Sao mba mahasoa ity e:fanorana amin'ny faladiha

1. niryna ( 10/06/2009 19:10)
Raha ny tongotra no tsy afaka mandeha dia tena itanao mihitsy izany hoe hay ve tena tsy afaka mandeha aho na te-andeha aza e.Misy mpanotra ny faladia ary asa izay mahalala fa ao ambanin'ny faladia ao daholo ny aretina rehetra mahazo antsika.Ohatra fotsiny izao,tamin'ny fotoana nanoran'ny vadiko ny faladiako dia narary be ny lohako,nisy point voatsindriny izay ary tena narary be ilay izy,satriko foana aza tsindrina mafimafy ilay faladiako.Inona no nitranga avy eo,afaka ho azy ny aretin'an-dohako.
Fanaonay mivady ny mifanotra toa izany ary tena manala havizanana mihitsy sy ny taolana manakotsako rehetra dia misinda kely teo aloha
Ny ratsan-tanana koa dia misy toerana horona kely izay rehefa marary nify iny ny olona iray ary mijanona ilay areti-nify.
Raha tsy misy olona afaka manampy anao dia alaivo ny ball tennis ary iny no horona ny faladia,mipetraka amin'ny seza dia atao amin'ny tany ilay baolina tennisy ary dia ahodikodina amin'iny ny faladia fa tena mahita fahasambarana tokoa hianao,misinda ny havizanana rehetra.
Mety daholo na ny lamosina na toerana hafa izany ka azo atao koa ny matory manotra tena fa tsy ho voatery ny faladiha irery akory

Sao dia mba misy mahita hafa ihany koa mety mahasoa ny hafa ?
:D
(l) niryna
novalian'i rhina ny 10/09/2009 14:13
2. ni81 ( 10/06/2009 19:21)
zahay koa dia tena mpanao an'io hatrizay ary nahavatra nividy boky mihitsy aza dia mba ampiasaina ato an-trano.
Fa tena efa maro koa ny olona any dago no manao io fitsaboana io. Ohatra iray @ zany ny RIRA.
3. mmmhh ( 11/06/2009 05:18)
zah koa mba anisan'ny zavtra tiako ny miotra tongotra, indrindra fa tena maivamaivana tsara mintsy ny vata irai maontolo reefa voaotra tsara ny tongotra,


Raha tsy misy olona afaka manampy anao dia alaivo ny ball tennis ary iny no horona ny faladia,mipetraka amin'ny seza dia atao amin'ny tany ilay baolina tennisy ary dia ahodikodina amin'iny ny faladia fa tena mahita fahasambarana tokoa hianao,misinda ny havizanana rehetra.


ny ahy ndray reefa tsy misy mpanotra de tavoahangy (tavoangina coka zao mafy tsara) dia iny no hitsahiko miodinkodina @ tongotro ao, mitsangana, mitehina @ zavatra sao de mienjera,

na koa manao pied nue mandede @ vatovato kely,
4. rodro ( 11/06/2009 10:59)
Orina ao ambany faladia somary orina @ pila de tena mahafaka aretina maro

Andramo de hohitanao avieo :-* (l)
5. Koditra ( 11/06/2009 19:03)
Marina mihitsy io fomba fitsaboana eo @ faladia io, nisy namana iray nanome sari-paladia ahy, voasoritra ao aby ireo teboka tokony ho kitihina mifanaraka @ aretina tsirairay. Efa ela izay tsy itako intsony ny nalehan’io sary io, tena mety nisy nampiasa tany @ trano fisainana nohon’ny fahamaizana mihitsy ngamba :-D :-D

Manokàna fotoana kely ahafahana mande tongotra tsy misy kapa (kapa kiraro io fa tsy zvtra hafa an) na eny amorondranomasina raha any @ amorontsiraka no misy anao, misy karazana kapa ihany koa efa misy maranidranitra itsahin’ny tongotra, jereo koa eny @ pavillon analakely na Andravoahany eny fa misy mivarotra fitaovana vita @ hazo ary efa misy maranidranitra kely ho solon’ilay kapa raha tsy manana.
6. ni81 ( 11/06/2009 19:07)
fa raha saro-kitika koa aloha @ ilay otra @ faladia dia tavela eo e! :-D :-D
7. niryna ( 11/06/2009 20:40)
ni81:

zahay koa dia tena mpanao an'io hatrizay ary nahavatra nividy boky mihitsy aza dia mba ampiasaina ato an-trano.
Fa tena efa maro koa ny olona any dago no manao io fitsaboana io. Ohatra iray @ zany ny RIRA.

ary ilay mpanotra amin'ny labozia ? ahoana indray ?

