Saina – Feon’ny fieritreretana ....

41. fahamarinana ( 26/05/2009 12:44)
:arrow: efa azony kosa hono lesy Ika a ,efa niala tsiny izy sady nampiany fanazavana ! :) (l)
42. Koditra ( 26/05/2009 22:08)
Fahamarinana:
Amiko manokana dia mitovy daholo fa ny anarana nomena azy no samihafa araka ny finoan'ny tsirairay ihany na ny tsy finoana ihany koa ! Tsy voafetra ho Xna fa isika olombelona samy manana azy daholo raha mbola manana saina handinika sy hamakafaka ihany koa !...Amiko ihany anefa izany fa mety tsy aminareo !
Marina io voalazanao io ka, tokony hoe iray ihany no hevitra itambaran’ny daholobe saingy finoana moa io ka mety ho samy manana ny azy. Ny ankamaroan’ny olona aza ngamba dia tsy te-hivaky loha akory ny fisiany na tsia, tsy misy hirarahiany na fanahy io na inona io na inona io. Mba eritreritra nandalo sy tsy aritra ny ahy, mafinaritra rahateo ny mifaneho hevitra eto izay isaorana antsika rehetra sy izay mbola itondra ny heviny.
43. Koditra ( 26/05/2009 22:14)
Mialatsiny fa diso adiresy ilay quote tery ambony.

Raha fintiniko ny tian’Soanja lazaina dia tsy resaka finoana na resaka fanahy na izay itiavan’ny olona tsirairay handraisana azy ny FF fa singa efa misy ao anatin’ny tsirairay. Rehefa matory ny olona dia matory ihany koa izy satria tsy misy ny fifandraisana avy @ ety ivelany, tsy miasa ny saina sy fo mandritran’io fotoana atoriana io. Ekeko ka, tsy misy azoko kianina fa ny hevitry ny hafa no asa.

Soanja:
Maty na tsy miasa izy raha manao ratsy foana ilay olona satria mihena amin'ilay olona manao ny tsy mety ny fametrahana ny fanomezan-danja ny FIFANDRAISANA amin'ny hafa na ny natiora na ny tenany. Zany hoe efa miha miroso amin'ilay endrika hoe " adala" izy ka tsy hanana intsony ilay fahafahana mihevitra ny hafa ary hopotika mbamin'ny tenany.
Eto izany no mbola tsy matiko lolo, za mbola te-hametraka foana hoe tsy maty izany fa ny olona fotsiny no minia tsy mihaino. Matetika dia nohon’ny tsy fahampiana ara-bola sy fialonana ary ny fitiavantena no mahatonga ny olona manao ratsy, mangalatra sy mamaky trano, mamono olona, fanenjehana vokatry ny fialonana sns… Azo adika ve izany ry Soanja fa FFn’ny ankabetsahan’ny mpanankarena izany dia betsaka kokoa ary zara fa mihena satria tsy mila mangalatra izy, tsy mila mamono olona, tsy dia manana fialonana loatra satria manana ny ampy?


Soanja:
Ka raha mivavaka ianao dia ny fanomezan-danja ny fifandraisana misy aminao sy ny hafa ary Andriamanitra indrindra indrindra no tena itoeran'ny finoantsika fa tsy ny mahabiby fotsiny intsony.
Dakòro. Izany hoe rehefa misy ny fitonian-tsaina dia afaka miasa milamina ny saina sy ny fo ary malalaka be ny FF, tsy voatery ho avy @ fivavahana ihany anefa no mety ahazoana an’io, .

Soanja:
Misy faritra izay bitika dia bitika, tsy manana anarana manokana amin'ny siansa satria manify loatra sady sarotra faritana, antsoina hoe AREA 25. Io dia faritra io dia isan'ny voa indrindra rehefa mahatsiaro depressed na deprime ( tratran'ny fahakiviana lalina) amin'olombelona. Rehefa dinihina dia io aretina io no mitranga noho mety nanaranaka fa saingy koa nohon'ny fifandraisana tsy lavorary eo amin'ny olombelona niara niaina, ny tontolo niodinany ary nampian'ny teotr'andro manjombona lava manoloana izany olana izany. Io faritra io dia miasa be tokoa ny azy ny FF nohon'ny hafa satria mitaky zavatra ny sainy ary fanatsarana fifandraisana mihoatra ny zavamisy possible afaka omena eo.

