Saina – Feon’ny fieritreretana ....

1. Koditra ( 19/05/2009 21:59)
Samy nomena saina isika, saina afaka manao kajy, mandalina sy mamakafaka, mitahiry ny zavatra hitan’ny maso sy ren’ny sofina ary tsapan’ny vatana, arakaraka ny dingam-pianarana nolalovana sy/na ny habetsahan’ny tranga hita sy tsapa teo @ fiainana no mamaritra ny fahaizan’ny tsirairay. Fa ny feon’ny fieritreretana kosa dia tsy miankina ary tsy misy idiran’izany, ilay feo nefa tsy heno, mibitsika nefa tsy hita maso, mibedy, mananatra, manoro làlana, indraindray aza toa mandatsa.
Inona marina io «feon’ny fieritreretana io» misy ao anatitsika io? Ao ireo mandray azy ho fanahin’A/tra ka mitaky ny hikolokoana ny vatantsika @maha tempolin’A/tra azy, ao ireo milaza fa Kristy izay efa nekeny sy noraisiny hitantana ny fiainany ary efa tafiditra ao anatiny io miresaka sy mibitsika aminy io, ao ihany koa ireo milaza fa anjely mpiambina hono izy io...

Ahoana ny fandraisanareo an’io? Sa tsy misy marina ireo fa mety hoe ny saina ihany no mamorona azy?
Mbola misy fanazavana hafa azo omena ve ankoatran’ireo?

Misaotra eh!
novalian'i Koditra ny 27/06/2009 08:07
2. ikaretsaka ( 19/05/2009 22:37)
ny saina dia ialahy ihany no ni imposer ilay izy ao amin'ialahy ary io voafaritr'ialahy io hoe vokatry ny experience personelle sy ny kajy sns ilay izy ... izany hoe vokatry ny cause and effects ana zavatra efa nitranga t@ ialahy

ny feon'ny fieritreretana kosa dia ialahy sahady no indro fa mametraka sahady izay mety ho fitrangany donnes rehetra, na hitranga marina le izy na tsia, io dia tsy voateryfoana hoe efa nitranga t@ ialahy na ahoana akory, fa ialahy no mifezaka na faly ho azy sahady @ izay ho atao na mety hataon'ialahy , mety olona no nametraka an'io tao amin'ialahy fa tsy vokatry ny experiencen'ialahy manokana, mety ialahy ihany saingy tsy niatra t@ ialahy manokana ilay izy, mety doctrines sns... azon'ialahy tany ho any
3. sergiolala ( 20/05/2009 13:45)
Hoy Paoly :"Tsy izaho intsony no velona ato anatiko fa Kristy" Misy olona izany ao anantitsika
"Raha miray amiko ianareo dia ianareo ato amiko ary izaho ho ao anatinareo" Misy olona koa izany ao anatintsika.

"Tsy hainareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo??" izany hoe, misy trano ao anantitsika, misy mipetraka ilay trano, mis olona koa izany ao anantintsika.

Iza ary no manao STOP antsika raha misy zavatra ratsy izay hataontsika??
Tadidio koa anefa fa misy olona hafa mipetraka ao anatin'ny olona. Rehefa iny ny olona iray izay manao zavatra "mihoatra" ny tokony hataony. Ireny ilay antsoina hoe "démoniaque". Ny démoniaque tsy afaka intsony mamantatra ny tsara intsony.

Anjaranao ny mahalala ny ao anatinao
4. ikaretsaka ( 20/05/2009 14:00)
ho an'i Paoly sy ny Kristianina dia mitombina tokoa ny valinteninao... fa ho an'i tsy paoly sy tsy ny kristianina... nefa manana konsiansy?
sa tsy manana konsiansy rehefa TSY PAOLY SY TSY KRISTIANINA?
EO ISIKA IZAO
5. tywa68 ( 20/05/2009 15:35)
Ikaretsaka > d ny miandry an'i Paoly na eo andalam-pitadiavana zany tsy misy konsiansy :-D :-D
6. ikaretsaka ( 20/05/2009 15:42)
De raha arahina tsara ihany izany ny lojikan-kevitra eto de ze polistra sy kristianina ihany no natokana sy nohariana hanana konsiansy
7. Koditra ( 21/05/2009 04:49)
Ika : Ekena ny tapany voalohany @hevitra naroson’lah.

