa resantsika sy enao sy jesosy... tsa mety zany
hoy ilay namana iraika iry hoe tsimponina de samatsamahana de avy eo forcena atambatra...
==> Le mitsimpona mipatitatitaka aloha ratsy e.
Vakioanreo anie ity tantara ity e :
Indray andro nisy zaza anakiray nandalo fivarotana, dia nitsiriritra ery izy nahita ireo paoma be dia be. Nisy lehilahy "tsara fanahy be" nandalo ary nahita sy nahatsapa fa te hihinana an'ilay paoma ilay zaza, dia nanontaniany "hividianana indry ?". Faly be ilay zaza dia nanaiky, dia nividianan-drangahy anakiray. Rehefa avy nisafidy izay farany tiany ilay zaza, dia toa tiany be koa ilay iray hafa teo. Dia nividy indray ilay rangahy dia nomeny azy ... nanao toy izany hatrany, ka rehefa tonga teo @ paoma fahaefatra dia niparitaka teny an-tanan'ilay zaza ilay paoma rehetra (satria tsy omby intsony ny tanany), ary nikodiadia tany anaty lava-dranopotaka lalina misy sarony ireny.
Toy izany tokoa, rehefa tsimpotsimponina daholo alaina io rehetra io dia farany na iray aza tsy misy azo fa very aby. Toy izany ny fahatsaram-panahin'olombelona tsy misy fahendrena. Ny an' Andriamanitra kosa dia milamina ny fiasaNy, tiany hahazo ny fiainana ilaina rehetra isika, fantaNy fa tsy omby ny tanantsika omena ny zavatra rehetra, ny fahendren' Andriamanitra anefa dia izao, entiny ao @ sahany izay manaiky ary atoloNy azy ny hazo izay feno paoma. Ary KRISTY izany hazo izany. Izay manaiky hoentin' Andriamanitra ao @ Kristy dia mahazo ny fiainana.
67. rzakarivola
(
14/08/2009 07:55)
ari.malala:
Io anie le lazaiko hoe miteraka confusion @ oul ny ataon'i niryna e! misy namana iray ao izao efa mibaboka mitnsy fa aray intsony! aza miroa lela re ry niry na a! refa miteraka d miteraka d refa ts miteraka d ts miteraka, refa anjely d anjely fa tsy sady anjely no olona no in kou! manjary mahasadaikatra ny oul!
==> Hitantsika miariary izany izao fa manana hevitra be tokoa i Niryna saingy tsy milamina. Fanomezam-pahasoavana ny fahalalana, mety mba ho i ari. kosa no nomena fanomezam-pahasoavana handamina, ka raha manampy i ari. mandamina ny nambaran'i Niryna dia miseho tokoa fa Andriamanitra dia Tompon'ny filaminana fa tsy fikorontanana, ary ari. sy niryna dia tena iray ao @i Kristy. Mba hahita ny besinimaro fa "ny Zanak'Olona tonga eto amin'izao tontolo izao, tsy hanameloka azy, fa mba hamonjeny azy"
68. bor2lais
(
14/08/2009 08:04)
Voalaza etsy ambony :
"Hitantsika miariary izany izao fa manana hevitra be tokoa i Niryna saingy tsy milamina. Fanomezam-pahasoavana ny fahalalana, mety mba ho i ari. kosa no nomena fanomezam-pahasoavana handamina, ka raha manampy i ari. mandamina ny nambaran'i Niryna dia miseho tokoa fa Andriamanitra dia Tompon'ny filaminana fa tsy fikorontanana, ary ari. sy niryna dia tena iray ao @i Kristy."
--> Amen !
"Hitantsika miariary izany izao fa manana hevitra be tokoa i Niryna saingy tsy milamina. Fanomezam-pahasoavana ny fahalalana, mety mba ho i ari. kosa no nomena fanomezam-pahasoavana handamina, ka raha manampy i ari. mandamina ny nambaran'i Niryna dia miseho tokoa fa Andriamanitra dia Tompon'ny filaminana fa tsy fikorontanana, ary ari. sy niryna dia tena iray ao @i Kristy."