Raha te hanova ilay olona ianao ka hanana olom-baovao mavitrika sy ravo ary afaka mijery amin'ny saina mazava ny zava-drehetra ary indrindra tia manjohy ny finoana sy ny fiainana dia io faritra io no mila didina sy amboarina na soloina vitan'olombelona dia sitrana ilay olona. Ny olana anefa dia mbola vao haingana no nahitana io fitsaboana io ka tsy fantatra ny fiatraikany amin'ny olombelona rehefa elaela.
Misaotra nizara. Ohatran’ny mampatahotra sy risika ihany aloha raha izany hodidiana any @ati-doha izany eh, na avotra 100% na mitapy tanteraka tsy avotra intsony raha vao misy fahadisoana kely mandritran’ny fandidiana no sady mety ho lafobe zao ny vola lany @zany. Aleo ny fitandremana, ny fahaizana miaina sy mionona ary manaiky ny zava-misy no trandrahana mandrakariva, ny tsy fahaizana mifehy an’ireo mantsy matetika no mahalasa adala ny olona.
44. Koditra ( 26/05/2009 22:19)
sergiolala:
"Raha miray amiko ianareo dia ianareo ato amiko ary izaho ho ao anatinareo" "Tsy hainareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo??"
Tsy hoe ho an'ny kristianina ireo teny masina ireo. Tsy niteny Jesosy hoe "Tsy fantatrareo v ry MPINO"!! na koa hoe "Raha miray amiko ianareo ry KRSITIANINA" Fa ho an'ny olona rehetra. Izany hoe tempolin'Andriamanitra ny tenantsika, na mpino na athé na katolika , na temoin, na mormon na FJKM, na lahy na vavy, na iza na iza ka mbola mahatsapa fa olombelona. Noho izany ny olona tsy mino dia tsy mahalala fa mitoetra ao aminy Jesosy Kristy, na tsy te hahalala.Izay no mahatonga ny olona misy conscience.
Amintsika ny olona manao ratsy dia lazaina fa tsy misy concsience, am ankapobeny. izany hoe ny olona misy conscience dia olona manao ny tsara. Koa avy aiza ary ny tsara??? Tsy hoe "Andramo ka izahao fa TSARA Jehovah"???
Na koa ity : " Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalàna" (Oha1 -7) Ny fahalalana v tsy ny fahalalàna ny tsara sy ny ratsy??? Izany hoe tsy i Jehovah v no mapahalala ny tsara sy ny ratsy???

fehiny, na mino na tsy mino na finoana inona na inona, rehefa manao ny tsara ny olona iray dia tolo-kevitra avy amin'Andriamanitra izany. Rahefa tsy fanahy Masina'( Jehovah) dia fanahy maloto, rehefa tsy fanahy tsara (na tsara fanahy) dia fanahy ratsy. Tsy misy fanahy eo anelanelany.Na koa hoe fanahy "materialiste" (miala tsiny fa lasa mamorona ) ny devoly koa ange mba mitady teorana ipetrahana e, ka rehefa tsy ao Kristy d izy no lasa manofa trano ao!!! d lasa demoniaque!!!
Misaotra an Sergiolala mbola nivimbina fanampi-panazavana teto. Raha tsoriko dia nitovitovy t@ io voalazanao io mihitsy ny nandraisako azy t@ voalohany, ny henoko mantsy fony fahagola dia hoe vovoka novolavolaina HONO no niantombohantsika olombelona ary nasiana fofon’aina sy silam-panahy avy @ A/tra, dia mazava be izany fa fanahin’A/tra no mitoetra ao anatitsika, saingy ny fahitako fiheverana maro samihafa teny rehetra teny no nahatonga ahy nametra-panontaniana taminareo teto. Raha io hevitra naroson’ny Soanja io zao dia hafa mihitsy nefa ohatran’ny mitady haharesy lahatra ahy ihany koa.


sergiolala:
: " Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalàna" (Oha1 -7) Ny fahalalana v tsy ny fahalalàna ny tsara sy ny ratsy??? Izany hoe tsy i Jehovah v no mapahalala ny tsara sy ny ratsy???
Ny fahendrena malagasy ihany koa dia manana an’ilay hoe «Aza ny lohasaha mangina no jerena fa A/tra antampon’ny loha», amboariko kely fotsiny angamba ny fomba nilazanao azy, tsy voatery hoe mino sy matahotra an’A/tra vao hanampahalalàna sy hahay anavaka ny ratsy sy ny tsara, nefa kosa afaka milaza fa ny fahatahorana an’A/tra dia miteraka fahendrena. Sa tsy izay?

45. Koditra ( 26/05/2009 22:23)
sergiolala:
Tsy i Soanja no nanoratra an'io fa izaho xxx ka !

Tsy voatery hoe misy fatrany ny feon'ny fieritreretana na dia isan'ny hiankinany aza ny fahalalana ka. Ary amiko dia io raisonnement io no feon'ny fieritreretana. Raha nojerenao ny fanazavako eo ambony : Ny hoe feon'ny fieritreretana izany, misy hoe mieritreritra ao. Ary ny hoe mieritreritra dia ny saina no mandanjalanja. Tsy voatery ho manaraka logic siantifika be fotsiny foana ny raisonnement. Mety mibitsika ao an-tsaina ao ny Fanahy (iza no mahafantatra), fa mibitsika ao koa ny zavatra hafa efa notanisaiko tetsy ambony (fahalalana, traikefa, etc).

Ilay fanalana zaza. Raha tsy hiresaka hafa tsy ny contraception aza isika ohatra, dia mety tsy mitovy ny ho holazain'ny feon'ny fieritreretan'ny olona namaky sy nanadihady ny hevitry ny Fiangonana ohatra mikasika an'io, sy ny olona mihaino pub amin'ny media fotsiny, na ny dokotera mahafantatra izay mety ho lafy ratsin'ny fomba isan-karazany a long terme.