ikaretsaka:
... mety olona no nametraka an'io tao amin'ialahy fa tsy vokatry ny experiencen'ialahy manokana, mety ialahy ihany saingy tsy niatra t@ ialahy manokana ilay izy, mety doctrines sns... azon'ialahy tany ho any
Io no misy tsy azoko, olona iza letsy zany ohatra?
8. Koditra ( 21/05/2009 04:55)
Ny saina dia samy manana daholo ny tsirairay fa ny fahaizana amampahalalana no tsy itoviany. Tsy iadian-kevitra intsony iny.
Manana konsiansy avokoa ve nefa ny olon-drehetra eny fa na dia h@ ireny mpangalatra sy mpamono olona maty eritriretra ireny, ireny toa tsy manana klé, sa manana konsiansy ihany ireo fa mamoana @ jus de risika na rongony de risika mialohan’ny operation hataony?

Fa anisan’ny valiny andrasako ny avy @ireo namana vitsivitsy itako matetika ato anaty forum izay milaza fa avy niresaka t@ Kristy, lasa ny eritreritra manao hoe @ fomba ahoana? Avy @ alalan’io konsiansy io ve ? Ary ahoana no ahafantarany fa Kristy io niresaka taminy io fa tsy ilay konsiansy itovizan'ny @ be sy ny maro?
9. Koditra ( 21/05/2009 04:58)
sergiolala:
Hoy Paoly :"Tsy izaho intsony no velona ato anatiko fa Kristy" Misy olona izany ao anantitsika
"Raha miray amiko ianareo dia ianareo ato amiko ary izaho ho ao anatinareo" Misy olona koa izany ao anatintsika.

"Tsy hainareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo??" izany hoe, misy trano ao anantitsika, misy mipetraka ilay trano, mis olona koa izany ao anantintsika.

Iza ary no manao STOP antsika raha misy zavatra ratsy izay hataontsika??
Tadidio koa anefa fa misy olona hafa mipetraka ao anatin'ny olona. Rehefa iny ny olona iray izay manao zavatra "mihoatra" ny tokony hataony. Ireny ilay antsoina hoe "démoniaque". Ny démoniaque tsy afaka intsony mamantatra ny tsara intsony.

Anjaranao ny mahalala ny ao anatinao
Mino a fa iombonan’ny be sy ny maro hevitra io voalazanao io.

Fa izao koa nefa, mitombina mihitsy ito fanontanian’Ika ito
ho an'i Paoly sy ny Kristianina dia mitombina tokoa ny valinteninao... fa ho an'i tsy paoly sy tsy ny kristianina... nefa manana konsiansy?
sa tsy manana konsiansy rehefa TSY PAOLY SY TSY KRISTIANINA?

Misy olom-pantatra ireny zao tsy miraharaha izany resaka fivavahana izany nefa dia mihaino sy manaiky hofehezin’ny konsiansiny. Sa ve io indray ilay atao hoe Anjely mpiambina?
10. ikaretsaka ( 21/05/2009 11:47)
Koditra:

Ika : Ekena ny tapany voalohany @hevitra naroson’lah.

... mety olona no nametraka an'io tao amin'ialahy fa tsy vokatry ny experiencen'ialahy manokana, mety ialahy ihany saingy tsy niatra t@ ialahy manokana ilay izy, mety doctrines sns... azon'ialahy tany ho any
Io no misy tsy azoko, olona iza letsy zany ohatra?