--> Amen !
69. rzakarivola
(
14/08/2009 08:14)
ari.malala:
Faha, ny tena olana anie d anio izy miteny a, rapitso koa d efa b.. tsy hita ihany! rehefa mametraka fanontaniana ny tena momba iny zavatra iny, d na izy manjavona tsy hita elaela d amoronany dinika iny zavatra iny any afara any miaraka am tsimpona bdb na eo iany fa ahodinkodiny ny resaka d ny tena mametraka fanontaniana lazainy fa manohitra an'Andriamanitra! non mais...
==> misaotra an'i ari. Ity tenin'i ari ity manomboka mampahazava an'ilay resak'i Niryna tsy mazava. Misy chronologie ilay izy izany, mety hoe t@ voalohany ve niteraka fa avy eo tsy miteraka intsony ? Ohatra hoe, @ voalohany dia milaza izy hoe "mamenoa ny tany", fa rehefa feno ny tany dia tsy mila miteraka intsony fa efa complet izany ny zava-drehetra.
Hita taratra amin'izao fa raha tian'ny kristiana hazava amin'ny tsy mpino koa ny Baiboly, dia mila mahay miara-miasa toy izany izy ireo, dia @ fandaminan'ny Tompo, samy hampiasa ny fanomezam-pahasoavana azony avy, tsy hireharehana na hamonoana fa hanompoana (servir) ireo kristiana rahalahy sy anabavy mba hampandrosoana ny Fiangonana.
70. rzakarivola
(
14/08/2009 08:39)
rakapy:
Resaka misavaon-danitra be mihintsy ato izany :-D :-D :-D
==> Marina izany, ny resaka finoana resaka momba ny fanahy ! Ary ny fanahy dia ao an-danitra, fa ny nofo no eto.
71. rzakarivola
(
14/08/2009 11:09)
Ratoa:
Ny olona koa dia voaraoka avy tao Edena ka miandry ny famelan-keloka (izay ilay \"péché\" originel) sy fananganana ny tenan\'ny maty. Dia rehefa avy eo hiakatra ho any an-danitra ( ho eo akaikin\'i Jesosy Apoka na Révélation 14:3) ny sasany, ny sasany kosa dia tsy mbola haiko fa vao mitady aho.
==> Manambara zava-miafin\'ny fiainana ity tenin\'i Ratoa ity, ilay hoe mbola tsy fantatra indray nambaran\'ny Anjely t@i Daniela, hoe :
\"Ary maro amin\'izay matory ao amin\'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin\'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin\'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.\".
72. rzakarivola
(
14/08/2009 11:18)
rakapy:
Mazotoa mitady ny valiny ao ary e!
==> Ataoko fa vao hita teo ny valiny [Daniela 12:2].
rakapy:
Raha tinao marina ve ny zanakao dia andefasanao alika masika???
==> Raha fantatro ny zanako fa handalo alika masiaka, dia mampitandrina azy aho, ary manome azy izay fitaovana ilaina hiarovany tena. Ary ny zanakao hataonao ahoana ?
Izao no tenin'i Jesoa KRISTY.
"Iza aminareo no Ray, raha angatahin'ny zanany trondro no hanome azy bibilava? Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? Raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome zava-tsoa ho an'ny zanakareo? Mainka ny Rainareo izay any an-danitra? Koa amin'izany, mangataha dia homena ianareo". Mangataha amin' Andriamanitra ny fahamarinana dia homeNy ianao.
rakapy:
mbo mahagaga ilay A/trareo marina
==> Ny tena nanaitra ahy eto dia kay ianao koa miaiky fa mahagaga Andriamanitra. Nefa tsy taitra ihany aho fa efa voasoratra kay izany. [Habakoka 1:5], miverina ao @ [Asa 13:41]
73. rzakarivola
(
14/08/2009 11:34)
Ratoa:
ilay A/trareo
Fa izaohoy aho ilay Andriamanitrao , rakapy fa mbola tsy namamy ilay fanontaniana ianao?