Ny feon'ny fieritreretana izany, dia tsy ilay fanapahan-kevitra farany fotsiny hoe izao no atao na izao tsy azo atao ; fa hatramin'ilay hevitra manitikitika rehetra ka mila eritreretina.
Mialatsiny ry xxx fa lasan’ny Soanja ilay hevitra.
Azoko tsara ny tinao lazaina, izany hoe, raha ny fahazahoako azy dia ilay saina eo ampiketriketrehana sy mieritreritra lalina iny mihitsy ilay hatao hoe FF, mifamahofaho ao aby na ny hevitra tsara na ny hevitra ratsy, midika ihany koa nefa izany fa hoe na zvtra ratsy na zvtra tsara io ketrehin’ny saina io dia FF foana no ilazana azy. Sa tsy izany ry xxx?
46. Koditra ( 26/05/2009 22:25)
Tywa68 : Ok. Neveriko fa hevitra @ankapobeny tsinona io nolazainao io.

47. soanja ( 27/05/2009 01:28)
Koditra:



Soanja:
Maty na tsy miasa izy raha manao ratsy foana ilay olona satria mihena amin'ilay olona manao ny tsy mety ny fametrahana ny fanomezan-danja ny FIFANDRAISANA amin'ny hafa na ny natiora na ny tenany. Zany hoe efa miha miroso amin'ilay endrika hoe " adala" izy ka tsy hanana intsony ilay fahafahana mihevitra ny hafa ary hopotika mbamin'ny tenany.


Eto izany no mbola tsy matiko lolo, za mbola te-hametraka foana hoe tsy maty izany fa ny olona fotsiny no minia tsy mihaino. Matetika dia nohon’ny tsy fahampiana ara-bola sy fialonana ary ny fitiavantena no mahatonga ny olona manao ratsy, mangalatra sy mamaky trano, mamono olona, fanenjehana vokatry ny fialonana sns… Azo adika ve izany ry Soanja fa FFn’ny ankabetsahan’ny mpanankarena izany dia betsaka kokoa ary zara fa mihena satria tsy mila mangalatra izy, tsy mila mamono olona, tsy dia manana fialonana loatra satria manana ny ampy?






Hummm mahavariana be izany satria ny an'ny manakarena indrindra no tena matetika no maty FF satria matetika mpanambaka sy mpanao tsindry azo lena sy mpanao tsindrio fa lavo ny mpanakarena.

Satria ny ankabetsahan'ireo mpanakarena dia nahita fianarana na mahay fahalalana isan-karazany, misokatra amin'ny kolontsaina isan-karazany satria mahita firenana maro: ny soa sy ny ratsy rehetra, mahalala ny zavamisy (reality) nefa mody tsy mijery na mody fanina noho ny fitiavan-tena be loatra sy ny fikatsahana fahefana manoloana ny hafa. Izy ireo no afaka mahita ny ankoatry ny tsy hitan'ny mahatra noho izany miady kokoa ny azy ny FF sy ny sainy ary ny fony noho ny mahatra. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ny mpanana mifikitra amin'ny zavamahadomelina satria ny azy io FF io hitany misokatra midanadana fa tsy zava-mandalo sy manify toy ny hafa sendra nanao ratsy. Mivoha manoloana azy ny adisoany vitany ary tsy zakany saingy tsy vonona hanao hetsika hanatsara zavatra izy satria fantany fa raha manao izany izy dia very daholo ireo fahefana ananany.

Noho ny FF ihany no antony ahitanao ireo mpanana manao asa soa isan-karazany ary indrindra manampy olona amin'ny fotoana tampotampoka sy tsy voafetra. Tadidio fa raha manana ianao ka mihoatra lavitra ny hafa nefa tsy manao n'inona n'inona dia tsy ahita tory tokoa ny alina. Io FF io no hiasa mavitrika eo anoloanao isanalina. Ka zary mihinana fanafody mampatory ny sasany ary manao izay hanerena ny FF tsy hifoha manoloana ny maso tsy mety mikipy.

Rehefa ela moa ny ela dia maty ny FF ka dia miala any matetika ny fampanoana olona sy ny zava-dratsy manjaka manimba ny zanakolombelona.

Voalazan'i Marka toko faha-10

25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

48. fahamarinana ( 27/05/2009 07:59)
:arrow: soanja : ekeko eto ilay hoe raha manakarena sns ..fa kosa tsara avahana fa misy ny mpanakarena mampiasa izany amin'ny fanampiana sy fanaovana asa soa fa tsy voatery mpangalatra hatrany ! Ny tsy ahitantsika azy dia satria tsy tia sehoseho sy eboebo fa mangina amin'ny toerany eny !
Manarak'izay na mpanankarena aza tsy voatery hatrany haniry hiditra amin'ny Fanjakan' Andriamanitra fa safidy malalaka sy tanteraka io ! Azontsika ekena sy jerena manodidina antsika fa raha tsy mpino izy dia tsy misy kotiny aminy na Andriamanitra na iza ary tsy misy fiatraikany amin'ny Fiainany ! Mety ny eto an-tany no tena imasoany fa ny any an-koatra indray dia efa maty sy lasa vovoka!
Amin'ny Xna ( ndao lazaina hoe sasantsany koa ) nefa io fiainana io no tena andrandraina sy itadiavana lalana fatratra hany ka lasa variana loatra any ka manadino fa mbola mitomoetra eto an-tany anie isika e ! Lasa masiaka koa manoloana ny fiaraha-monina,entin'ny tahotra sns..
Ouh là ,nihitatra raha ity zalahy an !
Ialana tsiny amin'ny Koditra fa nivoana tanteraka fa ilay voasoritry Soanja no nanitikitika ny lohako ! Fa averiko hatrany fa hevitro monja izay ka tsy voatery ekenareo sy ankasitrahanareo fa avereno amiko raha mahasorena an ! :-*
soanja:
Raha te hanova ilay olona ianao ka hanana olom-baovao mavitrika sy ravo ary afaka mijery amin'ny saina mazava ny zava-drehetra ary indrindra tia manjohy ny finoana sy ny fiainana dia io faritra io no mila didina sy amboarina na soloina vitan'olombelona dia sitrana ilay olona. Ny olana anefa dia mbola vao haingana no nahitana io fitsaboana io ka tsy fantatra ny fiatraikany amin'ny olombelona rehefa elaela.