8. niryna ( 11/06/2009 20:44)
mmmhh:

zah koa mba anisan'ny zavtra tiako ny miotra tongotra, indrindra fa tena maivamaivana tsara mintsy ny vata irai maontolo reefa voaotra tsara ny tongotra,


Raha tsy misy olona afaka manampy anao dia alaivo ny ball tennis ary iny no horona ny faladia,mipetraka amin'ny seza dia atao amin'ny tany ilay baolina tennisy ary dia ahodikodina amin'iny ny faladia fa tena mahita fahasambarana tokoa hianao,misinda ny havizanana rehetra.


ny ahy ndray reefa tsy misy mpanotra de tavoahangy (tavoangina coka zao mafy tsara) dia iny no hitsahiko miodinkodina @ tongotro ao, mitsangana, mitehina @ zavatra sao de mienjera,

na koa manao pied nue mandede @ vatovato kely,

tsy ratsy koa iny izany ,andeha itady tavoahangy aho izao.Misy tavoahangy ve ho vidiana e

:D ahatsiarovako ny fahiny izany ,misy elo tonta ve ho vidiana e, misy tavoahangy ve ho vidiana e
sao mba misy ranon-dolana hovidiana ? ndry ,mampalahelo kely ery ilay olona miloloha daba misy ranon-dolana omena ny kisoa , efa nahita izany ve nareo oops,lasa mivadika kely ny sujet-ko :D
9. niryna ( 11/06/2009 20:46)
rodro:

Orina ao ambany faladia somary orina @ pila de tena mahafaka aretina maro

Andramo de hohitanao avieo :-* (l)

ka io ilay lazaiko hoe mitovy ny fanorana amin'ny labozia .sa tsy mitovy.
Misaotra fa andramako koa io ,andeha hitsimpona ilay pile kely nariko indray aho izany fa mbola ato an-trano ilay izy

:D
10. niryna ( 11/06/2009 20:52)
Koditra:

Marina mihitsy io fomba fitsaboana eo @ faladia io, nisy namana iray nanome sari-paladia ahy, voasoritra ao aby ireo teboka tokony ho kitihina mifanaraka @ aretina tsirairay. Efa ela izay tsy itako intsony ny nalehan’io sary io, tena mety nisy nampiasa tany @ trano fisainana nohon’ny fahamaizana mihitsy ngamba :-D :-D
hay va re e, mba tadiavo ry koditra ilay sarisary e dia ampiaraho an' ilay bodofotsy a :D


Manokàna fotoana kely ahafahana mande tongotra tsy misy kapa (kapa kiraro io fa tsy zvtra hafa an) na eny amorondranomasina raha any @ amorontsiraka no misy anao, misy karazana kapa ihany koa efa misy maranidranitra itsahin’ny tongotra, jereo koa eny @ pavillon analakely na Andravoahany eny fa misy mivarotra fitaovana vita @ hazo ary efa misy maranidranitra kely ho solon’ilay kapa raha tsy manana.

tena marina izany,nakaiza indray ary ilay kapako kely maranidranitra faladia iny ,aleo aloha tadiaviko ao ambanin'ny fandriana fa ela no tsy nanaovako sady toa tsy itako izay fiovany ,angamba rehefa mifikitra tsara amin'ilay izy ny eritreritro mety afaka mandeha an-tongotra lavidavitra aho


:-*
ny ahy indray raha mbola azoko atao ny mandeha an-tongotra dia ataoko foana ,mbola miampy izany koa ny fanaovana tsamotady vao maraina,isaiko mihitsy dia ampiako isaky ny mitsambikina aho ,asa indray aloha izay lafitsarany fa dia mitsambikimbikina eo aho aloha e
:D
11. niryna ( 11/06/2009 20:53)
ni81:

fa raha saro-kitika koa aloha @ ilay otra @ faladia dia tavela eo e! :-D :-D



=)) =)) dia akimpy ny maso ka =))
12. rodro ( 11/06/2009 21:58)
Niryna,tsihaiko aloha na mitovy na tsia fa zaho mbolatsy nanadrana taminy lapozy