==> Ratoa ah, mazava be anie izany e. Efa nilaza ny Apostoly PAoly (ary isika mahafantatra), fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany, dia izay namorona izao tontolo izao. Izay tsy mahafantatra an'io Andriamanitra io dia mamorona andriamanitra ho an'ny tenany, kanefa tena tsy hitako mihitsy no maha lojika an'izany na dia @ lojikan'olombelona aza, ny andriamanitra indray no foronina ... Lojikam-boalavo ouz le namana iray izay.
74. rzakarivola
(
14/08/2009 11:40)
ari.malala:
niryna:mety hoe hors sujet ngamba fa manin kou indry no minambary nefa tsy misy milaza an'izany ao anaty baiboly?
mbola tsy naheno aho na indray mandeha aza na nisy nilaza izany ny baiboly
==> Sao dia mba izaho no HS.
Ny fahalalako ny resaka resahina @ity lohahevitra iray ity dia izay ambaran'ny Baiboly mikasika ny Anjely. Toa ny ambaran'ny Baiboly mantsy no tena adihevitra be eto hoe marina hoy ny sasany, tsy marina hoy ny sasany, misy marina d misy diso hoy ny sasany .
75. rzakarivola
(
14/08/2009 12:39)
rakapy:
Jereo ao @ apokalipsy fa misy hoe.
I adama sy eva dia hanoratra @ Internet sy hampiasa blackberry mba hiantsona an'Atra sy ny anjely. :-D :-D :-D
==> Marina ity tenin'i rakapy ity ... avec un peu d'intelligence, on voit bien celà de nos jours.
76. rzakarivola
(
14/08/2009 12:53)
Ratoa:
lasa kivalavala ilay resaka!!!!
fa izao é! na kely na lehibe (na tantara na sombin-tanatara no alalinina dia tsara daholo. satria mahatsiaro izanyfa misy tsy ampy ary miezaka mameno tsy ampy. Mifameno eo ireo.
Ny fandalinana mety sty hitovy satria mety tsy hitovy koa ny fandraisana na fazahoana azy. Fa ny fampiadiana ny hevitra sy ny fahalan'ny rehetra no mety ahitana ny marina sy anazava izay mbola tsy azo. Sa ahoana?
==> Ny fahitako an'ilay hoe "Dieu a créé l'homme à son image" dia tahaka ny hoe, misy oul iray alaina ny sariny vu de profil gauche, vu de profil droit, vu de face, vu d'en haut ... sns. D mahazo sary bedabe arakaraka ny angle. Ny teknolojia moa izao efa lasa lavitra afaka maka sary hatr@ ao anaty ...
Dia izay io tenin-dRatoa io hoe samy mampiseho kely partien' Andriamanitra ireo sary rehetra ireo ... Fa tsy maintsy sarin' Andriamanitra kosa (endrik' Andriamanitra). Izay sary simba dia tsy azo heverina ho endrik'Andriamanitra intsony, fa mila averina amin'ny laoniny ilay endrik' Andriamanitra, izay vao maneho an' Andriamanitra izy.
"sary sy anaran'iza io ? ... Avereno ho an' Andriamanitra izay an' Andriamanitra"
77. rzakarivola
(
14/08/2009 13:04)
ari.malala:
o razakarivola a! ianareo olombelona anie no ipetrahan' ny fanontaniana eto fa tsy Jesoa akory e! sa hoa enao jesoa? valio!
==> Izaho tsy Jesoa ka. I Jesoa efa nilaza hoe "vetivety aho dia tsy ho hitanareo, vetivety aho dia ho hitanareo indray, fa hianareo ihany no hahita ahy, fa izao tontolo izao tsy hahita ahy".
Talohan'ny hiakatra i Jesoa niteny hoe "tsy maintsy mandeha aho ... Izay mandray anareo dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia tsy izaho no raisiny, fa izay naniraka Ahy".
ari.malala:
aiza hoaiza no misy an'izany voasoratra, ento eto d manaiky 100% ah amizay fotoana izay! hoe ny fivavahana sy finoan'i niryna sy razakarivola ary fidinirina iany no marina sy tena fivavahana marina d ento ny porofo.
