Manambady,miteraka,mitombo taranaka ve ny anjely ?

21. niryna ( 30/07/2009 04:02)
Ratoa:

Efa voalaza ao amin'ny dinika hoe olon'izao tontolo izao izany. Tsy maninona a jereo momba ny anjely niteraka: Genesisy 6:1-7. Momba an'i Satana: Genesisy 3.
Momba ireo iraka madio tsy miteraka Genesisy 19: 15,16, Daniel 6:22, Salamo 34: 7, Hebreo 1:7


Averiko indray ny fanazavako fa tsy manambady ny anjely,tsy miteraka.Mila vakiana hoy aho ny Genesisy manomboka eo amin'ny 4 -6 ary ny nahatonga an'Andriamanitra nandripaka ny olona satria lasa nanompo andriamani-kafa ,nanomboka ny famonoana isan-karazany. Taranaka marobe nifandimby anie no ao anaty baiboly e,ary ireo taranaka ireo dia samy niteraka vavy sy lahy ary nahita ny hatsaran'ireo vavy izay nivadika tamin'Andriamanitra ireo dia nanambady azy ireo ny sasany,ireo no antsoina hoe zanakavan'ny olona ,daughter of man
ity vakio ny tantara

http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=6&andininy=1-12&dika=ls-web
22. niryna ( 30/07/2009 04:22)
Ratoa:

Efa voalaza ao amin'ny dinika hoe olon'izao tontolo izao izany. Tsy maninona a jereo momba ny anjely niteraka: Genesisy 6:1-7. Momba an'i Satana: Genesisy 3

Ny fahazoako azy ry Ratoa dia tsy misy resaka anjely mihitsy ao na dia kely aza,vakio ny tohin'ny tantara fa 6
Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.


Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy

Tsy niteny mihitsy izy hoe aringako ny anjely
Inona no nitranga?

11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
11 La terre était corrompue devant Dieu, la terre était pleine de violence.
11 The earth was corrupt before God, and the earth was filled with violence
fa ho aripany
ary dia teo no nanomboka ny fahatezeran'Atra ka niteny tamin'ny Noa izy mba anao sambo fiara fa ho aringany ireo olon-dratsy sy ny biby rehetra


17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.

18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao Gen 6









23. ikaretsaka ( 30/07/2009 04:30)
de tena naripany aby tokoa ve ry niryna sa io passage io ihany no nitsimponina mba hampa otsots zay??
tsary mety hoa izay
24. niryna ( 30/07/2009 04:38)
fahamarinana:

:arrow: ehe,tsy arako intsony ,ilay iraka iraisako hevitra amin'ny niryna,samy manana ny fiantsoany azy moa,efa fiteny rahateo ilay hoe Ange gardien na mpino na olon-tsotra tsy mpino aza milaza izay koa !!

misy tantara izany ao anatin'ny baiboly ka ,ilay anjely niseho tamin'ireo mpianan'i kristy.
Asa aloha aky fa ny ahy izay voalazan'ny baiboly ihany,nisy anjely teo niteny tamin'ireo mpianatra araka ny voalazan'ny baiboly dia anjely ireo izany.
Izany hoe tsy mbola naheno aho aloha hoe nisy elatra ilay izy fa matetika hoy aho araka ny voasoratra ao anaty baiboly dia lehilahy ny endriny,izany hoe mitovy endrika amin'ny olona

Fa ilay lazain'ny Rtoa hoe miteraka no tsy dia haiko loatra !Aleo ndray ary ho jereko ilay Toko sy andininy dia hiverenako rahampitso !
dia izay no mahatonga ahy manazava azy eto ka anjaran'ny tsirairay no milaza izay nampianariny sy manohana ny heviny araka ny tenin'Atra

Eto nefa niryna milaza koa fa tsy miteraka ny anjely satria tsy misy nofo aman-dra toa antsika izy ------avy eo ndray nefa voalazany fa mitovy endrika amintsika olona sady mazana lehilahy === zany hoe olona ihany zany sa tapany lohany monja ve ?... :-w :-w ..mila jiro fa tsy araka intsony hoe inona ilay niafaran'ny resaka teo ! (l)
mitovy endrika amin'ny olona=maka endrika toy ny olona ny tiako lazaina fa tsy miteny aho hoe olona

Efa noresahina teto koa ny anjely izay messangers na mpitondra hafatra no ilazana azy ireo ary nisy koa ireo anjely izay nanaraka an'i satana.Na satana na ireo anjelin'Andriamanitra izay nanaraka ,na ireo anjelin'Atra izay miaraka amintsika dia samy fanahy avokoa fa tsy mbola naheno aho hoe misy vatana sy miteraka.