:arrow: Za koa ohatrany matahotra ilay izy ! Rahavao zvtr amboarina fa tsy voajanahary dia efa tsy dia voako ! Raha atao hoe resaka fanasitranana tsy maintsy atao ,ngaha sanatria ,dia azoko heverina ! Asa anefa !! Za moa katahotra lava zay koa rahateo !
koditra:
tsy voatery hoe mino sy matahotra an’A/tra vao hanampahalalàna sy hahay anavaka ny ratsy sy ny tsara, nefa kosa afaka milaza fa ny fahatahorana an’A/tra dia miteraka fahendrena. Sa tsy izay?

:arrow: Iraisako hvtr ihany koa ! Fa io moa samy manana ny fomba fijeriny araka ny finoany ihany koa ! :) (l)

49. coopsal ( 27/05/2009 11:53)
Koditra:

Ny saina dia samy manana daholo ny tsirairay fa ny fahaizana amampahalalana no tsy itoviany. Tsy iadian-kevitra intsony iny.
Manana konsiansy avokoa ve nefa ny olon-drehetra eny fa na dia h@ ireny mpangalatra sy mpamono olona maty eritriretra ireny, ireny toa tsy manana klé, sa manana konsiansy ihany ireo fa mamoana @ jus de risika na rongony de risika mialohan’ny operation hataony?

==> Ny feon'ny fieritreretana dia isan'ny fomba itenenan' Andriamanitra, izay Fanahy, amin'ny olona, mitafy nofo sy rà toy ny biby. Miteny amin'ny olombelona rehetra Andriamanitra, noho izany manana feon'ny fieritreretana na dia jiolahy raindahiny aza. Misy fomba ahafantarana izany.

Koditra:

niresaka t@ Kristy, lasa ny eritreritra manao hoe @ fomba ahoana?

==> Amin'ny finoana.
Ny zaza vao teraka tsy mahafantatra izay Ray sy Reniny, fa rehefa noana izy dia mitomany, ka ho azy dia izay manome izay ilainy eo no Ray sy Reniny. Tahaka izany ny fanahin'izay mangetaheta hahafantatra an' Andriamanitra, mitomany ao am-po ny fanahiny ary manome azy izay mampangetaheta azy Andriamanitra Ray, araka ny nambaran'i Kristy hoe "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana".

Koditra:

Avy @ alalan’io konsiansy io ve ? Ary ahoana no ahafantarany fa Kristy io niresaka taminy io fa tsy ilay konsiansy itovizan'ny @ be sy ny maro?

==> Ray aman-dReny adala raha toa présent no sady manana hery kanefa mamela ny zanany hofitahin'ny hafa, raha toa ka izy no tadiaviny. Andriamanitra tsy mba adala no sady tompon'ny hery rehetra, ary Izy tsy mamela izay mangetaheta fahamarinana ho voafitaka.
- "Ianareo olombelona, na dia ratsy aza mahay manome zava-tsoa ny Zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra"

NB : "Izay nomen'ny Raiko ahy no hanatona ahy. Ary izay manatona ahy tsy mba ho laviko mihitsy". Izay mitady an' Andriamanitra @ fony dia ampahafantarin' Andriamanitra an'i Jesoa Kristy mba hanatona Azy.

P.S: Izaho tsy nahafantatra an'izay Jesoa sady tsy nino hoe tena misy marina ve Izy. Fa rehefa nangetaheta t@ foko aho ka niteny hoe "raha misy marina Ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao". Nisy valin-teny tonga tao anatiko hoe "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko", koa inoako fa ilay Jesosy nanontaniako io namaly io.
50. soanja ( 27/05/2009 13:35)
fahamarinana:

:arrow: soanja : ekeko eto ilay hoe raha manakarena sns ..fa kosa tsara avahana fa misy ny mpanakarena mampiasa izany amin'ny fanampiana sy fanaovana asa soa fa tsy voatery mpangalatra hatrany ! Ny tsy ahitantsika azy dia satria tsy tia sehoseho sy eboebo fa mangina amin'ny toerany eny !
Manarak'izay na mpanankarena aza tsy voatery hatrany haniry hiditra amin'ny Fanjakan' Andriamanitra fa safidy malalaka sy tanteraka io ! Azontsika ekena sy jerena manodidina antsika fa raha tsy mpino izy dia tsy misy kotiny aminy na Andriamanitra na iza ary tsy misy fiatraikany amin'ny Fiainany ! Mety ny eto an-tany no tena imasoany fa ny any an-koatra indray dia efa maty sy lasa vovoka!
Amin'ny Xna ( ndao lazaina hoe sasantsany koa ) nefa io fiainana io no tena andrandraina sy itadiavana lalana fatratra hany ka lasa variana loatra any ka manadino fa mbola mitomoetra eto an-tany anie isika e ! Lasa masiaka koa manoloana ny fiaraha-monina,entin'ny tahotra sns..
Ouh là ,nihitatra raha ity zalahy an !
Ialana tsiny amin'ny Koditra fa nivoana tanteraka fa ilay voasoritry Soanja no nanitikitika ny lohako ! Fa averiko hatrany fa hevitro monja izay ka tsy voatery ekenareo sy ankasitrahanareo fa avereno amiko raha mahasorena an ! :-*
soanja:
Raha te hanova ilay olona ianao ka hanana olom-baovao mavitrika sy ravo ary afaka mijery amin'ny saina mazava ny zava-drehetra ary indrindra tia manjohy ny finoana sy ny fiainana dia io faritra io no mila didina sy amboarina na soloina vitan'olombelona dia sitrana ilay olona. Ny olana anefa dia mbola vao haingana no nahitana io fitsaboana io ka tsy fantatra ny fiatraikany amin'ny olombelona rehefa elaela.

:arrow: Za koa ohatrany matahotra ilay izy ! Rahavao zvtr amboarina fa tsy voajanahary dia efa tsy dia voako ! Raha atao hoe resaka fanasitranana tsy maintsy atao ,ngaha sanatria ,dia azoko heverina ! Asa anefa !! Za moa katahotra lava zay koa rahateo !
koditra:
tsy voatery hoe mino sy matahotra an’A/tra vao hanampahalalàna sy hahay anavaka ny ratsy sy ny tsara, nefa kosa afaka milaza fa ny fahatahorana an’A/tra dia miteraka fahendrena. Sa tsy izay?

:arrow: Iraisako hvtr ihany koa ! Fa io moa samy manana ny fomba fijeriny araka ny finoany ihany koa ! :) (l)




Faha> Araka ny voalazako dia tsy ny mpanakarena rehetra angamba no manao izany fanambakana izany fa kosa ny ankamaroany. Izay no antony ampiasaiko ny MATETIKA.
Matoa mitanila ny fisehon'ny farim-piainantsika rehetra eto ambonin'ny tany ka misy ny mahantra ary misy ny mpanana , ary indindra ny firenena mahantra sy ny mandroso dia niatomboka tamin'ny fanambakana ny niandohan'ireny. Tsy nivoatra toy izao i Eropa raha tsy nanjanaka sy nanao izay mety hangoronana ny firenenan'olon-kafa toy i Afrika. Tsy tafita tahak'izao i Amerika raha tsy nanandevo ny mainty. Aleo tsy tohizana, matao misy ny mahantra dia noho ny fifandraisana no nahatonga izany fa tsy izy tenany fotsiny, izay misy ihany fa vitsy ankoatr'ireo toe-tany tsy mamokatra firy iainany.

Ny manankarena, ny ankamaroany, hoy aho dia mahalala hoe nahoana izy no lasa nanankarena? Raha manana banky ianao dia mahalala fa fanambakana eken'ny fanjakana ny nazahoana harena. Ataon'ireo faran'izay midangana ny interet alainy fantany anefa fa hisy iaina toy ny andevo handoa izany vola izany. Izay no antony tokoa mahatonga ny kompania goavana maro sy ny olona manankarena maro mitady izay fomba rehetra azo atao hanonerana ireo hadisoana vita tany aloha na tsy ianao no nanao azy fa ny havanao tany aloha. Zany no mahatonga ny governemanta miezaka aty US manao ny " affirmative actions" zany hoe zary hiangarana amin'izay ilay groupy satria notsinotsinoavina loatra taloha. Izay no mahatonga ny mpanana betsaka mikarakara ireo mahantra isankarazany eran-tany. Ny aty aminay moa izao dia mahazo fanampiana akaiky ny Pao Rozy na ny amerikanina indianina satria ny tanin'ireo no nanaovana ampihimamba sy nangalarina ary novonoina ny olony. Mety efa lasa izany tantara izany fa mitoetra amin'ny taranany ny takaitra navelany. Hita taratra sady iainana andavanandro. Ny tenako izao dia miaina mahita ny holatry ny fijaliana nahazo ireo olona ireo izay mbola tsapa na dia efa mifandimby aza ny taranaka.

Raha mpanakarena nahita fianarana sy nahalala tsara ny tantara ary mahafantatra fa misy nhy tsy fitoviantsaranga dia hietsika tokoa hanao zavatra hanatsarana ny mpiara-belona. Fa saingy havitsiana izany raha oharina amin'ny habetsany.

Hatramin'izao dia mbola manao fanabeazana ny olona izahay sy ny hafa maro momba ny fanambakana ankitsirano ny ekonomia fiodinan'ny entana amidy eny an-tsena. Ambakaina ny mpamokatra. Vidiana mora nefa amidy lafo eny an-tsena mihoatra 800% ny nividianana azy tany amboalohany. Mampiasa zaza sns... ireo mpamokatra hahatratrarana ny famokarana nefa ny fiainan'ireo zaza aiza? lasa andevo tsotra izao!