Le olona manao brainwashing an ialahy ireny ohatra... le type hoe rehefa zao de demony de tsy koi raha mamono ireny olona ireny ohatra fa mainka aza maha garanti ny fiainanko avy...
Le fika mahatonga ilay adeptes tsy afaka misaina sy mandinika ankoatran'ny voalazan'ilay firehana ireny fa lasa fanatisme e...
Freako right wing ho'zy cutie izay

11. soanja ( 21/05/2009 15:26)
Koditra:

Samy nomena saina isika, saina afaka manao kajy, mandalina sy mamakafaka, mitahiry ny zavatra hitan’ny maso sy ren’ny sofina ary tsapan’ny vatana, arakaraka ny dingam-pianarana nolalovana sy/na ny habetsahan’ny tranga hita sy tsapa teo @ fiainana no mamaritra ny fahaizan’ny tsirairay. Fa ny feon’ny fieritreretana kosa dia tsy miankina ary tsy misy idiran’izany, ilay feo nefa tsy heno, mibitsika nefa tsy hita maso, mibedy, mananatra, manoro làlana, indraindray aza toa mandatsa.
Inona marina io «feon’ny fieritreretana io» misy ao anatitsika io? Ao ireo mandray azy ho fanahin’A/tra ka mitaky ny hikolokoana ny vatantsika @maha tempolin’A/tra azy, ao ireo milaza fa Kristy izay efa nekeny sy noraisiny hitantana ny fiainany ary efa tafiditra ao anatiny io miresaka sy mibitsika aminy io, ao ihany koa ireo milaza fa anjely mpiambina hono izy io...

Ahoana ny fandraisanareo an’io? Sa tsy misy marina ireo fa mety hoe ny saina ihany no mamorona azy?
Mbola misy fanazavana hafa azo omena ve ankoatran’ireo?

Misaotra eh!



Ny feon'ny fieritreratana amiko ry Koditra dia tsy hita hofaritana mazava amin'ny soratra sy teny fa ny hany azoko anampiana ny efa voalazan'ny hafa dia ahoana ny fomba ahafantaranao azy dia ny elanelana misy izay tsapanao amin'ny eritreretin'ny sainao sy ny toloran'ny fonao (izay tsy inona fa ny fihetseham-po).

Manify be io elanelana io saingy misy io.

Omeko ny ohatra. Noana be tokoa ianao, miaka-piakarana sady mamay be ny andro. Indro tampoka teo ampoto-piakarana hazo midoroboka rakotra paoma mena mivaivay matsiro tokoa na dia ny mieritreritra azy fotsiny aza. Tsy misy olona ny manodidina. Mangotika ny kibo sady maneno fa noana loatra. Hoy ny saina hoe tokony haka paoma iray eto aho. Ny saina ihany no mamaly eo no eo hoe Tsia tsy ahy ny paoma ka mangalatra aho raha maka fa raha mialokaloka fotsiny aho dia tsy diso akory. Mamaly ny fo somary tezitra hoe izay paoma iray ve dia haninona? Nialoka naka aina ianao. Teo ampakana aina dia nanapa-kevitra ianao fa tsy handinika ny paoma intsony satria manjary mampisy fakam-panahy. Iny fotoana manify nakanao fanapaha-kevitra iny no feon'ny fieritreretana. Tsy niasa ny saina fa nisy zavatra nanosika anao tsy voafaritra nisafidy! nony nanao izany anefa ianao dia TONY.

iO FAHATONIANA io no milaza fa niasa izy satria izay no tena takian'ny momba anao. Ianao ilay feon'ny fieritreretana ary ianao miara miasa amin'Ilay Iray Tsy Toha na Andriamanitra. Manakaiky kokoa ny fo izy noho ny saina. Izy no manatony fihetseham-po ary manome lanja azy akaiky. Tsy avy any ivelany io fa ao anaty. Io ilay hazo novolen'Andriamanitra tao anatin'ny saha. Ianao ilay saha. Ianao ihany koa ilay menarana. Ao anatin'io hazo io Andriamanitra.

Azon'ny saina atao tsara koa anefa ny mandanjalanja ny hoe haka sy tsy haka, inona no vokany sns... ary maka fanapahan-kevitra koa. Zany hoe raha niasa ny saina dia tsy ny feon'ny fieritreretana no niasa.