==> Raha kristiana ianao dia izay tenin'i KRISTY no marina ho anao. Ary izay tenin'i KRISTY ihany no marina ho ahy, ary inoako fa tahaka izany koa ho an'i niryna sy fidinirina. Ka inona ary no tena mampiavaka ny finoantsika ?
78. ari.malala
(
14/08/2009 13:56)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D aleoko d memezana sisa enao razaka fa tena midelira! ny teninao manontany hoe omen'Atra chance iany ve ny olona mandà ny teniny no antony nametrahako fanontaniana hoe nga enao Andriamanitra? satria mants zà tena tsoriko mitns fa ts resy lahatra @ zay lazainareo... d lazainareo foana fa manohitra an'Atra, k nga hoa nareo Atra? sa aizahoaiza no misy filazana fa ze teny entinareo d tenin'Atra? (raha ny teny ao anaty baiboly d ts mandà ah, fa le blabla anampohanareo anazy mints no ts mandresy lahatra anà satria tsin fanazavana misavoandanitra b iany...)
79. rzakarivola
(
17/08/2009 14:52)
ari >>>>
Ao @ Baiboly mihitsy ilay teny ka! Ary tsy manapoka ninoninona mihitsy aho, ny fanoharana tsy fanapohana fa fanehoana @ fiainana iainantsika. Raha misy hitanao hoe manampy zavatra ankoatra izay voalazan'ny Baiboly dia lazao hiverenako handinika fa mety marina ihany izany. Raha tsy misy kosa fa tena ny tenin'ny Baiboly no ambarako, dia tsy teniko intsony izany fa an'izay ekenao fa avy amin' Andriamanitra, ka tsy hitako izay anoheranao azy.
Misavoan-danitra ... I Jesoa aloha tonga hanambara ny zavatra any an-danitra e!
Ao @ Baiboly mihitsy ilay teny ka! Ary tsy manapoka ninoninona mihitsy aho, ny fanoharana tsy fanapohana fa fanehoana @ fiainana iainantsika. Raha misy hitanao hoe manampy zavatra ankoatra izay voalazan'ny Baiboly dia lazao hiverenako handinika fa mety marina ihany izany. Raha tsy misy kosa fa tena ny tenin'ny Baiboly no ambarako, dia tsy teniko intsony izany fa an'izay ekenao fa avy amin' Andriamanitra, ka tsy hitako izay anoheranao azy.
Misavoan-danitra ... I Jesoa aloha tonga hanambara ny zavatra any an-danitra e!
80. niryna
(
27/08/2009 04:32)
Toa lasa nivadika ilay sujet ? :roll:
Aleo isika rehetra tsy hitsahatra itady ny marina,ny tenin'Atra no manaporofo fa tsy azo anasorana na analana ny tenin'Atra .Raha miteny izy hoe andeha aho anamboatra toerana ho anareo ,dia lasa nanamboatra toerana ho antsika rehetra izay mino azy izy izany.Mahereza ary ataovy ny fikarohana avy amin'ny famakiana ny tenin'Atra ,ny fandalinana izay nomena antsika,ny tsimpona,ny vavaka indrindra ary mangataha ny fanahy masina mba hiaraka amintsika ampianatra antsika ny fahamarinana.
(l) (l) (l) (l) (l)
Aleo isika rehetra tsy hitsahatra itady ny marina,ny tenin'Atra no manaporofo fa tsy azo anasorana na analana ny tenin'Atra .Raha miteny izy hoe andeha aho anamboatra toerana ho anareo ,dia lasa nanamboatra toerana ho antsika rehetra izay mino azy izy izany.Mahereza ary ataovy ny fikarohana avy amin'ny famakiana ny tenin'Atra ,ny fandalinana izay nomena antsika,ny tsimpona,ny vavaka indrindra ary mangataha ny fanahy masina mba hiaraka amintsika ampianatra antsika ny fahamarinana.
(l) (l) (l) (l) (l)