Miala tsiny fa lava ny resako. Misy ny mpanana izay tsy manambaka fa saingy be lavitra ireo mpanakarena nahazo an'io hareny io tamin'ny fanambakana. Mila mandalina ny fiarahamonina fotsiny ny olona iray dia ahita izany. Raha azonao tamin'ny fahaizana ny harena dia hafa izay. Fa izay anefa dia misy fandanjalanjana koa ny fampiasana izany fahaizana izany. Raha hanamboarana baomba nokleara ny fahaizanao dia manontaniana tena, mahatsara ve zany??? betsaka tokoa ny namako miasa amin'ireny fanamboarana fitaovana nokleara ireny, tsy matory alina tsy matory atoandro, mihinanan fanafody? hatraiza ny fetra azonao ampiasana ny fahaizanao??? inona no no tokony atao hamenoana io zava-tsy azo avela io raha io ny fidiram-bola??

FF daholo miasa amin'io rehefa izany.

Ny resaka Area 25 indray dia fitsaboana io ka. Toy hoe misy cancer amin'ny nono ny olona iray. Raha te ho sitrana sy tsy hihanaka ny aretina dia mila didiana. Ny depression dia tena misy fiantraikany tokoa amin'ny fiaina'ilay olona sy ny manodidina azy, ny fianakaviana akaiky indrindra indrindra. Fitsaboana tanteraka io saingy lafo be sady mbola tsy zakan'ny be sy ny maro fa ny fanafody pilina no ampiasain'ny maro, izay hita fa mandaitra nefa koa misy fiantraikany hafa ihany koa. Betsaka tokoa ny olona matahotra ny hodidiana saingy rehefa beazina izy amin'mny fomba entina hanaovana ilay fandidiana dia ahita fa tsy atahotra izy. Ny tahotra dia isan'ny voajanahary. Ny fahafantarana sy ny tsy fahafantarana fa ilaina ny hanaovana zavatra iray no hanome izany safidy izany hoe hisafidy ny iaina sa hiroso amin'ny dia manaraka.


Hevitro koa ireo ary tsy voatery hiraisan'ny maro.




51. soanja ( 27/05/2009 13:45)
Saika hadinoko Faha,

Marina izany tsy voatery ho laharampahamehana ho an'ny mpanakarena rehetra ny hiditra ny fanjakan'Andriamanitra ary mino aho fa ny ankabeazany aza tena nanary izany tanjona izany raha nisafidy ny hanaraka lalana hafa hanimbana ny mpiara-belona. Ao koa ireo izay tsy nobeazina amin'izany sy nisafidy tsy hiaina an'izany.

Fa kosa izany tsy midika hoe tsy miasa ny azy ny FF? Miasa foana io raha tsy niniana poretina tsy hisokatra. Rehefa nahazo ny Fahalalana / knoweldge/ awareness ianao dia hisokatra ny maso ahita ny zavamisy. Ny zavamisy no mitarika ny fiasan'io FF io. Ny zavamahadomelina sns no ampiasaina amin'izany mba hihidy ilay toerana atao hoe kansiansa.

Ilay teny eo ambany avy amin'ny baiboly dia nataoko hoe eo satria na hijery ny rehetra aza aho dia tsy afaka ny hanadino fa manam-pinoana aho ary ny finoako no iainako ary azoko tenenina eto toy ny hafa milaza ny azy tsy misy sakantsakana. Tsy midika velively akory izany hoe tsy hitako ny an'ny hafa raha miteny ny ahy aho.

Misaotra indrindra. Soanja
52. fahamarinana ( 27/05/2009 14:23)
:arrow: misaotra namaly soanja ! indrindra ilay resaka area iny,izay tsy haiko tokoa !
Mikasika ny resaka mpanan-karena moa dia tsy lasa lavitra tamin'ny firenena isan-karazany ny saiko fa hatreo amin'ny mpanakarena manodidina ahy :resaka isam-batan'olona ! Tsy hoe laviko ny lazain'ny soanja akory,misy fahamarinany tokoa fa iadiko varotra koa ny ambiny !
soanja:
ary azoko tenenina eto toy ny hafa milaza ny azy tsy misy sakantsakana. Tsy midika velively akory izany hoe tsy hitako ny an'ny hafa raha miteny ny ahy aho