Matetika dia ny vokatry ny asan'ny saina sy ny fo mifangaro mifandray no manome/ miteraka ny feon'ny fieritreretana. Tsy fantatrao matetika hoe nahoana no izay no nisy nefa tafita ianao. Misy tosika. Efa maka safidy tsara ianao vao mahalala hoe niasa izy. Matetika dia amin'ny alalan'ny safidy tsara sy ratsy vao miasa izy na fanosehana anao hanao asa tsara na mahasoa.

Tsy voatery mpino na mpivavaka no manana azy fa ny rehetra raha TOA KA NISY NAMPIANATRA AZY/ NAMBOLY/ NIKOLOKOLO NY SOA TOAVINA (value) IZAY TSY ITOVIZAN'NY REHETRA fa miankina amin'ny fiarahamonina na izay iainana sy nitomboana ary nianarana saingy kosa misy itambarana.


12. niryna ( 22/05/2009 03:45)
koditra> jereo ity fanoharana kely nataoko ity fa sao manampy anao
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a096b11f0fe4
dia andao aloha tohizako kely izy ity ao amin'ny Romana 7 milaza hoe :
14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.

15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.


16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.

17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.


18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko;
fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.


19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko;
fa ny ratsy izay tsy sitrako no

dia ho tohizako indray ny teny voasoratra ao amin'ny Romana 7 ihany fa 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.

21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.

22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;


Ireo teny ambony ireo izany dia afaka mamaly ny teninao hoe ireny olona mpangalatra ireny ve izany dia tsy mba manana conscience?
isika rehetra izany araka ny fahafantarako azy a,dia samy misaina avokoa vao manao zavatra,mahafantatra fa tsy mety na mety ,minaia manao ilay izy anefa isika noho ny filan'ny nofontsika.Moramora kokoa ny manaraka ny filan'ny nofo noho ny filan'ny fanahy.Ary arakaraky ny fomba hamahanan-tsika azy io ka izay fahanana betsaka no mahery ary izay tsy fahanana mihitsy na fahanana kely no malemy.
Misy miteny eo hoe hoan'ny kristiana sy Paoly io fa tsy ny tsy kristiana.Isika rehetra na manaraka an'i kristy na tsia dia samy mahalala fa mety na tsy mety ny zavatra ataontsika.Mety tsy mahalala isika raha toa ka ny fanahy maloto no feno ao anatin'tsika satria tadidio fa ny fanahy maloto tsy iteny antsika hoe aza manao an'io.
Romana 7 no mamaly azy eto dia hoe :
22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;

23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho,
miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako

24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?


25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.


Io ilay atao hoe "ny olona izay miaraka amin'i kristy (mino Azy) dia ny fanahy masina no miaraka aminy ( 1 kor 2:14 ) http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=2&andininy=14-14&dika=

ary io fanhahy masina io no mampianatra azy ( Jaona 14:26) http://baiboly.org/fanampianarohy.asp

Raha mikasika ilay resahin'ny olona hoe niresaka tamin'i kristy indray izy dia araka ny experiences oman'Atra azy io.Ny fanahy masina mibitsika amintsika no fantatro ary io no mananatra ,mampianatra ,manoro ny lalana tokony aleha na zavatra tokony atao,manakana ny loza mety mitranga kanefa indraindray isika na maheno ilay feo aza dia minia tsy mihaino fa rehefa tonga ilay loza vao mifona fa naheno kanefa tsy nanaraka ny teniny.
Andrimanitra dia miresaka aminsika amin'ny fomba maro,vavaka,famakiana ny teniNy,nofy,fahitana,fanahy mibitsika mangina
izay no mba fantatro kely raha misy fanontaniana dia alefaso fa ho valiako raha mba fantatro


:-*
13. soanja ( 22/05/2009 05:11)
Koditra:

Ny saina dia samy manana daholo ny tsirairay fa ny fahaizana amampahalalana no tsy itoviany. Tsy iadian-kevitra intsony iny.
Manana konsiansy avokoa ve nefa ny olon-drehetra eny fa na dia h@ ireny mpangalatra sy mpamono olona maty eritriretra ireny, ireny toa tsy manana klé, sa manana konsiansy ihany ireo fa mamoana @ jus de risika na rongony de risika mialohan’ny operation hataony?