tsimitovy ny fahitako azy :-* :-*
13. booboo ( 12/06/2009 08:07)
tsy mety amiko io mihotra faladia io fa mangilikilika beee ! dia aleoko ny tanana no hatao fa mitovy² ihany ny terminaisons nerveuses @ tanana sy ny tongotra / ny points akompoktora @ ireo ratsana roa ireo...
14. ni81 ( 12/06/2009 08:32)
dia akimpy ny maso ka
zà tsy mba sarokitika fa toa tsy mety mihitsy ho an'ireo tena sarotiny ka! Vao raisina fotsiny ny ankihibe tongony dia efa mihoraka izy :-D :-D ary dia tena mitalaho hoe ajanony ajanony.
Mety koa ny baolina golf ireny, na kanety ilay somary lehibebe.
Labozia koa fanaon'ilay Pasitera mpanotra izay fa tsy mahatsindry mafy hono ny ankihibeny.
Fa ity misy sary iray aloha dia @ manaraka alefako eto ny sasany fa misy maromaro ato @ boky ato fa mbola ho numériser-na.
[URL=http://img265.imageshack.us/i/cartereflexologieplanta.jpg/][IMG]http://img265.imageshack.us/img265/6391/cartereflexologieplanta.th.jpg[/IMG][/URL]
Somary klikeo eo @ ilay sary dia mihalehibe
15. fahamarinana ( 12/06/2009 19:19)
:arrow: Za ry reto faran'ny halako aloha ilay orina kah,aleoko lavitra atao platre na hijanonako firy volana aza !tokoa moa !Tena tsy mahatanty ,tsy vitan'ny hoe saro-kitikitika fa koa faran'izay tsy mahatanty mararin'ny otra !...Ndao ra-ongotro mihintsy aloha raha tsy hoe fatorana angaha ka ahavita azy !,raha ahatratra ahy koa aloha ! ...:-D (l)
16. tywa68 ( 13/06/2009 07:46)
Tena mahafinaritra ny orina fa ilay mpanotra no mety tsy haharitra ela (satria tena feno "teboka" mila tsindriana mafy, arak'io sary nalefan'i ni81 io) d mora mankaleo zany e ! fa tena mandaitra ilay izy ry Fahamarinana a !
Rhf tsy avy hangataka d samy manao ny azy e (mila souplesse be zany) :lol: na ny tanana koa d efa mety polipolesina eo rhf tsy zaka ilay tongotra :wink:
17. Koditra ( 13/06/2009 09:50)
Niryna : Tena mahasalama io fandehanana tongotra tsisy kapa io, izay no mampatanjaka sy mahasalama ireny olona any ambanivohitra ireny, raha ireo karazana aretina hita ao anatin'ireo sary ireo dia tsy dia mpahazo andrizareo firy fa ny fanaviana sy ny tazo no matetika mpahazo azy.

Ni81 : Kay enao no naka ilay sariko tato fa tsy lasa tany @ trano fisainana akory an! :-D :-D . Misaotra @lé sary eh!

Fahama - Tywa68 : Mividiana fotsiny lé kapa foutlouzy misy maranidranitra ireny. Tsy mila mpanotra tsony no sady manikitikitika.
18. tywa68 ( 13/06/2009 10:54)
Koditra > inn zany kapa foutlouzy zany ? Ilay mandeha tongotra tsy misy kapa d ekena rha eny @ fasika plage :-D :-D
19. ni81 ( 13/06/2009 11:45)
zà aloha dia mankafy io otra io e! tsapako maivamaivana mihitsy ny vatako manontolo rehefa avy eo. Marina fa somary mamaivay eo am-panaovana azy fa avy eo tena relax be mihitsy. :)
Ni81 : Kay enao no naka ilay sariko tato fa tsy lasa tany @ trano fisainana akory an! . Misaotra @lé sary eh!
Jereo ry koditra fa mbola ao anaty daba ao angamba raha tsy voadotra ilay izy a! :-D :-D :-D

Ity indray ary ho an'ireo saro-kitika @ tongotra e!
http://www.reflexomturgeon.com/mains.php#
20. ikaretsaka ( 13/06/2009 15:11)
Ny ahy aloha ny fataoko rehefa avy manao kanetibe iny de esoriko ny kiraro de agorisagorisako eo ambony boules ny faladihako e... tsy haiko sy tsy raharahako hoe manasitrana inona na inona fa ohatran ny mahafa bizana ftsn..
Rehefa velo indray de eo @ carde
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2459