:arrow: ialako tsiny raha tafitohina i soanja ! tsy amin'izay no tiko tsindrina fa ny hoe safidy na ho ahy na ho ianao ary samy mety amin'ny tsirairay koa izay nisafidy azy ! Na Xna na tsia e ! tsotra fotsiny ! Somary samihafa ny fomba fandraisantsika azy fa dia ialana tsiny e na za koa no tsy nahay nanazava satria tsy tsikera ny Finoanao ,sanatria ka hataoko zay ,adinon'ny Soanja angamba ve fa Xna koa aho e ! :( (l)
53. ikaretsaka ( 27/05/2009 15:44)
ooops kay moa i faha Xtianina tokoa :wink:
54. fahamarinana ( 27/05/2009 15:50)
:arrow: Ika : ka tsa haiko tsony koa !! sao za koa nanadino ary ! Za koa moa nanao lavatongotra dia tsy tazana tsony koa !...:? (l)
55. ndenn ( 27/05/2009 18:40)
Saika tsy hiteny ihany aho nefa dia mba hampita kely ity zavatra efa mba nohadihadian\' ny olona maro hevitra ity momba io FF io.
Physiologiquement aloha dia samy mahalala fa mizara roa ny ati- dohan\' olombelona ,izany hoe misy ilay hemisphere cerebrale gauche ary droite .
Raha araka ny science aloha dia hoe ;ny hetsiky ny tena tsy ampiheverana dia vokatry ny memorisations selectives , visuelles, auditives , gustatives olfactives , thermique , douloureuses,de pression .Azo fintinina hoe io ilay subconsciences cerebro-spinale .izay atitra miseho mitsitokatokana ,ary mifanongoa ao anaty ati-doha ao @ faritra gnosique ,izay hiforonan\' ny fahatsapana sensible ho rationnelle ,Ambonin\' izany dia ny fiaraha- miasan\'ny hemisphere roa ireo ,dia tsy maintsy mifampiankina ,raha manao ENY ny havia dia tsy maintsy manisy tandindona ho manao TSIA ny havanana , ary ny hentana avy @ io fifandraisana io no mandrindra ny hetsika ataon\' ny olona ivelany izay antsoina hoe praxie .
Ny hatitra avy ao @ireo toerana roa ireo izay soritana @ teny hoe poste diencéphalique no mahatonga ny fisokafan\' ny saina handinika sy handalina ny tsapany ; visuel ,auditive,..araky ny organes rehetra misy ao @ tenan\' ny olombelona.
Ka momba ny resaka FF aloha raha raisina dia ,rehefa to tanteraka ny elaboration\' ny element moteur cerebral ,surtout eo @ 60 taona miakatra eo dia mampiasa tanteraka ny reserve de neuronnes misy ao aminy ny tenan\' olombelona .Ary mivelatra tokoa ny fomba fieritreretany @ io fotoana io .
Ka eo indrindra no ahafahany mandinika ny fomba fisainany manokana hatramin\' ny fahazazany ka hatramin\' izy lehibe .Ary miantefa @ manodidina azy ireny eritreritra ireny ,ary tsy manam-pitsaharana mihintsy indraindray .


:oops: :oops:
56. fahamarinana ( 27/05/2009 20:02)
:arrow: ndenn : ohatrany mahavariana sy mahaliana ahy ilay fanazavanao ,tokoa moa ! :) (l)
57. soanja ( 27/05/2009 20:14)
fahamarinana:

:arrow: misaotra namaly soanja ! indrindra ilay resaka area iny,izay tsy haiko tokoa !
Mikasika ny resaka mpanan-karena moa dia tsy lasa lavitra tamin'ny firenena isan-karazany ny saiko fa hatreo amin'ny mpanakarena manodidina ahy :resaka isam-batan'olona ! Tsy hoe laviko ny lazain'ny soanja akory,misy fahamarinany tokoa fa iadiko varotra koa ny ambiny !
soanja:
ary azoko tenenina eto toy ny hafa milaza ny azy tsy misy sakantsakana. Tsy midika velively akory izany hoe tsy hitako ny an'ny hafa raha miteny ny ahy aho

:arrow: ialako tsiny raha tafitohina i soanja ! tsy amin'izay no tiko tsindrina fa ny hoe safidy na ho ahy na ho ianao ary samy mety amin'ny tsirairay koa izay nisafidy azy ! Na Xna na tsia e ! tsotra fotsiny ! Somary samihafa ny fomba fandraisantsika azy fa dia ialana tsiny e na za koa no tsy nahay nanazava satria tsy tsikera ny Finoanao ,sanatria ka hataoko zay ,adinon'ny Soanja angamba ve fa Xna koa aho e ! :( (l)


Faha o, tsy tafitohina velively aho na tezitra na misy zavatra hafa tsapa fa miteny tsotra ny tiako ambara. Aza manahy mihitsy indry fa tsy mba zavatra toy izany no hanova ny fihetsem-poko.

Tsy mandiso ny tenindry mihisty velively anie aho e. Milaza fotsiny fa matoa misy kilasy roa miavaka be sy mifampisaraka elanelana be dia dia noho ny antony samihafa tamin'ny tantara niainan'ny globa sy ny olona tao anatiny.

Ny isam-batanon'olona indray dia tsy misy resaka tokoa izany fa samy manana ny hareny avy isika ary samy manana ny hatsaran'izany. Ny antony nahatonga ahy nilaza an'iny mantsy dia avy tamin'ny tenin'i Koditra tary hoe ny feno faharatsiana : fangalarana sns... eo amin'ny mahantra fa ny mpanana mety tsy hisy olona ny FF.


:-* :-* :-*

Tsy hadinoko velively hoe Xtianina akory indry. Fa somary gaga kely fotsiny aho tsy ho afaka hilaza ny finoako intsony ve aho eto na hiteny ireo tenin'Andriamnitra marobe satria misy ireo izay tsy mpino izay tsy mino ny inoako? Amiko dia na eo aza ny fitsinjovana ny hafa dia tsy azoko atao velively kosa ny hanadino fa matoa miodina ny fiainako dia satria Andriamanitra no mitantana ahy. Koa na tiako aza ny tsy mpino dia tsy hahatana ahy hidera ny anaran'Andriamanitra ny fisian'izy ireo.