Fa anisan’ny valiny andrasako ny avy @ireo namana vitsivitsy itako matetika ato anaty forum izay milaza fa avy niresaka t@ Kristy, lasa ny eritreritra manao hoe @ fomba ahoana? Avy @ alalan’io konsiansy io ve ? Ary ahoana no ahafantarany fa Kristy io niresaka taminy io fa tsy ilay konsiansy itovizan'ny @ be sy ny maro?



Saika hadinoko,

Rehefa mateti-pitranga ny fanaovan-dratsy dia maty ny feon'ny fietreretana ary manjaka ny fo. Tsy indraindray ihany miasa ny saina nefa ny hanome fahafaham-po an'io fo tsy misy feon'ny fieritreretana io no adidin'ny saina amin'izany. Mora kosehina ny feon'ny fieritreretana na mora miala tsy hita hiseho hiasa intsony. Ny vavaka dia isan'ny fanomezana lanja io FF io.

Rehefa izany no mitranga dia betsaka ireo izay voan'izany no mikatsaka zavatra hafa hamenoana azy: fanafody fampandriana adrisa, rongony, toaka sns... mahatsapa ilay olona fa very, tsy manana hianteherana, satria n'inona n'inona mahaolombelona anao dia io no mahaolona antsika rehefa nandalo fiainana isan-karazany nanome lesona sy ny fahafantarana fa miara-miaina amin'ny hafa isika fa tsy mandeha irery.

Ny nikoloana izany tao anatin'ny tsirairay no tena fototra goavana hanomezana lanja ilay olona; hatraiza ary tamin'ny fomba ahoana!

Mila tanjaka ny saina ary ny feon'ny fieritreretana no hanome tosika izany saina izany hatanjaka hahatratra tanjona mahasoa!


14. ikaretsaka ( 22/05/2009 10:19)
Raha azoko tsara anie ny tian'i koditra hahatongavana ry soanja de le fomba (fika) famaritana ny tsara sy ny ratsy io mihitsy e...
Hoe avy aiza io?
Raisonnement ve sa conscience?
Fa tsy fitanisana blabla sy ny hoy ny voasoratra loatra ohatran ny ataon le ramatoa efa mahazatra etsy ambony akory
15. tywa68 ( 22/05/2009 10:36)
Ika > i Koditra anie efa mahay ny feon'ilay fietreretana fa ny azy noraisiny hoe anjely mpiambina izany e. :lol:
Ny tiako ampiana kely angambany d hoe instinct de survie no misy @ rehetra na ny biby aza, zany hoe matoa manao zavatra d heverina fa mety @ tena ilay izy, vao mijery ny hoe inn koa moa no fiatraikany @ manodidina...ny mpino zany miankina @ilay eritreretiny hoe mety @ finoany sa tsia ny ataony, ary ny tsy mino n'inn2 d hoe mety amiko ve ?:wink:
16. ikaretsaka ( 22/05/2009 11:13)
izay...
de vokatr'izay donne izay de no mahatonga le hoe imposE ve io "instinct" io sa ahoana?
17. soanja ( 22/05/2009 14:46)
ikaretsaka:

Raha azoko tsara anie ny tian'i koditra hahatongavana ry soanja de le fomba (fika) famaritana ny tsara sy ny ratsy io mihitsy e...
Hoe avy aiza io?
Raisonnement ve sa conscience?
Fa tsy fitanisana blabla sy ny hoy ny voasoratra loatra ohatran ny ataon le ramatoa efa mahazatra etsy ambony akory


Ka ny hamaritra zavatra tsy azo tsapain-tanana nefa tsapa sy mifangaro kosa aloha dia sarotra.
Isika ve dia afaka hamaritra an'Andriamanitra ohatra? Tsy vitantsika izany.
Ny fahafantaran'ny tsirairay ny zavatra tsapany no azo hazavaina (describer-vana) amin'ny soratra.

Tsy hanam-baliny hoe anjely mpiambina io na hoe saina io na tahak'izany aloha ny tenako satria zah Soanja ny fahafantarako azy, izay mety tsy hitovy amin'ny hafa fa ny tontolo sy ianao mifandray no manome ny feon'ny fieritreretana.