25. niryna ( 30/07/2009 04:59)
niryna:

Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
30 For in the resurrection they neither marry, nor are given in marriage, but are like God`s angels in heaven.
30 Car, à la résurrection, les hommes ne prendront point de femmes, ni les femmes de maris, mais ils seront comme les anges de Dieu dans le ciel.
Matio 22:30

io izany misy valiny ry faha,tsy mba hampaka-bady na hampakarina fa ho tahaka ny anjely hoy kristy
Tenin'i kristy izany io dia izay fa tsy misy mampakabady izany ary tsy mbola naheno tokoa aho hoe nisy anjely natao marriage tatsy na taroa
Ny dikany ny olona ara-nofo sy ny olona ara-panahy na fanahy dia tsy afaka ny ivady mihitsy
izay no fahafantarako azy

zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. Gen 6:2

Aiza no anamarihana izany hoe zanak'Andriamanitra
Deot 14:1,
Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo[Heb. ambonin'ny elanela-masonareo.] noho ny amin'ny maty.

Ny zanakavavin'ny olona dia azo raisina ato amin'ny
Deot 32:5
,5 Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny -- tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy



26. ikaretsaka ( 30/07/2009 05:04)
aza tsimpotsimponina ohatran"io ho aho fa le tantara 1 manontolo tantaraina...

lasa resaki paoly @ karposy ohatra no lasa lazaina fa resantsika sy enao sy jesosy... tsa mety zany

hoy ilay namana iraika iry hoe tsimponina de samatsamahana de avy eo forcena atambatra...
27. rakapy ( 30/07/2009 05:58)
ireo no antsoina hoe zanakavan'ny olona ,daughter of man
:-D :-D :-D
28. ari.malala ( 30/07/2009 06:46)
Io anie le lazaiko hoe miteraka confusion @ oul ny ataon'i niryna e! misy namana iray ao izao efa mibaboka mitnsy fa aray intsony! aza miroa lela re ry niry na a! refa miteraka d miteraka d refa ts miteraka d ts miteraka, refa anjely d anjely fa tsy sady anjely no olona no in kou! manjary mahasadaikatra ny oul!
29. fahamarinana ( 30/07/2009 10:10)
:arrow: Misaotra any niryna niezaka nanazava ahy ! :)
ari : ie ,mila valiny mazava fa lasa mifamaofao ao daholo hany ka tsy hay na misy na tsia ,ity sasi-teny sns ity koa no manahirana ,za manokana izay !
Aleo ihany mamerina mamaky zany fa ho very amin'ny Katesizy eto !Lasa misy versions bobaka be ilay izy ! (l)
30. ari.malala ( 30/07/2009 10:30)
Faha, ny tena olana anie d anio izy miteny a, rapitso koa d efa b.. tsy hita ihany! rehefa mametraka fanontaniana ny tena momba iny zavatra iny, d na izy manjavona tsy hita elaela d amoronany dinika iny zavatra iny any afara any miaraka am tsimpona bdb na eo iany fa ahodinkodiny ny resaka d ny tena mametraka fanontaniana lazainy fa manohitra an'Andriamanitra! non mais...
31. niryna ( 30/07/2009 14:37)
ikaretsaka:

aza tsimpotsimponina ohatran"io ho aho fa le tantara 1 manontolo tantaraina...

lasa resaki paoly @ karposy ohatra no lasa lazaina fa resantsika sy enao sy jesosy... tsa mety zany

hoy ilay namana iraika iry hoe tsimponina de samatsamahana de avy eo forcena atambatra...



:D :D
32. niryna ( 30/07/2009 14:43)
xxx:

Mety hampitombo finoana ve aloha ilay fanontaniana sa inona mba tombony ho entiny raha toa ka hita ny valiny ????
ny rehetra dia afaka mizara izay nianarany sy nomena azy ,anjaran'ny tsirairay no mandray sy mandalina izany araka izay fantany ka,mizara no ataoko toy ny rehetra ary dia mampiseho izany araka ny ao anatin'ny baiboly
logique ve izany hoe anjely manambady olona izany ? ny iray fanahy fa afaka maka endrika olona ary ny iray vatana izay afaka miray ?


Indraindray eto misy fanontaniana tahaka ny hoe "maninona no eo @ tarehy ny orona " ???
mbola betaka noho izany ka ,miteny toy ny zaza ,manontany toy ny zaza,tsy misy ny olana raha toa ka misy valiny
toy ny hoe raha misy Atra maninona isika no tsy mahita azy?
raha namboarin'Atra ny biby ala ohatra maninona no itsahin'ny olona na vonoin'ny olona
fanontaniana ,tsy mety tapitra mihitsy ka :D :D ary ny tena mahafinaritra amin'ilay fanontaniana dia ita ao anatin'ny baiboly avokoa ny valiny ooops
33. niryna ( 30/07/2009 14:49)
Ratoa:


Momba ireo iraka madio tsy miteraka Genesisy 19: 15,16,


15 Ary nony maraina koa ny andro, dia na­ndodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana hianao noho ny heloky ny tanàna.