Tantaraiko zavatra ianareo.

Nahita fosa mena be aho omaly maraina raha niaraka tamin'ny vadiko tao anaty fiara tao an-tokotaninay. Taitra be aho fa tsy hitako tsara le izy fa izy tonga de nahalala hoe fosa io. Maika be aho namoaka fakantsary no sady nidina ny fiara haingana haka sary. Dia izy tsy taitra fa hoe inona re no hidinana fiara fa eo manapika azy dia vita. Non, hoy aho fa mila mahita akaiky aho sady mba mahita ny masony. Mba mifampijery izahay fa sambasamba mahita fosa akaiky. Dia hoy aho nanantona moramora ilay fosa hoe : what a lucky day for me! sady nitsiky tamin'ilay fosa aho, dia hoy ny vadiko mamaly eo ambony fiara hoe : zany ka raha mba hinohino foana! Biby io ve dia hisy ny hafa an'iry vorona ery ambony hazo iry. Mitovy aby ireo. Dia hoy aho hoe non, hafa ny fosa, hafa ny vorona! Ka hoy izy tsy hitako izay hidiran'ny lucky day amle izy? dia hoy aho hoe satria mino aho fa tsara amiko ny andro androany. Mahavarina hoy izy. Ataoko akory fa zay zah e, hoy aho. Tsy misy zavatra mandeha goana izany fa matoa io fosa manoloana antsika dia fahasoavana izany amiko. Toran'ny homehy izy!!!!

Koa aza manahy Faha miala tsiny indrindra raha toa ka somary nanaitra anao ny soratro fa tsy manantsiny velively eo imasoko indry fa tiako tokoa. :-* :-*
58. fahamarinana ( 27/05/2009 20:25)
:arrow: soanja : misaotra indrindra namaly fa ny marina dia somary nalahelo kely aho,tsy ny hoe tezitra fa ilay nampalahelo olona noho ny tsy nahaizako nanazava ny tiko ambara ! Mazava kah,misaotra betsaka fa milamina ny saiko !
Tsy hoe tsy afaka ny hilaza ny finoana akory,ny mifanohitra aza satria izay koa angamba no nampanotany tena ny mpanolotra dinika sy navahany tsara hoe ny hevitra na mpino na tsia ,izay mety handraisantsika rehetra azy ! Mazava ho azy fa tsy mitovy sy tsy sahala daholo isika eto izao !
Mikasika ny resaka mpanankarena indray dia efa hitako tokoa fa ny voalzan'ny koditra no novaliandry fa mba notsaingohako kely monja ! miala tsiny an !
Misaotra betsaka akia ! :-* (l)
59. soanja ( 28/05/2009 02:01)
Fahamarinana> Mifona aminao aho raha toa ka nahatonga anao ho nalahelo. Amin'ny manaraka dia hiezaka aho hanisy emotikonina raha toa ka sanatria misy tsy fitovian-kevitra ohatra amin'izay fantatrao fa ny hevintsika no ampiadiana eto fa tsy isika velively. Mety ve izay sa ahoana no mahamety azy amin'izay indry tsy mahatsiaro malahelo na tsy milamina kely noho ny zavamisy mety hataoko? Tiako raha mpinamana foana isika. Misaotra indrindra namela ahy amin'ny fahadisoako. Soanja

:-* :-* :-* :-* :-* (l) (l)
60. niryna ( 28/05/2009 04:09)
sergiolala:

Hoy Paoly :"Tsy izaho intsony no velona ato anatiko fa Kristy" Misy olona izany ao anantitsika
"Raha miray amiko ianareo dia ianareo ato amiko ary izaho ho ao anatinareo" Misy olona koa izany ao anatintsika.
koditra a,io izao dia misy fanazavana. Manambara fa ny mpino an'i kristy dia ny fanahiny no ao aminy



Iza ary no manao STOP antsika raha misy zavatra ratsy izay hataontsika??
Tadidio koa anefa fa misy olona hafa mipetraka ao anatin'ny olona. Rehefa iny ny olona iray izay manao zavatra "mihoatra" ny tokony hataony. Ireny ilay antsoina hoe "démoniaque". Ny démoniaque tsy afaka intsony mamantatra ny tsara intsony.

Anjaranao ny mahalala ny ao anatinao
io ny fanazavany ny fanahy roa mipetraka ato anatintsika.
Araka ny teniko tery ambony hoe ny olona miaraka ny fanahin'Atra dia mahalala ny fanahy miaraka aminy,dia toa izany koa ny olona izay tsy miaraka ny fanahin'Atra dia tsy mahalala ny teny izay omena azy,mety ho fantany araka ny eritreriny sy izay fahaizany fa tsy ho azony ary tsy ho hekeny mihitsy ny fahamarinan'ilay teny
Inona izany fanahy masina izany ? Kristy dia nanambara antsika fa tsara ho azy ny mandeha ary mahatsara antsika ny andehanany satria io fanahy masina io no miaraka anizay mino ny anaraNy ary io fanahy masina io no mampianatra antsika ny zavatra rehetra sy mitari-dalana antsika mba andeha amin'ny fahamarinana
:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087