Raha mianatra ny fihetsiky ny zaza sy ny mombamomba azy ary mandinika ny fisehon'ny Fanahy ao anatin'ny zaza avy ety ivelany ny mpandinika momba izany dia ny hany fantatra hatramin'izao dia misy tsimoka ao anatintsika, na zaza aza, izay tsy miasa na tsy mivoatra raha tsy koloina avy amin'ny alalan'ny fifandraisana ety ivelany. Io tsimoka io no miasa manome ny feon'ny fieritreretana rehefa mihalehibe sy lehibe ny zaza.

Hoy i Kristy hoe: "Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza"


18. ikaretsaka ( 22/05/2009 14:53)
izay tsy azo tsapaina nefa tsapa izay mihitsy no maha lalina azy koa...
tsy i Kristy koa no nilaza an'io ry soanja fa aza twistena fa sao lasa vanjo alika eo koa sanatria
19. xxx ( 22/05/2009 15:20)
Koditra:

Samy nomena saina isika, saina afaka manao kajy, mandalina sy mamakafaka, mitahiry ny zavatra hitan’ny maso sy ren’ny sofina ary tsapan’ny vatana, arakaraka ny dingam-pianarana nolalovana sy/na ny habetsahan’ny tranga hita sy tsapa teo @ fiainana no mamaritra ny fahaizan’ny tsirairay. Fa ny feon’ny fieritreretana kosa dia tsy miankina ary tsy misy idiran’izany, ilay feo nefa tsy heno, mibitsika nefa tsy hita maso, mibedy, mananatra, manoro làlana, indraindray aza toa mandatsa.
Inona marina io «feon’ny fieritreretana io» misy ao anatitsika io? Ao ireo mandray azy ho fanahin’A/tra ka mitaky ny hikolokoana ny vatantsika @maha tempolin’A/tra azy, ao ireo milaza fa Kristy izay efa nekeny sy noraisiny hitantana ny fiainany ary efa tafiditra ao anatiny io miresaka sy mibitsika aminy io, ao ihany koa ireo milaza fa anjely mpiambina hono izy io...

Ahoana ny fandraisanareo an’io? Sa tsy misy marina ireo fa mety hoe ny saina ihany no mamorona azy?
Mbola misy fanazavana hafa azo omena ve ankoatran’ireo?

Misaotra eh!



Ie, amiko aloha dia ny saina ihany e ! Mieritreritra izany, ny saina no mamakafaka. Dia izay ao an'eritreritra ao no ataoko hoe feon'ny fieritreretana.

Manana konsiansy ve ny olon-drehetra ?

Ny olon-dehibe normal :-P Amiko manana konsiansy daholo. Ny zavatra lazain'ny konsiansy fotsiny no tsy mitovy. Miankina amin'ny zavatra betsaka ny lazain'ny konsiansy. Ny finoana, ny fitaizana, ny traikefa tamin'ny fiainana, ny fahaizana amam-pahalalana, etsetra. Mizara be izao ohatra ny hevitry ny olona manoloana ny fanalan-jaza. Ny sasany manaiky foana, ny sasany manda foana, ny sasany mamakafaka isaky ny tranga. Tsy hoe akory tsy mieritreritra ny sasany, na hoe tsy mihaino ny feon'ny fieritreretany ... fa ny lazain'ilay feo mihitsy no tsy mitovy.

(Hitariko kely :-P )
Noho ny konsiansy miankina amin'ireo zavatra betsaka ireo no hiheverako fa tsy tokony entina amin'ny konsiansy fotsiny ny fanarahana ny dian'i Kristy. Ny eritreritra mantsy mety manaiky zavatra iray, fa Kristy ve manaiky izany ?
20. soanja ( 22/05/2009 15:21)
ikaretsaka:

izay tsy azo tsapaina nefa tsapa izay mihitsy no maha lalina azy koa...
tsy i Kristy koa no nilaza an'io ry soanja fa aza twistena fa sao lasa vanjo alika eo koa sanatria


Fa ia ro nitarogna an'io???? Voanjo alika ahoana? tsy azoko!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.046