16 Ary nony nitare­dretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.

misaotra Ratoa> io no mitantara fa niendrika olona ilay anjely ary dia nibaiko an'i lota mba hiala teo amin'ny tanana

Faha> tsy nisy nahalala tamin'io fotoana io izany hoe hay anjely ireto olona tonga tao an-tranon'i Lota na koa hoe hirak'anjely
io koa no azo ilazaina hoe na olona aza dia azon'Atra am-piasaina ho iraka toy ny anjely
izay no fahalalako an'io





Daniel 6:22, Salamo 34: 7, Hebreo 1:7
[/quote]


34. niryna ( 30/07/2009 15:05)
Ratoa:


Momba ireo iraka madio tsy miteraka Daniel 6:22

mbola mamerina ny fisaorana ihany koa aho fa ity tantara ity dia tantara manambara fa nanao izay amonoana an'i Daniela ny olona satria nandika ny lalan-dry zareo ary dia natsipy tao anatin'ny lavaky ny liona izy kanjo tsy nihinana azy ny liona fa ny anjely kosa no niambina azy
22 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.

23 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.


Fiainana mbola mitranga io ho antsika kristiana,ao anatin'ny tahotra na tebiteby na toerana misy olon-dratsy ka miantso ny anaran'Atra dia hiaro anao tokoa izy,izaho no vavolombelona fa nisy fotoana aho irery tao anatin'ny metro,nisy rangahy adala izay ,miboridana ary tena natahotra aho satria izy mihamanantona,nivavaka mafy aho ary nisy tract kely izay teo anilako ,tsy fantatro hoe avy taiza io ary dia izao no tao anatin'ny saiko tao anatin'ny fotoana fohy kely hoe raha manatona ahy ity rangahy adala ity dia omeko azy ity tract ity ary dia ho teneniko izy hoe "Tianao Jesosy" nidoboka ny foko fa nihananatona ahy ihany ilay rangahy.Inona no nitranga hoy nareo ? toa nisy fefy nanarona ahy teo ka tsy nijery na nahita ahy akory ilay rangahy fa dia nifindra wagon fotsiny.Tamin'iny fotoana fohy niaretako ny mafy ,ny tahotra iny no nahatsampako fa nisy fefy nanarona aho ary tsy nampahitan'Atra ilay adala ahy.Nivavaka,niantso ny anaran'ilay ray mahery aho ary nisaotra azy koa aho niambina ahy sy niaro ahy tao anatin'ny tahotra,
Mino tanteraka aho fa manana zavatra mitovitovy izany famonjen'Atra izany koa hianareo rehetra ato.

:-* :-*
35. niryna ( 30/07/2009 15:23)
ari.malala:

Any @ fitsanganana anie ny resaka eto e! Fa tsy eto antany mintsy... Ny olombelona no nahazo tsodrano hoe miteraha ary mamenoa ny tany raha ny fahalalako...



=D> =D> =D>
36. niryna ( 30/07/2009 15:24)
Ahton:

Ka ny demony koa ange mba anjely latsaka antany ry ari.malala. :twisted: :arrow: :arrow:


marina izany ary tsy mbola naheno isika hoe ireo fa niteraka ny anjely latsaka an-tany e !
37. rakapy ( 31/07/2009 11:41)
marina izany ary tsy mbola naheno isika hoe ireo fa niteraka ny anjely latsaka an-tany e

Resaka misavaon-danitra be mihintsy ato izany :-D :-D :-D
38. niryna ( 01/08/2009 03:28)
ikaretsaka:

de tena naripany aby tokoa ve ry niryna sa io passage io ihany no nitsimponina mba hampa otsots zay??
tsary mety hoa izay

oddry,izay no voalazanm'ny baiboly ary mbola misy manamafy ihany koa io,voa novakiako mihitsy io omaly
Noa sy ny vadiny ary ny zanany telo lahy sy ny vadiny :arrow: valo no velona
Mandehana anie mijery ny tantara ao amin'ny baiboly ika e
39. niryna ( 01/08/2009 03:31)
ari.malala:

Faha, ny tena olana anie d anio izy miteny a, rapitso koa d efa b.. tsy hita ihany! rehefa mametraka fanontaniana ny tena momba iny zavatra iny, d na izy manjavona tsy hita elaela d amoronany dinika iny zavatra iny any afara any miaraka am tsimpona bdb na eo iany fa ahodinkodiny ny resaka d ny tena mametraka fanontaniana lazainy fa manohitra an'Andriamanitra! non mais...

hi,hi ,fizarana no ataoko toy hianao mizara ka,mety tsy mahavaly izay fanontaniana rehetra hianao ,tsara fotsiny ,raiso izay mahasoa sy mahametimety ahao.Raha izay nomena izay aloha na 200 pagesa aza efa feno raha ,ba nandray na dia kely fotsiny aza arii,saingy feno fanankianana sy mahita zavatra tsiniana foana no tena betsaka ka akory atao baba,raiso izay tsara ario izay tsy mifanraka ny eritreritrao


:-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-*
40. niryna ( 01/08/2009 03:34)
rakapy:

marina izany ary tsy mbola naheno isika hoe ireo fa niteraka ny anjely latsaka an-tany e

Resaka misavaon-danitra be mihintsy ato izany :-D :-D :-D


hi,hi ka iilay fanazavana ny teniny ao anatin'ny baiboly no samy manana ny filazany azy avy k'nou,misy izany hoe anjely nanambady ny olona izany hi,lhi,

tarana' anjely hono ireny e,zanak'anjely kelykoa ireny .mbola tsy naheno aho na indray mandeha aza na nisy nilaza izany ny baiboly
:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0401